FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ahoana no Tokony Hivavahana?
    Mifohaza!—2012 | Febroary
    • Hoy i Jesosy: “Koa mivavaha toy izao ianareo: ‘Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao! Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra! Omeo anay anio izay hanina sahaza anay anio, ary mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ilay ratsy.’ ”—Matio 6:9-13.

  • Ahoana no Tokony Hivavahana?
    Mifohaza!—2012 | Febroary
    • “Ho tonga anie ny fanjakanao!” Fitondram-panjakana ny Fanjakan’Andriamanitra ary i Jesosy Kristy no Mpanjakan’izy io. Tsy ho ela izy dia hanjaka eran-tany. Hoy ny Daniela 7:14: “Nomena azy ny fitondrana sy ny voninahitra ary ny fanjakana.” “Ho tonga” ny Fanjakan’Andriamanitra rehefa handamina ny olana mahazo ny olombelona sy hanafoana an’izay rehetra manohitra azy ary hanjaka eran-tany.—Daniela 2:44.

      “Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” Hanao ny sitrapon’Andriamanitra ny olombelona rehefa hanapaka ilay Fanjakana. Hihavana tsara ny olona ary hivavaka amin’Andriamanitra araka ny fahamarinana. Tsy hisy intsony ny politika mampisara-bazana sy ny fivavahan-diso. Milaza ny Apokalypsy 21:3, 4 fa toy ny hoe ho “eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra” ary “hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara