FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jy toko 98 p. 228-p. 229 feh. 5
  • Te ho Ambony Indray Ireo Apostoly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Te ho Ambony Indray Ireo Apostoly
  • I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mitovitovy Aminy
  • Nifanditra ireo mpianatra rehefa nanakaiky ny hahafatesan’i Jesosy
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Niady hevitra ny mpianatra rehefa nanakaiky ny hahafatesan’i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • “Tiany Hatramin’ny Farany Izy Ireo”
    “Andao Hanara-dia Ahy”
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
Hijery Hafa
I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
jy toko 98 p. 228-p. 229 feh. 5
I Salome manatona an’i Jesosy ary mangataka toerana manokana ho an’ireo zanany lahy

TOKO 98

Te ho Ambony Indray Ireo Apostoly

MATIO 20:17-28 MARKA 10:32-45 LIOKA 18:31-34

  • NIRESAKA INDRAY MOMBA NY HAHAFATESANY I JESOSY

  • INONA NO NATAON’I JESOSY REHEFA NIADY HO LEHIBE IREO APOSTOLINY?

Niampita ny Reniranon’i Jordana teo akaikin’i Jeriko i Jesosy sy ny mpianany, rehefa hifarana ny diany nianatsimo avy tany Pere nankany Jerosalema. Nisy olon-kafa koa niara-dia tamin’izy ireo mba hamonjy ny Paska taona 33.

Nialoha an’ireo mpianatra i Jesosy, satria tena te ho tonga ara-potoana tany Jerosalema mba hankalaza ny Paska. Natahotra anefa ny mpianatra. Rehefa maty i Lazarosy talohan’izay ary tany Pere i Jesosy ka ho any Jodia, dia hoy i Tomasy tamin’ny mpianatra hafa: “Andao koa isika handeha, mba hiara-maty aminy.” (Jaona 11:16, 47-53) Nampidi-doza àry ny nankany Jerosalema, ary ara-dalàna raha natahotra ny mpianatra.

Tian’i Jesosy ho vonona amin’izay hitranga ny mpianany, ka niresahany mitokana hoe: “Miakatra ho any Jerosalema isika izao. Ary hatolotra amin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny Zanak’olona, ka homelohiny ho faty, dia hatolony amin’ireo hafa firenena ka hataon’ireo ho fihomehezana sy hokaravasiny ary hofantsihany amin’ny hazo fijaliana. Ary hatsangana izy amin’ny andro fahatelo.”—Matio 20:18, 19.

Fanintelony amin’io i Jesosy no nilaza tamin’ny mpianany fa ho faty izy ary hatsangana amin’ny maty. (Matio 16:21; 17:22, 23) Nilaza izy tamin’io fa hofantsihana amin’ny hazo fijaliana. Tsy azon’izy ireo anefa ny tiany holazaina. Nanantena angamba izy ireo fa haorina indray eto an-tany ny fanjakan’ny Israely, ary te hahazo voninahitra miaraka amin’i Kristy ao amin’izany fanjakana izany izy ireo.

I Jakoba sy Jaona

Niara-dia tamin-dry Jesosy ny renin’i Jakoba sy Jaona, izay angamba i Salome. Nomen’i Jesosy anarana hoe “Zanaky ny Varatra” ireo apostoly ireo satria nafana fo be. (Marka 3:17; Lioka 9:54) Te hahazo toerana ambony ao amin’ny Fanjakan’i Kristy izy roa lahy, nandritra ny fotoana elaela. Fantatry ny reniny izany ka te hanao zavatra ho azy ireo izy. Nankany amin’i Jesosy àry izy, ka niankohoka teo aminy mba hangataka zavatra. Hoy i Jesosy: “Inona no tadiavinao?” Hoy izy: “Aoka re ireto zanako ireto mba hipetraka eo anilanao e, ka ny iray eo ankavananao, ary ny iray eo ankavianao, ao amin’ny fanjakanao.”—Matio 20:20, 21.

Fangatahan’i Jakoba sy Jaona ilay izy raha ny marina. Vao avy nilaza i Jesosy fa halam-baraka sy hatao tsinontsinona izy, ka hoy izy: “Tsy fantatrareo izay angatahinareo. Hainareo ve ny hisotro amin’ny kaopy efa madiva hisotroako?” Hoy izy roa lahy: “Hainay.” (Matio 20:22) Toa tsy tena azon’izy ireo anefa ny dikan’izany.

Niteny tamin’izy ireo i Jesosy hoe: “Hisotro amin’ny kaopiko tokoa ianareo. Fa ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako, dia tsy anjarako ny manome izany. Fa ho an’izay efa nanomanan’ny Raiko azy ihany izany toerana izany.”—Matio 20:23.

Tezitra ny apostoly hafa rehefa nandre ny fangatahan’i Jakoba sy Jaona. Izy roa lahy ireo angamba no tena sahy niresaka ny heviny, rehefa niady hevitra momba an’izay lehibe indrindra ireo apostoly talohan’izay. (Lioka 9:46-48) Nanoro hevitra azy ireo mba hitondra tena toy ny kely indrindra i Jesosy tamin’izay. Hita tamin’ilay fangatahan’izy roa lahy anefa hoe tsy nampihatra an’izany izy 12, fa mbola te ho ambony foana.

Tapa-kevitra ny handamina an’io adihevitra farany io sy ny disadisa vokatr’izy io i Jesosy. Niantso azy 12 lahy àry izy ka nanoro hevitra azy ireo tamim-pitiavana hoe: “Fantatrareo fa manjakazaka amin’ny firenena entiny ireo heverina ho mpitondra, ary manampatra ny fahefany ireo lehibe. Tsy mba toy izany kosa eo aminareo. Fa na iza na iza te ho lehibe aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo, ary na iza na iza te ho voalohany aminareo dia tsy maintsy manompo ny rehetra.”—Marka 10:42-44.

Ny tenany mihitsy no nataon’i Jesosy ohatra hotahafin’ny mpianany. Hoy izy: ‘Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo, ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.’ (Matio 20:28) Nanompo ny hafa nandritra ny telo taona teo ho eo i Jesosy. Mbola hanao izany izy ka ho faty ho an’ny olombelona rehetra mihitsy. Mila manana an’io toe-tsain’i Kristy io ny mpianany, izany hoe vonona hanompo ny hafa fa tsy hotompoina, ary hitondra tena toy ny kely indrindra fa tsy hitady ny ho ambony.

  • Inona no nataon’i Jesosy mba hanampiana ny mpianany ho vonona amin’izay hitranga?

  • Inona no nangatahin’ny apostoly roa, ary inona no vokatr’izany teo amin’ny apostoly hafa?

  • Inona no nataon’i Jesosy mba hanitsiana an’ireo apostoly?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara