-
JehovahFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Miankina amin’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah àry ny hisian’ny fiadanana sy filaminana ary fahasambarana eo amin’izao rehetra izao. Izany no tian’i Jesosy hambara tamin’ilay vavaka nampianariny ny mpianany hoe: “Hohamasinina anie ny anaranao! Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Mt 6:9, 10) Nasehony tamin’izy io koa ny fomba hanatanterahan’i Jehovah ny fikasany. Manjary azontsika tsara ny antony anaovan’Andriamanitra zavatra sy ny fifandraisany amin’ny zavaboariny, rehefa azontsika hoe inona no zava-kendreny voalohany indrindra.
-
-
Fanjakan’AndriamanitraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Aorian’izay, dia haniraka ny tafiky ny lanitra ilay “fanjakan’ny Tompontsika sy ny Kristiny”, mba hiady amin’ireo mpitondra fanjakana rehetra eto an-tany sy ny tafiny, ka handringana azy ireo. Io ilay ady antsoina hoe Hara-magedona. (Ap 16:14-16; 19:11-21) Hitranga izany ho valin’ilay vavaka hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Mt 6:10) Hatsipy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana aorian’izay, ary hanomboka ny fe-potoana haharitra arivo taona, ka i Kristy Jesosy sy ireo mpiara-manjaka aminy no ho mpanjaka sy mpisorona hitondra ny tany sy ny mponina ao aminy.—Ap 20:1, 6.
-
-
VavakaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Asehon’ny fanoharan’i Jesosy ao amin’ny Lioka 19:11-27, fa rehefa ‘ho tonga ilay Fanjakana’ dia hampihatra didim-pitsarana sy handringana ny mpanohitra rehetra izy io ary hitondra famelombelomana sy valisoa ho an’ireo miandrandra azy io. (Ampit. Ap 16:14-16; 19:11-21.) Tsy ny fanaovan’ny olona ny sitrapon’Andriamanitra àry no tena tiana holazaina amin’ilay hoe “hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” Andriamanitra kosa no hanatanteraka ny sitrapony momba ny tany sy momba ny mponina eo aminy, mba hampisehoana fa manan-kery hanatanterahana ny fikasany efa voalaza mialoha Izy. Rehefa mivavaka kosa ilay olona hoe ‘hatao anie ny sitraponao’ dia asehony amin’izany fa sady tiany ny sitrapon’Andriamanitra no te hanao izany izy. (Mt 6:10; ampit. Mt 26:39.) Asehon’ny olona iray fa te hahazo sitraka amin’Andriamanitra foana izy matoa mangataka ny hanina sahaza azy isan’andro sy famelan-keloka, fiarovana amin’ny fakam-panahy, ary fanafahana amin’ilay ratsy. Tsy ho azy irery ihany no angatahany an’izany, fa ho an’ny mpiray finoana aminy koa.—Ampit. Kl 4:12.
-