TOKO 3
“Tsarovy Ireo Mitarika eo Aminareo”
AZO adika toy izao koa io tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny Hebreo 13:7 io: “Tsarovy ireo mitantana eo aminareo.” Ny apostolin’i Jesosy Kristy Tompo no nanao izany andraikitra izany, nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33. Izy ireo mantsy no filan-kevi-pitantanana tamin’izany, ka nanome tari-dalana ho an’ilay fiangonana kristianina vao niforona. (Asa. 6:2-4) Tsy ny apostolin’i Jesosy ihany anefa no anisan’ny filan-kevi-pitantanana, nanomboka tamin’ny taona 49 tany ho any. Ny ‘apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema’ no filan-kevi-pitantanana, rehefa nipoitra ilay adihevitra momba ny famorana. (Asa. 15:1, 2) Nandinika an’ireo raharaha nahakasika ny Kristianina tany amin’ny faritra maro izy ireo, ary nandefa taratasy sy namoaka didy. Nanatanjaka ny fiangonana izany, sady nahatonga ny mpianatra hiray saina sy hanao zavatra mitovy. Nankatò sy nanaiky ny toromariky ny filan-kevi-pitantanana ny fiangonana rehetra, ka notahin’i Jehovah sady niroborobo.—Asa. 8:1, 14, 15; 15:22-31; 16:4, 5; Heb. 13:17.
2 Lasa nahazo vahana ny mpivadi-pinoana rehefa maty ireo apostoly. (2 Tes. 2:3-12) Efa noresahin’i Jesosy tao amin’ilay fanoharana momba ny vary sy tsimparifary fa ho rakotra tsimparifary (na Kristianina sandoka) ilay tanimbary vao namafazana vary (na Kristianina voahosotra). Navela hiara-maniry izy ireo nandritra ny taonjato maro, mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana, izany hoe ny “faran’izao tontolo izao.” (Mat. 13:24-30, 36-43) Tsy nisy ny filan-kevi-pitantanana tamin’izany, ka tsy nisy fomba manokana nanomezan’i Jesosy tari-dalana ny mpanara-dia azy. Na izany aza, dia mbola nanohana ny Kristianina voahosotra isam-batan’olona foana i Jesosy. (Mat. 28:20) Nilaza anefa izy fa hisy ny fiovana rehefa tonga ny fotoam-pijinjana.
3 “Iza tokoa moa ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina?” Nametraka an’io fanontaniana io i Jesosy Kristy, talohan’ny nilazany fanoharana iray, izay anisan’ny ‘famantarana ny faran’izao tontolo izao.’ (Mat. 24:3, 42-47) Nilaza i Jesosy fa ho variana hizara sakafo ara-panahy ho an’ny vahoakan’Andriamanitra io mpanompo io, ary hataony “amin’ny fotoana mety” izany. Lehilahy maromaro, fa tsy olon-tokana, no nampiasain’i Jesosy hitarika ny asa tamin’ny taonjato voalohany. Tsy olona iray koa àry ilay mpanompo ampiasain’i Jesosy mandritra ny faran’izao tontolo izao.
AHOANA NO HAMANTARANA NY “MPANOMPO MENDRI-PITOKISANA SY MALINA”?
4 Tsy maintsy hoe Kristianina voahosotra eto an-tany no ampiasain’i Jesosy hizara sakafo ara-panahy ho an’ny mpanara-dia azy. Lazain’ny Baiboly hoe “mpanjaka sady mpisorona” izy ireo, ary nirahina mba “‘hanambara hatraiza hatraiza ny hatsaran’Ilay’ niantso [azy ireo] hiala tamin’ny haizina ho amin’ny hazavany mahagaga.” (1 Pet. 2:9; Mal. 2:7; Apok. 12:17) Tsy ny voahosotra rehetra eto an-tany anefa no anisan’ny mpanompo mendri-pitokisana. Hita taratra izany tamin’i Jesosy nanome sakafo tamin’ny fomba mahagaga an’ireo lehilahy 5 000 teo ho eo, ankoatra ny zaza amam-behivavy. Nozarainy tamin’ny mpianany aloha ilay izy, ary ireo indray no nizara izany tamin’ny vahoaka. (Mat. 14:19) Olona vitsy no nampiasainy mba hamahana olona maro. Toy izany koa no ataony amin’izao andro izao.
5 Ilay “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” àry dia antokona rahalahy voahosotra vitsivitsy, izay mandray anjara mivantana amin’ny fikarakarana sy fizarana sakafo ara-panahy, mandritra ny fanatrehan’i Kristy. (Lioka 12:42) Miara-manompo any amin’ny foibe any Etazonia ireo rahalahy voahosotra ireo, mandritra ny andro farany. Tsy iza izy ireo fa ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
6 Ny Filan-kevi-pitantanana no ampiasain’i Kristy mba hanazava ny fahatanterahan’ireo faminanian’ny Baiboly. Izy ireo koa no manoro ny fomba hampiharana ny torolalan’ny Baiboly eo amin’ny fiainana andavanandro. Omeny amin’ny alalan’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah izany sakafo ara-panahy izany sady ara-potoana foana. (Isaia 43:10; Gal. 6:16) Rehefa nisy mpanompo natokisan’ny tompony tamin’ny andro fahiny, dia nasaina niandraikitra ny tao an-tranon’ny tompony izy. Toy izany koa fa ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina no asain’i Jesosy miandraikitra ny fananany eto an-tany. Ilay mpanompo àry no mitantana ny vola, mikarakara ny trano sy ny tany, manara-maso ny asa fitoriana, manomana an’ireo fandaharana amin’ny fivoriambe, manendry ireo manana andraikitra eo anivon’ny fandaminana, ary mamoaka boky sy gazety ara-baiboly. Natao hahasoa an’ireo ‘mpanompo ao an-trano’ izany rehetra izany.—Mat. 24:45.
7 Iza kosa ny ‘mpanompo ao an-trano’? Raha tsorina, dia ny olona omena sakafo ara-panahy. Voahosotra daholo izy ireo tamin’ny voalohany. Lasa anisan’ny mpanompo ao an-trano koa anefa ny vahoaka be anisan’ny “ondry hafa” tatỳ aoriana. (Jaona 10:16) Samy mandray ny sakafo ara-panahy omen’ny mpanompo mendri-pitokisana, na ny ondry hafa na ny voahosotra.
8 Hanambara sy hampihatra didim-pitsarana ho an’izao tontolo ratsy izao i Jesosy mandritra ny fahoriana lehibe. Amin’io fotoana io ilay mpanompo no hotendreny “hiandraikitra ny fananany rehetra.” (Mat. 24:46, 47) Handray ny valisoany any an-danitra ilay mpanompo amin’izay. Hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra izy ireo, miaraka amin’ireo anisan’ny 144 000 namany. Tsy hisy mpanompo mendri-pitokisana sy malina intsony eto an-tany amin’izay. Mbola hanome tari-dalana ho an’ny vahoakan’ny Fanjakan’ny Mesia eto an-tany ihany anefa i Jehovah sy Jesosy. Ireo voatendry ho “andriana” no hampiasainy amin’izany.—Sal. 45:16.
NAHOANA ISIKA NO TOKONY ‘HAHATSIARO AN’IREO MITARIKA’?
9 Maro ny antony mahatonga antsika hatoky sy ‘hahatsiaro an’ireo mitarika eo amintsika.’ Hoy ny apostoly Paoly: “Miahy anareo foana ... izy ireny, toy ny olona mbola hatao ampamoaka. Amin’izay dia ho faly izy ireny rehefa manao an’izany fa tsy hisento, satria tsy hahasoa anareo izany.” (Heb. 13:17) Miaro antsika izy ireo, satria tiany ho sambatra isika ary tsy tiany ho simba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Tena tokony hankatò sy hanaiky azy ireo àry isika.
10 Hoy i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 16:14: “Ataovy amim-pitiavana izay rehetra ataonareo.” Isaky ny handray fanapahan-kevitra àry ireo mitarika, dia miezaka manao izany amim-pitiavana foana. Hoy ny 1 Korintianina 13:4-8: “Ny fitiavana manam-paharetana sy tsara fanahy. Ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao zavatra tsy mendrika, tsy mitady izay hahasoa ny tenany, tsy mora tezitra, tsy mitana lolompo, tsy mifaly noho ny tsy fahamarinana fa mifaly noho ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zava-drehetra, mino ny zava-drehetra, manantena ny zava-drehetra, ary miaritra ny zava-drehetra. Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana.” Tsy misy antony atahorantsika àry rehefa misy fanapahan-kevitra raisina ho an’ny mpanompon’i Jehovah. Fantatsika mantsy hoe natao tamim-pitiavana izany ary mahasoa antsika. Porofon’ny fitiavan’i Jehovah antsika koa izany.
Tokony hanaiky an’ireo mitarika isika satria miaro antsika izy ireo, mba tsy ho simba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah
11 Olombelona tsy lavorary no ampiasain’i Jehovah mba hitarika antsika, toy ny tamin’ny taonjato voalohany ihany. Efa nampiasa olombelona tsy lavorary toy izany izy taloha, mba hanatanteraka ny fikasany. Nanamboatra sambofiara, ohatra, i Noa sady nitory tamin’ny olona hoe ho avy ny fandringanana. (Gen. 6:13, 14, 22; 2 Pet. 2:5) Notendren’i Jehovah hitarika ny vahoakany hiala tany Ejipta i Mosesy. (Eks. 3:10) Olombelona tsy lavorary koa no nampiasainy mba hanoratra ny Baiboly. (2 Tim. 3:16; 2 Pet. 1:21) Tsy mampihena ny fatokisantsika ny fandaminan’Andriamanitra ny hoe olombelona tsy lavorary no ampiasainy hitarika ny asa fitoriana sy fampianarana. Vao mainka aza isika matoky satria hita hoe manohana ny fandaminana i Jehovah, raha tsy izany izy io tsy mahavita zavatra be dia be toy izao. Hita hoe ny fanahy masina no mitarika ny mpanompo mendri-pitokisana, rehefa jerena ny tantara sy ny zava-tsarotra natrehiny. Omen’i Jehovah fitahiana maro ilay ampahany hita maso amin’ny fandaminany ankehitriny. Manohana tanteraka azy io àry isika, sady matoky azy io amin’ny fontsika manontolo.
AHOANA NO AMPISEHOANTSIKA FA MATOKY AN’I JEHOVAH SY NY FANDAMINANY ISIKA?
12 Hita hoe matoky an’i Jehovah sy ny fandaminany ireo rahalahy voatendry eo anivon’ny fiangonana, raha manaiky izay andraikitra omena azy ary manatanteraka tsara an’izany. (Asa. 20:28) Mpitory ilay Fanjakana isika, ka mazoto mitory isan-trano sy miverina mitsidika ary mampianatra Baiboly. (Mat. 24:14; 28:19, 20) Manomana sy manatrika ny fivoriana sy fivoriambe isika, satria te handray soa feno avy amin’ny sakafo ara-panahy tondraka omen’ny mpanompo mendri-pitokisana. Mandray soa be dia be isika rehefa mifampahery miaraka amin’ny rahalahy sy anabavintsika any amin’ireny fivoriana kristianina ireny.—Heb. 10:24, 25.
13 Asehontsika hoe matoky ny fandaminana isika, raha manohana azy io ara-bola, ka manao fanomezana. (Ohab. 3:9, 10) Manampy avy hatrany isika, rehefa hitantsika hoe sahirana ara-bola ny mpiara-manompo amintsika. (Gal. 6:10; 1 Tim. 6:18) Tia azy ireo mantsy isika, ary mitady fomba foana mba hampisehoana amin’i Jehovah sy ny fandaminany hoe ankasitrahantsika ny zavatra nataon’izy ireo ho antsika.—Jaona 13:35.
14 Matoky ny fandaminana koa isika raha manohana ny fanapahan-keviny. Manao an’izany, ohatra, isika rehefa manetry tena ka manaraka ny toromarika omen’ireo manana andraikitra, toy ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahin’ny fiangonana. Anisan’ireo “mitarika” antsika mantsy ireny rahalahy ireny, ka tokony hankatò sy hanaiky azy ireny isika. (Heb. 13:7, 17) Mety tsy ho takatsika tsara ny anton’ny fanapahan-kevitra sasany. Fantatsika anefa fa hitondra soa maharitra ny fanohanana azy ireny. Hotahin’i Jehovah isika satria mankatò ny Teniny sy ny fandaminany. Manaiky an’i Jesosy Kristy Tompo isika, rehefa manao izany.
15 Tokony hatokisantsika tanteraka àry ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina. Miezaka mafy i Satana, ilay andriamanitr’izao tontolo izao, mba hanala baraka ny anaran’i Jehovah sy ny fandaminany. (2 Kor. 4:4) Aza manaiky ho voafitak’i Satana amin’ny teti-dratsiny anefa. (2 Kor. 2:11) Fantany fa “fohy ny fotoana ananany” ary efa halefa any amin’ny lavaka mangitsokitsoka izy. Izany no itarihany mpanompon’i Jehovah maro araka izay azony atao mba hiala amin’Andriamanitra. (Apok. 12:12) Vao mainka anefa isika hanatona akaiky kokoa an’i Jehovah, na inona na inona ataon’i Satana. Enga anie isika ka hatoky tanteraka an’i Jehovah sy ilay fitaovana ampiasainy hitarihana ny vahoakany. Hiray saina foana isika raha manao an’izany.