FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/11 p. 10-15
  • Voavonjy ho Afaka Amin’ny “Taranaka Ratsy Fanahy” Iray

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Voavonjy ho Afaka Amin’ny “Taranaka Ratsy Fanahy” Iray
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Ny farany” — Rahoviana?
  • “Itỳ taranaka itỳ” — Iza izany?
  • “Ity taranaka ratsy fanahy ity”
  • Fantatra hoe iza “itỳ taranaka itỳ”
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Fotoana Tokony Hifohazana Hatrany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Midika ho Inona ho Anao ny Fanatrehan’i Kristy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/11 p. 10-15

Voavonjy ho Afaka Amin’ny “Taranaka Ratsy Fanahy” Iray

“Ry taranaka sady tsy mino no efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo sy handeferako aminareo?” — LIOKA 9:41.

1. a) Fambara inona moa ny andro feno loza misy antsika? b) Inona no lazain’ny Soratra Masina momba ireo ho tafita velona?

MIAINA amin’ny andro feno loza isika. Horohoron-tany, safo-drano, mosary, aretina, tsy fankatoavan-dalàna, fanapoahana baomba, ady mampihorohoro — ireo rehetra ireo sy ny hafa koa dia nanafotra ny olombelona nandritra ny taonjato faha-20 misy antsika. Kanefa, mandrahona amin’ny hoavy tsy ho ela ny loza lehibe indrindra amin’izy rehetra. Inona izany? Izany dia ny “fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony”. (Matio 24:21). Kanefa, maro amintsika no afaka miandrandra hoavy mahafaly iray! Nahoana? Satria ny Tenin’Andriamanitra mihitsy no milazalaza ny amin’ny “olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny (...). Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe (...). Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; (...) ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony”. — Apokalypsy 7:1, 9, 14-17.

2. Inona no fahatanterahana ara-paminaniana voalohan’ireo andinin-teny fanokafana ny Matio toko faha-24 sy ny Marka toko faha-13 ary ny Lioka toko faha-21?

2 Mampiditra ny filazalazan’i Jesosy ara-paminaniana ny amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” ny firaketana an-tsoratra ara-tsindrimandry ao amin’ny Matio 24:3-22 (NW ) sy Marka 13:3-20 (NW ) ary Lioka 21:7-24.a Nanana fahatanterahana voalohany io faminaniana io teo amin’ny fandehan-javatra jiosy simba tamin’ny taonjato voalohany amin’ny Fanisan-taona Iraisana, ka nahatratra ny fara tampony tamin’ny “fahoriana lehibe” iray mbola tsy nisy toa azy teo amin’ireo Jiosy. Nofoanana ny rafitra ara-pivavahana sy ara-politika manontolon’ny fandehan-javatra jiosy, izay nanana ny foibeny tao amin’ny tempolin’i Jerosalema, ka tsy haverina amin’ny laoniny intsony.

3. Nahoana no mahadodona ny hiheverantsika ny faminanian’i Jesosy amin’izao andro izao?

3 Andeha isika izao handinika ireo tarehin-javatra nanodidina ny fahatanterahana voalohan’ny faminanian’i Jesosy. Hanampy antsika hahatakatra tsara kokoa ny fahatanterahana mifanitsy amin’izao andro izao izany. Izany dia hampiseho amintsika fa mahadodona ny hanaovan-javatra hentitra dieny ankehitriny mba hahatafitana velona amin’ilay fahoriana lehibe indrindra mandrahona ny olombelona rehetra. — Romana 10:9-13; 15:4; 1 Korintiana 10:11; 15:58.

“Ny farany” — Rahoviana?

4, 5. a) Nahoana no liana tamin’ny faminanian’ny Daniela 9:24-27 ireo Jiosy natahotra an’Andriamanitra tamin’ny taonjato voalohany am.f.i.? b) Ahoana no nahatanterahan’io faminaniana io?

4 Tokony ho tamin’ny taona 539 al.f.i., i Daniela mpaminanin’Andriamanitra dia nomena fahitana fisehoan-javatra izay hitranga mandritra ny “herinandro” faran’ny fe-potoana “fito-polo herinandro” taona. (Daniela 9:24-27). Nanomboka tamin’ny 455 al.f.i. ireo “herinandro” ireo, fony nandidy ny hanorenana indray ny tanànan’i Jerosalema i Artaksersesy Mpanjakan’i Persia. Niantomboka ny “herinandro” farany tamin’ny fisehoan’i Jesosy Kristy, ny Mesia, tamin’ny batisany sy ny fanosorana azy tamin’ny 29 am.f.i.b Nahafantatra tsara an’io lafiny misongadina momba ny fotoana ao amin’ny faminanian’i Daniela io ireo Jiosy natahotra an’Andriamanitra tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. Ohatra, mikasika ny vahoaka betsaka nirohotra hihaino ny fitorian’i Jaona Mpanao Batisa tamin’ny 29 am.f.i., dia hoy ny Lioka 3:15: “Mbola niandry ny olona, ka samy nisaina an’i Jaona tam-pony, na izy no Kristy, na tsia”.

5 Tokony ho fito taona ho nanolorana tombontsoa manokana ho an’ireo Jiosy, ny “herinandro” faha-70. Nanomboka tamin’ny 29 am.f.i. izy io, ka nahafaoka ny batisan’i Jesosy sy ny fanompoany, ny fahafatesany ho sorona tamin’ny “antsasaky ny herinandro” tamin’ny 33 am.f.i., sy ny “antsasaky ny herinandro” hafa iray mandra-pahatongan’ny 36 am.f.i. Nandritra io “herinandro” io, dia natolotra an’ireo Jiosy sy proselyta jiosy natahotra an’Andriamanitra irery ihany ny fahafahana ho tonga mpianatr’i Jesosy voahosotra. Avy eo, tamin’ny 70 am.f.i., daty tsy fantatra mialoha, dia namongotra ny fandehan-javatra jiosy mpivadi-pinoana ny tafika romana teo ambany fitarihan’i Titus. — Daniela 9:26, 27.

6. Ahoana no nanombohan’ilay “fahavetavetan’ny fandravana” nanao zavatra tamin’ny 66 am.f.i., ary nanao ahoana ny fihetsiky ny Kristiana ho setrin’izany?

6 Noho izany, dia nofoanana ny asan’ny mpisorona jiosy, izay nandoto ny tempolin’i Jerosalema sy nioko tamin’ny famonoana ny Zanak’Andriamanitra mihitsy. Levona koa ireo tahirin-kevitra momba ny firenena sy ny foko. Taorian’izany, dia tsy nisy Jiosy afaka nitaky ara-drariny fandovana ny fisoronana na ny fanjakana. Soa ihany anefa fa navahana ho fanjaka-mpisorona ireo Jiosy ara-panahy voahosotra mba ‘hilaza ny hatsaran’i Jehovah Andriamanitra’. (1 Petera 2:9). Rehefa nanao fahirano an’i Jerosalema ny tafik’i Roma tamin’ny voalohany ary nandavaka ny tao ambanin’ny faritry ny tempoly mihitsy aza tamin’ny 66 am.f.i., dia takatr’ireo Kristiana fa io hery ara-tafika io no ‘ “fahavetavetan’ny fandravana” izay nampilazaina an’i Daniela mpaminany, mitsangana ao amin’izay fitoerana masina’. Ho fankatoavana ny didin’i Jesosy ara-paminaniana, dia nandositra nankany amin’ireo faritra be tendrombohitra ireo Kristiana tao Jerosalema sy Jodia mba hahazoana fiarovana. — Matio 24:15, 16; Lioka 21:20, 21.

7, 8. “Famantarana” inona no nomarihin’ireo Kristiana, kanefa inona no tsy fantatr’izy ireo?

7 Nahamarika ny fahatanterahan’ny faminanian’i Daniela ireo Kristiana jiosy nahatoky ireo ary vavolombelona nanatri-maso an’ireo ady nampangitakitaka, mosary, areti-mandringana, horohoron-tany, sy tsy fankatoavan-dalàna nambaran’i Jesosy mialoha ho tapany amin’ny “famantarana (...) ny fifaranan’ny fandehan-javatra”. (Matio 24:3, NW ). Nilaza tamin’izy ireo ve anefa i Jesosy hoe rahoviana i Jehovah no tena hampihatra tokoa ny didim-pitsarana teo amin’io fandehan-javatra simba io? Tsia. Izay naminaniany toy izao momba ny fara tampon’ny fanatrehany amin’ny maha-mpanjaka ho avy dia azo antoka fa nihatra koa tamin’ny “fahoriana lehibe” tamin’ny taonjato voalohany: “Fa ny amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ny lanitra aza, ary na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.” — Matio 24:36.

8 Avy tamin’ny faminanian’i Daniela, dia afaka nanao kajy ny fotoana hanombohan’ny fisehoan’i Jesosy tamin’ny naha-Mesia, ireo Jiosy. (Daniela 9:25). Kanefa, tsy nomena ny datin’ny “fahoriana lehibe” izay nanafoana tamin’ny farany ny fandehan-javatra jiosy mpivadi-pinoana, izy ireo. Efa taorian’ny fandravana an’i Jerosalema sy ny tempoliny vao takatr’izy ireo fa ny taona 70 am.f.i. ilay daty. Kanefa, fantatr’izy ireo tsara ny tenin’i Jesosy ara-paminaniana hoe: “Tsy mba ho lany [itỳ taranaka itỳ, NW ] mandra-pahatongan’izany rehetra izany.” (Matio 24:34). Miharihary fa ny fampiharana ny hoe “taranaka” eto dia hafa noho ny ao amin’ny Mpitoriteny 1:4, izay miresaka ny amin’ireo taranaka misesy mandimby sy lasa mandritra ny fe-potoana iray.

“Itỳ taranaka itỳ” — Iza izany?

9. Ahoana no amaritan’ireo voambolana an’ilay teny grika hoe ge·ne·aʹ?

9 Rehefa nandre ny faminanian’i Jesosy momba ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” ireo apostoly efatra nipetraka niaraka taminy teo amin’ny Tendrombohitra Oliva, ahoana no hahatakaran’izy ireo ny hevitr’ilay fitenenana hoe “itỳ taranaka itỳ”? Ao amin’ireo Filazantsara ny teny hoe “taranaka” dia nadika avy tamin’ny teny grika hoe ge·ne·aʹ, izay faritan’ireo voambolana ankehitriny amin’ireto teny ireto: “Ara-bak[iteny] dia ireo avy [amin’ny] razambe iombonana.” (Greek-English Lexicon of the New Testament nataon’i Walter Bauer). “Izay nateraka, fianakaviana iray; (...) olona mifandimby anisan’ny tetirazana iray (...) na ny firazanana iray (...) na ny olona sesehena rehetra velona amin’ny fotoana iray ihany, Matio 24:34; Marka 13:30; Lioka 1:48; 21:32; Fil. 2:15, ary indrindra anisan’ireo manana firazanana jiosy velona amin’ny fe-potoana iray ihany.” (Expository Dictionary of New Testament Words nataon’i W. E. Vine). “Izay nateraka, olona iray fiaviana, fianakaviana iray, (...) ny olona sesehena rehetra velona amin’ny fotoana iray ihany: Mt. xxiv. 34; Mk. xiii. 30; Lk. i. 48 (...) nampiasaina indr[indra] tamin’ny firazanana jiosy velona tamin’ny fe-potoana iray ihany.” — Greek-English Lexicon of the New Testament nataon’i J. H. Thayer.

10. a) Famaritana mitovy inona no omen’ny manam-pahaizana roa amin’ny fanononana ny Matio 24:34? b) Ahoana no anohanan’ny dikisionera teolojika iray sy ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany an’io famaritana io?

10 Araka izany, dia samy manonona ny Matio 24:34 i Vine sy i Thayer amin’ny famaritana ny hoe “itỳ taranaka itỳ” (he ge·ne·aʹ hauʹte) amin’ny hoe “ny olona sesehena rehetra velona amin’ny fotoana iray ihany”. Manohana an’io famaritana io ny Theological Dictionary of the New Testament (1964), ka manao hoe: “Ny fampiasan’i Jesosy ny hoe ‘taranaka’ dia maneho ny zava-kendreny mahafaoka ny olona rehetra: mikendry ny vahoaka manontolo izy ary mahatsapa ny fiombonan’izy ireo ota.” Marina tokoa fa niharihary teo amin’ny firenena jiosy ny ‘fiombonana ota’ fony teto an-tany i Jesosy, tsy misy hafa amin’ny anamarihan’izy io ny fandehan-javatra eo amin’izao tontolo izao ankehitriny.c

11. a) Fahefana inona no tokony hitarika antsika voalohany indrindra amin’ny famaritana ny fomba hampiharana ny hoe he ge·ne·aʹ hauʹte? b) Ahoana no nampiasan’io fahefana io an’ilay fitenenana?

11 Mazava ho azy fa ireo Kristiana mianatra itỳ foto-kevitra itỳ dia mitarika voalohany indrindra ny fomba fisainany ho amin’ny fomba nampiasan’ireo mpanoratra ny Filazantsara nahazo tsindrimandry, an’ilay fitenenana grika hoe he ge·ne·aʹ hauʹte, na “itỳ taranaka itỳ”, tamin’ny filazana ireo tenin’i Jesosy. Tamin’ny fomba tsy niovaova dia nampiasaina tamin’ny fomba tsy manorina ilay fitenenana. Araka izany, dia niantso an’ireo filoha ara-pivavahana jiosy hoe “bibilava, taranaky ny menarana” i Jesosy ary nanohy ny teniny fa hampiharina tamin’“itỳ taranaka itỳ” ny fanamelohana ho any amin’ny Gehena. (Matio 23:33, 36, NW ). Kanefa, voafetra tamin’ny klerjy nihatsaravelatsihy ihany ve io didim-pitsarana io? Tsy izany velively. Imbetsaka ireo mpianatr’i Jesosy no nandre azy niresaka momba “ity taranaka ity”, ka nampihatra ilay fitenenana tamin’ny fomba tsy niovaova tamin’ny heviny nalalaka lavitra. Inona izany?

“Ity taranaka ratsy fanahy ity”

12. Rehefa nihaino ireo mpianany, ahoana no nampifandraisan’i Jesosy “ny vahoaka” tamin’“ity taranaka ity”?

12 Tamin’ny 31 am.f.i., nandritra ny fanompoana lehibe nataon’i Jesosy tany Galilia sy taoriana kelin’ny Paska, dia nandre azy niteny toy izao tamin’ny “vahoaka” ireo mpianany: “Fa tahaka ny inona no hanoharako ity taranaka ity? Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay miantso ny namany ka manao hoe: Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy hianareo, efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy niteha-tratra hianareo. Fa tonga Jaona [Mpanao Batisa] tsy nihinana na nisotro, ka hoy ny olona: Manana demonia izy. Tonga ny Zanak’olona [Jesosy] mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota.” Tsy nisy nahafaly an’ireo “vahoaka” tsy nanana fotopoto-pitsipika ireo! — Matio 11:7, 16-19.

13. Teo anatrehan’ireo mpianany, iza no nampahafantarin’i Jesosy ka nomelohiny ho “ity taranaka ratsy fanahy ity”?

13 Tatỳ aoriana, tamin’ny 31 am.f.i., rehefa nanomboka ny diany fitoriana faharoa nanerana an’i Galilia i Jesosy sy ireo mpianany, dia nangataka famantarana tamin’i Jesosy “ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo”. Nilaza tamin’izy ireo sy tamin’ny “vahoaka” nanatrika teo izy hoe: “Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy [ny] famantarana ny amin’i Jona mpaminany; fa tahaka ny nitoeran’i Jona hateloan’andro sy hateloan’alina tao an-kibon’ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran’ny Zanak’olona hateloan’andro sy hateloan’alina ao anatin’ny tany. (...) Ary dia tahaka izany koa no ho amin’ity taranaka ratsy fanahy ity.” (Matio 12:38-46). Miharihary fa “ity taranaka ratsy fanahy ity” dia nahatafiditra an’ireo filoha ara-pivavahana sy “ny vahoaka” izay tsy nety nahatakatra mihitsy ny hevitry ny famantarana izay tanteraka tamin’ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nitsanganany.d

14. Inona no fanamelohana ireo Sadoseo sy Fariseo ren’ny mpianatr’i Jesosy nataony?

14 Taorian’ny Paska tamin’ny 32 am.f.i., rehefa niditra tany Magadana tao amin’ny faritr’i Galilia i Jesosy sy ireo mpianany, dia nangataka famantarana tamin’i Jesosy indray ireo Sadoseo sy Fariseo. Izao no naveriny tamin’izy ireo: “Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’i Jona ihany.” (Matio 16:1-4). Tena mendrika hotsinina indrindra tokoa ireo mpihatsaravelatsihy ara-pivavahana ireo tamin’ny naha-mpitarika azy teo anivon’ny “vahoaka” tsy nahatoky, izay nomelohin’i Jesosy hoe “ity taranaka ratsy fanahy ity”.

15. Taloha kelin’ny fiovan-tarehy, ary taorian’izany avy hatrany, ahoana no nifanatrehan’i Jesosy sy ireo mpianany tamin’‘ity taranaka ity’?

15 Tsy ela talohan’ny faran’ny fanompoany tany Galilia, dia nantsoin’i Jesosy hanatona azy ny vahoaka sy ireo mpianany, ka hoy izy: “Na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’olona”. (Marka 8:34, 38). Koa niharihary fa nahaforona an’“ity taranaka sady mijangajanga no manota ity” ny sarambaben’ireo Jiosy tsy nibebaka tamin’izany fotoana izany. Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, taorian’ny niovan’i Jesosy tarehy, dia “tonga teo amin’ny vahoaka” i Jesosy sy ireo mpianany, ary nangataka azy hanasitrana ny zanany lahy ny lehilahy iray. Hoy ny fanazavan’i Jesosy: “Ry taranaka tsy mino sady efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? mandra-pahoviana no handeferako aminareo?” — Matio 17:14-17; Lioka 9:37-41.

16. a) Inona no fanamelohana “ny vahoaka” naverin’i Jesosy tany Jodia? b) Ahoana no nahatonga an’“ity taranaka ity” hanao ny ratsy indrindra amin’ny heloka bevava rehetra?

16 Azo inoana fa tany Jodia, taorian’ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo tamin’ny 32 am.f.i., ‘raha mbola niangona nanodidina an’i Jesosy ny vahoaka betsaka’, no namerenany ilay fanamelohany azy ireo, tamin’ny filazana hoe: “Ity taranaka ity dia taranaka ratsy. Mitady famantarana izy; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’i Jona”. (Lioka 11:29). Farany, rehefa nitondra an’i Jesosy teo amin’ny fitsarana ireo filoha ara-pivavahana, dia nanolotra ny hanafaka azy i Pilato. Hoy ilay firaketana an-tsoratra: “Ny lohan’ny mpisorona mbamin’ny loholona nitaona ny vahoaka mba hangataka an’i Barabasy ary hamono an’i Jesosy. (...) Hoy Pilato taminy: Ka ahoana kosa ary no hataoko amin’i Jesosy, Izay atao hoe Kristy? Dia hoy izy rehetra: Aoka hohomboana amin’ny hazofijaliana Izy. Fa hoy ny governora: Inona ary no ratsy nataony? Fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Aoka hohomboana amin’ny hazofijaliana Izy!” Nitaky ny handatsahana ny ran’i Jesosy io “taranaka ratsy” io! — Matio 27:20-25.

17. Ahoana no namalian’ny sasany tamin’“ity taranaka maditra ity” ny fitorian’i Petera tamin’ny Pentekosta?

17 “Taranaka [iray] tsy mino sady efa nivadika”, nampirisihin’ireo filohany ara-pivavahana, araka izany, no nitana anjara asa lehibe tamin’ny fanaovana izay hahafaty an’i Jesosy Kristy Tompo. Dimampolo andro tatỳ aoriana, tamin’ny Pentekosta tamin’ny 33 am.f.i., dia nahazo ny fanahy masina ireo mpianatra ka nanomboka niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa. Nony nahare ilay feo ‘ny olona maro dia niangona’, ary niteny tamin’izy ireo, dia ireo “lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema”, ny apostoly Petera, ka nanao hoe: “Izy [Jesosy] (...), dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin’ny tànan’ny olona tsy tan-dalàna”. Nanao ahoana ny fihetsiky ny sasany tamin’ireo mpihaino ireo? “Voatsindrona tam-pony” izy ireo. Avy eo i Petera dia nangataka azy ireo hibebaka. “Nanambara sy nananatra azy (...) [izy] ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin’ity taranaka maditra ity hianareo.” Ho valin’izany, dia olona tokony ho telo arivo no “nandray tsara ny teniny [ka] natao batisa”. — Asan’ny Apostoly 2:6, 14, 23, 37, 40, 41.

Fantatra hoe iza “itỳ taranaka itỳ”

18. Manisy firesahana amin’ny fomba tsy miovaova ny amin’inona moa ny fampiasan’i Jesosy ilay fitenenana hoe “itỳ taranaka itỳ”?

18 Iza àry ilay “taranaka” nasian’i Jesosy firesahana matetika aoka izany teo anatrehan’ireo mpianany? Inona no takatr’izy ireo tamin’ireto teniny ireto: “Tsy mba ho lany [itỳ taranaka itỳ, NW ] mandra-pahatongan’izany rehetra izany”? Azo antoka fa i Jesosy dia tsy nanova ny fampiasany mafy orina an’ilay fitenenana hoe “itỳ taranaka itỳ”, izay nampihariny tamin’ny fomba tsy niovaova tamin’ireo sarambaben’ny olona niara-belona taminy, niaraka tamin’ireo “mpitarika [azy ireo] jamba”, izay tamin’ny fitambarany dia nahaforona ny firenena jiosy. (Matio 15:14). Nandia ny fahoriana rehetra nambaran’i Jesosy mialoha ilay hoe “itỳ taranaka itỳ” ary avy eo dia lany tamin’ny “fahoriana lehibe” iray mbola tsy nisy toa azy teo amin’i Jerosalema. — Matio 24:21, 34, NW.

19. Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no levona ny ‘lanitra sy ny tanin’ny’ fandehan-javatra jiosy?

19 Tamin’ny taonjato voalohany, dia nitsara ny vahoaka jiosy i Jehovah. Novonjena ho afaka tamin’io “fahoriana lehibe” io ireo olona nibebaka, izay nanjary naneho finoana ny fandaharana feno famindram-po nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’i Kristy. Marina ny tenin’i Jesosy fa nitranga avokoa ireo zava-drehetra nambaran’ny faminaniana, ary avy eo dia levona ny ‘lanitra sy ny tanin’ny’ fandehan-javatra jiosy — ilay firenena manontolo, niaraka tamin’ireo filohany ara-pivavahana sy ny fitambaran’olona ratsy fanahy teo aminy. Nampihatra didim-pitsarana i Jehovah! — Matio 24:35; ampitahao amin’ny 2 Petera 3:7.

20. Inona no fampitandremana amin’ny fotoana ilana azy indrindra mihatra amim-pahadodonana amin’ny Kristiana rehetra?

20 Takatr’ireo Jiosy izay naneho fitandremana ny tenin’i Jesosy ara-paminaniana ireo fa niankina, tsy tamin’ny fanandramana nanao kajy ny faharetan’ny “taranaka” iray na ny faharetan’ny “andro na ny fotoana” nisy daty, ny famonjena azy ireo, fa niankina kosa tamin’ny fitoerana ho tafasaraka tamin’ilay taranaka ratsy niara-belona taminy sy tamin’ny fanaovana tamin-jotom-po ny sitrapon’Andriamanitra. Na dia mihatra amin’ny fahatanterahana lehibe amin’izao androntsika izao aza ireo teny famaranana ny faminanian’i Jesosy, dia tsy maintsy nanaraka izao fampitandremana izao koa ireo Kristiana jiosy tamin’ny taonjato voalohany: “Fa miambena ka mivavaha mandra-kariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.” — Lioka 21:32-36; Asan’ny Apostoly 1:6-8.

21. Fisehoan-javatra tampoka inona no azontsika ampoizina amin’ny hoavy tsy ho ela?

21 Amin’izao andro izao, “ny andro lehiben’i Jehovah [dia] (...) efa antomotra sady mihafaingana indrindra”. (Zefania 1:14-18; Isaia 13:9, 13). Amin’ny fomba tampoka, amin’ny “andro sy ora” voatondron’i Jehovah mialoha ihany, ny fahatezerany dia hampiharina eo amin’ny tapany ara-pivavahana sy ara-politika ary ara-barotra mahaforona izao tontolo izao, miaraka amin’ny vahoaka mania izay mahaforona an’itỳ “taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga” velona ankehitriny itỳ. (Matio 12:39; 24:36; Apokalypsy 7:1-3, 9, 14). Ahoana no mety hahavoavonjy anao ho afaka amin’ny “fahoriana lehibe”? Hamaly izany ny lahatsoratra manaraka ka hilaza ny amin’ilay fanantenana lehibe ho amin’ny hoavy.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mba hahitana ny drafitra amin’ny an-tsipiriany momba io faminaniana io, dia jereo, aza fady, ny tabilao eo amin’ny pejy faha-14, 15 ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Febroary 1994.

b Mba hahazoana fanazavana bebe kokoa momba ireo “herinandro” taona, dia jereo ny pejy faha-130-132 amin’ny boky La Bible: Parole de Dieu ou des hommes?, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

c Mandika ny hoe he ge·ne·aʹ hauʹte ao amin’ny Matio 24:34 toy izao manaraka izao ny Baiboly sasany: “ireo vahoaka ireo” (The Holy Bible in the Language of Today [1976], nataon’i W. F. Beck); “itỳ firenena itỳ” (The New Testament — An Expanded Translation [1961], nataon’i K. S. Wuest); “itỳ vahoaka itỳ” (Jewish New Testament [1979], nataon’i D. H. Stern).

d Ireo “vahoaka” tsy nahatoky ireo dia tsy tokony hampitovina amin’ireo ʽam-ha·ʼaʹrets, na “olon’ny tany”, izay tsy neken’ireo filoha ara-pivavahana niavonavona hifandraisana, kanefa “nahonena” an’i Jesosy. — Matio 9:36; Jaona 7:49.

Ahoana no Havalinao?

◻ Inona no ianarantsika avy amin’ny fahatanterahan’ny Daniela 9:24-27?

◻ Ahoana no amaritan’ny voambolana ankehitriny an’“itỳ taranaka itỳ”, araka ny ampiasana azy ao amin’ny Baiboly?

◻ Ahoana no nampiasan’i Jesosy tamin’ny fomba tsy niovaova an’ilay fitenenana hoe “taranaka”?

◻ Ahoana no nahatanterahan’ny Matio 24:34, 35 tamin’ny taonjato voalohany?

[Sary, pejy 12]

Nampitaha an’“ity taranaka ity” tamin’ny vahoaka voaforon’ny ankizy maditra i Jesosy

[Sary, pejy 15]

I Jehovah irery ihany no nahafantatra mialoha ny ora hampiharana ny didim-pitsarana teo amin’ny fandehan-javatra jiosy ratsy fanahy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara