-
FamantaranaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
“Famantarana ny Zanak’olona.” Hoy koa i Jesosy tamin’izay: “Ary hiseho eny amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona. Dia hikapo-tratra sy hitomany ny foko rehetra eto an-tany, ary ho hitan’izy ireo ny Zanak’olona ho avy amin-kery sy voninahitra lehibe, ao amin’ny rahon’ny lanitra.” (Mt 24:30; Lk 21:27) Vao avy niresaka momba an’i Daniela mpaminany i Jesosy tamin’izay. (Mt 24:15; Da 9:27; 11:31) Hita fa ny teniny dia nalaina avy tao amin’ilay fahitana ao amin’ny Daniela 7:13, 14, izay milaza fa ‘nisy toy ny zanak’olona teny amin’ny rahon’ny lanitra’ nanatona an’Ilay “Efa Nisy Hatry ny Ela Be”, ka nomena ‘fanjakana tsy ho rava.’ Mifandray àry “ny famantarana ny Zanak’olona” sy ny fotoana handraisan’i Jesosy fahefana ho mpanjaka. Nampiharin’i Jesosy tamin’ny tenany ny hoe “Zanak’olona” sy ilay faminaniana ao amin’ny Daniela 7:13, 14.—Mt 26:63, 64; Mr 14:61, 62.
Nanoratra momba ny hoavy i Jaona tamin’ny taona 96 tany ho any, 26 taona taorian’ny naharava an’i Jerosalema, ary hitany tao amin’ny fahitana i Jesosy Kristy “ho avy” “eny amin’ny rahona. Ary hahita azy ny maso rehetra sy ireo nandefona azy.” (Ap 1:1, 7) Samy milaza an’i Jesosy ho avy eny amin’ny rahona sy ho hitan’ny olona rehetra na ny tenin’i Jaona izay mbola ho tanteraka any aorian’ny taona 96, na ny tenin’i Jesosy momba “ny famantarana ny Zanak’olona.” (Jereo RAHONA.) Mety hidika ara-bakiteny hoe “mahita, mijery” ilay matoanteny grika hoe hôraô, nadika hoe “mahita” ao amin’ny Matio 24:30 sy Apokalypsy 1:7. Mety hidika koa hoe “mahatsikaritra, mahatakatra” anefa io teny io rehefa ampiasaina an’ohatra.—Rakibolana Grika-Anglisy, nataon’i H. Liddell sy R. Scott, nohavaozin’i H. Jones, 1968, p. 1245, tsang. 1.
Mba hahitana ny tsy fitovian’ny hoe “fahagagana”, “fambara” ary “famantarana”, dia jereo FAHAGAGANA sy FAMBARA.
-
-
Zanak’olonaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Niresaka momba ireo zava-mahagaga hitranga eny amin’ny lanitra anefa aloha i Jesosy, vao naminany momba ny “famantarana ny Zanak’olona.” (Mt 24:30; Lk 21:27) Resahin’ny Baiboly fa nisy zava-mahagaga toy izany rehefa nandringana ny ratsy fanahy Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny Is 13:9, 10 sy Jl 2:30, 31 ny Mt 24:29 sy Lk 21:25, 26.) “Hikapo-tratra sy hitomany ny foko rehetra eto an-tany” rehefa hahita “ny Zanak’olona ho avy amin-kery sy voninahitra lehibe, ao amin’ny rahon’ny lanitra.” Hatahotra àry ireo olona tsy manao ny sitrapon’Andriamanitra, rehefa hisy zava-mahagaga hitranga ho famantarana fa efa lasa mpanjaka mahery i Jesosy.
-