Tadidinao Ve?
Nahafaly anao ve ny namaky ireo nomerao vao haingana tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana? Raha izany no izy, dia tsy isalasalana fa hahaliana anao ny hitadidy izao manaraka izao:
▫ Porofo mampiaiky inona no nomena tamin’ny alalan’ireo fomba isan-karazany niasan’ny fanahy masina tamin’ny taonjato voalohany?
Izany fomba fiasan’ny fanahy masina izany dia nanome porofo hita maso fa Andriamanitra dia tsy nampiasa intsony ilay kongregasionan’ny Isiraely izay efa 1 500 taona, ho vahoakany manokana, fa ny fankasitrahany izao dia teo amin’ilay kongregasiona kristiana vaovao naorin’ny Zanany lahitokana. (Ampitahao amin’ny Hebreo 2:2-4.)—15/8, pejy faha-5.
▫ Inona no mahatonga ny fitomboana mahagaga hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah?
Voalohany indrindra, izany dia vokatry ny fitahian’Andriamanitra. Asan’Andriamanitra izany. Miorina amin’ny Baiboly izay zavatra rehetra ampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny asan’ny evanjelisitra ataony. Ny fanalahidin’ny fahombiazan’izy ireo hafa iray dia ny fanekeny tanteraka an’i Kristy Jesosy ho ilay voatendrin’Andriamanitra ho Lohan’ny kongregasiona kristiana.—1/9, pejy faha-19.
▫ Nahoana i Jehovah no naneho famindram-po tamin’i Davida raha ny amin’ny fahotana lehibe nataony niaraka tamin’i Batseba?
Noho ilay fanekena ny amin’ilay Fanjakana nifanaovan’Andriamanitra tamin’i Davida aloha, voalohany indrindra, nefa noho ny famindram-po nasehon’ny tenan’i Davida sy noho ny fibebahany tamim-pahatsorana koa. (1 Samoela 24:4-7; 2 Samoela 7:12; 12:13; Salamo 51:1, 2, 17).—15/9, pejy faha-10, 11.
▫ Porofo karazany telo inona avy no omen’ny Soratra Grika Kristiana ho fanohanana ny maha-Mesia an’i Jesosy?
Ny tetirazan’i Jesosy no fanaporofoana voalohany. (Matio 1:1-16; Lioka 3:23-38). Ny porofo hafa iray dia ny faminaniana tanteraka. Misy faminaniana maro tokoa, toy izay hita ao amin’ny Daniela 9:25, mampahafantatra an’i Jesosy ho ny Mesia. Ny fanaporofoana karazany fahatelo dia ny fanambaran’ny tenan’Andriamanitra mihitsy; nanome izany tamin’ny feony mihitsy izy tamin’ny fisehoan-javatra telo. (Matio 17:5; Lioka 3:21, 22; Jaona 12:28).—1/10, pejy faha-9, 11, 12.
▫ Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa niteny izy, araka ny voalaza ao amin’ny Matio 24:37 hoe: “Fa tahaka ny andron’i Noa, dia ho tahaka izany koa ny [fanatrehan’ny, NW ] Zanak’olona”?
Nanorina ny sambofiara i Noa, ary nampitandrina ireo ratsy fanahy nandritra ny am-polony taona maro talohan’ny nahatongavan’ny Safodrano ka nandringanany tanteraka izany fandehan-javatr’izao tontolo izao simba ara-pitondran-tena izany. Toy izany koa àry, ny fanatrehan’i Kristy tsy hita maso dia haharitra mandritra ny fe-potoana iray misy am-polony taona maromaro anaovana fanambarana maneran-tany, alohan’ny hiafarany koa amin’ny fandringanana lehibe iray.—1/10, pejy faha-16.
▫ Inona avy no sasantsasany amin’ireo zavatra tena ilaina mba hananana fianaram-pianakaviana tsara?
Tsy maintsy hararaotina ny fotoana mba hianarana. Tsy tokony havelantsika ho lasan’ny televiziona na ireo fanarian-dia hafa izany. Tsy maintsy dinihina ireo zavatra ilain’ny fianakaviana manokana. Mampiasà fanontaniana momba ny fomba fihevitra mba hahazoana antoka fa takatr’ireo ankizy izay ianarany. (Matio 17:25). Tazony ho tony hatrany ny rivo-piainana. Aoka ianao harisika ary ataovy izay handraisan’ny tsirairay anjara amin’ilay fianarana.—15/10, pejy faha-16, 17.
▫ Tokony ho tonga hatraiza ny fanahian’ny Kristiana ny amin’ny mety hisian’ny taharon’ny ra nampidirina tao anaty sakafo efa voamboatra?
Ny Kristiana dia tokony hitandrina mba tsy ho sahiran-tsaina noho ny mbola mety ho fitrangan-javatra na ny tsaho fotsiny, ary ilaina ny fahalalana ny antonony na dia rehefa mijery ireo soratra eo amin’ny fonosana na amin’ny fanontaniana ireo mpivaro-kena koa aza. Kanefa raha fantatra fa ampiasain’ny ankamaroan’ny olona eo an-toerana ny ra — na amin’ny sakafo izany na amin’ny fitsaboana — dia tokony hitandrina tsara ny Kristiana mba hankatò ny baikon’Andriamanitra hifady ny ra. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29).—15/10, pejy faha-30-31.
▫ Ahoana no anasongadinan’ny bokin’ny Ohabolana ny halalin’ny fomba fampianarana nampiasaina teo amin’ny Isiraely teo amin’ny lafiny ara-panahy?
Asehon’ny bokin’ny Ohabolana fa ny zava-nokendren’izy io dia ny fampianarana ny “tsy ampy fanandraman-javatra” ireo zavatra ambony toy ny fahendrena, ny fifehezana, ny fahatakarana hevi-javatra, ny fahiratan-tsaina, ny fahaiza-manavaka, ny fahalalinan-tsaina, ny fahalalana, ary ny fahaiza-misaina — izany rehetra izany, ao anatin’ny “fahatahorana an’i Jehovah”. (Ohabolana 1:1-7, NW; 2:1-14, NW ).—1/11, pejy faha-12.
▫ Fomba fijery voalanjalanja inona mikasika ny fianarana no tokony hananan’ny tanora amin’izao andro izao?
Ny Kristiana dia tokony hihevitra ny fianarana ho fomba iray ampiasaina mba hanatratrarana vokatra iray irina. Ny zava-kendreny amin’izao andro farany izao dia ny hanompo an’i Jehovah araka izay farany azo atao sy amin’ny fomba faran’izay mandaitra ao amin’ny fanompoana manontolo andro, raha afaka manao izany izy ireo.—1/11, pejy faha-18.
▫ Nahoana i Jehovah no nitaky ny handoavan’ny firenen’Isiraely ampahafolon-karena?
Voalohany aloha, dia mba hahafahan’izy ireo hampiseho amin’ny fomba azo tsapain-tanana ny fankasitrahany ny hatsaram-pon’i Jehovah. Ary faharoa, dia mba hahafahany handray anjara amin’ny fanohanana ireo Levita, izay afaka nifantoka tamin’ireo anjara raharahany, anisan’izany ny fampianarana ny Lalàna. (Jereo 2 Tantara 17:7-9.)—1/12, pejy faha-9.
▫ Inona ilay ampahafolon-karena izay anasana ny Kristiana mba hoentiny? (Malakia 3:10).
Ny ampahafolon-karena dia mampiseho ny ampahany amin’izay antsika ka entintsika ho an’i Jehovah na ampiasaintsika eo amin’ny fanompoana azy. Izany dia mariky ny fitiavantsika azy sy ny fanekentsika fa azy isika.—1/12, pejy faha-15.