FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 1/6 p. 31
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • “Tompo ô, mba Ampianaro Mivavaka Izahay”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Ambony Amin’ny Lafiny Rehetra ny Fanjakan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 1/6 p. 31

Fanontanian’ny Mpamaky

Mahare isika indraindray, rahalahy miresaka ny amin’ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany, na mivavaka ny amin’izany. Fitenenana araka ny marina ve izy io?

Raha lazaina amin’ny fomba hentitra, dia tsy fomba filazan-javatra araka ny Soratra Masina, izy io. Any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra. Araka izany, dia afaka nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Ny Tompo hanafaka ahy amin’ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin’ny fanjakany any an-danitra; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.” — 2 Timoty 4:18; Matio 13:44; 1 Korintiana 15:50.

Niorina tany an-danitra tamin’ny 1914 ilay Fanjakana, ary tsy hafindra na oviana na oviana ho eo amin’ilay Paradisa an-tany tafaverina amin’ny laoniny, na ho any an-toeran-kafa, izy io. I Jesosy Kristy no Mpanjakan’ilay Fanjakana. Amin’ny maha-Mpanjaka azy, i Jesosy dia manana fahefana eo amin’ireo anjely. Koa amin’izany, ny toeram-panapahana mety ho azy dia eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra any an-danitra. Miaraka aminy amin’ny maha-mpanjaka sy mpisorona any an-danitra, ireo Kristiana voahosotra. — Efesiana 1:19-21; Apokalypsy 5:9, 10; 20:6.

Midika àry ve izany fa isika dia tsy tokony hanambara intsony amin’Andriamanitra ireo fangatahana hita ao amin’ny tapany amin’ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo manao hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra”? (Matio 6:10). Mifanohitra amin’izany, fa io vavaka io dia mety ary mbola tena misy heviny.

Amin’ny ho avy, ny Fanjakan’Andriamanitra dia hanao zavatra amin’ny fomba raikitra mahakasika itỳ tany itỳ, ary izany no ao an-tsaintsika rehefa mivavaka isika ary mampiasa fitenenana mitovy amin’ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo. Ohatra, ny Daniela 2:44, dia manambara mialoha fa ho “tonga” mba handrava ny firenena rehetra ilay Fanjakana, ary handray ny fanapahana an’itỳ tany itỳ. Ny Apokalypsy 21:2, dia miresaka ny amin’i Jerosalema Vaovao midina avy any an-danitra. I Jerosalema Vaovao dia voaforon’ireo Kristiana voahosotra 144 000 izay ho ny ampakarin’i Kristy. Mpiara-mandova amin’i Jesosy ao amin’ilay Fanjakana koa izy ireo. Koa ny Apokalypsy 21:2 dia milazalaza ny fampitodihan’izy ireo ny sainy ho amin’ny tany, miaraka amin’ireo fitahiana lehibe hoentin’izany ho an’ny taranak’olombelona mahatoky. — Apokalypsy 21:3, 4.

Mandra-pahatanterak’ireo faminaniana mahatalanjona ireo sy ny hafa koa, dia mbola hety foana ny hivavahana amin’i Jehovah Andriamanitra mifanaraka amin’ireo tenin’i Jesosy manao hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao.” Tokony hotadidintsika ao an-tsaina anefa, fa ilay Fanjakana dia tsy ho tonga eto amin’ny planeta Tany, amin’ny heviny ara-bakiteny. Ilay fitondram-panjakana dia any an-danitra, fa tsy eto an-tany.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]

Ny tany: Mifototra amin’ny sary nalain’ny NASA

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara