FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ny mpiasa ao an-tanim-boaloboka
    Ny Tilikambo Fiambenana—1989 | 15 Novambra
    • Farany, dia nifarana tamin’ny nahafatesan’i Jesosy ny andro iray ara-panoharana niasana, ary tonga ny fotoana hanomezana ny karaman’ny mpiasa. Mifanohitra amin’ny fitsipika mahazatra fa ny farany no nomena karama aloha. Toy izao izany: “Ary rehefa hariva ny andro, dia hoy ny tompon’ny tanimboaloboka tamin’ny mpitandrina ny raharahany: Antsoy ny mpiasa, ka aloavy ny karamany; atombohy amin’ireo taoriana ka vao hatramin’ireo voalohany. Ary rehefa tonga ireo nokaramaina tamin’ny ora fahiraika ambin’ny folo, dia nahazo denaria misesy avy izy. Fa rehefa tonga ireo voalohany dia nanantena hahazo mihaotra izy; kanjo samy denaria misesy avy ihany no azony. Ary rehefa nahazo izany izy, dia nimonomonona tamin’ny tompon-trano ka nanao hoe: Ireo olona farany ireo dia niasa ora iray monja, kanefa nataonao mitovy aminay, izay niaritra ny fahatrotrahana sy ny hainandro. Fa izy namaly ka nanao tamin’ny anankiray amin’ireny hoe: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy marina aminao aho; tsy efa denaria va no nifanekenao tamiko? Raiso ny anao, ka mandehana; fa ilay farany dia tiako homena toraka ny anao koa. Tsy mahazo manao izay tiako amin’ny ahy va aho? Ratsy va ny masonao, satria tsara aho?” Ary ho famaranan-teny dia nanamafy izay nambarany teo aloha izy: “Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.”

  • Ny mpiasa ao an-tanim-boaloboka
    Ny Tilikambo Fiambenana—1989 | 15 Novambra
    • Tsy ela dia nahamarika ireo izay noraisina hiasa voalohany fa nandray ny karamany ireo mpianatr’i Jesosy, ary hitany fa nampiasa ny denaria ara-panoharana izy ireo. Nefa naniry mihoatra noho ny fanahy masina sy ny tombontsoa avy amin’izany izy, tombontsoa mifandray amin’ilay Fanjakana. Ny fimonomononany sy ny fanoherany dia naka endrika fanenjehana ireo mpianatr’i Kristy, ireo mpiasa “farany” nirahina ho any an-tanimboaloboka.

      Tsy nahita afa-tsy io fahatanterahana tamin’ny taonjato voalohany io ve ny fanoharan’i Jesosy? Tsia, amin’izao taonjato faha-20 izao, ny klerjy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, noho ny toerany sy ny andraikiny, dia ny “voalohany” noraisina hiasa tao amin’ny tanimboalobok’Andriamanitra ara-panoharana. Nihevitra ireo mpitory be zotom-po izay niara-niasa tamin’ny Watch Tower Bible and Tract Society ho ny “farany” vao nahazo asa fanirahana azo ekena eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izy. Nefa, raha ny marina, ireo izay nankahalain’ny klerjy indrindra no nahazo ny denaria: ny voninahitra hanao ny asan’ny ambasadaoro voahosotr’ilay Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. Matio 19:30 ka hatramin’ny 20:16.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara