FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 15/8 p. 31
  • Tadidinao Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tadidinao Ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Mitovitovy Aminy
  • Nanao Fifanekena Tamin’i Abrahama Andriamanitra
    Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
  • Nantsoin’i Jehovah hoe ‘Namany’ Izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Be Fitiavana i Abrahama
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • “Mampahereza ny Fonareo”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 15/8 p. 31

Tadidinao Ve?

Hitanao ho azo ampiharina ve ireo nomerao farany tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana? Raha izany, nahoana ny fitadidianao raha tsapaina amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

▫ Raha misy eritreri-dratsy tonga tsy nahy ao an-tsaintsika, dia inona no tokony hataontsika?

Tokony hanova any an-tsaina ilay foto-kevitra isika, handeha hitsangantsangana, hanao vakiteny, na hanao asa an-trano sasany. Fanampiana mahery koa ny vavaka amin’ny toe-javatra toy izany. (Salamo 62:8). — 15/4, pejy faha-17.

▫ Nahoana ny tanora no tokony hitandrina raha ny amin’ny karazana mozika henoiny?

Manana fahefana hanentana sy hanangoly ary hitaona ny mozika. Koa satria maro amin’ireo mozika be mpitia no ahitana safeli-teny betsaka momba ny lahy sy ny vavy sy fanisiana firesahana an-kifonofono momba ny fahalotoam-pitondran-tena, dia mora ny mahita fa misy fitandremana lehibe tsy maintsy ampiharina eo amin’ny fifidianana kapila sy cassettes ary compact disc. — 15/4, pejy faha-20-21.

▫ Inona moa no hevitr’ilay teny hoe “ny fanatrehan’i Jesosy Kristy Tompontsika”? (1 Tesaloniana 5:23, NW ).

Izy io dia manondro ny fanatrehan’i Jesosy Kristy Tompo amin’ny maha-Mpanjaka azy, nanomboka tamin’ny 1914, ary nanaraka ny fanomezana azy ny fiandrianana tany an-danitra. (Salamo 110:1, 2). — 1/5, pejy faha-11.

▫ Noho ny fikasana inona no nanadiovan’i Jehovah ny tempoliny ara-panahy? (Malakia 3:1-4).

Tian’i Jehovah hadio ny tempoliny. Amin’izay, rehefa hampidirina ao ireo olona maro be hanolotra fanompoam-pivavahana aminy, izay manantena ny hiaina eto an-tany, dia hahita toerana izay hanajana ny fiandrianany eo amin’izao rehetra izao, toerana izay hanamasinana ny anaran’Andriamanitra ary hankatoavana ireo lalàny ara-drariny. — 1/5, pejy faha-16.

▫ Inona ireo ‘fananana’ izay omen’i Kristy Jesosy an’ireo mpanompony voatendry? (Matio 24:45-47, NW ).

Ireo ‘fananana’ ireo dia manondro ireo zava-tsarobidy ara-panahy rehetra eto an-tany izay nanjary fananan’i Kristy, mifandray amin’ny fahefany amin’ny maha-Mpanjaka any an-danitra azy. Tafiditra amin’izany ilay fanirahana hanao mpianatr’i Kristy ireo olona avy amin’ny firenena rehetra. (Matio 28:19, 20). — 1/5, pejy faha-17.

▫ Ahoana no ampisehoan’ireo loholona kristiana fa manao zavatra “an-tsitrapo” izy eo amin’ny asa fiandrasana, araka ny fampirisihan’i Petera ao amin’ny 1 Petera 5:2?

Ny loholona kristiana iray izay miahy ny amin’ireo ondry dia hanao ny asa fiandrasany an-tsitrapo, amin’ny nahim-pony, eo ambany fitarihan’ilay Mpiandry Tsara, dia i Jesosy Kristy. Ny hoe manompo an-tsitrapo dia midika koa fa ny mpiandry kristiana iray dia manaiky ny fahefan’i Jehovah, ary maneho fanajana ny fandaharana teokratika. — 15/5, pejy faha-20.

▫ Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa nilaza izy fa na iza na iza manaraka azy dia tsy maintsy ‘mandà ny tenany’? (Matio 16:24).

Ny hoe ‘mandà ny tenanao’ dia midika fa atolotrao ho an’i Jehovah ny maha-tompon’ny tenanao anao. (1 Korintiana 6:19, 20). Izany dia midika fa velona mba hampifaly an’Andriamanitra ianao, fa tsy ny tenanao. (Romana 14:8). — 1/6, pejy faha-9.

▫ Inona no ilaina mba hahasambatra olona iray?

Ny fananana fifandraisana tsara amin’i Jehovah sy ny fitoerana ho be raharaha eo amin’ny fanompoana azy no mitondra fahasambarana marina eo amin’ny fiainan’ny olona iray. — 1/6, pejy faha-22.

▫ Nahoana i Jehovah no namela an’i Abrahama hiresaka taminy tamim-pahalalahana aoka izany mikasika ny fikasany handrava an’i Sodoma? (Genesisy 18:22-32).

Ny antony iray dia satria sakaizan’Andriamanitra i Abrahama. (Jakoba 2:23). Ankoatra izany dia takatr’i Jehovah ny fihetseham-po ory dia ory nananan’i Abrahama. Fantany fa i Lota zana-drahalahin’i Abrahama dia nipetraka tao Sodoma, ary nanahy mafy ny amin’ny fiarovana azy i Abrahama. Noho ireo antony ireo no naha-vonona an’i Jehovah hamaly ny fanontanian’i Abrahama mikasika ny fikasany handrava an’i Sodoma. — 15/6, pejy faha-16.

▫ Moa ve ny Réforme (Fanavaozana) protestanta tamin’ny taonjato faha-16 nanamarika fiverenana indray tamin’ny Kristianisma marina?

Tsia, tsy nanao izany izy io! Tsy nahatonga fiverenana ho amin’ny tena Kristianisma marina akory ny Réforme fa niteraka fiangonam-pirenena na fiangonam-paritany maro be izay nila ranondranony tamin’ireo fanjakana ara-politika ary nanohana tamim-paharisihana ny ady nataony. — 1/7, pejy faha-10-11.

▫ Inona ireo “harena any an-danitra” izay noresahin’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:20?

Ireo dia harena izay tsy malazo na oviana na oviana, tafiditra amin’izany ny laza tsara eo anatrehan’Andriamanitra, ary filazana asa fanompoana kristiana amim-pahatokiana. Ireny dia anisan’ireo zavatra izay tsy hadinon’i Jehovah na oviana na oviana. (Hebreo 6:10). — 1/7, pejy faha-32.

▫ Toetra tsara inona avy no nolazain’i Petera fa foto-javatra tena ilaina amin’ny finoantsika? (2 Petera 1:5-7, NW ).

Nilaza i Petera fa ny hatsaran-toetra, ny fahalalana, ny fifehezan-tena, ny fiaretana, ny fifikirana amin’Andriamanitra sy ny firaiketam-pon-drahalahy ary ny fitiavana dia tokony hanampiana ny finoantsika. — 15/7, pejy faha-13.

▫ Fampitandremana inona ho an’ny mpanompon’Andriamanitra no voarakitra ao amin’ilay fitantarana ny otan’i Davida tamin’i Batseba? (2 Samoela 11:2-4).

Na dia afaka nahita fahafinaretana tao anatin’ny fanambadiany manokana aza i Davida, dia navelany hitombo ny faniriana tsy ara-dalàna eo amin’ny lahy sy ny vavy. Rehefa nahamarika ny hatsaran-tarehin’ny vadin’i Oria izy, dia tsy nifehy ny eritreriny — sy ny fihetsiny — mikasika ny hahitana fahafinaretana tsy ara-dalàna taminy. Mety hitranga amin’izay mety ho mpanompon’Andriamanitra ny zavatra toy izany raha tsy manary io endriky ny faniriana mihoa-pampana io izy. (Jakoba 1:14, 15). — 1/8, pejy faha-14.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara