Fitaran’ny Asa Mandritra ny Fanatrehan’i Kristy
“Ary amin’izany ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo amin’ny ankavanany hoe: Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao”. — MATIO 25:34.
1. Amin’ny fomba ahoana no nitovian’ny pa·rou·siʹa-n’i Kristy tsy nisy hafa tamin’ny “andron’i Noa”?
NY FANATREHAN’I Kristy — ilay fisehoan-javatra nandrasana hatramin’ny ela! Tonga tamin’ny taona 1914 ilay fotoana tahaka “ny andron’i Noa”, izay noresahin’i Jesosy nifandray tamin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. (Matio 24:3, 37, NW ). Hidika ho inona ho an’ny sisa voahosotra amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina” anefa ny fanatrehana, na pa·rou·siʹa-n’i Kristy? (Matio 24:45, NW ). Hidika izany fa tsy maintsy mampitombo ny asany amin’ny maha-mpitondra fahazavana izy ireo! Tsy maintsy hisy zavatra mahatalanjona hitranga! Nisy asa fanangonana mbola tsy nisy toy izany tsy maintsy hanomboka.
2. Fanadiovana inona no nitranga ho fahatanterahan’ny Malakia 3:1-5?
2 Alohan’izany anefa, dia nila ny hodiovina aloha ireo Kristiana voahosotra ireo. Araka ny nolazain’ny Malakia 3:1-5 (fanamarihana ambany pejy) mialoha, i Jehovah Andriamanitra sy ilay “iraky ny fanekena”, i Jesosy Kristy, dia tonga mba handinika ny tempoly ara-panahy tamin’ny lohataonan’ny 1918 (ila bolan-tany avaratra). Tsy maintsy nanomboka tamin’ny “ankohonan’Andriamanitra” ny fitsarana. (1 Petera 4:17). Nilaza mialoha toy izao ny Malakia 3:3: “Hipetraka [hanatsara, NW ] sy hanadio volafotsy Izy [Jehovah]; eny, hanadio ny taranak’i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy”. Fotoam-panatsarana sy fanadiovana tamin’izay.
3. Nahoana no tena nilaina ny hitrangan’izany fanadiovana ara-panahy izany?
3 Nandalo io fitsarana io, izay nahita ny fara tampony tamin’ny 1918, ny sisa amin’ny kilasin’ny mpanompo, ka voadio tamin’ny fahalotoana avy amin’izao tontolo izao sy ny fahalotoana ara-pivavahana. Nahoana i Jehovah no nanadio azy ireo? Satria tafiditra tamin’izany ny tempoliny ara-panahy. Izany dia ny fandaharana ny amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah miorina amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy, nasehon’ny fanompoana teo amin’ny tempoly. Tian’i Jehovah hadio ny tempoliny. Amin’izay, rehefa hampidirina ao ireo olona maro be hanolotra fanompoam-pivavahana aminy, izay manantena ny hiaina eto an-tany, dia hahita toerana izay hanajana ny fiandrianany eo amin’izao rehetra izao, toerana izay hanamasinana ny anaran’Andriamanitra ary hankatoavana ireo lalàny ara-drariny. Noho izany, dia hankasitraka an’i Jehovah izy ireo ka handray anjara amin’ny fampahafantarana ireo fikasany lehibe.
Tombontsoa fanampiny
4, 5. a) Mitaky inona amin’ny tsirairay avy ao amin’ny kilasin’ilay mpanompo amin’izao andro izao ny fanontaniana iray nataon’i Jesosy Kristy? b) Amin’ny fomba ahoana avy no tokony hahazoana ny teny hoe “mpanompo mahatoky sy malina” sy hoe “ireo mpanompony”? d) Asa inona no nasain’i Jesosy nataon’ilay mpanompo?
4 Tamin’ny 1919, ny kilasin’ilay mpanompo voadio dia afaka nanantena ny hanao asa tsy mitsaha-miitatra. Tany amin’ny 1914, i Jesosy Kristy, ilay Tompony, dia nahazo Fanjakana iray any an-danitra. Rehefa niverina teo amin’ny ankohonany izy mba hanao fandinihana ireo “mpanompony” rehetra, dia voaravaky ny fahamendrehan’ny mpanjaka, izay tsy nananany fony izy teto an-tany. Inona no hitany? Moa ve ny kilasin’ilay mpanompo sahirana nikarakara ireo tombontsoan’ilay Tompo? Araka ny voarakitra ao amin’ny Matio 24:45-47 (NW ), i Jesosy dia nanao izao fanontaniana izao, izay nitaky ny handinihan’ny mpianatra voahosotra tsirairay ny fifikiran’ny tenany manokana tamin’ilay Mesian’i Jehovah: “Iza marina moa no mpanompo mahatoky sy malina, izay notendren’ny tompony hifehy ireo mpanompony mba hanome azy ireo hanina amin’ny fotoana mety? Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany. Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.”
5 Miharihary fa ny filazalazan’i Jesosy momba io mpanompo mahatoky io dia tsy mifanitsy amin’ny olona iray voafaritra tsara. Tsia, fa izy io kosa dia milazalaza ny kongregasiona voahosotra sy mahatokin’i Kristy amin’ny fitambarany, amin’ny maha-antokon’olona azy. Ireo mpanompo kosa dia ireo voahosotra mpanara-dia an’i Kristy raisina isam-batan’olona. Fantatr’i Jesosy fa handeha hividy ireo voahosotra ireo tamin’ny rany manokana izy, hany ka nety tsara ny fiantsoana azy ireo hoe ny mpanompony, raisina amin’ny fitambarany. Milaza momba azy ireo toy izao ny 1 Korintiana 7:23: “Olom-boavidy hianareo [raisina amin’ny fitambarany], ka aza mety ho andevon’olona.” Nasain’i Jesosy hampamirapiratra ny fahazavany ny kilasin’ny mpanompony mba hanintonana sy hanaovana mpianatra hafa koa ary mba hamahanana miandalana ireo mpanompony amin’ny fanomezana azy ireo ny haniny ara-panahy amin’ny fotoana mety.
6. Ahoana no namaliana soa ilay mpanompo, ho vokatry ny fandinihana nataon’i Jesosy?
6 Hatramin’ny fotoana nanombohan’ny fanatrehan’i Kristy ka hatramin’ny 1918, ny kilasin’ny mpanompo dia niezaka hanome hanina tamin’ny fotoana nety ho an’ireo mpanompo, na dia teo aza ny tsy fitiavan’ny olona azy sy ny fanenjehana ary ny fisafotofotoana sasany. Izany no hitan’ilay Tompo teo am-piandohan’ny fandinihana nataony. Faly i Jesosy, ilay Tompo, ary tamin’ny 1919, dia nambarany ho sambatra io kilasin’ny mpanompo nahatoky nankasitrahany io. Inona no valisoa mahafinaritra azon’ilay mpanompo noho ny fanaovana ilay nasain’ny Tompony hataony? Fisondrotana! Eny, nisy andraikitra lehibe kokoa nomena mba hampandrosoana ireo tombontsoan’ny Tompony. Koa satria efa Mpanjaka any an-danitra izao ilay Tompo, dia vao mainka nanjary sarobidy kokoa ihany ireo fananany eto an-tany.
7, 8. a) Inona avy ireo ‘fananana rehetra’ an’ilay tompo? b) Inona no angatahina amin’ilay mpanompo eo am-piandraiketany ireo fananana ireo?
7 Koa inona àry izany “fananany rehetra” izany? Izany dia zava-tsarobidy ara-panahy eto an-tany izay nanjary fananan’i Kristy, mifandray amin’ny fahefany amin’ny maha-Mpanjaka any an-danitra azy. Tena tafiditra amin’izany ilay fanirahana hanao mpianatr’i Kristy, ary ny tombontsoa lehibe ho solontenan’ny Fanjakan’Andriamanitra tafaorina eo anoloan’ny firenena rehetra amin’ny tany.
8 Izany fisondrotana ho amin’ny fiandraiketana ny fananana rehetran’ilay Tompo izany dia nitaky ny hanokanan’ny kilasin’ny mpanompo fotoana sy fiheverana misimisy kokoa ho amin’ny famitana ny asa mifandray amin’ilay Fanjakana, ary, eny tokoa, ho amin’ny fampitomboana sy fanatsarana ireo fitaovana hanaovana io asa io. Efa manana saha iasana lehibe lavitra izao izy io — ny tany onenana manontolo.
Fanangonana ireo ondry
9. Inona no vokatra azo avy tamin’ny fitaran’ny asan’ilay mpanompo?
9 Nankato àry ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malin’i Kristy ka nanitatra ny asany. Inona no vokany? Voangona ny farany amin’ireo 144 000 voahosotra. Avy eo, dia nanjary zava-misy nampientana sy nampifaly ny fo ny fahitan’i Jaona voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 7:9-17. Nanomboka tamin’ny 1935 indrindra, ny kilasin’ilay mpanompo dia faly nanatri-maso ny fahatanterahana miandalan’io fahitana io. Avy any amin’ny tany rehetra, dia misy “olona betsaka” miisa ho an-tapitrisany maro izao miara-mizotra ho eo amin’ny tempoly ara-panahin’i Jehovah, mba hanolotra fanompoam-pivavahana aminy. Nilaza tamin’i Jaona ny anjelin’i Jehovah fa tsy tambo isaina ireo olona betsaka ireo. Izany dia midika fa tsy misy fetrany hapetraka amin’ny isan’ireo olona tokony hampidirin’ny kilasin’ny mpanompo ho ao amin’ny tempoly ara-panahin’i Jehovah. Raha mbola misokatra koa ny lalana, dia hitohy foana ny fanangonana azy ireo.
10. Asa feno fitiavana inona no ataon’ilay mpanompo amin’izao andro izao?
10 Ny kilasin’ny mpanompo mahatoky dia manana andraikitra mavesatra hikarakara ireo “ondry hafa” tsy mitsaha-mitombo, noho ny fahafantarana fa tena tsy foin’ilay Tompo, dia i Jesosy, ireo ondry avy amin’ny firenena rehetra ireo. Raha ny tena izy, dia andian’ondriny izy ireo. (Jaona 10:16; Asan’ny Apostoly 20:28; 1 Petera 5:2-4). Koa noho ny fitiavany ilay Tompo sy ireo ondry àry, dia mikarakara amim-pifaliana ireo zavatra ara-panahy ilain’ny olona betsaka ny kilasin’ny mpanompo.
11-13. Teny mety tsara inona no nataon’ny prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay momba ny asan’ilay mpanompo?
11 Eny, ny tapany lehibe indrindra amin’ny asa fitondrana fahazavana nasaina hataon’ilay mpanompo dia ny fanangonana ireo ho olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany. Raha niresaka momba ireo asa tsy mitsaha-mitombo ataon’ny mpanompo mahatoky i F. W. Franz, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay, dia nilaza toy izao, tsy ela talohan’ny nahafatesany tamin’ny Desambra 1992:
12 “I Jesosy Kristy dia nampiasa ny fandaminana tamin’ny fomba mihamahatalanjona mandrakariva, araka ny hitako nandritra ireo 99 taona niainako. Tsy lehilahy tsotra iray no mitarika ny fandaminana, fa tsy maintsy ho i Jesosy Kristy Tompo. Nahomby tamin’ny fomba lehibe lavitra sy mahatalanjona lavitra noho izay nety ho niheverantsika azy tokoa mantsy izy io. Amin’izao andro izao isika dia manana fandaminana iray izay niitatra naneran-tany. Miasa any amin’ny ila bolan-tany avaratra sy any amin’ny ila bolan-tany atsimo izy io, any atsinanana sy any andrefana. Persona iray ihany no afaka ny ho tompon’andraikitra ny amin’io fitarana miavaka io — ilay Zanak’Andriamanitra, izay miandraikitra ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malina. Naharaka ireo andraikiny ireo izy, ary izany no manazava izao fitarana lehibe atrehintsika maso izao.
13 “Tsy vitan’ny lehilahy iray monja io raharaha io. Manana fandaminana iray izay teokratika isika, ary miasa amin’ny fomba teokratika izy io, araka ny fomba itarihan’Andriamanitra azy. Tsy misy olona na dia iray aza, ary na dia ilay namorona ny Watch Tower Bible and Tract Society aza, afaka mihambo, na ho azo lazaina, ho tompon’andraikitra ny amin’izay vita tamin’ny fomba nahafaoka ny tany manontolo. Mahatalanjona tsotra izao izany.” Moa ve ireo rehetra anisan’ny olona betsaka tsy manaiky amin’ny fony rehetra ireo fihetseham-pon’ny Rahalahy Franz, nody mandry vao haingana, ireo? Eny tokoa, velom-pankasitrahana indrindra izy ireo noho ny fitaran’ireo asan’ny mpanompo mahatoky.
