Aoka Isika Hanompo Amin’ny Maha-mpanarato Olona
“Hoy i Jesosy tamin’i Simona: ‘Aza matahotra intsony. Manomboka izao dia olona velona no ho azonao.’ ” — LIOKA 5:10, NW.
1, 2. a) Inona no anjara asan’ny fanaratoana teo amin’ny tantaran’ny taranak’olombelona? b) Karazana fanaratoana vaovao inona no nampidirina efa ho 2 000 taona lasa izay?
NANDRITRA ny an’arivony taona maro, dia nanarato hazandrano hohaniny tao amin’ireo ranomasina, farihy ary reniranon’ny tany ny olombelona. Nahaforona tapany lehibe teo amin’ny sakafo tany Egypta fahizay ny hazandrano avy tao amin’ny onin’i Neily. Fony navadika ho ra i Neily tamin’ny andron’i Mosesy, dia nijaly ny Egyptiana, tsy hoe satria niteraka tsy fahampian’ny rano fotsiny izany, fa satria maty koa ireo hazandrano ka nisy vokany teo amin’ny famatsian-tsakafo izany. Tatỳ aoriana, tany Sinay, rehefa nanome ny Lalàna ho an’ny Isiraely i Jehovah, dia nilaza tamin’izy ireo fa azo natao ny nihinana hazandrano sasany, fa ny hafa kosa dia naloto ka tsy tokony ho nohanina. Nilaza izany fa hihinana hazandrano ireo Isiraelita rehefa ho tonga tany amin’ny Tany Nampanantenaina, koa ho mpanarato àry ny sasany tamin’izy ireo. — Eksodosy 7:20, 21; Levitikosy 11:9-12.
2 Kanefa, efa ho 2 000 taona lasa izay, dia nampidirina teo amin’ny olombelona ny karazana fanaratoana hafa iray. Izany dia karazana fanaratoana ara-panahy izay hitondra soa, tsy ho an’ireo mpanarato ihany, fa ho an’ireo hazandrano koa! Mbola atao ihany io karazana fanaratoana io, ary mitondra soa tsy misy ohatra izany ho an’olona an-tapitrisany maro maneran-tany.
‘Hahazo olona velona’
3, 4. Mpanarato roa lahy iza avy no nampiseho fahalianana lehibe tamin’i Jesosy Kristy?
3 Tamin’ny taona 29 am.f.i., i Jesosy, Ilay nampiditra io karazana fanaratoana vaovao io, dia nataon’i Jaona Mpanao batisa batisa tao amin’ny onin’i Jordana. Herinandro vitsivitsy taorian’izay, dia nisarika ny sain’ny roa tamin’ireo mpianany ho amin’i Jesosy i Jaona ka nanao hoe: “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra!” Ny iray tamin’ireo mpianatra ireo, izay nantsoina hoe Andrea, dia nilaza haingana toy izao tamin’i Simona Petera rahalahiny: “Efa nahita ny Mesia izahay”! Mahaliana fa samy mpanarato i Andrea sy i Petera. — Jaona 1:35, 36, 40, 41; Matio 4:18.
4 Fotoana elaela taorian’izay, i Jesosy dia nitory tamin’ny vahoaka teo akaikin’ny Ranomasin’i Galilia, tsy lavitra ny toerana nonenan’i Andrea sy i Petera. Nilaza tamin’ny olona izy hoe: “Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 4:13, 17). Azontsika alaina sary an-tsaina fa may ny handre ny hafatra nolazainy i Petera sy i Andrea. Azo inoana anefa fa tsy tsapan’izy ireo fa hanova ny fiainany mandrakizay izay hotenenin’i Jesosy tamin’izay. Ambonin’izany, izay nadiva holazain’i Jesosy sy hataony teo anatrehan’izy ireo dia misy heviny lehibe ho antsika rehetra amin’izao andro izao.
5. Tamin’ny ahoana i Petera mpanarato no afaka nitondra fanampiana ho an’i Jesosy?
5 Izao no vakintsika: “Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’Andriamanitra, dia nijanona teo amoron’ny Farihin’i Genesareta Jesosy; ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin’ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony.” (Lioka 5:1, 2). Tamin’izany andro izany, dia niasa alina ireo tena mpanarato, ary teo am-panadiovana ny haratony ireto lehilahy ireto rehefa avy nanarato tamin’ny alina. Nanapa-kevitra ny hampiasa ny iray tamin’ny sambon’izy ireo i Jesosy mba hitoriana tamin’ny fomba nandaitra kokoa tamin’ilay vahoaka. “Ary niditra teo amin’ny sambokely anankiray izay an’i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin’ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka.” — Lioka 5:3.
6, 7. Fahagagana inona, nifandray tamin’ny fanaratoana, no nataon’i Jesosy, ka nitarika ho amin’ny fanambarana hoe ahoana momba ny fanaratoana?
6 Mariho fa nanan-javatra hafa noheveriny hatao ankoatra ny fampianarana ny vahoaka, i Jesosy: “Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin’i Simona: Mandrosoa ho any amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.” Tadidio fa efa avy niasa ny alina tontolo ireo mpanarato ireo. Tsy mahagaga àry raha namaly i Petera hoe: “Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao, dia halatsako ihany ny harato. Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony. Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin’ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika.” — Lioka 5:4-7.
7 Fahagagana no nataon’i Jesosy tamin’izay. Foana tsy namokatra io tapany tamin’ny ranomasina io ny alina tontolo; izao izy io dia feno hipoka hazandrano. Nisy vokany nahery teo amin’i Petera io fahagagana io. “Niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesosy izy [i Petera] ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho. Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben’ny hazandrano izay azony. Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak’i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin’i Simona.” Nampitony an’i Petera i Jesosy ary avy eo dia nilaza ireo teny izay nanova ny fiainan’i Petera. “Aza matahotra intsony. Manomboka izao dia olona velona no ho azonao.” — Lioka 5:8-10, NW.
Mpanarato olona
8. Nanao ahoana ny fandraisan’ireo tena mpanarato efatra ny fanasana azy mba ‘hahazo olona velona’?
8 Nampitaha tamin’izany ny olona tamin’ny hazandrano i Jesosy, ary nanasa io mpanarato nanetry tena io mba hamela ny asa fivelomany ho an’ny karazana fanaratoana ambony lavitra — ny fahazoana olona velona. Nanaiky ilay fanasana i Petera sy i Andrea rahalahiny. “Nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ka nanaraka Azy.” (Matio 4:18-20). Nanaraka izany, i Jesosy dia niantso an’i Jakoba sy i Jaona, izay tao anatin’ny sambony, nanamboatra ny simba tamin’ny haratony. Nanasa azy ireo koa mba ho tonga mpanarato olona izy. Nanao ahoana ny fandraisan’izy ireo izany? “Nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin’izay izy ka nanaraka Azy.” (Matio 4:21, 22). Nampiseho fahakingana i Jesosy tamin’ny naha-mpanarato fanahy (âmes) azy. Tamin’io toe-javatra io izy dia nahazo lehilahy efatra velona.
9, 10. Inona no finoana nasehon’i Petera sy ireo namany, ary ahoana no nampiofanana azy ireo teo amin’ny fanaratoana ara-panahy?
9 Ny tena mpanarato iray dia mahazo ny fivelomany amin’ny fivarotana izay azony, fa ny mpanarato amin’ny heviny ara-panahy kosa tsy afaka manao izany. Noho izany, ireo mpianatra ireo dia nampiseho finoana lehibe rehefa nahafoy ny zavatra rehetra mba hanarahana an’i Jesosy. Tsy nisalasala mihitsy anefa izy ireo fa hoe hahomby ny fanaratoany ara-panahy. Afaka nanova ireo rano tsy namokatra ho feno hipoka hazandrano ara-bakiteny i Jesosy. Toy izany koa, rehefa nandatsaka ny haratony tao amin’ireo ranon’ny firenena isiraelita ireo mpianatra, dia afaka nahazo antoka fa, noho ny fanampian’Andriamanitra, dia hahazo olona velona izy ireo. Mbola mitohy ny asa fanaratoana ara-panahy natomboka tamin’izay, ary mbola manome vokatra tondraka i Jehovah.
10 Nandritra ny roa taona mahery, dia nampiofanin’i Jesosy teo amin’ny fanaratoana olona ireo mpianatra. Indraindray, izy dia nanome azy ireo toromarika feno fiahiana ary naniraka azy ireo hialoha azy mba hitory. (Matio 10:1-7; Lioka 10:1-11). Rehefa nisy namadika sy namono i Jesosy, dia ankona ireo mpianatra. Moa ve anefa ny fahafatesan’i Jesosy nidika fa tsy hisy fanaratoana olona intsony? Tsy ela dia nisy zava-niseho nanome ny valin’izany.
Ny fanaratoana ao amin’ny ranomasin’ny taranak’olombelona
11, 12. Taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, fahagagana inona, nifandray tamin’ny fanaratoana, no nataon’i Jesosy?
11 Tsy ela taorian’ny nahafatesan’i Jesosy tany ivelan’i Jerosalema sy ny nitsanganany tamin’ny maty, dia niverina nankany Galilia ireo mpianatra. Indray mandeha, dia tafaraka teo akaikin’ny Ranomasin’i Galilia ny fito tamin’izy ireo. Nilaza i Petera fa handeha hanarato izy, ary dia nanaraka azy ireo hafa. Araka ny fanaony, dia nanarato tamin’ny alina izy ireo. Raha ny tena izy, dia nandatsaka ny haratony tao an-dranomasina ny alina tontolo izy ireo nefa tsy nahazo na inona na inona. Avy eo, rehefa nangiran-dratsy ny andro, dia nisy bikan’olona nitsangana teo amoron-drano niantso azy ireo avy terỳ ampitan-drano nanao hoe: “Anaka, manan-kanina va hianareo?” Namaly ireo mpianatra hoe: “Tsia.” Koa hoy àry ilay olona nitsangana teo amoron-drano tamin’izy ireo: “Alatsaho eo amin’ny sisiny ankavanan’ny sambokely ny haratonareo, dia hahazo hianareo. Koa dia nalatsany izany, ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ny hazandrano.” — Jaona 21:5, 6.
12 Fanandraman-javatra nampitolagaga tokoa izany! Azo inoana fa nahatsiaro ilay fahagagana nifandray tamin’ny fanaratoana nitranga taloha ireo mpianatra, ka ny iray tamin’izy ireo fara faharatsiny dia nahafantatra hoe iza ilay bikan’olona teo amoron-drano. “Hoy ny mpianatra izay tian’i Jesosy tamin’i Petera: Ny Tompo irỳ. Ary raha ren’i Simona Petera fa ny Tompo iny, dia nisikinany ny akanjo ivelany (fa tsy niakanjo izy), ka nirotsaka teo amin’ny ranomasina izy. Fa ny mpianatra sasany nandeha an-tsambokely ihany nisarika ny harato feno hazandrano; fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roan-jato hakiho ihany.” — Jaona 21:7, 8.
13. Taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra, fandaharana momba ny fanaratoana iraisam-pirenena inona no natomboka?
13 Inona no nasehon’io fahagagana io? Fa mbola tsy tapitra ny asa fanaratoana olona. Izany dia noantitranterina rehefa nilaza intelo tamin’i Petera — ary tamin’ny alalany dia tamin’ireo mpianatra rehetra — mba hamahana ny ondriny, i Jesosy. (Jaona 21:15-17). Eny, nisy fandaharana momba ny famahanana ara-panahy niandry azy ireo. Talohan’ny nahafatesany, dia naminany toy izao izy: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity [vaovao tsaran’ny, NW ] fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” (Matio 24:14). Tamin’izay dia tonga ny fotoana hanombohan’ny fahatanterahan’io faminaniana io tamin’ny taonjato voalohany. Nadiva handatsaka ny haratony tao an-dranomasin’ny taranak’olombelona izao ireo mpianany, ary tsy hakarina tsy hisy na inona na inona ireo harato. — Matio 28:19, 20.
14. Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana ny fanaratoana nataon’ireo mpanara-dia an’i Jesosy nandritra ireo taona nialoha ny fandringanana an’i Jerosalema?
14 Talohan’ny niakarany ho any amin’ny seza fiandrianan’ny Rainy any an-danitra, dia nilaza tamin’ireo mpanara-dia azy i Jesosy hoe: “Hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.” (Asan’ny Apostoly 1:8). Rehefa nalatsaka tamin’ireo mpianatra ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta taona 33 am.f.i., dia nanomboka teo amin’ny lafiny iraisam-pirenena ilay asa fanaratoana ara-panahy lehibe. Tamin’ny andro Pentekosta fotsiny, dia nisy fanahy (âmes) telo arivo azo velona, ary tsy ela taorian’izay, dia “tokony ho dimy arivo no isan’ny lehilahy”. (Asan’ny Apostoly 2:41; 4:4). Nitohy ihany ny fitomboana. Milaza amintsika ny fitantarana hoe: “Nisy olona maro koa na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany.” (Asan’ny Apostoly 5:14). Tsy ela dia nanaiky ny vaovao tsara ireo Samaritana, ary fotoana fohy taorian’izay, dia nanaiky koa ireo Jentilisa tsy voafora. (Asan’ny Apostoly 8:4-8; 10:24, 44-48). Teo amin’ny 27 taona teo ho eo taorian’ny Pentekosta, dia nanoratra tany amin’ireo Kristiana kolosiana ny apostoly Paoly fa ny vaovao tsara dia efa “notorina eny ambanin’ny lanitra rehetra eny”. (Kolosiana 1:23). Mazava fa nanarato hatrany amin’ny faritra lavitra ireo ranon’i Galilia ireo mpianatr’i Jesosy. Nandatsaka ny haratony teo amin’ireo Jiosy niely nanerana ny Empira Romana izy ireo, ary koa tany amin’ny ranomasin’ireo vahoaka tsy jiosy toa tsy nisy nantenaina firy. Ary dia nakarina feno ny haraton’izy ireo. Ho an’izay nilain’ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany, dia tanteraka talohan’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i. ny faminanian’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:14.
Ny fanaratoana olona amin’ny “Andron’ny Tompo”
15. Ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, momba ny asa fanaratoana hafa inona koa no nanaovana faminaniana, ary oviana no tokony hanatanterahana azy io?
15 Mbola nisy zavatra hafa anefa niandry azy ireo. Tany amin’ny faramparan’ny taonjato voalohany, dia nanome fanambarana ny amin’ireo zavatra hitranga mandritra ny “Andron’ny Tompo” an’i Jaona, ilay apostoly sisa tavela, i Jehovah. (Apokalypsy 1:1, 10). Ny lafiny iray miavaka dia ny fanambarana ny vaovao tsara maneran-tany. Izao no vakintsika: “Hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan’ny lanitra, nanana [vaovao tsara, NW ] mandrakizay hotorina amin’izay monina ambonin’ny tany sy amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra.” (Apokalypsy 14:6). Eo ambany fitarihan’ny anjely, ireo mpanompon’Andriamanitra dia hitory ny vaovao tsara amin’ny tany onenana manontolo ara-bakiteny, fa tsy manerana ny Empira Romana ihany. Misy asa fanaratoana fanahy (âmes) maneran-tany tsy maintsy hatao, ary mahita ny fahatanterahan’izany fahitana izany ny andro misy antsika.
16, 17. Oviana no nanomboka ny asa fanaratoana amin’izao andro izao, ary ahoana no nitahian’i Jehovah azy io?
16 Nanao ahoana izany fanaratoana izany nandritra izao taonjato faha-20 izao? Tamin’ny voalohany, dia vitsy ihany ireo mpanarato. Rehefa nifarana ny Ady Lehibe Voalohany, dia tsy nisy afa-tsy mpitory ny vaovao tsara narisika teo amin’ny efatra arivo teo ho eo, dia lehilahy sy vehivavy be zotom-po izay anisan’ny voahosotra ny ankamaroany. Nandatsaka ny haratony tany amin’izay nanokafan’i Jehovah ny lalana izy ireny, ary nisy fanahy (âmes) maro azo velona. Taorian’ny Ady Lehibe Faharoa, dia nanokatra rano vaovao ho an’ny fanaratoana i Jehovah. Nitari-dalana teo amin’ny asa tany amin’ny tany maro ireo misionera avy nanatrika ny Sekoly ara-baibolin’i Gileada alamin’ny Watchtower. Ireo tany toa an’i Japana sy i Italia ary i Espaina, izay nety ho toa tsy hamokatra mihitsy tany am-boalohany, dia nahavokatra fanahy (âmes) tondraka, tamin’ny farany. Rentsika vao haingana koa ny amin’ny fahombiazan’ny fanaratoana any Eoropa Atsinanana.
17 Amin’izao andro izao, any amin’ny tany maro dia mila ho triatra ireo harato. Nitaky ny handaminana kongregasiona sy fizaran-tany vaovao ny famokarana fanahy (âmes) maro dia maro. Mba handraisana azy ireo, dia misy Efitrano Fanjakana sy Efitrano fanaovana fivoriamben’ny fizaran-tany vaovao aorina tsy an-kijanona. Misy loholona sy mpikarakara momba ny asa betsaka kokoa foana ilaina mba hikarakara ny fitomboana. Nisy asa nahery natombok’ireo efatra arivo nahatoky tany amin’ny 1919. Tanteraka amin’ny heviny ara-bakiteny ny Isaia 60:22. ‘Tonga arivo ny kely’, satria tonga efatra tapitrisa mahery amin’izao andro izao ireny mpanarato efatra arivo ireny. Ary mbola tsy tonga akory ny farany.
18. Ahoana no azontsika anahafana ny ohatra tsara dia tsara nasehon’ireo mpanarato olona amin’ny heviny ara-panahy tamin’ny taonjato voalohany?
18 Midika ho inona ho antsika isam-batan’olona izany rehetra izany? Milaza ilay andinin-teny fa, rehefa nasaina mba ho tonga mpanarato olona i Petera, i Andrea, i Jakoba ary i Jaona, dia “nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an’i Jesosy.” (Lioka 5:11). Ohatra tsara dia tsara re izany raha ny amin’ny finoana sy ny fandavan-tena! Afaka mamboly toe-tsaina mampiseho fahafoizan-tena sy fahavononana hanompo an’i Jehovah mitovy amin’izany koa ve isika, na manao ahoana na manao ahoana vidiny? Olona an-tapitrisany maro no namaly hoe afaka izy. Tamin’ny taonjato voalohany, dia nanarato olona tany amin’izay namelan’i Jehovah azy, ireo mpianatra. Na teo amin’ireo Jiosy na teo amin’ireo Jentilisa, dia nanarato tsy nisy fepetra izy ireny. Aoka koa isika hitory amin’ny olona rehetra tsy misy ahotrahotra na fitsarana an-tendrony.
19. Inona no tokony hataontsika raha toa tsy mamokatra ireo rano anaratoantsika?
19 Ahoana anefa raha toa tsy mamokatra ny faritaninao amin’izao fotoana izao? Aza kivy. Tadidio fa nameno ny haraton’ireo mpianatra i Jesosy rehefa avy nanarato ny alina tontolo nefa tsy nisy vokany izy ireo. Mety hitranga koa ny zavatra toy izany amin’ny heviny ara-panahy. Tany Irlande, ohatra, dia nikely aina nandritra ny taona maro ireo Vavolombelona mahatoky, nefa voafetra ihany ny vokatra azony. Niova anefa izany vao haingana. Ny Annuaire des Témoins de Jehovah 1991 dia manao tatitra fa, tamin’ny faran’ny taom-piasana 1990, dia nahita tampon’isa 29 nisesy i Irlande! Angamba hamokatra toy izany koa ny faritaninao indray andro any. Raha mbola mamela koa i Jehovah, dia aza mitsahatra manarato!
20. Amin’ny fotoana toy inona no tokony handraisantsika anjara amin’ny fanaratoana olona?
20 Tany Isiraely, dia nandeha nanarato tamin’ny alina ireo mpanarato, rehefa nafana sy niadana tsara tao am-pandriana ny olon-kafa rehetra. Nanao izany izy ireny, tsy tamin’ny fotoana nety tamin’ny tenany, fa tamin’ny fotoana nahafahany hahazo hazandrano betsaka indrindra. Isika koa dia tokony hamantatra ny faritanintsika mba handehanana hanarato, raha azo atao ny milaza izany, rehefa ao an-tranony sy vonona ny hihaino ny ankamaroan’ny olona. Mety ho amin’ny takariva izany, na amin’ny faran’ny herinandro, na koa amin’ny fotoana hafa. Na rahoviana izany na rahoviana, dia aoka isika hanao izay rehetra azontsika atao mba hitady ireo olona manana fo tsara.
21. Inona no tokony hotadidintsika raha iasana matetika ny faritanintsika?
21 Ahoana raha voasa matetika ny faritanintsika? Ireo tena mpanarato eo amin’izao tontolo izao dia mitaraina matetika fa iasana be loatra ireo faritra anaratoany. Mety hanaratoana be loatra ve anefa ireo faritra anaratoantsika amin’ny heviny ara-panahy? Tsy dia izany loatra! Misy faritany maro manome fitomboana na dia voasa matetika aza. Ny sasany mamokatra betsaka kokoa satria voasa tsara. Na ahoana na ahoana, any amin’ireo trano voatsidika matetika, dia ataovy azo antoka tsara mihitsy fa voaray an-tsoratra avokoa ireo tsy tratra an-trano rehetra ka hiresahana any aoriana. Mianara foto-dresaka isan-karazany. Tadidio ao an-tsaina fa hisy hafa hitsidika ilay olona indray tsy ho ela, koa aza mijanona ela loatra any amin’izay mandray anao tsara na manohitra ireo tompon-trano tsy amim-pahafantarana. Ary hatsarao koa ny fahaizanao eo amin’ny fanaovana fanambarana tsy ara-potoana. Alatsaho amin’ny toe-javatra rehetra sy amin’ny fomba rehetra azonao anaovana izany ny haratonao ara-panahy.
22. Tombontsoa lehibe inona no ananantsika amin’izao fotoana izao?
22 Tadidio fa, amin’io fanaratoana io, dia samy mandray soa na ny mpanarato na ny hazandrano. Raha maharitra ireo azontsika, dia afaka ny hiaina mandrakizay izy ireo. Nampirisika an’i Timoty toy izao i Paoly: “Mahareta amin’izany; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.” (1 Timoty 4:16). I Jesosy no voalohany nampiofana ny mpianany tamin’io fanaratoana ara-panahy io, ary mbola atao eo ambany fitarihany ihany io asa io. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 14:14-16.) Tombontsoa lehibe tokoa no ananantsika miasa eo ambany fitarihany mba hamitana azy io! Aoka isika tsy hitsahatra handatsaka ny haratontsika raha mbola mamela koa i Jehovah. Mety hisy asa lehibe kokoa noho ny fahazoana fanahy (âmes) velona ve?
Tsaroanao Ve?
◻ Asa inona no nampiofanan’i Jesosy ny mpanara-dia azy mba hataon’izy ireo?
◻ Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tsy nifarana tamin’ny fahafatesany ny asa fanaratoana ara-panahy?
◻ Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’i Jehovah ny asa fanaratoana ara-panahy tamin’ny taonjato voalohany?
◻ Vokatra tondraka inona no azo tao amin’ny harato mandritra “ny Andron’ny Tompo”?
◻ Ahoana no ahafahantsika isam-batan’olona ho mpanarato olona mahomby kokoa?
[Sary, pejy 15]
Taorian’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, ny mpianany dia nanitatra ny asa fanaratoana olona nasain’Andriamanitra natao