Manomana ny Lalana i Jehovah
‘Hotorina ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity.’ — MATIO 24:14, NW.
1. Inona no notontosain’ny asa fitoriana tamin’ny taonjato voalohany sy tamin’izao taonjato faha-20 izao?
ANDRIAMANITRA fitiavana i Jehovah, koa sitrapony ny ‘hahavoavonjy ny olona rehetra ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina’. (1 Timoty 2:4). Nitaky fitoriana sy fampianarana iraisam-pirenena izany. Nahatonga ny kôngregasiôna kristianina ho “andry sy fiorenan’ny fahamarinana” io fitoriana io, tamin’ny taonjato voalohany. (1 Timoty 3:15). Taorian’izay, dia nisy fotoana lava be nanjakan’ny fivadiham-pinoana, ka nampanjavozavo ny fahazavan’ny fahamarinana. Tato ho ato, nandritra izao “andro farany” izao, dia nanjary nitombo indray ny “fahalalana”, ka nitondra fanantenana miorina amin’ny Baiboly ny amin’ny famonjena mandrakizay, ho an’ny olona an-tapitrisany maro. — Daniela 12:4.
2. Inona no nataon’i Jehovah mifandray amin’ny asa fitoriana?
2 Nahatalanjona ny fahombiazan’ny asa fitoriana, na tamin’ny taonjato voalohany, na tamin’izao taonjato faha-20 izao, na dia teo aza ny fiezahana tsy an-kiato nataon’i Satana mba hampandamòka ny fikasan’Andriamanitra. Mampahatsiahy antsika ny faminanian’i Isaia izany. Izao no nosoratan’i Isaia, mahakasika ny fiverenan’ireo Jiosy tany an-tsesitany ho any Joda, tamin’ny taonjato fahenina al.f.i.: “Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra, aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra; aoka ny be havoana ho tonga lembalemba, ary ny tany saro-dàlana ho tonga lemaka”. (Isaia 40:4). Nanomana sy nanamora ny lalana ho amin’ny fitoriana lehibe koa i Jehovah, na tamin’ny taonjato voalohany, na tamin’izao taonjato faha-20 izao.
3. Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahan’i Jehovah manatanteraka ny fikasany?
3 Tsy midika akory izany hoe nitarika mivantana ny fizotran-javatra rehetra teto an-tany i Jehovah mba hampandrosoana ny fitoriana ny vaovao tsara; na koa hoe nitsinjo mialoha ny hoavy i Jehovah mba hahafantarany amin’ny an-tsipiriany madinika ny zava-drehetra hitranga. Marina aloha fa sady afaka mitsinjo mialoha ny fisehoan-javatra ho avy izy no afaka mamolavola izany. (Isaia 46:9-11). Afaka manao zavatra arakaraka izay fisehoan-javatra mipoitra koa anefa izy. Mitarika ny vahoakany i Jehovah, toy ny ataon’ny mpiandry ondry za-draharaha iray, izay mahafantatra ny fomba itarihana sy ny fomba iarovana ny andian’ondriny. Mitarika ny vahoakany ho amin’ny famonjena izy, ka miaro ny fahasalaman’izy ireo ara-panahy ary manosika azy ireo hanararaotra ny toe-javatra sy ny fizotran-javatra izay mampandroso ny fitoriana amim-pahombiazana ny vaovao tsara maneran-tany. — Salamo 23:1-4.
Asa nanendrena sarotra
4, 5. Nahoana no zava-tsarotra ny fitoriana ny vaovao tsara?
4 Tetik’asa goavana ny asa fitoriana ilay Fanjakana, na tamin’ny taonjato voalohany, na tamin’ny andro ankehitriny, tsy nisy hafa tamin’ilay fanorenana ny sambo fiara tamin’ny andron’i Noa. Efa sarotra ny mampita hafatra na inona na inona amin’ny olona rehetra, kanefa vao mainka sarotra ny mitory. Somary vitsy ihany ireo mpianatra tamin’ny taonjato voalohany. Novonoina i Jesosy, ilay Mpitarika azy ireo, satria nolazaina fa mpampirisika ny vahoaka hikomy amin’ny fanjakana. Efa mafy orina ny fivavahan’ny Jiosy. Nisy tempoly iray kanto tao Jerosalema. Efa mafy orina koa ireo fivavahan’ny tsy Jiosy, nanana ireo tempoliny sy ny fisoronany, tao amin’ny faritra mediteraneanina. Torak’izany koa fa rehefa nanomboka tamin’ny 1914 ny “andro farany”, dia vitsy an’isa ny Kristianina voahosotra, fa maro kosa ireo mpanaraka fivavahana hafa izay nilaza ho nanompo an’Andriamanitra. — Daniela 12:9.
5 Efa nampiomana ny mpanara-dia azy i Jesosy fa henjehina izy ireo. Hoy izy: “Hatolony ho amin’ny fahoriana hianareo ka hovonoiny; ary ho halan’ny firenena rehetra hianareo noho ny anarako.” (Matio 24:9). Ankoatra ny olana toy izany, indrindra fa amin’izao “andro farany” izao, dia handia “fotoan-tsarotra tsy ho mora setraina” ny Kristianina. (2 Timoty 3:1, NW ). Nahatonga ny asa fitoriana ho zava-tsarotra ny halehiben’ilay asa, ny fanenjehana tsy maintsy misy, ary ny fotoan-tsarotra. Nilaina ny finoana lehibe.
6. Inona no toky nomen’i Jehovah ny vahoakany, raha ny amin’ny fahombiazan’ilay asa?
6 Fantatr’i Jehovah fa hisy zava-tsarotra hosetraina, kanefa fantany koa fa tsy hisy na inona na inona hampitsahatra ilay asa. Voambara mialoha ao amin’ny faminaniana malaza iray ny fahombiazan’ilay asa. Tanteraka tamin’ny fomba miavaka, na tamin’ny taonjato voalohany, na tamin’izao taonjato faha-20 izao, io faminaniana io, izay manao hoe: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity”. — Matio 24:14, NW.
7. Nanao ahoana ny fitaran’ny asa fitoriana tamin’ny taonjato voalohany?
7 Feno finoana sy fanahy masina ireo mpanompon’Andriamanitra tamin’ny taonjato voalohany, ka nandeha nanatontosa ilay asa nanirahana azy. Koa satria nomba azy ireo i Jehovah, dia nahita fahombiazana lehibe lavitra noho izay nety ho nampoiziny izy ireo. Fony i Paoly nanoratra ho an’ny Kolosiana, tokony ho 27 taona taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia afaka nilaza izy fa “notorina eny ambanin’ny lanitra rehetra eny” ny vaovao tsara. (Kolosiana 1:23). Toy izany koa fa torina any amin’ny tany 233 ny vaovao tsara, amin’izao faramparan’ny taonjato faha-20 izao.
8. Tao anatin’ny tarehin-javatra nanao ahoana avy no naneken’ny olona maro ny vaovao tsara? Manomeza ohatra.
8 Olona an-tapitrisany maro no nanaiky ny vaovao tsara, tato anatin’ireo am-polony taona faramparany. Olona maro no nanao izany tao anatin’ny tarehin-javatra ratsy, toy ny tamin’ny fotoan’ny ady, ny fandrarana, sy ny fanenjehana mahery vaika. Toy izany koa tamin’ny taonjato voalohany. Novelezina tamin-kalozana tamin’ny hazo i Paoly sy i Silasy indray mandeha, ka naiditra am-ponja. Toe-javatra toa tsy nety hanaovana mpianatra izany! Nampiasa io toe-javatra io anefa i Jehovah mba hanaovana izany indrindra. Nafahana i Paoly sy i Silasy, ary tonga mpino ilay mpiambina tranomaizina sy ny mpianakaviny. (Asan’ny Apostoly 16:19-33). Asehon’ny fitantarana toy izany fa tsy azon’ny mpanohitra ampanginina ny vaovao tsara. (Isaia 54:17). Na izany aza, dia tsy hoe feno fahoriana sy fanenjehana foana akory ny tantaran’ny Kristianisma. Andeha isika izao hifantoka amin’ny fisehoan-javatra tsara sasany, izay nanamora ny lalana ho amin’ny fitoriana amim-pahombiazana ny vaovao tsara, na tamin’ny taonjato voalohany, na tamin’izao taonjato faha-20 izao.
Toe-javatra ara-pivavahana
9, 10. Ahoana no namoronan’i Jehovah fanampoizana ny fitoriana ny vaovao tsara, tamin’ny taonjato voalohany sy tamin’izao taonjato faha-20 izao?
9 Diniho ny fotoana nanombohan’ny fitoriana naneran-tany. Raha ny amin’ny toe-javatra tamin’ny taonjato voalohany, dia nanondro ny taona tokony hipoiran’ny Mesia — ny taona 29 am.f.i. — ny faminaniana momba ny herinandron-taona 70, ao amin’ny Daniela 9:24-27. Na dia tsy nahafantatra ilay fotoana marina aza ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany, dia efa niandry ny Mesia izy ireo. (Lioka 3:15). Hoy ilay boky frantsay hoe Manuel Biblique: “Fantatry ny olona fa nadiva hifarana ireo fitopolo herinandron-taona noferan’i Daniela; tsy nisy olona gaga raha nandre an’i Jaona Mpanao Batisa nanambara fa efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.”
10 Ahoana ny amin’ny toe-javatra amin’ny andro ankehitriny? Fisehoan-javatra manan-tantara iray ny nandraisan’i Jesosy ny seza fiandrianana tany an-danitra, izay nanamarika ny fanombohan’ny fanatrehany, rehefa nahazo fahefan’ny mpanjaka izy. Asehon’ny faminanian’ny Baiboly fa nitranga tamin’ny 1914 izany. (Daniela 4:10-14). Ny fiandrandrana io fisehoan-javatra io koa dia nahatonga ny olona tia fivavahana sasany tamin’ny andro ankehitriny ho feno fanampoizan-javatra. Niharihary koa fa nanampo zavatra ireo Mpianatra ny Baiboly tso-po, izay nanomboka namoaka ity gazety ity tamin’ny taona 1879, tamin’ny anarana hoe Zion’s Watch Tower and Herald of Christ’s Presence (Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Sady Mpitondra Hafatra Momba ny Fanatrehan’i Kristy). Araka izany, na tamin’ny taonjato voalohany, na tamin’ny andro ankehitriny, dia nanomana ny toe-javatra ho amin’ny fitoriana ny vaovao tsara ny fanampoizan-javatra ara-pivavahana.a
11. Inona avy no fototra ara-pivavahana efa niorina ka nanampy tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara?
11 Anton-javatra hafa iray izay nanampy tamin’ny asan’ny Kristianina tamin’ireo taonjato roa ireo ny nahafantaran’ny olona maro ny Soratra Masina. Tamin’ny taonjato voalohany, dia niely patrana nanerana ireo firenena jentilisa teny amin’ny manodidina ny Jiosy. Nanana synagoga nivorian’ny olona tsy tapaka mba hihainoana ny famakiana sy ny fanazavana ny Soratra Masina ireny Jiosy ireny. Noho izany, dia afaka nanorina teo ambonin’ny fahalalana ara-pivavahana efa nananan’ny olona, ny Kristianina tany am-boalohany. (Asan’ny Apostoly 8:28-36; 17:1, 2). Teo am-piandohan’ity taonjato ity, dia tao anatin’ny toe-javatra toy izany koa ny vahoakan’i Jehovah tany amin’ny tany maro. Efa nisy hatraiza hatraiza nanerana ny faritry ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina ny Baiboly, indrindra fa tany amin’ny tany protestanta. Novakina tany amin’ny fiangonana maro izy io; olona an-tapitrisany maro no nanana Baiboly. Efa teo am-pelatanan’ny olona ny Baiboly, kanefa nila fanampiana izy ireo mba hahazoany ny hevitr’ilay zavatra nananany.
Ireo tombontsoa omen’ny lalàna
12. Tamin’ny taonjato voalohany, tamin’ny ahoana mazàna no nanome fiarovana ny lalàna romanina?
12 Matetika ny lalàm-panjakana no nanampy tamin’ny asa fitoriana nataon’ny Kristianina. Nanapaka an’izao tontolo izao tamin’ny taonjato voalohany ny Empira Romanina, ary nisy heriny lalina teo amin’ny fiainana andavanandro ireo lalàny an-tsoratra. Nanome fiarovana ireny lalàna ireny, ary nandray soa avy tamin’izy ireny ny Kristianina tany am-boalohany. Ny fangatahan’i Paoly ny hampiharana ny lalàna romanina, ohatra, dia nitarika ho amin’ny fanafahana azy avy tao am-ponja sy ny famonjena azy tsy hokaravasina. (Asan’ny Apostoly 16:37-39; 22:25, 29). Nampitony vahoaka romotra tany Efesosy ny firesahana ny amin’ny fandaharana tao amin’ny fitsarana romanina. (Asan’ny Apostoly 19:35-41). Voavonjy tamin’ny herisetra tany Jerosalema i Paoly indray mandeha, satria olom-pirenena romanina. (Asan’ny Apostoly 23:27). Tatỳ aoriana, dia ny lalàna romanina no namela azy hiaro ny finoany teo anatrehan’i Kaisara. (Asan’ny Apostoly 25:11). Na dia Kaisara maromaro aza no mpitondra tsy refesi-mandidy, dia mazàna no namela ny ‘hiarovana sy ny hampiorenana araka ny lalàna ny vaovao tsara’, ireo lalàna tamin’ny taonjato voalohany. — Filipiana 1:7, NW.
13. Tamin’ny ahoana ny lalàna no matetika nanampy tamin’ny asa fitoriana amin’izao androntsika izao?
13 Toy izany koa ny any amin’ny tany maro ankehitriny. Na dia teo aza ireo ‘nisaina fampahoriana araka ny lalàna’, dia zo fototra ny fahalalahana ara-pivavahana, araka ny lalàna an-tsoratra any amin’ny ankamaroan’ireo firenena. (Salamo 94:20, fanamarihana ambany pejy). Neken’ny fitondram-panjakana maro ho ara-dalàna ny fikambanantsika, satria takany fa tsy manohintohina ny filaminam-bahoaka ny Vavolombelon’i Jehovah. Tany Etazonia, izay nanaovam-pirinty ny ankamaroan’ny zavatra vita an-tsoratry ny Vavolombelona, ireo lalàna efa nisy dia nahafahana namoaka ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana nandritra ny 120 taona tsy an-kiato, sy nahafahana namaky azy io maneran-tany.
Fotoana nisian’ny filaminana sy ny fileferana
14, 15. Tamin’ny ahoana ny tsy fisian’ny korontana firy teo amin’ny fiaraha-monina no nanampy tamin’ny asa fitoriana tamin’ny taonjato voalohany?
14 Nanampy tamin’ny asa fitoriana koa ny fotoana somary nilamina. Nanambara mialoha i Jesosy fa hisy “firenena hitsangana hamely firenena”, mandritra ny taonjato voalohany sy ny taonjato faha-20, ary marina tokoa izany fanambarany izany. Na izany aza, dia nisy koa fotoana tsy nisy korontana teny anelanelany teny, ka nahafahana nitory be dia be. (Matio 24:7). Niaina teo ambanin’ny Pax Romana, na ny Fandriampahalemana Romanina, ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Izao no nosoratan’ny mpahay tantara iray: “Efa voafehin’i Roma tanteraka ireo firenena tao amin’ny tontolo mediteraneanina, hany ka nofaranany ny ady saika tsy an-kijanona nifanaovan’izy ireo efa hatry ny ela.” Izany tsy fisian’ny korontana izany dia nanokatra ny lalana ho an’ny fitetezam-paritany nataon’ny Kristianina tany am-boalohany nanerana ny tontolo romanina, kanefa tsy dia nisy natahorana firy.
15 Niezaka mafy hampiray ireo firenena teo ambany fifehezany ny Empira Romanina natanjaka. Tsy vitan’ny hoe nampandroso ny fitetezam-paritany sy ny fileferana ary ny fifanakalozan-kevitra izany fomba fitondrana izany, fa nampandroso koa ilay fiheverana ny amin’ny hoe firahalahiana iraisam-pirenena. Hoy ilay boky hoe On the Road to Civilization: “Nahatonga ny sehatra ho tena nety [ho an’ny fitorian’ny Kristianina] ny firaisan’ny Empira [Romanina]. Rava ireo sakana avy tamin’ireo sisin-tany. Olom-pirenen’izao tontolo izao ny olom-pirenena romanina. (...) Ankoatra izany, tao anatin’ny fanjakana iray izay nampivelatra ilay hevitra ny amin’ny hoe olom-pirenen’izao tontolo izao, dia mora takatry ny olona ny fihevitry ny fivavahana iray nampianatra ny amin’ny firahalahian’ny olombelona.” — Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 10:34, 35; 1 Petera 2:17.
16, 17. Inona no nanosika ny olona hiezaka hampandroso ny fandriampahalemana amin’ny andro ankehitriny, ary inona no fanatsoahan-kevitry ny ankamaroan’ny olona?
16 Ahoana ny amin’izao androntsika izao? Nahitana ireo ady nandrava indrindra teo amin’ny tantara ny taonjato faha-20, ary mbola mafotaka ihany ny ady isam-paritra any amin’ny tany sasany. (Apokalypsy 6:4). Nisy koa anefa fotoana somary nilamina. Tsy nifamely araka izay fara heriny intsony ireo fanjakana matanjaka indrindra eran-tany, nandritra ny 50 taona mahery izao. Nanampy be dia be tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara tany amin’ireny tany ireny io toe-javatra io.
17 Nahatonga olona maro hahatakatra ny ilana fitondram-panjakana iray maneran-tany ireo zavatra nampihorohoro nentin’ny ady tamin’ity taonjato faha-20 ity. Nitarika ny famoronana ny Fikambanam-pirenena sy ny Firenena Mikambana ny tahotra ady lehibe iray. (Apokalypsy 13:14). Nambara fa zava-kendrena iray niombonan’ireo fikambanana roa ireo ny fampandrosoana ny fiaraha-miasa sy ny fandriampahalemana iraisam-pirenena. Matetika ny olona mahatsapa ny ilana izany no mandray tsara ny vaovao tsara momba ilay fitondram-panjakana haneran-tany, izay hitondra ny tena fandriampahalemana maharitra, dia ny Fanjakan’Andriamanitra.
18. Fihetsika inona nanoloana ny fivavahana no nanamora ny asa fitoriana?
18 Na dia nenjehina tamin-kabibiana aza ny Kristianina indraindray, dia samy nahitana fotoan’ny fileferana ara-pivavahana, na tamin’ny taonjato voalohany, na tamin’izao taonjato faha-20 izao. (Jaona 15:20; Asan’ny Apostoly 9:31). Nandray tsy tamim-pisalasalana ireo andriamanitra sy andriamanibavin’ireo vahoaka resiny ny Romanina, ka nampifanaraka mora foana ny fivavahany tamin’izy ireny. Izao no nosoratan’ny Profesora Rodney Stark: “Tamin’ny lafiny maro i Roma dia nanome fahalalahana ara-pivavahana lehibe kokoa, izay tsy hita indray raha tsy taorian’ny Revôlisiôna Amerikanina.” Amin’ny andro ankehitriny, dia misy olona nihananjary vonon-kandray fomba fihevitra hafa any amin’ny tany maro, hany ka vonon-kihaino ny hafatra ara-baiboly entin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, ho vokatr’izany.
Ny anjara asan’ny teknôlôjia
19. Ahoana no nampiasan’ny Kristianina tany am-boalohany ny kôdeksa?
19 Farany, dia diniho ny fomba nanampian’i Jehovah ny vahoakany mba handray soa avy amin’ny fandrosoan’ny teknôlôjia. Na dia tsy niaina tamin’ny vanim-potoan’ny fandrosoana haingana teo amin’ny sehatry ny teknôlôjia aza ny Kristianina tany am-boalohany, dia fandrosoana iray tena nampiasain’izy ireo ny kôdeksa, na boky nisy takelaka. Ny kôdeksa dia nisolo ny horonana, izay nampananosarotra ny fampiasana azy. Hoy ilay boky hoe The Birth of the Codex: “Nandeha moramora ny fanoloana ny horonana tamin’ny kôdeksa, tao amin’ny asa soratra tsy ara-pivavahana. Nifanohitra tamin’izany fa toa noraisin’ny Kristianina avy hatrany ny kôdeksa ary nampiasainy hatraiza hatraiza.” Hoy koa io boky io: “Niitatra hatraiza hatraiza ny fampiasan’ny Kristianina ny kôdeksa tamin’ny taonjato faharoa, hany ka tsy maintsy ho ela be talohan’ny 100 ar.J.K. ny nampiasana azy io voalohany.” Mora nampiasaina kokoa noho ny horonana ny kôdeksa. Hita haingana kokoa ireo andinin-teny. Azo antoka fa izany dia nanampy ny Kristianina tany am-boalohany, toa an’i Paoly, izay tsy vitan’ny hoe nanazava ny Soratra Masina fotsiny, fa ‘nanaporofo tamin’ny alalan’ny fakan-teny’ koa ireo zavatra nampianariny. — Asan’ny Apostoly 17:2, 3, NW.
20. Ahoana no nampiasan’ny vahoakan’Andriamanitra ny teknôlôjia maoderina teo amin’ny asa fitoriana maneran-tany, ary nahoana?
20 Mahazendana ny fandrosoan’ny teknôlôjia tamin’ity taonjato ity. Nahafahana namoaka zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly tamin’ny fiteny am-polony maro indray miaraka, ny milina fanontam-pirinty haingam-pandeha. Nanafaingana ny asa fandikana ny Baiboly ny teknôlôjia maoderina. Manjary azo atao ny mitatitra haingana maneran-tany, zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly, noho ny fisian’ny kamiao, ny fiarandalamby, ny sambo, sy ny fiaramanidina. Nanjary tena azo atao ny mifandray avy hatrany amin’ny alalan’ny telefaonina sy ny fax. Nanosika ireo mpanompony tamin’ny alalan’ny fanahiny i Jehovah, mba hampiasa tsara ny teknôlôjia toy izany, noho ny fikendrena ny hampandroso ny fampielezana ny vaovao tsara maneran-tany. Tsy noho ny faniriana hahafantatra sy hampiasa izay mety ho fandrosoana farany indrindra eto amin’ity tontolo ity akory no ampiasan’izy ireo ny fandrosoana toy ireny. Ny mahaliana azy ireo voalohany indrindra kosa, dia ny zavatra izay hanampy azy ireo hanatontosa ilay asa fitoriana nanirahana azy, amin’ny fomba mandaitra indrindra.
21. Afaka matoky ny amin’inona isika?
21 Hoy ny nambaran’i Jesosy mialoha: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity”. (Matio 24:14, NW ). Nahita ny fahatanterahan’io faminaniana io ny Kristianina tany am-boalohany. Torak’izany koa fa isika amin’ny andro ankehitriny dia mahita ny fahatanterahan’izy io amin’ny ambaratonga lehibe. Na dia goavana sady sarotra aza ilay asa, dia notorina sady mbola torina ny vaovao tsara, na amin’ny fotoana mora na amin’ny fotoana sarotra, ao anatin’ny fiovaovan’ny lalàna sy ny fihetsiky ny olona, na amin’ny fotoan’ny ady na amin’ny fotoan’ny fandriampahalemana, ary eo anivon’ny karazam-pandrosoana rehetra eo amin’ny sehatry ny teknôlôjia. Moa ve izany tsy mampiaiky volana anao ny amin’ny fahendren’i Jehovah sy ny fahaizany mahatalanjona mitsinjo ny hoavy? Afaka matoky tanteraka isika fa ho vita araka ny fandaharam-potoanan’i Jehovah ny asa fitoriana, ary ho tanteraka ny fikasany feno fitiavana mba ho fitahiana ireo olo-marina. Handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay izy ireo. (Salamo 37:29; Habakoka 2:3). Raha mampifanaraka ny fiainantsika amin’ny fikasan’i Jehovah isika, dia ho anisan’izy ireo. — 1 Timoty 4:16.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha mila fanazavana amin’ny an-tsipiriany kokoa ny amin’ireo faminaniana roa momba ny Mesia ireo, dia jereo ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, pejy faha-36, 97 sy pejy faha-98-107, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
Hevitra ho Famerenana
◻ Nahoana no zava-tsarotra ny fitoriana ny vaovao tsara?
◻ Tamin’ny lafiny inona avy ireo fandaharana raisin’ny fitondram-panjakana sy ny tsy fisian’ny korontana firy no nanampy tamin’ny asan’ny Kristianina?
◻ Inona avy no fisehoan-javatra azontsika antoka fa ho avy noho ny fitahian’i Jehovah ny asa fitoriana?