Olom-pehezin’ilay Fanjakana
14, 15. a) Inona no nasehon’i Jesosy tao amin’ny fanoharana ny amin’ireo talenta (Matio 25:14-30)? b) Inona no manaraka izany amin’ny fomba mety tsara ao amin’ny Matio toko faha-25?
14 Ao amin’ny Matio toko faha-25, ny fanoharan’i Jesosy momba ireo ondry sy osy dia milazalaza momba io asa lehibe fanangonana ireo olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany io. Ao amin’ilay fanoharana alohan’io, dia ilay fanoharana ny amin’ny talenta, i Jesosy dia mampiseho fa ireo mpianatra voahosotra, izay manantena ny hiara-manjaka aminy ao amin’ny Fanjakany any an-danitra, dia tsy maintsy miasa mba hampitombo ireo fananany eto an-tany. Tena mety indrindra àry ny fampisehoan’i Jesosy tsara an-tsary, ao amin’ilay fanoharana manaraka, izay takina amin’ireo izay maniry ho tonga olom-pehezin’ny Fanjakany any an-danitra.
15 Mariho ireto teny nataony ao amin’ny Matio 25:31-33 ireto: “Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy; ary hametraka ny ondry eo amin’ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin’ny ankaviany.”
16. Ahoana no anangonana ireo firenena sy anavahana ireo olona?
16 Tonga tao amin’ny voninahiny i Jesosy tamin’ny 1914. Nitarika ny asa izy sy ny anjeliny rehetra ka nanafika ary nandroaka ireo demonia fahavalony avy tany an-danitra. Izay voalaza manaraka ao amin’ilay fanoharany dia manampy antsika hahatakatra fa ny fipetrahan’i Jesosy eo ambony seza fiandrianana be voninahitra iray dia mampiseho toeram-pitsarana atao mandritra ny fanatrehany. Ny fanangonana ny firenena rehetra eo anoloany dia midika fa raisin’i Jesosy ho toy ny andiam-bibiny ara-panoharana ny firenena rehetra. Izany dia andian’ondry sy osy mifangaro. Raha mety hila tapak’andro ny fanavahana ny ondry amin’ny osy ao amin’ny andiam-biby ara-bakiteny iray, ilay asa fanavahana olona izay manana safidy malalaka raha ny amin’izay tsara sy izay ratsy, atao maneran-tany, dia mila fotoana lava lavitra noho izany. Izany no izy satria ilay fanavahana dia miorina amin’ny lalana arahin’ireo olona tsirairay.
17. Nahoana no tena zava-dehibe ho an’ny olona rehetra ny tarehin-javatra amin’izao andro izao?
17 Ao amin’ilay fanoharana, ilay Mpanjaka sady Mpiandry dia mametraka ireo ondry eo amin’ny ankavanany ary ireo osy eo amin’ny ankaviany. Ny eo amin’ny ankavanany dia hita fa ho didim-pitsarana hisy fiafarana tsara — fiainana mandrakizay. Ny eo amin’ny ankaviany dia mampiseho didim-pitsarana ratsy — fandringanana mandrakizay. Ny fanapahan-kevitra horaisin’ilay Mpanjaka momba io raharaha io àry dia hisy vokany lehibe.
18. Nahoana no tsy manala tsiny na iza na iza ny maha-tsy hita maso an’ilay Mpanjaka?
18 Ny tsy maha-hita maso ilay Zanak’olona manjaka mandritra ny fanatrehany, na pa·rou·siʹa-ny, dia tsy manala tsiny na iza na iza. Olona toy ny ondry mihabetsaka kokoa ihany amin’izao andro izao no miaraka amin’ny kilasin’ilay mpanompo mba hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra maneran-tany, ka mampamirapiratra ny fahazavany. Tena marina fa nahatratra ny vazan-tany efatra ny fanambarana ataony. — Matio 24:14, NW.
19. Toetra tsara ananan’ny kilasin’ny ondry inona avy no asehon’ny fanoharana ny amin’ny ondry sy ny osy?
19 Nahoana ilay Mpanjaka sady Mpiandry no hamaly soa ny kilasin’ny ondry amin’ny alalan’ny hoavy feno fitahiana? Noho ny fanohanan’izy ireo amin’ny fony rehetra ny asa fitoriana ilay Fanjakana sy noho ny hatsaram-panahy asehony amin’ireo rahalahiny voahosotra, zavatra izay heverin’i Jesosy fa natao tamin’ny tenany ihany. Noho izany, dia hoy ilay Zanak’olona manjaka amin’izy ireo: “Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao”. — Matio 25:34; 28:19, 20.
Fanampiana ilay Mpanjaka
20, 21. Porofo inona no omen’ireo ondry fa miandany amin’ilay Fanjakana izy ireo?
20 Mariho fa rehefa manasa ireo ondry ireo mba handova ny faritry ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany ilay Mpanjaka, dia gaga izy ireo. Hoy izy ireo manontany azy: ‘Tompoko, oviana no nanaovanay ireo zavatra rehetra ireo taminao?’ Hoy izy mamaly: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.” (Matio 25:40). Rehefa niseho tamin’i Maria Magdalena tamin’ny andro nitsanganany tamin’ny maty i Jesosy, dia niresaka momba ireo rahalahiny ara-panahy rehefa nilaza taminy hoe: “Mandehana mankany amin’ny rahalahiko”. (Jaona 20:17). Mandritra ny fotoan’ny fanatrehany tsy hita maso, i Jesosy dia tsy manana afa-tsy vitsy amin’ireo rahalahiny ara-panahy 144 000 sisa mbola ao amin’ny nofo eto an-tany.
21 Koa satria tsy hita maso any an-danitra i Jesosy, dia amin’ny fomba tsy mivantana ihany no anaovan’ny ondry ireo zavatra feno fitiavana ireo aminy. Tsy mahita azy eo ambony seza fiandrianany afa-tsy amin’ny mason’ny finoany izy ireo. Ankasitrahan’i Jesosy ny ezaka rehetra ataon’izy ireo mba hanampiana ireo rahalahiny ara-panahy, izay ho mpiara-mandova aminy any an-danitra. Izay atao amin’ireo rahalahiny dia raisiny ho toy ny atao amin’ny tenany manokana. Ireo ondry ireo dia manisy soa an-tsitrapo ireo rahalahin’i Kristy satria ekeny fa rahalahin’i Kristy izy ireo. Takany fa ireo rahalahin’i Jesosy ara-panahy no ambasadaoron’ny Fanjakan’i Jehovah, ary maniry hanome porofo azo tsapain-tanana izy ireo fa miara-miandany amin’izy ireo amin’ny lafiny misy an’io Fanjakana io.
22. Ahoana no amalian-tsoa ny kilasin’ny ondry? (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 7:14-17.)
22 Hitan’i Jehovah mialoha fa ny kilasin’ireo ondry dia hiseho mandritra io fotoan’ny fanatrehan’ny Zanany io, ary manana valisoa mahatalanjona ho azy ireo izy! Ny olona betsaka dia handova ireo fitahian’ny fiadanana eto an-tany mandritra ny Fanjakana Arivo Taona sambatra tarihin’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka voatendrin’i Jehovah.
23. Amin’ny fomba ahoana avy no anampian’ireo ondry amim-pahalalana ireo rahalahin’ilay Mpanjaka?
23 Rehefa heverintsika ireo faminanian’ny Baiboly izay mihatra amin’ny fotoan’ny fanatrehan’i Kristy, ary koa ny fanoharan’i Jesosy ny amin’ny ondry sy ny osy, inona moa no hitantsika? Izao: Tsy ny fanisiana soa tsy amim-pahalalana sy kisendrasendra ny iray amin’ireo rahalahin’ilay Mpanjaka ara-panahy no mahatonga ny olona iray ho ondry heverin’Andriamanitra sy ilay Mpanjaka voatendriny ho marina. Ireo anisan’ny kilasin’ny ondry kosa dia mahalala izay ataony, na dia tsy hitany amin’ny masony ara-bakiteny aza ilay Mpanjaka manapaka. Miezaka ny hanampy ireo rahalahin’ilay Mpanjaka izy ireo, tsy amin’ny lafiny ara-nofo ihany fa amin’ny lafiny ara-panahy koa. Ahoana izany? Amin’ny fanampiana azy ireo eo amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra sy amin’ny fitarihana fampianarana Baiboly mba hanaovana mpianatr’i Kristy. Noho izany, amin’izao andro izao dia misy mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra sady mpitondra fahazavana maherin’ny efatra tapitrisa.
Fitaran’ny asa
24. Asa feno fitiavana inona avy no nahatonga ny kilasin’ilay mpanompo ho ny vahoaka sambatra indrindra eto an-tany amin’izao andro izao?
24 Aoka isika hitanisa ny sasany amin’ireo asa tsara dia tsara maro ataon’ny kilasin’ny mpanompo mahatoky. Voalohany aloha, ny kilasin’ilay mpanompo dia notendrena hanapaka ny fananan’ilay Tompo rehetra — ireo tombontsoan’ilay Fanjakana eto an-tany — ary tsy mitsaha-mitombo ireo fananana ireo. Faharoa manaraka izany, io kilasy io dia mamahana hanina ara-panahy, tsy an’ireo mpanompo voahosotra ihany fa an’ny olona betsaka amin’ny ondry hafa tsy mitsaha-mitombo koa. Fahatelo, ny kilasin’ny mpanompo dia mitari-dalana eo amin’ny fampielezana ny fahazavan’ilay Fanjakana. Fahefatra, ny fitaran’ny asany lehibe indrindra dia ny fanangonana ny olona betsaka amin’ny ondry hafa, sy ny fampidirana azy ireo ho ao amin’ny tempoly ara-panahin’i Jehovah. Fahadimy, ny kilasin’ny mpanompo, tohanan’ireo ondry amin’ny fony rehetra, dia manitatra ireo toerana sy fitaovana ho an’ireo sampana manerana ny tany, ary koa any amin’ny foibe any Etazonia. Ny asa feno fitiavana toy izany dia nahatonga ny kilasin’ilay mpanompo ho ny vahoaka sambatra indrindra eto an-tany amin’izao andro izao, sady nahatonga olona an-tapitrisany maro hafa ho sambatra koa izy ireo. Izy rehetra ireo dia manolotra fisaorana an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy, izay nitarika ny fitaran’ny asan’ilay mpanompo malina!
25. Amin’ny fomba ahoana no azon’ireo ondry anohizana manohana ny kilasin’ny mpanompo, ary fahatsinjovan-javatra inona no miandry azy ireo?
25 Ny kilasin’ilay mpanompo ankehitriny dia miasa mafy kokoa noho ny hatramin’izay eo amin’ireo adidy nankinin’Andriamanitra taminy. Kely sisa dia ho tapitra ny fotoana tavela alohan’ny hipoahan’ny “fahoriana lehibe”! (Matio 24:21). Tena iankinan’ny aina tokoa ny hitoeran’ireo anisan’ny ondrin’Andriamanitra eo amin’ny andaniny havanana mahazo ny fankasitrahan’ilay Mpanjaka sady Mpiandry! Koa aoka àry isika rehetra hanohy hanohana amin-jotom-po ny mpanompo mahatoky sy malina. Amin’ny fanaovana izany ihany no hahafahan’ny ondry rehetra handre indray andro any, tsy ho ela intsony izao, ireto teny mahafaly ireto: “Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao.”
Afaka Mamaly ve Ianao?
◻ Fitsarana voalohany inona no nanaraka ny fanomezana ny fiandrianana an’ilay Mpanjaka?
◻ Tamin’ny fomba ahoana no nahatanterahan’ny Matio 24:45-47 tamin’izao andro maoderina izao?
◻ Raha ny amin’ny fitaran’ny asa, noho ny amin’ny asa inona no maha-velom-pankasitrahana indrindra ny kilasin’ny mpanompo sy ny olona betsaka?
◻ Amin’ny fomba ahoana no ahatanterahan’ny Matio 25:34-40 mandritra ny pa·rou·siʹa?
[Sary, pejy 16]
Ankinin’ilay tompo amin’ilay mpanompo mahatoky ny fananany rehetra
[Sary, pejy 18]
Nandray ny seza fiandrianany be voninahitra i Jesosy mba hitsara ny taranak’olombelona