-
“Ho Tonga Anie ny Fanjakanao!”Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
-
-
15, 16. Iza ilay hoe “ity taranaka ity”?
15 Rahoviana kosa no ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra? Tsy nolazain’i Jesosy hoe rahoviana marina izany. (Mat. 24:36) Hita tamin’ny teniny anefa fa efa tena kely sisa dia ho tonga izy io. Nilaza izy fa hisy “taranaka” hahita ny famantarana nolazainy, ary ho tonga ilay Fanjakana aorian’izay. (Vakio ny Matio 24:32-34.) Hojerentsika àry hoe iza ilay “taranaka” noresahin’i Jesosy.
16 “Ity taranaka ity.” Ny olona tsy manompo an’i Jehovah ve no tian’i Jesosy holazaina amin’io? Tsia. Tadidio fa apostoliny vitsivitsy no niresaka taminy. “Nanatona azy mitokana” izy ireo, ary tamin’izay izy no nilaza an’io faminaniana io. (Mat. 24:3) Hoy koa izy, talohan’ny niresahany momba an’ilay “taranaka”: “Makà lesona avy amin’ny fanoharana momba ny aviavy: Raha vao mitsimoka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa akaiky ny fahavaratra. Toy izany koa ianareo, rehefa hitanareo izany rehetra izany, dia fantaro fa efa akaiky izy, eny, efa eo am-baravarana.” Kely sisa tamin’izay, dia ho voahosotry ny fanahy ny mpianatr’i Jesosy. Izy ireo sy ny voahosotra hafa àry no hahafantatra hoe tanteraka ny zavatra nolazainy, izany hoe “efa akaiky izy, eny, efa eo am-baravarana.” Hita amin’izany fa tsy ny olona tsy manompo an’i Jehovah no tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay hoe “ity taranaka ity”, fa ny mpanara-dia azy voahosotry ny fanahy.
17. Inona no atao hoe “taranaka” ary inona ilay hoe “izany rehetra izany”?
17 “Tsy ho lany mihitsy ity taranaka ity, mandra-pisehon’izany rehetra izany.” Inona no dikan’izany? Hojerentsika aloha hoe inona no atao hoe “taranaka”, ary inona ilay hoe “izany rehetra izany.” Olona samy hafa taona miara-belona mandritra ny fe-potoana iray matetika no atao hoe “taranaka.” Tsy lava loatra ilay fe-potoana ary tsy maintsy ho tapitra. (Eks. 1:6) Ny zavatra rehetra hitranga mandritra ny fanatrehan’i Jesosy kosa ilay hoe “izany rehetra izany”, izany hoe izay rehetra nitranga nanomboka tamin’ny 1914 ka hatramin’ny “fahoriana lehibe.”—Mat. 24:21.
18, 19. Inona no dikan’ny tenin’i Jesosy momba an’ilay “taranaka”, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?
18 Inona àry no dikan’ilay tenin’i Jesosy hoe “tsy ho lany mihitsy ity taranaka ity, mandra-pisehon’izany rehetra izany”? Midika izany fa hisy antokona voahosotra roa hiara-belona, ary hahita an’izay nolazain’i Jesosy. Voalohany, ireo voahosotra nahita izay nitranga tamin’ny 1914, rehefa nanomboka tanteraka ny famantarana ny fanatrehan’i Jesosy. Faharoa, ireo voahosotra tatỳ aoriana kokoa, nefa mbola niara-belona kelikely tamin’ireo voalohany. Mbola tsy ho faty ny sasany amin’ireo voahosotra tatỳ aoriana kokoa, rehefa hanomboka ny fahoriana lehibe. Taranaka iray ihany izy roa ireo, satria mbola niara-belona nandritra ny fotoana kelikely.c
19 Inona no ianarantsika avy amin’izany rehetra izany? Fantatsika fa efa tanteraka ilay famantarana ny fanatrehan’i Jesosy, izany hoe efa nanomboka nanjaka izy, raha jerena ny zava-misy eran-tany. Efa antitra koa izao ireo voahosotra sisa tavela anisan’ilay “taranaka”, nefa mbola tsy ho lasa any an-danitra daholo izy ireo raha tsy efa manomboka ny fahoriana lehibe. Midika izany fa efa tena kely sisa dia ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra, ka hitondra ny tany. Ho faly be isika amin’izay, satria ho tanteraka ilay hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao!”
-