FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 15/9 p. 4-7
  • Izao Indrindra no Fotoana Tokony Hifohazana!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Izao Indrindra no Fotoana Tokony Hifohazana!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mbola maharitra tsy miova ve ny zava-drehetra?
  • Tena ilaina ny hitoerana ho mifoha
  • Efa Tena Akaiky ny Farany
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • “Andro Farany” ve Izao Iainantsika Izao?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • “Miambena” Hatrany!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Nangataka Famantarana ny Apostoly
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 15/9 p. 4-7

Izao Indrindra no Fotoana Tokony Hifohazana!

‘TOKONY hanao izany indrindra isika, satria fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin’ny fatoriana’. (Romana 13:11). Izany teny izany no nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ireo Kristianina tany Roma, 14 taona teo ho eo talohan’ilay loza namarana ny fandehan-javatra jiosy tamin’ny 70 am.f.i. Koa satria nifoha teo amin’ny lafiny ara-panahy ireo Kristianina jiosy, dia tsy tao Jerosalema izy tamin’io fotoana fanapahan-javatra io, hany ka afa-nandositra ny fahafatesana na ny fanandevozana. Ahoana anefa no nahafantarany fa nila nandao tanteraka an’ilay tanàna izy?

Efa nampitandrina i Jesosy Kristy fa hanidy an’i Jerosalema manodidina ny fahavalo, ary hamongotra hatramin’ny tany ny mponina tao aminy. (Lioka 19:43, 44). Nanome famantarana nisy lafiny maro tsy saro-pantarina an’ireo mpanara-dia azy nahatoky i Jesosy, taorian’izay. (Lioka 21:7-24). Ho an’ireo Kristianina nonina tao Jerosalema ireo, ny fandaozana ilay tanàna dia nidika ho fandaozana trano sy asa. Na izany aza, dia voaro ny ain’izy ireo noho izy mailo ka nandositra.

Nanontany azy toy izao ny mpianany fony i Jesosy nanambara mialoha ny handringanana an’i Jerosalema: “Lazao aminay izay andro hahatongavan’izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan’izao tontolo izao.” (Matio 24:3). Nampitahain’i Jesosy tamin’ny fe-potoana nitarika ho amin’ny Safo-drano naneran-tany tamin’ny andron’i Noa ny fiaviany, tao amin’ny valin-teniny. Nohazavainy fa nandringana ny ratsy fanahy rehetra ilay Safo-drano. (Matio 24:21, 37-39). Nasehony tamin’izany fa mbola hisalovana indray amin’ny raharahan’ny olombelona, Andriamanitra. Ho tonga hatraiza izany fisalovanana izany? Ho tonga hatramin’ny famongorana tontolo na fandehan-javatra ratsy iray manontolo izany! (Ampitahao amin’ny 2 Petera 3:5, 6.) Mety hitranga amin’izao fotoana misy antsika izao ve izany?

Mbola maharitra tsy miova ve ny zava-drehetra?

Vitsy ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany izay nieritreritra hoe ho ringana i Jerosalema, ilay tanàna masin’izy ireo, indray andro any. Fahita ny tsy finoana toy izany, eo amin’ny olona mipetraka akaikin’ny volkano, kanefa mbola tsy nahita ny fipoahan’ny iray tamin’ireny. “Tsy ho amin’izao fotoana ahavelomako izao izany.” Izany mazàna no lazain’ny olona rehefa misy fampitandremana omena. “Isaky ny roanjato na telonjato taona no mipoaka ny volkano amin’ny ankapobeny”, hoy ny fanazavan’i Lionel Wilson, manam-pahaizana momba ny volkano. “Manahy ianao raha tamin’ny andron’ny ray aman-dreninao no nitrangan’ny fipoahana iray ka nahavoatery azy ireo hifindra toerana. Fa raha tamin’ny andron’ny raibe aman-drenibenao kosa ilay izy, dia toy ny hoe tantara fotsiny izany.”

Ny fanazavana araka ny marina anefa, dia afaka manampy antsika hahay hanavaka ireo famantarana loza, ary hihevitra izany ho zava-dehibe. Ny anankiray tamin’ireo nandositra ny Tendrombohitra Pelée, dia nahalala tsara momba ny volkano ka nahatakatra ny dikan’ireo famantarana loza. Nohazavaina araka ny marina koa izany famantarana izany, fotoana fohy talohan’ny nipoahan’ny Tendrombohitra Pinatubo. Nampiaiky an’ireo mponina teo an-toerana mba handao ilay faritra, ireo manam-pahaizana momba ny volkano izay nanara-maso ny hery tsy hita maso nitombo tsikelikely tao anatin’ilay tendrombohitra.

Mazava ho azy fa hisy foana ny olona tsy hiraharaha ireo famantarana loza, ka hanizingizina fa tsy hisy na inona na inona hitranga. Mety haneso an’ireo manao zavatra amim-pahatapahan-kevitra aza izy ireny. Nambaran’ny apostoly Petera mialoha fa ho zavatra fahita amin’izao androntsika izao ny fomba fihevitra toy izany. “Fantatrareo voalohany indrindra”, hoy izy, “fa amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fihaviany? Fa hatrizay nodian’ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao aza.” — 2 Petera 3:3, 4.

Inoanao ve fa “andro farany” izao misy antsika izao? Tao amin’ny The Columbia History of the World, dia nanontany toy izao i John A. Garraty sy i Peter Gay: “Hitantsika ve ny firodanan’ny sivilizasionantsika?” Avy eo dia nofakafakain’ireo mpahay tantara ireo ny olana atrehin’ny fitondram-panjakana, ny fitomboan’ny heloka bevava sy ny tsy fankatoavan’ny sivily maneran-tany, ny faharavan’ny fiainam-pianakaviana, ny tsy fahombiazan’ny siansa sy ny teknôlôjia eo amin’ny famahana ny olana mahazo ny fitambaran’olona, ny krizim-pahefana, ary ny fihasimbana ara-pitondran-tena sy ara-pivavahana hita maneran-tany. Toy izao no fanatsoahan-kevitr’izy ireo: “Raha tsy famantarana fiafaran-javatra azo antoka ireo zavatra ireo, dia tena mitovy amin’izany mihitsy.”

Manana antony marim-pototra isika hinoana fa antomotra ny “fiafaran-javatra” iray. Tsia, tsy tokony hatahotra isika sao hifarana ny gilaoby tany, satria milaza ny Baiboly fa “nanorina ny tany tambonin’ny fanorenany [Andriamanitra], mba tsy hihetsehany mandrakizay doria”. (Salamo 104:5). Tokony hampoizintsika anefa fa hifarana tsy ho ela itỳ fandehan-javatra ratsy nampitondra fahoriana tsy nisy toy izany ny olombelona itỳ. Nahoana? Satria hitantsika ireo lafiny misongadina maro, izay mampahafantatra ny andro faran’itỳ fandehan-javatra itỳ, araka izay nosoritan’i Jesosy Kristy. (Jereo ny faritra voafefy mitondra ny lohateny hoe “Lafiny Misongadina Sasany Amin’ny Andro Farany.”) Nahoana raha mampitaha ny tenin’i Jesosy amin’ireo zava-miseho maneran-tany? Mety hanampy anao handray fanapahan-kevitra mampiseho fahendrena ho an’ny tenanao sy ny fianakavianao, ny fanaovana izany. Kanefa, nahoana no tokony hanao zavatra dieny izao?

Tena ilaina ny hitoerana ho mifoha

Na dia mety ho fantatry ny mpahay siansa aza ny fahantomoran’ny fipoahan’ny volkano iray, dia tsy afaka milaza amin’ny fomba hentitra ny fotoana hitrangan’izany kosa, izy ireo. Mitovy amin’izany koa ny mikasika ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ. Hoy tokoa mantsy i Jesosy: “Ny amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany.” (Matio 24:36). Koa satria tsy fantatsika marina ny fotoana hifaranan’ny fandehan-javatra ankehitriny, dia nanome antsika izao fampitandremana izao i Jesosy: “Aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin’ny alina izay hihavian’ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina. Koa miomàna kosa hianareo; fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ny Zanak’olona [Jesosy].” — Matio 24:43, 44.

Izany tenin’i Jesosy izany dia mampiseho fa hanampoka itỳ tontolo itỳ ny fifaranan’itỳ fandehan-javatra itỳ, ao anatin’ny loza. Na dia mpanara-dia azy aza isika dia mila ‘miomana’. Ny toe-javatra misy antsika dia mitovy amin’ny an’ny tompon-trano iray izay mety ho tratran’ny tsy nampoizina, satria tsy fantany ny fotoana hidiran’ny mpangalatra an-keriny ao an-tranony.

Mitovy amin’izany koa no nolazain’ny apostoly Paoly tamin’ireo Kristianina tany Tesalonika: “Hianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo. (...) Fa hianareo, ry rahalahy, tsy ao amin’ny maizina, mba hahatratra anareo toy mpangalatra izany andro izany.” Nampirisika mafy toy izao koa i Paoly: “Aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiari-tory ka hahonon-tena.” (1 Tesaloniana 5:2, 4, 6, fanamarihana ambany pejy). Inona no dikan’ny hoe ‘miari-tory ka mahonon-tena’?

Tsy mitovy amin’ny fandosiran’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany an’i Jerosalema ny fandosirantsika mba hahazoana fiarovana. Tsy misy fandaozana tanàna iray voafaritra tsara ny antsika. Rehefa avy nananatra mafy an’ireo mpiray finoana taminy tao Roma mba hifoha tamin’ny fatoriana i Paoly, dia nampirisika azy ireo mba ‘hanary ny asan’ny maizina’ ka ‘hitafy an’i Jesosy Kristy Tompo’. (Romana 13:12, 14). Amin’ny fanarahantsika akaiky ny dian’i Jesosy no hampisehoantsika fa tena fantatsika ny fotoana misy antsika. Ary raha mailo eo amin’ny lafiny ara-panahy toy izany isika, dia ho tsara toerana mba hahazo ny fiarovan’Andriamanitra rehefa hifarana itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ. — 1 Petera 2:21.

Manana fiainana misy heviny sady mahafa-po ireo izay manara-dia an’i Jesosy Kristy. Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro no nahita fa sady mora no mamelombelona ny zioga entiny noho izy mpianatr’i Kristy. (Matio 11:29, 30). Ny ‘fandraisana fahalalana an’Andriamanitra sy ilay nirahiny, i Jesosy Kristy’ no dingana voalohany amin’ny fahatongavana ho mpianatra. (Jaona 17:3, NW ). Mitsidika tokantrano an-tapitrisany maro isan-kerinandro ny Vavolombelona mba hanampiana ny olona hahazo “fahalalana ny marina”. (1 Timoty 2:4). Ho faly tokoa izy ireo hitarika fampianarana Baiboly maimaim-poana miaraka aminao ao an-tokantranonao. Ary arakaraka ny hitomboan’ny fahalalanao ny Tenin’Andriamanitra, dia tsy isalasalana fa hiaiky koa ianao fa hafa izao andro misy antsika izao. Tsy azo lavina fa izao indrindra no fotoana tokony hifohazana amin’ny fatoriana!

[Efajoro, pejy 7]

Lafiny Misongadina Sasany Amin’ny Andro Farany

“Hisy firenena hitsangana hamely firenena”; ‘Hesorina amin’ny tany ny fihavanana’. (Matio 24:7; Apokalypsy 6:4)

Nanaisotra ny fihavanana tamin’ny tany ireo ady lehibe roa tamin’itỳ taonjato itỳ, miaraka amin’ireo fifandonana maro be hafa. “Ny Ady Lehibe Voalohany — ary toy izany koa ny Faharoa — dia hafa noho ireo ady rehetra nisy tany aloha”, hoy ny nosoratan’ilay mpahay tantara, atao hoe John Keegan, “hafa noho ny halehibeny, ny hamafiny, ny fitarany ary ny habetsahan’ny zavatra sy ny aina nafoy. (...) Ireo Ady Lehibe dia namono olona maro kokoa, nandaniana harena betsaka kokoa, ary nampitondra fahoriana mafy kokoa teo amin’ny faritra amin’ny tany midadasika kokoa, noho izay nety ho ady hafa tany aloha.” Mampahory zaza amam-behivavy maro kokoa noho ny miaramila ireo ady ankehitriny. Tombanan’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza ho roa tapitrisa ny isan’ny zaza maty tamin’ny ady tato anatin’ny folo taona farany.

“Hisy mosary”. (Matio 24:7; Apokalypsy 6:5, 6, 8)

Nisondrotra be ny vidin’ny varimbazaha sy ny katsaka, tamin’ny 1996. Ny antony? Nihena ho vatsy 50 andro monja ny tahiry tamin’ireo voamadinika ireo. Izany no tarehimarika ambany indrindra voarakitra an-tsoratra. Ny fisondrotry ny vidin’ireo foto-tsakafo dia midika fa olona an-jato tapitrisany maro amin’ny mponina mahantra maneran-tany, no mandry fotsy — ary ankizy ny maro aminy.

“Horohorontany amin’ny tany samy hafa”. (Matio 24:7)

Horohoron-tany sivy monja dia efa nahafaty olona maherin’ny 100 000 avy, nandritra ireo 2 500 taona farany. Ny efatra tamin’izany horohoron-tany izany dia nitranga nanomboka tamin’ny 1914.

“Fitomboan’ny tsy fankatoavan-dalàna”. (Matio 24:12, NW )

Nanjary niely patrana ny tsy fankatoavan-dalàna, na fandikan-dalàna, arakaraka ny anatonan’ny faran’ny taonjato faha-20. Anisan’ireo lafiny mampihoron-koditra amin’izao andro farany feno herisetra izao ny fanafihan’ny mpampihorohoro ireo sivily, sy ny famonoana amin-kamafiam-po ary ny fanaovana vono moka.

“Areti-mandringana any amin’ny tany samy hafa”. (Lioka 21:11)

Mandritra ireo taona 1990, dia azo inoana fa olona 30 tapitrisa no ho fatin’ny raboka. Mihatsy laitram-panafody hatrany ireo bakteria mitondra aretina. Mamely olona eo anelanelan’ny 300 sy 500 tapitrisa isan-taona ary mamono 2 tapitrisa eo ho eo, ny tazomoka izay aretina mahafaty hafa iray. Amin’ny faran’itỳ folo taona itỳ, dia ampoizina fa hahatonga fahafatesan’olona 1,8 tapitrisa isan-taona, ny SIDA. “Mahita fihanahan’ny valanaretina ny olombelona amin’izao fotoana izao”, hoy ny fanambaran’ny State of the World 1996.

“Hotorina amin’ny tany onenana manontolo itỳ vaovao tsaran’ilay fanjakana itỳ”. (Matio 24:14, NW )

Nandany ora maherin’ny arivo tapitrisa ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, tamin’ny 1997. Vavolombelona maherin’ny dimy tapitrisa no mitondra tsy tapaka io hafatra io any amin’ny olona any amin’ny tany 232.

[Sary, pejy 4]

Nandositra an’i Jerosalema ireo Kristianina noho izy ireo nifoha teo amin’ny lafiny ara-panahy

[Sary nahazoan-dalana, pejy 7]

FAO photo/B. Imevbore

U.S. Coast Guard photo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara