FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w12 15/4 p. 22-26
  • Hain’i Jehovah ny Mamonjy ny Vahoakany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hain’i Jehovah ny Mamonjy ny Vahoakany
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • TAMIN’NY SAFODRANO
  • TEO AMIN’NY RANOMASINA MENA
  • TAMIN’NY FANDRAVANA AN’I JEROSALEMA
  • VONONA HIATRIKA NY HOAVY ISIKA
  • Ny Sambofiaran’i Noa
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Inona no Azontsika Ianarana avy Amin’ny Diarin’i Noa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Voaro Izy “sy Ireo Fito Hafa”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Tena Nisy ve i Noa sy ny Safodrano?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
w12 15/4 p. 22-26

Hain’i Jehovah ny Mamonjy ny Vahoakany

“Hain’i Jehovah afahana amin’ny fitsapana ny olona mahafoy tena ho an’Andriamanitra.” —2 PET. 2:9.

NAHOANA ISIKA NO AFAKA MATOKY FA...

hain’i Jehovah ny manatanteraka ny fikasany, amin’ny fotoana voatondrony?

hain’i Jehovah ny mampiasa ny heriny mba hamonjena ny vahoakany?

fantatr’i Jehovah ny zava-drehetra hitranga amin’ny faran’ity tontolo ity?

1. Inona no hitranga amin’ny “fahoriana lehibe”?

HO AVY tampoka ny fandringanana ny tontolon’i Satana. (1 Tes. 5:2, 3) Hikorontana be izao tontolo izao eo am-piandohan’ny “andro lehiben’i Jehovah.” (Zef. 1:14-17) Ho sahirana sy hijaly be ny olona. Io ilay “fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao.”—Vakio ny Matio 24:21, 22.

2, 3. a) Inona no zavatra hitranga amin’ny vahoakan’i Jehovah amin’ny “fahoriana lehibe”? b) Inona no hanampy antsika hatoky hoe hain’i Jehovah ny mamonjy ny vahoakany?

2 Hanafika antsika vahoakan’Andriamanitra i “Goga avy any amin’ny tany Magoga”, rehefa akaiky hifarana ny “fahoriana lehibe.” Hampiasa ‘tafika lehibe toy ny rahona mandrakotra ny tany’ i Satana, mba hamelezana antsika. (Ezek. 38:2, 14-16) Tsy hisy fikambanan’olombelona anefa hamonjy antsika. Andriamanitra ihany no hanao izany. Hanao ahoana àry ny vahoakan’i Jehovah rehefa hanafika ireo fahavalo?

3 Mino ve ianao fa tena hamonjy ny vahoakany i Jehovah amin’ny fahoriana lehibe? Hoy ny apostoly Petera: “Hain’i Jehovah afahana amin’ny fitsapana ny olona mahafoy tena ho an’Andriamanitra. Hainy koa anefa ny mitahiry ny olona tsy marina ho amin’ny andro fitsarana mba horinganina.” (2 Pet. 2:9) Mila misaintsaina ny fomba namonjen’i Jehovah ny mpanompony fahiny isika, mba hahafahantsika matoky fa ho hain’i Jehovah ny mamonjy ny vahoakany amin’ny hoavy. Handinika ohatra telo isika ato.

TAMIN’NY SAFODRANO

4. Nahoana no zava-dehibe ny fotoana tamin’ny andron’i Noa?

4 Hodinihintsika ny tantaran’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa. Tena zava-dehibe ny fotoana, teo amin’ny fahatanterahan’io fikasan’Andriamanitra io. Nisy sambofiara goavam-be mantsy tsy maintsy naorina, ary nila nampidirina tao ny biby. Tsy milaza anefa ny Genesisy hoe nandrasan’i Jehovah ho vita ny sambofiara, vao nanapa-kevitra momba ny fotoana hahatongavan’ny Safodrano izy. Tsy nieritreritra izy hoe aleo tsy manome fotoana voafaritra be, sao tsy ho vita ara-potoana ilay sambofiara. Efa nofaritany mialoha kosa ny fotoana hahatongavan’ny Safodrano, efa ela be talohan’ny nanirahany an’i Noa hanao sambofiara. Ahoana no hahalalantsika izany?

5. Inona no didim-pitsarana nambaran’i Jehovah, ary oviana izy no namoaka an’io didim-pitsarana io?

5 Namoaka didim-pitsarana i Jehovah tany an-danitra, araka ny Genesisy 6:3. Hoy izy: “Tsy handefitra tsy misy farany amin’ny olona aho, satria nofo ihany izy. Koa ho roapolo amby zato taona ny androny.” Tsy ny halavan’ny androm-piainan’ny olombelona akory no nolazain’i Jehovah teo. Te hilaza kosa izy hoe hanafoana ny faharatsiana eto an-tany izy, 120 taona taorian’izay.a Koa satria nanomboka tamin’ny taona 2370 T.K. ny Safodrano, dia midika izany fa tamin’ny taona 2490 T.K. i Jehovah no nanambara an’io didim-pitsarana io. Valopolo sy efajato taona i Noa tamin’izay. (Gen. 7:6) Mbola niteraka an’ireo zanany lahy anefa izy, 20 taona teo ho eo taorian’izay, tamin’ny taona 2470 T.K. (Gen. 5:32) Efa zato taona teo ho eo sisa dia ho tonga ny Safodrano, nefa mbola tsy nolazain’i Jehovah tamin’i Noa hoe hisy asa manokana hampanaoviny azy mba tsy hahalany tamingana ny olombelona. Oviana àry i Jehovah vao niteny tamin’i Noa?

6. Oviana i Jehovah no naniraka an’i Noa hanorina sambofiara?

6 Toa efa taona maro tatỳ aoriana i Jehovah vao nilaza tamin’i Noa ny zavatra hataony. Efa lehibe sy nanambady mantsy ny zanak’i Noa, vao naniraka azy hanamboatra sambofiara i Jehovah. Hoy i Jehovah taminy: “Manao fifanekena aminao aho. Koa midira ao anatin’ny sambofiara ianao sy ireo zanakao lahy sy ny vadinao ary ireo vadin’ny zanakao.” (Gen. 6:9-18) Mety ho 40 na 50 taona talohan’ny Safodrano àry i Noa, vao nasain’i Jehovah nanorina an’ilay sambofiara.

7. a) Inona no nataon’i Noa sy ny fianakaviany, ka nampiseho fa tena nanam-pinoana izy ireo? b) Oviana Andriamanitra vao nilaza tamin’i Noa ny fotoana hahatongavan’ny Safodrano?

7 Tsy maintsy nieritreritra ry Noa, teo am-panamboarana an’ilay sambofiara, hoe rahoviana no ho tonga ny Safodrano, ary ahoana no hanatanterahan’i Jehovah an’io fikasany io. Na tsy fantatr’izy ireo aza anefa izany, dia notohizin’izy ireo foana ilay asa nampanaovina azy. Hoy ny Genesisy 6:22: “Nanao araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy i Noa. Izany indrindra no nataony.” Efa herinandro talohan’ny Safodrano i Jehovah vao nilaza tamin’i Noa ny fotoana hahatongavan’ny Safodrano. Ampy tsara io herinandro io mba hampidiran’izy mianakavy an’ireo biby ho ao anaty sambofiara. Efa vita daholo àry ny zava-drehetra, rehefa nisokatra ny vavahadin-dranon’ny lanitra, “tamin’ny andro fahafito ambin’ny folon’ny volana faharoa, tamin’ny faheninjato taonan’i Noa.”—Gen. 7:1-5, 11.

8. Nahoana isika no matoky fa hain’i Jehovah ny fotoana hamonjena ny vahoakany amin’ny hoavy?

8 Hita tamin’izay nitranga tamin’ny Safodrano, fa hain’i Jehovah ny fotoana tsara indrindra sy ny fomba tsara indrindra hamonjena ny vahoakany. Efa kely sisa dia horinganin’i Jehovah ity tontolo ity, ary afaka matoky isika fa hitranga amin’ny “andro sy ora” voatondrony ny zava-drehetra nokasainy hatao.—Mat. 24:36; Vakio ny Habakoka 2:3.

TEO AMIN’NY RANOMASINA MENA

9, 10. Ahoana no nampiasan’i Jehovah ny vahoakany, mba hamandrihana ny Ejipsianina?

9 Hitantsika teo fa hain’i Jehovah ny manatanteraka ny fikasany amin’ny fotoana voatondrony. Hijery ohatra faharoa indray isika izao, hanampy antsika hatoky fa hanafaka ny vahoakany i Jehovah amin’ny hoavy, ka hampiasa ny heriny tsy hita fetra mba hanaovana ny sitrapony. Efa nanao an’izany izy taloha. Nampiasa ny vahoakany izy indraindray mba hamitahana ny fahavalony, satria azony antoka fa vitany ny manafaka azy ireo. Izany no nitranga, tamin’izy nanafaka ny Israelita tany Ejipta.

10 Israelita telo tapitrisa teo ho eo no nentin’i Mosesy niala tany Ejipta. Nasain’i Jehovah nentina tany akaikin’i Pihahirota izy ireo, mba hahatonga an’i Farao hieritreritra hoe mivenjivenjy fotsiny tsy mahita lalana ny Israelita. (Vakio ny Eksodosy 14:1-4.) Voafitaka tokoa i Farao sy ny tafiny, ka nanenjika ny Israelita, ary nahatratra azy ireo teo amin’ny Ranomasina Mena. Toa tapi-dalan-kaleha ny Israelita tamin’izay. (Eks. 14:5-10) Tsy nisy natahorana anefa. Nahoana? Satria efa vonona hamonjy ny vahoakany i Jehovah.

11, 12. a) Inona no nataon’i Jehovah mba hamonjena ny vahoakany, ary inona no vokatr’izany? b) Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah avy amin’izany?

11 Nafindran’i Jehovah nankany aorian’ny Israelita ilay “andry rahona” nitarika azy ireo, ka tsy afaka nanatona azy ireo ny tafik’i Farao. Nahagaga fa nanazava ny Israelita izy io na dia alina aza ny andro, nefa nanamaizina ny tafik’i Farao. (Vakio ny Eksodosy 14:19, 20.) Nandefa rivo-mahery avy any atsinanana i Jehovah avy eo, mba hanasarahana ny Ranomasina Mena, sy hanamainana ny fanambanin’izy io. Naka fotoana be izany satria naharitra “nandritra ny alina manontolo.” Tsy vitan’izay fa nandeha miadana be koa ny Israelita raha oharina amin’ny tafik’i Farao, izay nitondra kalesin’ady. Tsy azon’ny Ejipsianina anefa izy ireo. Niady ho azy ireo mantsy i Jehovah. ‘Nataon’i Jehovah nifanaritaka ny Ejipsianina, ary nesoriny ny kodiaran’ny kalesin’izy ireo mba ho sarotra hentina ireo kalesy.’—Eks. 14:21-25.

12 Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy, rehefa tafita teny ampitan’ny rano ny vahoaka: “Atsory eo ambonin’ny ranomasina ny tananao, mba hiverina ny rano ka hanarona ny Ejipsianina sy ny kalesin’adiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny.” Niezaka nandositra an’ilay rano be tonga hanafotra azy ny Ejipsianina, kanefa “nakifik’i Jehovah hankao afovoan’ny ranomasina”, ka tsy tafavoaka. “Tsy nisy niangana izy ireo na iray aza.” (Eks. 14:26-28) Nasehon’i Jehovah tamin’izany, fa manana hery hanafahana ny vahoakany izy, na inona na inona mitranga. 

TAMIN’NY FANDRAVANA AN’I JEROSALEMA

13. Inona no toromarika nomen’i Jesosy ny mpanara-dia azy, ary inona no fanontaniana mety ho noeritreretin’izy ireo?

13 Fantatr’i Jehovah tsara ny zava-drehetra hitranga, mba hahatanteraka ny fikasany. Ho hitantsika izany rehefa dinihintsika izay nitranga talohan’ny handravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70. Nasain’i Jehovah nanome toromarika an’ireo Kristianina tao Jerosalema sy Jodia i Jesosy, mba hanavotana azy ireo rehefa horavana i Jerosalema. Hoy i Jesosy: “Raha vao hitanareo mitsangana ao amin’ny toerana masina ilay zava-maharikoriko mahatonga faharavana, araka ny nampilazaina an’i Daniela mpaminany, ... dia aoka izay any Jodia handositra any an-tendrombohitra.” (Mat. 24:15, 16) Mety ho nieritreritra àry ny mpanara-dia an’i Jesosy hoe: ‘Ahoana no hahafantarana hoe tanteraka io tenin’i Jesosy io, rehefa tonga tokoa ny fotoana hahatanterahany?’

14. Inona no nanampy an’ireo Kristianina hahatakatra ny toromarik’i Jesosy?

14 Nihanazava ny tenin’i Jesosy rehefa nandeha ny fotoana. Nikomy ny Jiosy sasany tao Jerosalema, ka tonga hampitsahatra izany ny tafika romanina, notarihin’i Cestius Gallus, tamin’ny taona 66. Niafina tao amin’ny trano iray tao amin’ny faritry ny tempoly anefa ireo mpikomy, ka noravan’ny Romanina tsikelikely ny mandan’ny tempoly. Nazava tamin’ireo Kristianina mailo ny dikan’izany. Azon’izy ireo fa ny tafika romanina mpanompo sampy no “zava-maharikoriko” satria nitondra faneva nisy ifandraisany amin’ny fanompoan-tsampy izy ireo, ary nitondra izany hatrany amin’ny mandan’ny tempolin’i Jerosalema, izay “toerana masina.” Tsy maintsy ‘mandositra any an-tendrombohitra’ àry ny mpianatr’i Jesosy. Ahoana anefa no hataon’izy ireo satria voahodidina miaramila ilay tanàna? Nisy zava-nitranga tsy nampoizina nanampy azy ireo.

