Ny Antony Tsy Itsaharan’ny Vavolombelon’i Jehovah Miambina
“Aza mitsahatra ny miambina, satria tsy fantatrareo izay andro hahatongavan’ny Tomponareo.” — MATIO 24:42, NW.
1. Mihatra amin’iza ilay fananarana mba ‘tsy hitsahatra ny hiambina’?
MIHATRA amin’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra — na tanora izy na efa mandroso taona, na vao avy nanolo-tena izy na efa nanompo hatramin’ny ela — ilay fananaran’ny Baiboly hoe: “Aza mitsahatra ny miambina”! (Matio 24:42, NW ). Nahoana izy io no zava-dehibe?
2, 3. a) Famantarana inona no nolazalazain’i Jesosy mazava tsara, ary inona no nasehon’ny fahatanterahan’ny faminaniana? b) Tarehin-javatra inona nasiana fitenenana ao amin’ny Matio 24:42 no misedra ny tena fahamarinan’ny finoantsika, ary amin’ny fomba ahoana?
2 Rehefa nadiva hifarana ny fanompoany teto an-tany, dia nanambara mialoha ilay famantarana ny fanatrehany tsy hita maso ao amin’ny herin’ny Fanjakana, i Jesosy. (Matio 24, 25 , toko faha-24 sy faha-25). Nolazalazainy mazava tsara izany fotoan’ny fanatrehany amin’ny maha-mpanjaka izany — ary ireo fisehoan-javatra mahatanteraka faminaniana dia mampiseho fa nahazo fiandrianana ho Mpanjaka any an-danitra izy tamin’ny 1914. Notondroiny koa ny toe-javatra iray izay hisedra amin’izay ny tena fahamarinan’ny finoantsika. Izany dia mikasika ilay fotoana handraisany anjara amin’ny fandravana an’izao fandehan-javatra ratsy ankehitriny izao mandritra ny fahoriana lehibe, amin’ny maha-Mpampihatra ny Didim-pitsarana azy. Mikasika io fotoana io, dia hoy i Jesosy: “Mikasika izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na ny anjelin’ny lanitra na ny Zanaka, fa ny Ray ihany.” Izany no tao an-tsainy rehefa nilaza izy hoe: “Noho izany, dia aza mitsahatra ny miambina, satria tsy fantatrareo izay andro hahatongavan’ny Tomponareo.” — Matio 24:36, 42, NW.
3 Ny tsy fahalalantsika ny andro sy ny ora hanombohan’ny fahoriana lehibe dia mitaky ny hiainantsika amin’ny maha-Kristiana marina isan’andro, raha milaza tena fa Kristiana isika. Moa ve ny fomba ampiasanao ny fiainanao hitondra ny fankasitrahan’ny Tompo rehefa ho tonga ny fahoriana lehibe? Sa, raha tonga aloha ny fahafatesana, moa ve izy hahatsiaro anao ho toy ny nanompo an’i Jehovah tsy nivadika hatramin’ny faran’ny fiainanao ankehitriny? — Matio 24:13; Apokalypsy 2:10.
Niezaka ny hiambina ireo mpianatra voalohany
4. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Jesosy teo amin’ny fiambenana ara-panahy?
4 Ny tenan’i Jesosy Kristy mihitsy no namela ny ohatra faran’izay tsara teo amin’ny fiambenana ara-panahy. Nivavaka matetika sy tamin-kafanam-po tamin’ny Rainy izy. (Lioka 6:12; 22:42-44). Rehefa niatrika fitsapana izy, dia niantehitra mafy tamin’ny fitarihana voarakitra ao amin’ny Soratra Masina. (Matio 4:3-10; 26:52-54). Tsy namela ny tenany ho voavily tamin’ilay asa nanendren’i Jehovah azy izy. (Lioka 4:40-44; Jaona 6:15). Moa ve ireo izay mihevitra ny tenany ho mpanara-dia an’i Jesosy hiambina toy izany koa?
5. a) Nahoana ireo apostolin’i Jesosy no nanan-java-nanahirana teo amin’ny fihazonana fandanjalanjana ara-panahy? b) Fanampiana inona no nomen’i Jesosy ny apostoliny taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty?
5 Indraindray, na dia ireo apostolin’i Jesosy aza dia voahozongozona. Vokatry ny fahadodonana loatra sy ireo hevi-diso, dia voatery nisetra fahadisoam-panantenana izy ireo. (Lioka 19:11; Asan’ny Apostoly 1:6). Talohan’ny nianarany niantehitra tanteraka tamin’i Jehovah, dia nisy fitsapana tampoka naha-very hevitra azy ireo. Araka izany, rehefa voasambotra i Jesosy, dia nandositra ireo apostoliny. Taoriana kokoa, tamin’iny alina iny ihany, noho ny tahotra, dia nolavin’i Petera imbetsaka na dia ny fahafantarana an’i Kristy aza. Mbola tsy noraisin’ireo apostoly tam-po ilay torohevitr’i Jesosy hoe: “Aza mitsahatra ny miambina ary mivavaha tsy tapaka”. (Matio 26:41, 55, 56, 69-75, NW ). Taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia nampiasa ny Soratra Masina i Jesosy mba hanatanjahana ny finoan’izy ireo. (Lioka 24:44-48). Ary rehefa hita fa ny sasany tamin’izy ireo dia nety ho nametraka ny fanompoana nankinina taminy ho amin’ny toerana faharoa, dia nohatanjahin’i Jesosy ilay antony nanosika azy ireo hifantoka tamin’ilay asa mbola lehibe kokoa. — Jaona 21:15-17.
6. Nampitandrina ireo mpianany tamin’ny fandrika roa inona avy i Jesosy, taloha kokoa?
6 Taloha kokoa i Jesosy dia nampitandrina ireo mpianany fa tsy tokony ho naman’izao tontolo izao izy ireo. (Jaona 15:19). Nanoro hevitra azy ireo koa izy mba tsy hifanjakazaka fa mba hiara-manompo amin’ny maha-mpirahalahy kosa. (Matio 20:25-27; 23:8-12). Nanaraka io torohevitra io ve izy ireo? Moa ve izy ireo nitana ho loha laharana ilay asa nomeny azy ireo?
7, 8. a) Ahoana no ampisehoan’ny fitantarana nataon’ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany fa nandray tam-po ilay fananaran’i Jesosy izy ireo? b) Nahoana no zava-dehibe ny fiambenana ara-panahy nitohy?
7 Raha mbola velona koa ireo apostoly, dia niaro ny kongregasiona izy ireo. Hamarinin’ny tantara fa ireo Kristiana voalohany dia tsy niditra tamin’ireo raharaha ara-politikan’ny Empira Romana, ary tsy nanana kilasin’ny klerjy nasandratra izy ireo. Tetsy an-danin’izany dia mpanambara nafana fo ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo. Tamin’ny faran’ny taonjato voalohany, dia efa nitory nanerana ny Empira Romana izy ireo, ka nanao mpianatra tany Azia sy Eoropa ary Afrika Avaratra. — Kolosiana 1:23.
8 Ireo zava-bita teo amin’ny fitoriana ireo anefa dia tsy nidika hoe tsy nilaina intsony ny tsy fitsaharana niambina ara-panahy. Ny fiavian’i Jesosy nambara mialoha dia mbola ho lavitra be atỳ aoriana. Ary rehefa niditra ny taonjato faharoa am.f.i. ny kongregasiona, dia nipoitra ny tarehin-javatra izay nandrahona ny fiainana ara-panahin’ireo Kristiana. Ahoana izany?
Ireo izay nitsahatra tsy niambina
9, 10. a) Taorian’ny nahafatesan’ireo apostoly, dia fitrangan-javatra inona avy no nampiseho fa nisy olona nilaza tena ho Kristiana maro nitsahatra tsy niambina? b) Andinin-teny voatonona ato amin’itỳ fehintsoratra itỳ inona avy no afaka nanampy ireo nilaza tena ho Kristiana mba hitoetra ho natanjaka ara-panahy?
9 Ny sasany izay tonga tao amin’ny kongregasiona dia nanomboka nanambara ny zavatra ninoany ny amin’ny filozofia grika, mba haneken’ny olona teo amin’izao tontolo izao kokoa ny zavatra notoriny. Tsikelikely dia nanjary anisan’ny endriky ny Kristianisma voaloto ireo foto-pampianaran’ny mpanompo sampy, toy ny Trinite sy ny tsy fahafatesana voajanahary ananan’ny fanahy (âme). Izany dia nitarika ho amin’ny fandaozana ilay fanantenana momba ny Fanjakana Arivo Taona. Nahoana? Ireo izay nandray ho zavatra inoana ny tsy fahafatesan’ny fanahy (âme) dia nanatsoaka hevitra fa ireo fitahiana hoentin’ny fanjakan’i Kristy rehetra dia ho azon’ny fanahy (âme) iray izay tsy hiara-maty amin’ny vatan’olombelona, any amin’ny faritra ara-panahy. Koa tsy hitan’izy ireo izay nilana hiambenana ho amin’ny fanatrehan’i Kristy ao amin’ny herin’ny Fanjakana. — Ampitahao amin’ny Galatiana 5:7-9; Kolosiana 2:8; 1 Tesaloniana 5:21.
10 Io tarehin-javatra io dia nohamafisin’ny fitrangan-javatra hafa. Ny sasany izay nihambo ho mpiandraikitra kristiana dia nanomboka nampiasa ny kongregasiona nisy azy ireo ho fomba nahazoana fahamboniana ho an’ny tenany. Ny fomba fiheviny sy ny fampianarany manokana dia nomeny an-kolaka lanjany nitovy tamin’ny an’ny Soratra Masina, na ambony kokoa noho izany mihitsy aza. Rehefa nisy fahafahana niseho, dia nataon’io fiangonana nivadi-pinoana io mihitsy aza izay hahafahan’ny tenany hiasa ho an’ny tombontsoan’ny fanjakana ara-politika. — Asan’ny Apostoly 20:30; 2 Petera 2:1, 3.
Vokatry ny fiambenana mitombo
11, 12. Nahoana ny Fanavaozana protestanta no tsy nanamarika fiverenana ho amin’ny fanompoam-pivavahana marina?
11 Taorian’ny taonjato maro nanaovan’ny Eglizy Katolika Romana zava-dratsy, dia nisy mpanohana ny Fanavaozana (Réforme) sahy nilaza ny heviny, tamin’ny taonjato faha-16. Tsy nanamarika ny fiverenana ho amin’ny fanompoam-pivavahana marina anefa izany. Fa nahoana?
12 Na dia nisy aza antoko protestanta samihafa nanafa-tena tamin’ny fahefan’i Roma, dia nentin’izy ireo niaraka taminy ny maro tamin’ireo fampianarana fototra sy fanaon’ny mpivadi-pinoana — ny hevitra ny amin’ny klerjy sy ny lahika, ary koa ny finoana ny amin’ny Trinite sy ny tsy fahafatesan’ny fanahy (âme) ary ny fampijaliana mandrakizay aorian’ny fahafatesana. Ary sahala amin’ny Eglizy Katolika Romana, izy ireo dia nitoetra ho anisan’izao tontolo izao, nifampisakaiza akaiky tamin’ireo ankolafiny ara-politika. Koa nirona handa izay fiandrasana ny fiavian’i Kristy amin’ny maha-Mpanjaka azy, izy ireo.
13. a) Inona no mampiseho fa nisy lehilahy sasany tena nihevitra ho sarobidy ny Tenin’Andriamanitra? b) Nandritra ny taonjato faha-19, fisehoan-javatra inona no nanjary nahaliana manokana ny sasany izay nilaza tena ho Kristiana? d) Nahoana no maro no diso fanantenana?
13 Nanambara mialoha anefa i Jesosy fa, aorian’ny fahafatesan’ireo apostoly, ireo tena mpandova marina ny Fanjakana (izay nampitovina tamin’ny vary) dia hiara-mitombo amin’ireo Kristiana sarintsariny (na ahidratsy) mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana. (Matio 13:29, 30). Amin’izao andro izao dia tsy azontsika atao lisitra amin’ny fomba azo antoka ireo rehetra noheverin’ny Tompo ho vary. Kanefa dia mendrika homarihina fa, nandritra ireo taonjato faha-14 sy faha-15 ary faha-16, dia nisy lehilahy izay nanao vivery ny ainy sy ny fahafahany mba handika ny Baiboly tamin’ny fitenin’ny sarambaben’olona. Nisy hafa tsy vitan’ny hoe nanaiky ny Baiboly ho ny Tenin’Andriamanitra fotsiny, fa nanda koa ny Trinite noho izy io tsy araka ny Soratra Masina. Ny sasany nanda ny finoana ny tsy fahafatesan’ny fanahy (âme) sy ny fampijaliana ao amin’ny afobe mirehitra noho izy io tsy mifanaraka velively amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nandritra ny taonjato faha-19 koa, vokatry ny fitomboan’ny fianarana ny Baiboly, dia nisy antokon’olona maro tany Etazonia, tany Alemaina sy Angletera ary Rosia nanomboka nilaza ny fiekeny mafy fa antomotra ny fotoana hiverenan’i Kristy. Nitarika ho amin’ny fahadisoam-panantenana anefa ny ankamaroan’ny fanantenan’izy ireo. Nahoana? Tamin’ny lafiny lehibe, izany dia noho izy ireo niantehitra be loatra tamin’olombelona sy tsy ampy fianteherana tamin’ny Soratra Masina.
Ny fomba nahitana fa niambina ireo
14. Lazalazao ny fomba fitondrana fianarana ny Baiboly nampiasain’i C. T. Russell sy ireo mpiara-miasa taminy.
14 Avy eo, tamin’ny 1870, i Charles Taze Russell sy ny sasany tamin’ireo mpiara-miasa taminy dia nahaforona fitambaran’olona iray mba hianatra ny Baiboly tany Allegheny, Pennsylvania. Tsy izy ireo akory no voalohany nahita ny maro tamin’ireo fahamarinana tao amin’ny Baiboly izay noraisiny, fa rehefa nianatra kosa izy ireo, dia nataony ho fahazarana ny nijery tamim-pitandremana ireo andinin-teny rehetra mikasika fanontaniana nomena iray.a Ny zava-nokendren’izy ireo dia tsy hoe mba hahitana andinin-teny manaporofo hevitra efa tao an-tsainy mialoha, fa mba hahazoana antoka kosa fa nanao fanatsoahan-kevitra nifanaraka tamin’ny zavatra rehetra nolazain’ny Baiboly momba ilay raharaha izy ireo.
15. a) Inona no nanjary takatry ny hafa ankoatra ny Rahalahy Russell? b) Inona no nanamarika an’ireo Mpianatra ny Baiboly ho hafa noho ireo?
15 Nisy olona vitsivitsy hafa talohan’izy ireo efa nahatakatra fa i Kristy dia hiverina amin’ny fomba tsy hita maso, ho fanahy (esprit). Ny sasany dia efa nahita fa ny zava-kendren’ny fiverenan’i Kristy dia tsy hoe handoro ny tany ka hanafoana tanteraka ny fiainan’olombelona akory, fa hitahy kosa ny fianakaviana rehetra etỳ ambonin’ny tany. Nisy mihitsy aza olona vitsivitsy izay efa nahatakatra fa ny taona 1914 dia hanamarika ny faran’ny Andron’ny Jentilisa. Ho an’ireo Mpianatra ny Baiboly niara-niasa tamin’ny Rahalahy Russell anefa, ireny zavatra ireny dia tsy votoatin-kevitra ho an’ny dinidinika ara-teolojia fotsiny. Nanorina ny fiainany nanodidina ireny fahamarinana ireny izy ireo, ary nampahafantatra ireny maneran-tany tamin’ny ambaratonga mbola tsy hita mihitsy talohan’izay fotoana izay.
16. Tamin’ny taona 1914, nahoana ny Rahalahy Russell no nanoratra hoe: “Ao anatin’ny fotoam-pisedrana isika izao”?
16 Na dia izany aza, dia nila ny tsy nitsahatra ny niambina izy ireo. Nahoana? Ohatra, na dia fantatr’izy ireo aza fa voamariky ny faminaniana ao amin’ny Baiboly ny taona 1914, dia tsy fantatr’izy ireo tsara izay tena hitranga tamin’io taona io. Nitondra fisedrana ho azy ireo izany. Tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 Novambra 1914, dia nanoratra toy izao ny Rahalahy Russell: “Aoka hotadidintsika fa ao anatin’ny fotoam-pisedrana isika izao. (...) Raha misy antony hitarika na iza na iza handao ny finoana ny Tompo sy ny Fahamarinany ka hitsaharany tsy haneho fahafoizan-tena ho an’ny Tompo intsony, dia tsy ny fitiavana an’Andriamanitra tao am-pony fotsiny no nanosika azy haneho fahalianana tamin’ny Tompo, fa zavatra hafa; angamba fanantenana fa ho fohy ilay fotoana; natao ho amin’ny fotoana voafetra ihany ilay fanoloran-tena.”
17. Ahoana no nihazonan’i A. H. Macmillan sy ny hafa nitovy taminy, fandanjalanjana ara-panahy?
17 Nisy nandao ny fanompoana an’i Jehovah tamin’izay. Tsy mba nanao izany i A. H. Macmillan. Taona maro tatỳ aoriana, dia niaiky tamim-pahatsorana toy izao izy: “Indraindray ny fanantenanay momba ny daty iray dia nihoatra noho izay navelan’ny Soratra Masina hantenaina.” Inona no nanampy azy hihazona ny fandanjalanjany ara-panahy? Takany, araka ny nolazainy, fa “rehefa tsy tanteraka ireny fanantenana ireny, izany akory tsy nanova ireo fikasan’Andriamanitra”. Hoy ny teny nanampiny: “Nianarako fa tokony hiaiky ny fahadisoantsika isika ary hanohy hikaroka ao amin’ny Tenin’Andriamanitra mba hahazoana fanazavana bebe kokoa.”b Tamim-panetren-tena, ireo Mpianatra ny Baiboly voalohany ireo dia namela ny Tenin’Andriamanitra hanitsy ny fomba fijeriny. — 2 Timoty 3:16, 17.
18. Ahoana no nitondran’ny fiambenana kristiana soa tsikelikely teo amin’ny raharaha nahakasika ny tsy naha-anisan’izao tontolo izao?
18 Nandritra ireo taona nanaraka, dia tsy nihena ny nilan’izy ireo ny tsy fitsaharana niambina. Fantatr’izy ireo, mazava ho azy, fa ny Kristiana dia tsy tokony ho anisan’izao tontolo izao. (Jaona 17:14; Jakoba 4:4). Mifanaraka amin’izany, dia tsy niaraka tamin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana izy ireo teo amin’ny fanekena ny Fikambanam-pirenena ho ny fisehoana ara-politikan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Kanefa, tany amin’ny taona 1939 izy ireo vao nahita mazava tsara ilay raharaha momba ny fialanalanana kristiana. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 Novambra 1939.
19. Soa inona avy teo amin’ny fiandraiketana ny kongregasiona no azo noho ny tsy fitsaharan’ny fandaminana niambina?
19 Tsy nanana kilasin’ny klerjy mihitsy izy ireo, na dia nisy aza loholona nofidina sasany nihevitra fa ny fitoriana tao amin’ny kongregasiona ihany no hany tokony ho nantenaina tamin’izy ireo. Noho ny faniriana lalina hifanaraka tamin’ny Soratra Masina anefa, dia nandinika indray ny anjara asan’ireo loholona araka ny Soratra Masina ny fandaminana, nanao izany niverimberina tamin’ny alalan’ireo tsanganan-tsoratra tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana izy. Nisy fiovana ara-pandaminana natao nifanaraka tamin’izay voalazan’ny Soratra Masina.
20-22. Ahoana no nanaovan’ny fandaminana manontolo fiomanana tsikelikely mba hanatanterahana ny asa fanambarana ilay Fanjakana maneran-tany nambara mialoha?
20 Nanao fiomanana haingana ny fandaminana manontolo mba hanatanterahana tamin’ny fomba feno ilay asa izay nosoritan’ny Tenin’Andriamanitra ho an’izao androntsika izao. (Isaia 61:1, 2). Hatraiza no tsy maintsy hanambarana ny vaovao tsara amin’izao androntsika izao? Hoy i Jesosy: “Ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha.” (Marka 13:10). Araka ny fomba fihevitr’olombelona, dia toa tsy ho azo atao izany asa tsy maintsy tontosaina izany, matetika.
21 Tamim-patokiana an’i Kristy ho Lohan’ny kongregasiona anefa, dia nandroso ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malina. (Matio 24:45, NW ). Tamim-pahatokiana sy tamin’ny fomba hentitra, dia nasehon’izy ireo tamin’ny vahoakan’i Jehovah ilay asa tsy maintsy natao. Nanomboka tamin’ny 1919, dia nisy fanantitranterana nitombo natao mikasika ny asa fanompoana. Ho an’ny maro, dia tsy mora ny nandeha isan-trano sy ny niresaka tamin’olon-tsy fantatra. (Asan’ny Apostoly 20:20). Nanampy ny sasany hanomboka hanao io asa io tamim-pitokiana tamin’i Jehovah anefa ireo lahatsoratra natao hianarana toy ny hoe “Tahina Ireo Tsy Manan-tahotra” (tamin’ny 1919) sy ny hoe “Aoka Ianareo ho Be Herim-po” (tamin’ny 1921).
22 Ilay antso natao, tamin’ny 1922, hoe “Ambarao, Ambarao, Ambarao ny Mpanjaka sy ny fanjakany” dia nanome ny tosika nilaina mba hametrahana io asa io ho eo amin’ny toerana ambony mendrika ho azy. Nanomboka tamin’ny 1927, dia nesorina ireo loholona izay tsy nanaiky izany andraikitra araka ny Soratra Masina izany. Tany amin’izany fotoana izany, ireo solontenan’ny Fikambanana mpitety faritany, na pèlerins, dia notendrena ho mpitantana ny fanompoana isam-paritra, mba hanome toromarika manokana an’ireo mpitory teny amin’ny asa fanompoana. Tsy ny rehetra no afaka nanao ny asan’ny mpisava lalana, kanefa tamin’ny faran’ny herinandro dia maro no nanokana andro manontolo ho an’ny fanompoana, nanomboka vao maraina be, nijanona vetivety monja mba hihinana mofo nasian-javatra tao anatiny, ary avy eo dia nanohy ny fanompoana hatramin’ny faran’ny tolakandro. Fotoan-dehibe ireo, teo amin’ny fitrangan-javatra teokratika, ary mandray soa be dia be isika amin’ny fandinihana indray ny fomba nitarihan’i Jehovah ny vahoakany. Manohy manao izany izy. Noho ny fitahiany, dia hofaranana amim-pahombiazana ny asa fitoriana ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana tafaorina.
Tsy mitsahatra miambina ve ianao?
23. Raha ny amin’ny fitiavana kristiana sy ny fisarahana amin’izao tontolo izao, ahoana no azontsika isam-batan’olona anehoana fa tsy mitsahatra ny miambina isika?
23 Manaiky ny fitarihan’i Jehovah ny fandaminany ka manohy mampitandrina antsika ny amin’ireo fanao sy fihetsika izay hampahafantatra antsika ho anisan’izao tontolo izao, ka amin’izany dia rahonan’ny loza handalo hiaraka aminy. (1 Jaona 2:17). Ny tsirairay amintsika kosa dia mila miambina amin’ny fanekena ny fitarihan’i Jehovah. Manome antsika toromarika mikasika ny fomba fiaraha-miaina sy fiaraha-miasa koa i Jehovah. Ny fandaminany dia nanampy antsika hitombo eo amin’ny fahatakarana izay tena atao hoe fitiavana kristiana. (1 Petera 4:7, 8). Ny tsy fitsaharantsika miambina dia mitaky ny hiezahantsika amim-pahatsorana hampihatra io torohevitra io, na dia eo aza ny tsy fahalavorarian’olombelona.
24, 25. Amin’ny lafiny tena lehibe inona avy no tokony tsy hitsaharantsika ny hiambina, miaraka amin’ny fanantenana fahatsinjovan-javatra inona?
24 Tamin’ny fomba tsy niovaova, ny mpanompo mahatoky sy malina dia nampahatsiahy antsika hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao”. (Ohabolana 3:5). “Mivavaha, ka aza mitsahatra.” (1 Tesaloniana 5:17). Nomena torohevitra isika mba hianatra hanorina ny fanapahan-kevitsika amin’ny Tenin’Andriamanitra, mba hamela io teny io ho tonga ‘fanilon’ny tongotsika sy ho fanazavana ny lalantsika’. (Salamo 119:105). Tamim-pitiavana dia nampaherezina isika mba hitana ho loha laharana eo amin’ny fiainantsika ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, ilay asa izay nambaran’i Jesosy mialoha ho an’izao androntsika izao. — Matio 24:14, NW.
25 Eny, azo antoka fa miambina ny mpanompo mahatoky sy malina. Isam-batan’olona, isika koa dia mila ny tsy mitsahatra ny miambina. Ho vokatry ny fanaovana izany, dia enga anie isika ho hita eo amin’ireo izay mitsangana mahazo fankasitrahana eo anatrehan’ny Zanak’olona rehefa ho tonga hampihatra ny didim-pitsarana izy. — Matio 24:30; Lioka 21:34-36.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Faith on the March, nataon’i A. H. Macmillan, Prentice-Hall, Inc., 1957, pejy faha-19-22.
b Jereo ny La Tour de Garde, tamin’ny 15 Septambra 1967, pejy faha-565-572.
Ho Famerenana
◻ Araka ny aseho ao amin’ny Matio 24:42 (NW ), nahoana isika no mila ny tsy mitsahatra ny miambina?
◻ Ahoana no nihazonan’i Jesosy sy ireo mpanara-dia azy tamin’ny taonjato voalohany fiambenana ara-panahy?
◻ Hatramin’ny 1870, fitrangan-javatra inona avy no nisy noho ireo mpanompon’i Jehovah tsy nitsahatra ny niambina?
◻ Inona no hanaporofo fa tsy mitsahatra ny miambina isika isam-batan’olona?
[Sary, pejy 23]
Nitoetra ho revo tamin’ilay asa nanendren’ny Rainy azy i Jesosy. Nivavaka tamin-kafanam-po koa izy
[Sary, pejy 24]
I Charles Taze Russell efa be taona
[Sary, pejy 25]
Mpitory ilay Fanjakana maherin’ny 4 700 000 no miasa maneran-tany