Aoka isika tsy ho ketraka amin’ny fanaovan-tsoa
“Ary aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.” — GALATIANA 6:9.
1. Inona moa no asa nankinin’i Jesosy tamin’ny mpianany?
MANATONTOSA asa tsara dia tsara ny kristiana ao anatin’ny faritry ny fanompoam-pivavahany, dia asa nolazalazaina tamin’izao didy mazava dia mazava izao: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy (...) mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” (Matio 28:19, 20). Ny tenan’i Jesosy Kristy mihitsy no nanankina tamin’ny mpianany ny fanirahana hanao io asa fampianarana maneran-tany io.
2. a) Nahoana moa no azo atao ny milaza fa zava-dehibe tsy tsara dia tsara ny asa fanaovana mpianatra? b) Inona moa no zava-kendren’ny asa fanaovana mpianatra?
2 Tao amin’ny anankiray tamin’ireo fanambarana farany nataony talohan’ny hiakarany ho any an-danitra no nanirahan’i Jesosy an’ireo mpianany voalohany hanao mpianatra hafa. Moa ve izany tsy porofo fa asa nanirahana lehibe tokoa izy io? Eny, satria hahatonga ho afaka hamonjy aina izany (1 Timoty 4:16). Asa tsara dia tsara àry izany. Noho izy io, ireo izay mihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana dia mahazo fahalalana tsara momba ny Baiboly; etsy an-daniny koa, dia ampiomanina ireo tsy miraika (Lioka 10:10, 11). Araka izany, io asa io dia amantarana ny kristiana marina toy ny fanarahany ny didin’i Jesosy hafa. — Jaona 8:31.
3. a) Inona moa no nataon’ny mpianatr’i Jesosy mba hanarahana ny ohatra nomeny sy hankatoavana ny didiny? b) Toe-tsaina manao ahoana moa no nataon’i Jesosy izay hananan’ny mpianany azy?
3 Jesosy, ilay Mpampianatra lehibe, dia namela ohatra tsara dia tsara ho an’ny mpianany. Nampianatra ampahibemaso izy ary nanao mpianatra tamin’ny “fitoriana ny vaovao tsaran’ny fanjakana”. (Matio 9:35, MN.) Sahala aminy, ireo mpianany vaovao dia nanomboka nanao mpianatra hafa; raha ny marina, moa ve ny tena mpianatra tsy ‘izay manaiky ny fampianaran’ny anankiray hafa sy mandray anjara amin’ny fampielezana izany’? Tamin’ny voalohany izy ireo dia tsy nanao mpianatra afa-tsy teo amin’ny Jiosy sy ny proselyta. Na dia teo aza ny fanoherana nasehon’ireny olona ireny, moa ve ireo mpianatr’i Jesosy ‘nanohy nankany’ amin’ireny olona ireny, “tsy nitsahatra”? Eny, nankany “amin’ny ondry very amin’ny taranak’Isiraely” izy ireny, ary izany dia mandra-pahatongan’ireo Jentilisa voalohany ho mpino, tamin’ny taona 36 (Matio 10:5, 6, MN; Asa. 5:42). Nolazaina fa ‘nameno an’i Jerosalema tamin’ny fampianarany’ izy ireo. (Asa. 5:28.) Tsy niala mihitsy izy ireny fa nanatanteraka ny asany tsara dia tsara tamim-pahatokiana, hatramin’ny farany.
“Ny tanimbary dia izao tontolo izao”
4. Tamin’ny toe-tsaina nanao ahoana moa no nanatanterahan’ny mpianatr’i Jesosy ny asany tamin’ny ambaratonga lehibe kokoa nony avy eo?
4 Nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy fa tokony ho any amin’ny “olona avy amin’ny firenena rehetra” izy ireo (Matio 28:19.) Tao amin’ny fanoharana iray momba ny voan’ilay Fanjakana, dia izao no nolazainy: “Ny tanimbary dia izao tontolo izao.” (Matio 13:38). Ho ‘vavolombelony’ amin’ny toerana rehetra àry ny kristiana. ‘Hanohy’ handeha indray àry izy ireo, nefa amin’izao kosa dia “hatramin’ny faran’ny tany”. (Asa. 1:8.) “Voaterin’ny teny” ny apostoly Paoly, ary azontsika antoka fa toy izany koa ny amin’ny kristiana hafa. — Asa. 18:5.
5. Ahoana moa no nampisehoan’i Jesosy fa nantenainy ny hitanan’ny asa fanaovana fanambarana mafy ny mpianany mandra-pahatongan’ny faran’ny fandehan-javatra ankehitriny?
5 Nantenain’i Jesosy ny hitanan’ny asa fanaovana fanambarana mafy ny kristiana hatramin’ny fahataperan’ny fandehan-javatra ankehitriny. Mampiseho izany izay nolazainy mialoha momba ny fanompoana kristiana sy ny faritany anaovana izany. Izao no nambarany: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity, ho vavolombelona ho an’ny firenena rehetra; dia vao ho tonga ny farany.” — Matio 24:14, MN.
6. Mandra-pahoviana no tokony hitohizan’ny asa fitoriana ilay Fanjakana, ary inona no tokony ho herin’izany eo amin’ny fomba fiheverantsika azy?
6 Rehefa nandidy ny mpianany i Jesosy mba hanomboka asa fitoriana ilay Fanjakana sy fanaovana mipanatra maneran-tany, dia fantany fa ho tonga amin’ny fara heriny io asa tsara dia tsara io indray andro any, tsy misy hafa amin’ny natao teo amin’ny Jiosy. Hahatratra ny zava-kendreny anefa izany. “Dia vao ho tonga ny farany”, hoy ny teny nanampin’i Jesosy. Noho izany antony izany, hatramin’ny farany ny Vavolombelon’i Jehovah dia manohy amin-toky sy amim-pifaliana ny asa nanendrena azy ireo. Ny fiaretany dia manampy azy ireo haharitra amin’ny asany mandra-pahavitan’izany.
Ny fomba hanatontosana ny asa
7. Inona moa no foto-kevitry ny fanompoan’i Jesosy sy ny an’ny mpianany?
7 Nampianarin’i Jesosy an’ireo mpianany voalohany ny fomba hanatontosana ny fanompoany ampahibemaso, ka nankatò tamin-jotom-po ny baikony ‘handeha’ izy ireny. Rehefa nampifana azy ireny ho amin’ny asany fanaovana fanambarana izy, dia izao no nolazainy taminy: “Ary raha mandeha hianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 10:7). Nomeny foto-kevitra sahala amin’ny nanamarika ny fanompoany, dia ny Fanjakana, àry ny hafatra hoentin’izy ireo. Rehefaavy nanomboka ny asany ireo mpianany, moa ve i Jesosy niala tamin’ny azy? Tsia, tsy izany mihitsy. Izao tokoa no vakintsika: “Ary rehefa vitan’i Jesosy ny nandidiany ny mpianany roa ambin’ny folo lahy, dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any an-tanànan’ny olona.” — Matio 11:1.
8. a) Aiza sy amin’ny fomba ahoana moa no tokony hitorian’ireo mpitory ilay Fanjakana? b) Nahoana moa no mety ny hitondrana ny vaova tsara any amin’ireo tokantrano? d) Inona ireo tombontsoa azo rehefa miarahaba araka ny mety ny olona hitantsika isika?
8 Taiza moa ireny mpitory ilay Fanjakana ireny no tokony hitory, ary tamin’ny fomba ahoana? Hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Ary raha vao miditra ao amin’ny trano hianareo, dia miarahabà ny ao,” (Matio 10:12). Rehefa miditra ao an-tranon’olona ny mpitory iray mba hiresaka aminy ny vaovao tsara, dia manome voninahitra azy izy ary manome azy fahafahana handre ny hafatra momba ilay Fanjakana ao an-tokantranony mihitsy. Fanehoana fahalalam-pomba sy fiheverana ny fanombohana resaka amin’ny fanajana ireo fomba sy karazam-piarahabana fanao. Afa-tsy izany koa, indraindray ny fiarahabana amim-pisakaizana sy mafana dia misy vokany tsara: ny fanovana fitsidihana tsy nampoizina iray ho fiaraha-midinika mahafinaritra (jereo Matio 28:9; Lioka 1:28). Mampahafantatra zavatra betsaka momba ny fihetseham-pony ny toe-peon’ny olona iray sy ny valin-teniny. Tsara àry ny hamantarana izany alohan’ny hanohizana ny fiaraha-midinika, satria amin’izany no ahazoana mora foana mampifanaraka ny resaka ataon’ny tena amin’izay ilain’ny olona iresahana. — Jereo Asa. 22:1, 2; 23:6.
9. Inona moa no mampiseho fa tsy handray tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana akory ny olona rehetra, ary ahoana no tokony hataon’ny mpianatra amin’ireo izay tsy hampiseho fahalianana mihitsy?
9 Nampiomana ireo mpianany i Jesosy fa tsy handray tsara ny hafatra hoentin’izy ireo akory ny rehetra. Hoy izy tamin’ireo: “Ary izay tanàna na vohitra hiakaranareo, dia fantaro tsara [tadiavo, MN ] izay miendrika ao.” Raha tsy maintsy nanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana ny olona rehetra, dia tsy ho nampiasa ny teny hoe “tadiavo” i Jesosy. Tokony hanao ahoana ny fihetsik’ireo mpianatra eo anoloan’ireo izay tsy haneho fahalianana amin’ny hafatra mihitsy? “Ary izay tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino ny teninareo, raha miala amin’izany trano na tanàna izany hianareo, dia ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo.” Tokony handeha amim-pahatoniana ny mpitory ka hamela ho anjaran’i Jehovah ny hametra ny ho vokatry ny fandavana. — Matio 10:11, 14.
Ny tarehin-javatra amin’izao androntsika izao
10. Inona moa no nolazain’ny mpanao gazety iray momba ny fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah?
10 Maniry hanatontosa amim-pahatokiana ny asa nankinina amin’ny kristiana ny Vavolombelon’i Jehovah ka mampahafantatra ny hafatra momba ilay Fanjakana maneran-tany. Izao no nosoratan’i A. Wisse, mpanao gazety any Pays-Bas, momba azy ireo: “Tsy mitovy amin’ny hafa izy ireny. Anisan’ny mahatonga izany tsy fitoviana izany ny asany fitoriana ny filazantsara amin-jotom-po. Amin’izy ireny, ny tena kristianisma dia tsy fivavahana manana katedraly, manana mpiangona samy mitana toeram-boninahitra ary tsy angatahana zavatra firy afa-tsy ny hihaino. Miresaka amim-pahatsorana tahaka an’i Paoly izy ireny amin’izay rehetra mihaino azy.” Mitahy izany zotom-po amin’ny fanompoana kristiana izany tokoa Jehovah.
11, 12. a) Inona avy moa no vokatra azontsika teo amin’ny fanompoana tao anatin’izao taona faramparany izao? b) Koa satria mihamaro isika, manjary manao ahoana ny faritany itoriantsika? d) Mametraka fanontaniana hoe ahoana avy izany?
11 Maherin’ny 3 000 000 izao no mitory amin-jotom-po any amin’ny tany 210. Manamarika fitomboana tsara dia tsara isika eo amin’ny isan’ny mpianatra vaovao: tao anatin’ireo fito taona farany, dia olona 1 246 204 no natao batisa. Miharihary fa mitahy ny fiezahana amim-paharisihana ataontsika Jehovah (Isaia 60:8-10, 22). Ao amin’ny tany sy nosy maherin’ny efapolo, dia anankiray isaky ny mponina 300 fara fahakeliny ny Vavolombelona, izany hoe tokantrano eo amin’ny zato. Afa-tsy izany koa, ao amin’ny faritanin’ny kongregasiona sasany any Kanada sy any Guadaloupe, ohatra, dia ahitana Vavolombelona iray isaky ny mponina 40 na 50, ka amin’ny antsalany ny Vavolombelona tsirairay avy dia manana tokantrano eo amin’ny dimby ambin’ny folo hotsidihina fara fahabetsany! Mandre ny hafatra isam-bolana ny mponina ao amin’ny ankamaroan’ireny faritany ireny. Na dia any amin’ireo tany maha-vitsy kokoa ny isan’ny mpitory aza, dia atao matetika tokoa ny fitoriana any amin’ireo faritany ao an-tanàn-dehibe. Any Séoul (Repoblikan’i Korea) dia mitory isaky ny dimy andro ireo mpitory ao amin’ny faritany sasany. Koa satria manamarika fitomboana isa isika ary mitombo ny Vavolombelona manao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy sy mpitory maharitra mandavantaona, dia hihamatetika kokoa ny fitsidihantsika ny mpiara-belona amintsika. Miteraka fahasahiranana ve izany?
12 Tokony hekena fa miteraka olana izany tarehin-javatra izany any amin’ny faritra sasany, na ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah na ho an’ireo tsidihiny. Tokony hanampy an’ireo fahasahiranana ireo koa ny fitomboan’ny olona tsy miraika any amin’ny tany maro. Araka izany, rehefa mihamaro isika, moa ve ialantsika tsikelikely ny asantsika tsara dia tsara? Hanatsoaka hevitra avy amin’izany ve isika fa hoe vita ny asantsika ka efa ‘nitady’ izay rehetra vonona ny hanaiky ny hafatra sy ho tonga mpianatra isika? Sasatra ve ianao, na kivy mihitsy aza, mitsidika olona tsy miraika miverimberina? Inona no azontsika atao mba hitanana ny zotom-pontsika amin’ny asa?
Aoka isika hitana fihetsika tsara
13, 14. a) Ahoana no tokony hiheverantsika ny tarehin-javatra hitantsika ao amin’ireo faritany itoriantsika matetika? b) Nahoana moa no tsy avelantsika hanakivy antsika ireo izay “tsy mihontsina” amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana? d) Ahoana no azontsika anarahana ny ohatra navelan’ny apostoly rehefa sosotra amintsika ny sasany?
13 Ny fanafodiny dia hita indrindra amin’ny fihetsika asehontsika amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah. Etsy an-daniny, dia zava-dehibe mandrakariva ny hijerena ny lafitsaran-javatra. Efa azo antoka fa rehefa hahatratra ny fara heriny ny asantsika, dia hitsidika matetika kokoa ireo faritany isika satria ho maro ny mpitory raha heverina amin’ny isan’ny mponina. Kanefa moa ve isika tsy nivavaka mba hahatongavan’izany (2 Tesaloniana 3:1)? Izay hitantsika ankehitriny dia tokony hahafaly antsika sy hampiaiky antsika fa eo amin’ny dingana farany amin’ny asa fanaovana mpianatra isika. Tena torina tokoa ilay Fanjakana, araka ny nanambaran’i Jesosy azy. Ary na dia rehefa tsy ‘mihaino ny teny’ aza ny olona, dia mahatonga ho afaka hampiomana azy ireny ny asa fitoriantsika. Aoka hotadidiantsika fa ambonin’ny fanaovana mpianatra, dia manambara ny vaovao tsara “ho vavolombelona” isika. — Matio 10:14; 24:14.
