FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 11/08 p. 18-19
  • Eken’Andriamanitra ve ny Fampiasana Sapile?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Eken’Andriamanitra ve ny Fampiasana Sapile?
  • Mifohaza!—2008
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Aza mamerimberina zavatra mitovy foana”
  • Vavaka ankasitrahan’Andriamanitra
  • Ny Fomba Ahafahanao Manatona Akaiky An’Andriamanitra
    Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Ny fomba fivavaka mba hovalian’Andriamanitra
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Mitoera ho akaikin’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Tanana Mahatoky no Asandrato Rehefa Mivavaka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
Mifohaza!—2008
g 11/08 p. 18-19

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Eken’Andriamanitra ve ny Fampiasana Sapile?

Olona an-tapitrisany no mampiasa sapile na zavatra hafa rehefa mivavaka, anisan’izany ny Bodista, Hindoista, Silamo, Katolika, Ortodoksa, ary ny mpanaraka ny Jodaisma. Mino izy ireo fa manampy azy hanatona an’Andriamanitra ireny zavatra ireny, ary manampy azy hahazo sitraka sy fitahiana avy aminy. Inona anefa no ampianarin’ny Baiboly?

EFA hatry ny ela ny olona no nampiasa sapile na zavatra hafa rehefa mivavaka. Nahitana sarivongana, ohatra, teo amin’ny toerana nisy an’i Ninive fahiny. ‘Vehivavy roa manana elatra ilay izy, ary mijoro sy mivavaka eo anoloan’ny hazo masina. Misy voninkazo natohitohy sy sapile eny [an-tanany] ankavia.’—Ny Rakipahalalana Katolika (anglisy).

Inona no antony ampiasana sapile? Hoy ihany ilay rakipahalalana: “Rehefa misy vavaka tokony haverimberina imbetsaka, dia mety ho mora kokoa ny mampiasa zavatra, toy izay manisa amin’ny rantsantanana.”

Mino ny Bodista fa mora kokoa ny mamerimberina vavaka iray, rehefa mampiasa karazana kapoaka mirakitra tonom-bavaka izy ireo. Teny mifono heviny miafina io tonom-bavaka io. Isaky ny mihodina ilay kapoaka, na ahodin-tanana izany, na ahodin’ny rivotra na rano na herinaratra, dia toy ny hoe mahavita vavaka iray izy ireo. Ahoana anefa no fiheveran’Andriamanitra izany?

“Aza mamerimberina zavatra mitovy foana”

Mino ny olona maro, anisan’izany ny tsy Kristianina, fa mpaminanin’Andriamanitra i Jesosy Kristy. Nohazavain’i Jesosy toy izao ny fiheveran’ny Mpamorona ny vavaka averimberina: ‘Rehefa mivavaka ianareo, dia aza mamerimberina zavatra mitovy foana, toy ny ataon’ny olona eo amin’izao tontolo izao. Heveriny mantsy fa ny fampiasany teny maro no hihainoana azy.’a—Matio 6:7.

Tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny “mamerimberina zavatra mitovy foana” rehefa mivavaka. Ekeny àry ve ny ampiasantsika sapile na zavatra hafa mba hamerimberenana vavaka? Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe nisy nanao toy izany ny mpanompon’ilay tena Andriamanitra. Hazava kokoa aminao hoe nahoana izy ireo no tsy nanao izany, rehefa fantatrao ny atao hoe vavaka sy ny antony ivavahana.

Vavaka ankasitrahan’Andriamanitra

Nantsoin’i Jesosy hoe “Rainay” i Jehovah, tao amin’ilay vavaka modely. Raintsika àry ilay Mpamorona, fa tsy hoe tsy miraharaha antsika. Tsy hery saro-pantarina koa izy ka hoe tsy maintsy anaovana teny sy vavaka miverimberina foana mba hampitonena azy. Ray be fitiavana kosa izy, ary iriny hahatsapa izany isika sady ho tia azy. Nilaza àry i Jesosy hoe: “Tiako ny Ray.” (Jaona 14:31) Hoy koa ny mpaminany iray tany Israely: ‘Jehovah ô, ianao no Rainay.’—Isaia 64:8.

Ahoana no anatonantsika an’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra? (Jakoba 4:8) Tokony hifampiresaka aminy isika, satria mifampiresaka ny olona mifandray tsara. “Miresaka” amintsika izy amin’ny alalan’ny teniny ao amin’ny Baiboly, ary ampahafantariny ao ny zavatra ataony sy ny toetrany ary ny fikasany. (2 Timoty 3:16) Isika indray miresaka aminy, amin’ny alalan’ny vavaka. Mazava ho azy fa tokony ho vokatry ny fo ny vavaka ataontsika, fa tsy fombafomba na fahazarana fotsiny.

Diniho izao: Raha mifankatia sy mifandray am-po tsara ny mpianakavy, ary salama saina tsara ireo ankizy, ahoana no fomba firesak’izy ireo amin’ny ray aman-dreniny? Mamerimberina teny mitovy foana ve izy ireo, sady mampiasa zavatra mba hanisana ny teniny? Mazava ho azy fa tsia! Misy dikany kosa ny teny lazainy, ary feno fanajana sy vokatry ny fo.

Tokony ho toy izany koa ny vavaka atao amin’Andriamanitra. Azontsika resahina aminy daholo izay mampanahy antsika. Hoy ny Filipianina 4:6, 7: ‘Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo.’ Mety hivavaka matetika kokoa isika rehefa misy mampanahy antsika. Tsy mitovy amin’ny hoe mamerimberina teny mitovy foana anefa izany.—Matio 7:7-11.

Ahitana vavaka maro ankasitrahan’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly, anisan’izany ny salamo sy ireo vavaka nataon’i Jesosy.b (Salamo 17 sy 86 ary ny teny mampiditra azy; Lioka 10:21, 22; 22:40-44) Ao amin’ny Jaona toko faha-17 ny iray amin’ny vavaka nataon’i Jesosy. Makà minitra vitsivitsy hamakiana azy io. Ho hitanao fa namboraka ny tao am-pony tamin’Andriamanitra izy. Nivavaka ho an’ny mpanara-dia azy koa izy, satria tena tiany izy ireo. Hoy izy: ‘Ray Masina ô, arovy amin’ilay ratsy [Satana] izy ireo.’—Jaona 17:11, 15.

Namerimberina teny mitovy foana ve i Jesosy tao amin’io vavaka io? Tsia! Modely ho antsika tokoa izy! Tokony hahafantatra tsara an’ilay tena Andriamanitra àry izay te hanatona azy. Raha tia azy ilay olona, dia tsy maintsy miala amin’ny fombafomba sy fanao ara-pivavahana tsy ankasitrahany. Hoy i Jehovah amin’ny olona toy izany: “Ho rainareo aho, ary ianareo ho zanako lahy sy zanako vavy.”—2 Korintianina 6:17, 18.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Tao amin’ny vavaka modely nampianarin’i Jesosy, dia tsy nilaza izy hoe: “Mivavaha ianareo ka izao vavaka izao atao.” Mifanohitra amin’ilay voalazany teo aloha mantsy izany. Hoy kosa izy: “Mivavaha toy izao ianareo.” (Matio 6:9-13) Inona no hevi-dehibe tiany hampitaina? Tokony ho ny zavatra ara-panahy aloha no hangatahina, vao ny zavatra ilaintsika.

b Nohiraina tamin’ny fotoana samihafa ny salamo, kanefa tsy naverimberina tsy misy farany, na nampiasana sapile na kapoaka mirakitra tonom-bavaka.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

◼ Rehefa jerena ny torohevitr’i Jesosy momba ny vavaka averimberina, mety ve ny mampiasa sapile na zavatra hafa?—Matio 6:7.

◼ Ahoana no tokony hiheverantsika an’ilay Andriamanitra ivavahantsika?—Isaia 64:8.

◼ Ahoana no hiheveran’Andriamanitra antsika, raha tsy manaiky lainga ara-pivavahana intsony isika?—2 Korintianina 6:17, 18.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara