“Tsy Maintsy ho Tonga Izany”
‘Jesosy nanao taminy hoe: Tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany.’ — MATIO 24:4-6.
1. Loha hevitra inona no tokony hahaliana antsika?
TSY isalasalana fa mahaliana anao ny fiainanao sy ny hoavinao. Raha izany no izy, dia tokony hahaliana anao koa ny loha hevitra iray izay nanintona ny sain’i C. T. Russell, tamin’ny 1877. I Russell, izay nanorina ny Fikambanana Watch Tower, tatỳ aoriana, dia nanoratra ny The Object and Manner of Our Lord’s Return (Ny Fiverenan’ny Tompontsika: Ny Zava-kendren’izany sy ny Fomba Fisehony). Ny fiverenan’i Jesosy, na ny fiaviany ho avy, no niompanan’io bokikely 64 pejy io. (Jaona 14:3). Indray mandeha, teo amin’ny Tendrombohitra Oliva, dia nanontany toy izao mahakasika an’io fiverenana io ireo apostoly: “Rahoviana no ho tonga izany zavatra izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao [na, “fihavianao”, Fandikan-teny Malagasy] sy ny an’ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” — Matio 24:3, NW.
2. Nahoana no misy fomba fihevitra maro mifanipaka mahakasika izay nolazain’i Jesosy mialoha?
2 Fantatrao ve ny valin-tenin’i Jesosy ary azonao ve ny hevitr’izany valin-teniny izany? Hita ao amin’ny telo amin’ireo Filazantsara izany. Hoy ny Profesora D. A. Carson: “Teo anivon’ireo mpilaza hevi-teny, dia toko vitsy ao amin’ny Baiboly no niteraka tsy fitovian-kevitra betsaka kokoa noho ny Matio 24 sy ireo mifanitsy aminy ao amin’ny Marka 13 sy Lioka 21.” Nomen’ilay Profesora avy eo ny heviny manokana, izay hevitra iray hafa fotsiny amin’ireo fomba fijerin’olombelona mifanipaka. Tamin’ny taonjato lasa tany ho any, dia hita taratra tamin’ny fomba fihevitra maro karazan’izany, ny tsy fahampiam-pinoana. Nihevitra ireo nanolotra azy ireny fa tsy nilaza mihitsy izay voasoratra ao amin’ireo Filazantsara, hono, i Jesosy; efa nisy nanova, hono, tatỳ aoriana, ny teny nolazain’i Jesosy; na koa tsy tanteraka, hono, ny zavatra nambaran’i Jesosy mialoha. Ireo fomba fihevitra ireo dia novolavolain’ny fitsikerana ambony. Ny mpivaofy teny iray aza, dia nandinika ny Filazantsaran’i Marka ‘araka ny fomba fijery filôzôfikan’ny Bodista Mahâyâna’!
3. Ahoana no fahitan’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay faminanian’i Jesosy?
3 Mifanohitra amin’izany fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia manaiky fa azo itokisana sy ianteherana ny Baiboly, anisan’izany ny teny nolazain’i Jesosy tamin’ireo apostoliny efatra, izay niaraka taminy teo amin’ny Tendrombohitra Oliva, telo andro talohan’ny nahafatesany. Hatramin’ny andron’i C. T. Russell, dia nihanahazo fahatakarana mazava kokoa ny hevitr’ilay faminaniana nomen’i Jesosy teo, ny vahoakan’Andriamanitra. Tato anatin’ny taona vitsivitsy farany, dia mbola nitondra fanazavana misimisy kokoa mahakasika ny fahitan’izy ireo io faminaniana io, Ny Tilikambo Fiambenana. Azonao tsara ve ireny fanazavana ireny, ka hitanao ho nisy akony teo amin’ny fiainanao?a Andeha hodinihintsika indray izy ireny.
Antomotra ny fahatanterahana iray mampahonena
4. Inona no nety ho antony nahatonga ireo apostoly hanontany an’i Jesosy momba ny hoavy?
4 Fantatr’ireo apostoly fa i Jesosy no Mesia. Koa rehefa nandre an’i Jesosy nilaza ny amin’ny hahafatesany sy ny hitsanganany ary ny hiverenany indray àry izy ireo, dia tsy maintsy ho nanontany tena hoe: ‘Raha ho faty sy tsy ho eo intsony i Jesosy, ahoana no hahafahany hanatanteraka ireo zavatra mahatalanjona antenaina hataon’ny Mesia?’ Ankoatra izany, dia niresaka ny amin’ny farany ho an’i Jerosalema sy ny tempoliny i Jesosy. Nety ho nanontany tena toy izao ireo apostoly: ‘Rahoviana sy amin’ny fomba ahoana no hitrangan’izany?’ Niezaka hahatakatra ny hevitr’izany zavatra izany ireo apostoly, ka nanontany hoe: “Rahoviana no hisy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany rehetra izany?” — Marka 13:4; Matio 16:21, 27, 28; 23:37–24:2.
5. Amin’ny ahoana no nisy fahatanterahany tamin’ny taonjato voalohany ny zavatra nolazain’i Jesosy?
5 Nambaran’i Jesosy mialoha ny hisian’ny ady, ny mosary, ny areti-mandringana, ny horohoron-tany, ny fankahalana sy ny fanenjehana ny Kristianina, ny mesia sandoka, ary ny fitoriana hatraiza hatraiza ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Avy eo dia ho tonga ny farany. (Matio 24:4-14; Marka 13:5-13; Lioka 21:8-19). Tamin’ny voalohandohan’ny taona 33 am.f.i. no nilazan’i Jesosy izany. Nandritra ireo am-polony taona maro taorian’izay, dia afaka nahatakatra ireo mpianany mailo fa tena nitranga tamin’ny fomba nisy heviny ireo zavatra nambara mialoha. Eny, porofoin’ny tantara fa nisy fahatanterahany tamin’izany fotoana izany ilay famantarana, ka nitarika ho amin’ny famaranan’ny Romanina ny fandehan-javatra jiosy tamin’ny 66-70 am.f.i. Ahoana no nitrangan’izany?
6. Inona no nitranga teo amin’ny Romanina sy ny Jiosy tamin’ny 66 am.f.i.?
6 Tamin’ny 66 am.f.i., nandritra ny fahavaratra nanevokevoka tany Jodia, dia nanafika an’ireo Romanina mpiambina tao amin’ny toby miaramila iray nimanda teo akaikin’ny tempoly tao Jerosalema, ireo Zelôta jiosy. Niteraka herisetra tany amin’ny faritra hafa tany Jodia izany. Mitantara toy izao ny Profesora Heinrich Graetz, ao amin’ilay boky hoe History of the Jews: “I Cestius Gallus, izay nanana adidy hanandratra ny voninahitry ny tafika romanina, tamin’ny naha Governoran’i Syria azy, (...) dia tsy afaka ny hijery fotsiny intsony ilay fikomiana niely nanodidina azy, ka hoe tsy hanao ezaka na inona na inona mba hisakanana ny fitaran’izy io. Namory ireo andia-miaramilany izy, ary ireo andriana teny amin’ny manodidina dia nandefa an-tsitrapo ny andian-tafiny.” Nanodidina an’i Jerosalema io tafika nisy miaramila 30 000 io. Rehefa nandeha kelikely ny ady, dia niala nankao ambadiky ny manda teo akaikin’ny tempoly ireo Jiosy. “Nandritra ny dimy andro nisesy, dia nirohotra nanafika ireo manda ny Romanina, saingy voatery nihemotra foana teo anoloan’ireo zavatra natifitr’ireo Jodianina. Efa tamin’ny andro fahenina vao nahavita nandoaka ny fototry ny ampahany iray tamin’ny manda avaratra nanoloana ny Tempoly izy ireo.”
7. Nahoana no afaka nanana fomba fijery hafa noho ny an’ny ankamaroan’ny Jiosy ireo mpianatr’i Jesosy?
7 Eritrereto fotsiny ny fikorontanan-tsaina nahazo ny Jiosy, satria fiheveran’izy ireo efa hatry ny ela ny hoe hiaro azy ireo sy ilay tanànany masina Andriamanitra! Ireo mpianatr’i Jesosy anefa dia nahazo fampitandremana mialoha fa nisy loza niandry an’i Jerosalema. Nanambara mialoha toy izao i Jesosy: “Ho avy aminao ny andro izay hananganan’ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, dia hanemitra anao izy ka hanidy anao manodidina ary hamongotra anao hatramin’ny tany mbamin’ny zanakao ao anatinao, ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao”. (Lioka 19:43, 44). Hidika ho fahafatesana ho an’ny Kristianina tao Jerosalema tamin’ny 66 am.f.i. anefa ve izany?
8. Loza inona no nambaran’i Jesosy mialoha, ary iza ireo “olom-boafidy”, izay noho ny aminy no nanafohezana izany andro izany?
8 Rehefa nanome ny valin’ny fanontanian’ireo apostoly teo amin’ny Tendrombohitra Oliva i Jesosy, dia nilaza mialoha toy izao: “Amin’izany andro izany dia hisy fahoriana izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan’Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao, sady tsy hisy intsony. Ary raha tsy nohafohezin’ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany.” (Marka 13:19, 20; Matio 24:21, 22). Hohafohezina àry ny andro, ka ho voavonjy “ny olom-boafidy”. Iza moa izy ireo? Azo antoka fa tsy ireo Jiosy mpioko, izay nihambo ho nivavaka tamin’i Jehovah nefa nanda ny Zanany. (Jaona 19:1-7; Asan’ny Apostoly 2:22, 23, 36). Ireo tena olom-boafidy tamin’izany fotoana izany, dia ireo Jiosy sy tsy Jiosy izay naneho finoana an’i Jesosy ho Mesia sy Mpamonjy. Nifidy azy ireny Andriamanitra, ary tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., dia namorona azy ireny ho firenena ara-panahy vaovao, dia ny “Isiraelin’Andriamanitra”. — Galatiana 6:16; Lioka 18:7; Asan’ny Apostoly 10:34-45; 1 Petera 2:9.
9, 10. Ahoana no ‘nanafohezana’ ny andro nanafihan’ny Romanina, ary inona no vokany?
9 ‘Nohafohezina’ ve ny andro, ka voavonjy ireo olom-boafidy voahosotra, tao Jerosalema? Nanolo-kevitra toy izao ny Profesora Graetz: “Nihevitra [i Cestius Gallus] fa samy tsy fahendrena na ny hanohizana ilay ady tamin’olona nahery fo sy nirehitra fatratra, na ny hirotsahana tamina fanafihana nisesisesy haharitra ela be, tao anatin’io fizaran-taona io. Hanomboka tsy ho ela mantsy tamin’izay ny oram-pararano, (...) ka mety hahatonga ny tafika tsy hahazo vatsy izany. Izany angamba no niheverany fa fanehoana fahamalinana kokoa ny niverina ilalana.” Na inona na inona noeritreretin’i Cestius Gallus, dia niala teo amin’ilay tanàna ny tafika romanina, ka niharam-pahavoazana mafy noho izay nafitsok’ireo Jiosy nanenjika azy.
10 Izany fialan’ny Romanina tamin’ny fomba tsy nampoizina izany, dia nahatonga “nofo” ho voavonjy, izay tsy iza akory fa ireo mpianatr’i Jesosy notandindomin-doza tao Jerosalema. Voalazan’ny tantara fa rehefa nitranga izany toe-javatra azo nohararaotina izany, dia nandositra niala tao amin’ilay faritra ireo Kristianina. Izany ka fampisehoana ny fahaizan’Andriamanitra mamantatra mialoha ny hoavy sy manome antoka ny amin’izay hahatafita velona ny mpivavaka aminy! Ahoana kosa anefa ny amin’ireo Jiosy tsy nino izay nijanona tao Jerosalema sy Jodia?
Hahita azy io ireo mpiara-belona
11. Inona no nolazain’i Jesosy mahakasika “izao taranaka izao”?
11 Jiosy maro no nihevitra fa hitohy tsy hisy farany ny rafi-panompoam-pivavahan’izy ireo, izay niompana tamin’ny tempoly. Hoy anefa i Jesosy: “Mianara (...) ny amin’ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. Dia tahaka izany koa hianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy. Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’izany rehetra izany. Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.” — Matio 24:32-35, izahay no manao sora-mandry.
12, 13. Ahoana no ho nandraisan’ireo mpianatra ny hevitry ny hoe “izao taranaka izao” na “ity taranaka ity”, izay noresahin’i Jesosy?
12 Tao anatin’ireo taona izay nitarika ho amin’ny 66 am.f.i., dia hitan’ireo Kristianina fa maro tamin’ireo ampahany amin’ilay famantarana misy lafiny maro no teo am-pahatanterahana, ary vao savaranonando ihany izany — ny ady, ny mosary, eny, hatramin’ny fitoriana hatraiza hatraiza ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana aza. (Asan’ny Apostoly 11:28; Kolosiana 1:23). Rahoviana anefa no ho tonga ny farany? Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa nilaza izy hoe: “Tsy mba ho lany izao taranaka [grika: ge·ne·aʹ] izao”? Matetika no nantsoin’i Jesosy hoe “taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga” ny sarambaben’ny Jiosy nanohitra azy izay niara-belona taminy, anisan’izany ireo mpitarika ara-pivavahana. (Matio 11:16; 12:39, 45; 16:4; 17:17; 23:36). Koa rehefa niresaka indray ny amin’“izao taranaka izao” àry i Jesosy, teo amin’ny Tendrombohitra Oliva, dia miharihary fa tsy ny taranaka jiosy manontolo nandritra ny tantara akory no tiany holazaina. Tsy ireo mpanara-dia azy koa akory no tiany holazaina, na dia “taranaka voafidy” aza izy ireo. (1 Petera 2:9). Tsy nilaza koa i Jesosy hoe vanim-potoana iray ny hoe “izao taranaka izao”.
13 Ny tao an-tsain’i Jesosy kosa, dia ireo Jiosy nanohitra tamin’izany fotoana izany, izay hahita ny fahatanterahan’ilay famantarana nomeny. Momba ny firesahana ny amin’ny hoe “ity taranaka ity” ao amin’ny Lioka 21:32, dia toy izao no fanamarihan’ny Profesora Joel B. Green: “Ao amin’ny Filazantsara Fahatelo, ny hoe ‘ity taranaka ity’ (sy ny teny mifandray aminy) dia nidika foana ho sokajin’olona izay nanohitra ny fikasan’Andriamanitra. (...) [Izy io dia manondro] olona izay mikiry mandà ny fikasan’Andriamanitra.”b
14. Inona no nodiavin’ilay “taranaka”, kanefa amin’ny ahoana no hafa noho izany ny nitranga tamin’ireo Kristianina?
14 Ilay taranaka ratsy fanahy voaforon’ireo Jiosy mpanohitra, izay afaka nahita ny fahatanterahan’ilay famantarana, dia handia ny farany koa. (Matio 24:6, 13, 14). Ary nandia izany tokoa izy ireo! Tamin’ny 70 am.f.i., dia niverina ny tafika romanina, notarihin’i Titus, zanaky ny Emperora Vespasien. Saika tsy mampino ny fahorian’ny Jiosy izay voahidy indray tao amin’ilay tanàna.c Milaza i Flavius Josèphe, vavolombelona nahita maso, fa tamin’ny fotoana nandravan’ny Romanina ilay tanàna, dia Jiosy tokony ho 1 100 000 no efa maty ary 100 000 teo ho eo no nentina ho babo. Tsy ela ny ankamaroan’ireny babo ireny dia ho faty tamin’ny fomba mahatsiravina, noho ny hanoanana na tany amin’ireo teatira romanina. Marina tokoa fa ilay fahoriana tamin’ny 66-70 am.f.i. no lehibe indrindra tamin’izay nodiavin’i Jerosalema sy ny fandehan-javatra jiosy hatramin’izay, na amin’izay mbola hodiaviny. Endre ny fahasamihafan’izany tamin’izay nitranga tamin’ireo Kristianina nanaraka ny fampitandremana ara-paminaniana nomen’i Jesosy, ka nandao an’i Jerosalema taorian’ny nialan’ny tafika romanina tamin’ny 66 am.f.i.! ‘Novonjena’ na voatsimbina ireo “olom-boafidy” kristianina voahosotra, tamin’ny 70 am.f.i. — Matio 24:16, 22.
Fahatanterahana hafa iray amin’ny hoavy
15. Ahoana no ahafahantsika mahazo antoka fa ho tanteraka amin’ny ambaratonga lehibe ilay faminanian’i Jesosy, aorian’ny 70 am.f.i.?
15 Tsy nifarana hatreo anefa izany. Tany aloha kokoa, dia nilaza i Jesosy fa aorian’ny haharavan’ilay tanàna, dia ho avy amin’ny anaran’i Jehovah izy. (Matio 23:38, 39; 24:2). Nohazavainy misimisy kokoa izany avy eo, tao amin’ilay faminaniana nambarany teo amin’ny Tendrombohitra Oliva. Rehefa avy niresaka ny amin’ilay “fahoriana lehibe” ho avy izy, dia nilaza fa aorian’io dia hisy Kristy sandoka, ary hohitsahin’ny jentilisa mandritra fe-potoana lava be i Jerosalema. (Matio 24:21, 23-28; Lioka 21:24). Mety hisy fahatanterahana hafa iray sy amin’ny ambaratonga lehibe ve atỳ aoriana? Mamaly hoe eny ny zava-misy. Rehefa ampitahaintsika amin’ny Apokalypsy 6:2-8 (nosoratana taorian’ilay fahoriana tao Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i.) ny Matio 24:6-8 sy ny Lioka 21:10, 11, dia hitantsika fa mbola hisy ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana amin’ny ambaratonga lehibe. Efa nitranga nanomboka tamin’ny Ady Lehibe Voalohany izay nipoaka tamin’ny 1914, io fahatanterahan’ny tenin’i Jesosy tamin’ny ambaratonga lehibe io.
16-18. Inona no antenaintsika fa mbola hitranga?
16 Efa am-polony taona maro izao ny Vavolombelon’i Jehovah no mampianatra fa ny fahatanterahan’ilay famantarana amin’izao fotoana izao, dia manaporofo fa mbola hisy “fahoriana lehibe” ho avy. Hahita io fahoriana io ilay “taranaka” ratsy fanahy ankehitriny. Toa hisy indray koa ny ambaratonga voalohany (fanafihana ny fivavahan-diso rehetra) hanomboka azy io, tsy misy hafa amin’ny fanafihan’i Gallus tamin’ny 66 am.f.i., izay nanomboka ilay fahoriana tao Jerosalema.d Avy eo, aorian’ny fe-potoana iray izay tsy voafaritra ny halavany, dia ho tonga ny farany — fandringanana amin’ny ambaratonga maneran-tany, mifanitsy amin’ilay nitranga tamin’ny 70 am.f.i.
17 Nilaza toy izao i Jesosy rehefa niresaka ny amin’ilay fahoriana efa antomotra: “Ary raha vao afaka ny fahoriana amin’ireo andro ireo [ny fandravana ny fivavahan-diso], ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin’ny lanitra hohozongozonina. Ary amin’izany andro izany dia hiseho eo amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy.” — Matio 24:29, 30.
18 Noho izany, dia i Jesosy mihitsy no milaza fa rehefa “afaka ny fahoriana amin’ireo andro ireo”, dia hisy fisehoan-javatra hitranga eny amin’ny lanitra. (Ampitahao amin’ny Joela 3:1-5; 4:15.) Hampivadi-po sy hanaitra mafy an’ireo olombelona tsy mankato izany, hany ka “hitomany” izy ireo. “Ho reraka ny fon’ny [maro] noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany”. Tsy ho toy izany anefa ny amin’ireo Kristianina marina! ‘Hanandratra ny lohany izy ireo, fa manakaiky ny fanavotana azy.’ — Lioka 21:25, 26, 28.
Fitsarana ho avy!
19. Ahoana no ahafahantsika mamaritra ny fotoana hahatanterahan’ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy?
19 Mariho fa manambara mialoha ny Matio 24:29-31 fa 1) ho avy ny Zanak’olona, 2) ho amim-boninahitra lehibe io fiaviany io, 3) hiaraka aminy ireo anjely, ary 4) hahita azy avokoa ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Averin’i Jesosy ao amin’ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy ireo lafin-javatra ireo. (Matio 25:31-46). Afaka manatsoaka hevitra àry isika fa io fanoharana io dia mifandray amin’ny fotoana aorian’ny fiandohan’ilay fahoriana, izany hoe amin’ny fotoana hiavian’i Jesosy miaraka amin’ireo anjeliny ka hipetrahany eo amin’ny seza fiandrianany mba hitsara. (Jaona 5:22; Asan’ny Apostoly 17:31; ampitahao amin’ny 1 Mpanjaka 7:7; Daniela 7:10, 13, 14, 22, 26; Matio 19:28.) Iza no hotsaraina, ary inona no ho vokany? Asehon’ilay fanoharana fa hampitodika ny sainy amin’ny firenena rehetra i Jesosy, toy ny hoe tafavory eo anatrehan’ny seza fiandrianany any an-danitra mihitsy izy ireo.
20, 21. Inona no hitranga amin’ny ondry ao amin’ilay fanoharan’i Jesosy? b) Inona no hanjo ny osy amin’ny hoavy?
20 Ireo lehilahy sy vehivavy toy ny ondry, dia havahana hankeo ankavanan’i Jesosy, izay midika ho toeram-pankasitrahana. Nahoana? Satria nampiasa ny fahafahana nananany izy ireo mba hanaovan-tsoa tamin’ireo rahalahin’i Jesosy, dia ireo Kristianina voahosotra izay hiara-manjaka amin’i Kristy ao amin’ilay Fanjakany any an-danitra. (Daniela 7:27; Hebreo 2:9–3:1). Mifanaraka amin’ilay fanoharana, dia Kristianina toy ny ondry an-tapitrisany maro no nahafantatra ireo rahalahin’i Jesosy ara-panahy ka miasa mba hanohanana azy ireo. Vokatr’izany, dia manana fanantenana miorina amin’ny Baiboly ny ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” ny “olona betsaka”, ka avy eo dia hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa, ilay faritra eto an-tany hotantanan’ny Fanjakan’Andriamanitra. — Apokalypsy 7:9, 14; 21:3, 4; Jaona 10:16.
21 Toy inona moa ny fahasamihafan’izany amin’izay hitranga amin’ireo osy! Ao amin’ny Matio 24:30, dia lazalazaina ho ‘mitomany’ izy ireo rehefa ho avy i Jesosy. Ary izany tokoa no tokony ho izy, satria ho nanjary fantatra ho nanda ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana sy nanohitra ny mpianatr’i Jesosy ary tia kokoa izao tontolo izao mandalo, izy ireo. (Matio 10:16-18; 1 Jaona 2:15-17). I Jesosy, fa tsy na iza na iza amin’ny mpianany eto an-tany, no mamaritra hoe iza no osy. Izao no lazainy mahakasika azy ireo: “Ireo dia hiala ho any amin’ny [famongorana, NW ] mandrakizay”. — Matio 25:46.
22. Tapany inona amin’ny faminanian’i Jesosy no mendrika hodinihintsika koa?
22 Mampientanentana ny fandrosoantsika eo amin’ny fahatakarana ny hevitr’ilay faminaniana ao amin’ny Matio toko faha-24 sy 25. Misy tapany iray amin’ilay faminanian’i Jesosy anefa mendrika ny hodinihintsika koa — ‘ilay fahavetavetan’ny fandravana mitsangana ao amin’ny fitoerana masina’. Nampirisika ireo mpanara-dia azy i Jesosy mba hampiasa fahaiza-manavaka mahakasika azy io ka ho vonona hanao zavatra. (Matio 24:15, 16). Inona moa io “fahavetavetana” io? Rahoviana izy io no mitsangana ao amin’ny fitoerana masina? Ary amin’ny ahoana izany no mahakasika ny fiainantsika ankehitriny sy amin’ny hoavy? Handinika izany ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny lahatsoratra fianarana ao amin’ny nomeraon’ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 1994, 15 Oktobra sy 1 Novambra 1995, ary ny 15 Aogositra 1996.
b Manamarika toy izao ilay manam-pahaizana britanika atao hoe G. R. Beasley-Murray: “Tsy tokony hanahirana kely akory an’ireo mpilaza hevi-teny ilay fitenenana hoe ‘ity taranaka ity’. Ekena aloha fa ny hoe genea, araka ny teny grika tany am-boalohany, dia nidika hoe fahaterahana, taranaka, ka noho izany dia nidika hoe firazanana. (...) Na izany aza anefa, dia matetika indrindra izy io ao amin’ny [Septante grika] no nandikana ilay teny hebreo hoe dôr, izay midika hoe vanim-potoana, vanim-potoan’ny olombelona, na taranaka, amin’ny heviny hoe mpiara-belona. (...) Ao amin’ireo teny lazaina fa nambaran’i Jesosy, dia miharihary fa mifono heviny roa sosona ilay teny: etsy an-daniny, dia midika foana hoe ireo niara-belona taminy izy io, ary etsy an-kilany kosa, dia mifono fanakianana an-kolaka foana izy io.”
c Milaza ny Profesora Graetz, ao amin’ilay bokiny hoe History of the Jews, fa voafonja 500 isan’andro indraindray no nohomboan’ny Romanina. Notapahina hiala ny tanan’ny babo jiosy hafa, ary nalefa hiverina tao amin’ilay tanàna izy ireo avy eo. Toe-piainana nanao ahoana no nanjaka tao? “Tsy nisy vidiny intsony ny vola, satria tsy nahavidy mofo akory. Niady tamim-pamoizam-po teny amin’ny arabe ireo lehilahy, mba hahazoana sakafo faran’izay nankaloiloy sy naharikoriko, izay tsy inona akory fa mololo eran-tanana anila, sombin-koditra, na taovan-kena natsipy ho an’ny alika. (...) Nitombo isa haingana ireo faty tsy voalevina ka nahatonga ilay rivo-pahavaratra nandoro hiteraka valanaretina, ary matin’aretina sy mosary ary sabatra ny sarambaben’olona.”
d Handinika an’io lafiny amin’ilay fahoriana ho avy io ny lahatsoratra manaraka.
Tadidinao Ve?
◻ Ahoana no nahatanterahan’ny Matio 24:4-14 tamin’ny taonjato voalohany?
◻ Tamin’ny andron’ny apostoly, ahoana no nanafohezana ny andro sy nisian’ny nofo novonjena, araka ny voalaza mialoha ao amin’ny Matio 24:21, 22?
◻ Inona no nampiavaka ilay “taranaka” voalaza ao amin’ny Matio 24:34?
◻ Ahoana no ahalalantsika fa hisy fahatanterahany hafa sy amin’ny ambaratonga lehibe ilay faminaniana nomena teo amin’ny Tendrombohitra Oliva?
◻ Rahoviana sy amin’ny fomba ahoana no hahatanterahan’ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy?
[Sary, pejy 12]
Sary eo amin’ny Andohalambon’i Titus any Roma, mampiseho ireo zavatra nobaboina avy tamin’ny nandravana an’i Jerosalema
[Sary nahazoan-dalana]
Soprintendenza Archeologica di Roma