14 Ambonin’izany koa, dia tokony hampoizintsika fa hihamaro ny olona handa ny hafatra momba ilay Fanjakana arakaraka ny anatonan’ny farany. Mazava ireo faminaniana, ary ny fitantarana ny fanompoana nataon’i Jesosy sy Paoly dia manome antoka antsika fa ‘tsy hihontsina’ ny sasany ka ho “donto” ny fony. Amin’izao andro izao, isika kosa dia hitandrina mba tsy hoe ‘tsy hihontsina’ amin’ny asa nanirahana antsika. Tokony hitory “mandrakariva ihany” isika, na dia amin’ireo miseho ho tsy miraika aza (Isaia 6:9-11, MN; Matio 13:14, 15; Ohabolana 10:21). Marina fa tokony haneho herim-po isika mba hitsidihana olona sosotra rehefa mahita antsika. Nefa enga anie ny fihetsiky ny mponina ao amin’ny faritany na aiza na aiza tsy hitarika antsika hieritreritra fa tokony hitsahatra tsy hiteny isika! Mifanohitra amin’izany, sahala amin’ireo apostoly, dia aoka isika hivavaka mba hananana fahasahiana ‘hanohy hilaza ny teny’, na dia tsy sitraky ny sasany na mahatonga azy hankahala aza izany, mandra-pahavitan’ny asa. — Asa. 4:18-20, 24-31.
15. Inona moa no fampaherezana hitantsika ao amin’ny Galatiana 6:9, ary amin’ny ahoana izany no mahakasika ny fomba fiheverantsika ny asa fitsidihana ny mpiara-belona amintsika mba hampitana aminy ny vaovao tsara?
15 Rehefa dinihina, dia tsy misy afa-tsy anankiroa ny karazan’olona hitantsika, na manao ahoana na manao ahoana toerana itoriantsika: ireo maneho fahalianana sy ireo tsy maneho izany. Noho izany dia tokony hanohy hanatanteraka ny asa ‘fitadiavana ireo izay mendrika’ isika. Izany asa izany dia anisan’ny asa tsara dia tsara maro tokony hataontsika amin’ny maha-kristiana antsika mba hampisehoana ny fitiavantsika sy ny tsy fivadihantsika amin’i Jehovah. “Ary aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.” (Galatiana 6:9). Koa satria isika ankehitriny tena akaikin’ny faran’ny fandehan-javatra, dia tsy izao no fotoana tokony hialana na hahaketraka amin’ny fitsidihana ny mpiara-belona amintsika mba hampitana amin’izy ireny ny vaovao tsaran’ny Fanjakana. Mbola tsy nanambara i Jehovah hoe vita ny asa.
Nahoana moa isika no tokony ‘hanohy hilaza ny teny’?
16. a) Fisehoan-javatra inona avy no mety hanova ny fomba fandraisan’ny olona ny hafatra entintsika? b) Ohatra inona avy no azonao tononina mba hanazavana ny fiovam-pihetsika toy izany ao amin’ny faritaninao?
16 Ho mora amintsika kokoa ny hitana fihetsika tsara raha tsaroantsika fa mampiseho ny tsy fivadihantsika amin’i Jehovah isika amin’ny zotom-pontsika eo amin’ny fitoriana ilay Fanjakana. Aoka tsy hohadinointsika koa fa tsy mitsahatra ny miova amin’ny fomba maro ireo faritany. Mifindra trano ny olona sasany ary tonga ao amin’ny tarehin-javatra vaovao ny hafa. Tsy naneho fahalianana angamba izy ireny fony isika nitsidika azy farany, nefa ny famoizana asa, ny fahafatesan’ny havan-tsy foy, ny fiovana lehibe eo amin’ny ady ifanaovan’ireo fanjakana mahery indrindra, ny aretina mafy — izany fisehoan-javatra rehetra izany sy ny maro hafa koa dia mety hanosika azy ireny hihaino antsika amin’ny fandalovantsika manaraka. Ny hafa koa, rehefa nahafantatra fa tonga Vavolombelon’i Jehovah ny namany na havany iray, dia maniry hiara-midinika amintsika izao mba hahafantarana hoe inona no zavatra inoana nahatonga izany fiovana izany.
17. Hatramin’izao, ahoana no fandraisan’ny sasany ny hafatra momba ilay Fanjakana? Manomeza ohatra eo an-toerana.
17 Aoka hotadidiantsika koa fa ireo izay tonga olon-dehibe tato anatin’izao taona faramparany izao izao dia efa nanorin-tokantrano ankehitriny, mihevitra ny fiainana ho zava-dehibe izy ireny izao ary mametraka fanontaniana izay ny Tenin’Andriamanitra ihany no mahavaly azy. Tamin’izany ny reny tanora iray dia nanasa Vavolombelona roa hiditra tao an-tranony indray andro ka nilaza tamin’izy ireo hoe: ‘Fony aho mbola ankizy, dia tsy takatro ny antony tsy nandraisan’ny reniko ny Vavolombelona sy nilazany tamin’izy ireo fa tsy nahaliana azy ny hafatra nentin’izy ireo, kanefa maniry hiresaka ny amin’ny Baiboly fotsiny ianareo. Nanam-pikasana aho fa rehefa tonga olon-dehibe ka manambady, dia hampidiriko ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanazava amiko ny Baiboly.’
18. Ahoana moa no ahakasihan’ireo fisehoan-javatra ara-pivavahana ny mponina ao amin’ny faritany itoriantsika sy ampianarantsika?
18 Vaoamarikao ve fa ny sasany tamin’ireo olona tsy nety niresaka tamintsika hatramin’ny taona maro ka nihevitra fa “voavonjy” dia mametraka fanontaniana amim-pahatsorana amintsika ankehitriny? Inona no antony? Niova ny fiheveran’izy ireny ara-pivavahana. Milaza izy ireny fa diso fanantenana momba ny fitondrantena maloto, ny fanaovan-javatra ara-politika sy ny fandanilaniana foana ny volam-piangonana nataon’olona mpitory teny fanta-bahoaka ka nitokisany taloha. Azo inoana fa ho re matetika kokoa hatrany izany karazam-pitondrantena izany arakaraka ny fiharatsian’ny toe-piainana eo anivon’i Babylona Lehibe mandra-pandringana azy. — Apokalypsy 18:1-8.
19, 20. Inona moa no mampiseho fa tsy tokony hahakivy antsika ny fitsidihana matetika olona mandà ny hafatra?
19 Na ahoana na ahoana, dia tsy tokony ho kivy isika rehefa tsy miraika ny ankamaroan’olona. Aorian’ny fandalovantsika, dia azo inoana fa mieritreritra izay nolazaintsika taminy izy ireny. Indray andro, ohatra, ny vehivavy Kanadiana iray dia nilaza mazavatamin’ny Vavolombelona roa tonga mba handondona tao am-baravarany fa tsy mahaliana azy ny fivavahan’izy ireo. Tatỳ aoriana, dia nieritreritra indray ny tenin’izy ireo izy ka nahatsapa faniriana ny hihaona indray amin’ireo Vavolombelona roa mba hamalian’izy ireo ny fanontaniany. Nentiny àry ny fiarakodiany ary nitety ny faritanànany izy mba hitady azy ireo, nefa tsy nahita. Nijanona tamin’izao ve izy? Tsia, lasa nankany amin’ny namana iray izy mba hanontany azy raha nitsidika azy izy ireo. Tsia no navalin’io, nefa nilaza taminy izy fa Vavolombelon’i Jehovah ny anankiray tamin’ireo mpiara-miasa taminy ka hasainy mankany aminy izy io. Niteraka fitohitohizam-piaraha-midinika izany, ka nanasan’io olona io namana, mpifanila trano, havana sy mpiara-miasa. Nisy hatramin’ny 15 indraindray ny olona tafavory tao an-tranony; nahazara boky sy Baiboly 430 ary gazety 2015 ilay Vavolombelona tao amin’io tokantrano io.
20 Maro be no mankasitraka ny fitsidihantsika. Tao amin’ny taratasy iray nalefa tao amin’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower iray, dia nisy vehivavy nanoratra toy izao: “Misaotra noho ny nampitomboana fandavan-tena lehibe teo amin’ireo namanareo ao amin’ny finoana. Misaotra noho ny fitsidihana anay (...) sy ny fizarana ny fitiavan’ny Tompo amin’ny mpiara-belona aminareo. Mahasoa ny hafa tokoa izany fanaovan-javatra tsotra dia tsotra izany (...). Na dia ratsy fanahy aza ny sasany, tsy miraika ny hafa, ary mety mandray ny hafa koa, (...) dia faran’izay mahasoa ny mandray olona tonga mampahatsiahy anao ny zavatra ara-panahy. Hitako fa tsara ny hiresahana ny amin’ny Tompo.” Tao amin’ny taratasy hafa iray koa, dia nisy olona nangataka anay mba ‘tsy hanary ny olona’, na manao ahoana na manao ahoana fomba fandraisany. Koa “aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika, fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.” (Galatiana 6:9). Ankasitrahan’i Jehovah sy tahiny ny asa fitoriana. Amin’ny fandraisana anjara amin’izany no ampisehoantsika ny fitiavantsika azy sy ny namantsika (Matio 22:37-39). Aoka àry hataontsika hatramin’ny farany izany. — Jereo Filipiana 1:6.
21. a) Noho ny antony inona moa, amin’ny lafiny sasany fara faharatsiny no mety hitera-pahasahiranana ireo faritany voatety matetika? b) Inona no horesahintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
21 Tokony hekentsika fa tsy noho ny fomba fandaisan’ny olona ihany no toa maha-sarotra ny fitsidihana matetika ny mponina ao amin’ny faritanintsika. Indraindray dia noho isika ihany no mahatonga izany. Moa ve isika miainga manana hevitra tsy manorina amin’ny filazana anakampo fa fantatsika ny olona rehetra sy ny ho fomba fandraisany? Misy heriny izany toe-tsaina izany eo amin’ny fihetsitsika ary, azo inoana, eo amin’ny toe-peontsika sy ny endrintsika. Moa ve isika mampiasa fomba sy teny tsy miova hatramin’ny taona maro? Koa satria miova ny faritany, dia mety tsy hanohina ny olona ‘mendrika’ ny vaoao tsara intsony ireo fampisehoana nandaitra taloha. Angamba tokony hampiasa fomba hafa isika ka hihevitra ny asantsika amin’ny lafiny vaovao. Hojerentsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka izay azontsika atao mba ‘tsy hahaketraka, fa mba hijinjana kosa amin’ny fotoan’andro’.
Hazavao...
◻ Nahoana isika no tsy tokony ‘ho ketraka’ amin’ny fitondrana ny vaovao tsara ho an’ny mpiara-belona amintsika?
◻ Iza moa no nandidy antsika mba hanao mpianatra toy ny ataontsika, ary inona avy no endriny tena lehibe amin’io fomba io?
◻ Tarehin-javatra manao ahoana no hitantsika any amin’ny faritany maro, ary inona no mety hanampy antsika hihevitra izany amin’ny toe-tsaina tsara?
◻ Nahoana moa isika no tokony ‘hanohy hilaza’ ny vaovao tsara “tsy mitsahatra”?
[Efajoro, pejy 14]
TSY ‘HO KETRAKA’ AMIN’NY FITORIANA ILAY FANJAKANA ISIKA RAHA TSY MANADINO...
◻ ny hoe iza no nanankina tamintsika io asa io ka nilaza tamintsika ny fomba fanatanterahana azy.
◻ fa nitahy izay efa vitantsika maneran-tany Jehovah.
◻ ny mitana toe-tsaina tsara na dia ao aza ny tsy firaikan’ireo izay “tsy mihontsina”.
◻ ny mivavaka mba ‘hanohizana hilaza’ ny teny toy ny nataon’ireo apostoly.