15, 16. a) Inona no toromarika nomen’i Jesosy ny mpanara-dia azy, ary nahoana izy ireo no nila nankatò? b) Inona no tsy maintsy ataontsika raha te ho voavonjy isika?

15 Tsy fantatra ny antony, fa niala tampoka tao Jerosalema i Cestius Gallus sy ny tafiny. Nanenjika azy ireo ny Jiosy mpikomy, ka sady tsy nisy Jiosy mpikomy tao an-tanàna no tsy nisy Romanina. Afaka nandositra àry ny mpianatr’i Jesosy. Nilaza i Jesosy fa tokony havelan’izy ireo ny fananany ary handositra tsy misy hataka andro izy ireo. (Vakio ny Matio 24:17, 18.) Tena nila nandositra haingana tokoa ve izy ireo? Tafaverina ny mpikomy andro vitsivitsy taorian’ny nandehanany, ka nanery ny mponin’i Jerosalema sy Jodia mba hanampy azy ireo. Nihamafy ny fiainana, ary niady seza ny antoko politika, ka lasa sarotra be ny nandositra. Niverina koa ny Romanina tamin’ny taona 70, ka tsy azo natao intsony mihitsy ny nandositra. (Lioka 19:43) Tsy tafavoaka intsony izay nitaredretra tao! Avotra kosa anefa ireo Kristianina nandositra haingana tany an-tendrombohitra, satria nankatò ny tenin’i Jesosy. Hitan’izy ireo tsara fa hain’i Jehovah ny mamonjy ny vahoakany. Inona no ianarantsika avy amin’izany?

16 Tsy maintsy mankatò ny toromarika avy amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fandaminana isika, amin’ny fahoriana lehibe. Mbola mila ampiharina koa amin’izay fotoana izay ilay didin’i Jesosy hoe ‘mandosira any an-tendrombohitra.’ Mbola tsy haintsika amin’izao fotoana izao hoe ahoana no hampiharana an’izany.b Matoky anefa isika fa hampahafantarin’i Jehovah antsika ny dikan’io toromarika io, rehefa tonga ny fotoana. Raha mankatò ihany isika vao ho tafavoaka velona, ka ilaina ny mieritreritra hoe: ‘Ahoana no ataoko, rehefa misy toromarika omen’i Jehovah ny vahoakany ankehitriny? Tonga ve aho dia mankatò, sa mbola mitaredretra?’—Jak. 3:17.

VONONA HIATRIKA NY HOAVY ISIKA

17. Inona no lesona azontsika tsoahana rehefa mandinika ny faminanian’i Habakoka?

17 Iverenantsika indray ilay fanafihan’i Goga voaresaka terỳ am-piandohana. Misy faminaniana mifandray amin’izy io nolazain’i Habakoka. Hoy izy: ‘Nony nandre aho, dia nangotika ny kiboko. Nipararetra ny molotro noho izay reko, ary nihalò ny taolako. Rehefa nanjo ahy izany, dia nitebiteby aho. Koa hiandry amim-pahatoniana ny andro fahoriana aho, eny, hiandry ny hiakaran’Andriamanitra hanafika ny [tafika fahavalo].’ (Hab. 3:16) Raha vao ren’i Habakoka hoe hisy hanafika ny vahoakan’Andriamanitra, dia nangotika ny kibony, nangovitra ny molony, ary nihena ny heriny. Na izany aza, dia vonona izy “hiandry amim-pahatoniana” ny andro lehiben’i Jehovah, satria natoky izy fa hamonjy ny vahoakany i Jehovah. Mety hatahotra koa isika, rehefa hanafika antsika i Goga sy ny tafiny. Afaka matoky toa an’i Habakoka koa anefa isika.—Hab. 3:18, 19.

18. a) Nahoana isika no tsy matahotra an’ilay fanafihana ho avy? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Voaporofo tamin’ireo ohatra telo nodinihintsika tato, fa hain’i Jehovah ny mamonjy ny vahoakany. Tsy maintsy ho tanteraka ny fikasany ary handresy an’ireo fahavalony izy. Mila miezaka mba tsy hivadika hatramin’ny farany anefa isika, raha te hahita an’izany fandresena izany ka hiara-paly amin’i Jehovah. Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe ahoana no anampian’i Jehovah antsika mba tsy hivadika.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 2010, pejy 30-31.

b Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 1999, pejy 19.

[Sary, pejy 24]

Tena natahorana hampidi-doza an’ireo Israelita ve ny tafik’i Farao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara