FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 1/2 p. 8-9
  • Ny vavaka, sy ny fitokisana an’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny vavaka, sy ny fitokisana an’Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay toriteny malaza indrindra
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Ilay Toriteny Malaza teo An-tendrombohitra
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Misy Vokany eo Amin’ny Vavaka Ataonao ve ny Tenin’i Jesosy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Manana maso “tsotra” ve ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 1/2 p. 8-9

Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany

Ny vavaka, sy ny fitokisana an’Andriamanitra

TAO amin’ny tohin’ny toriteniny, Jesosy dia nanameloka ny fihatsarambelatsihin’ny olona izay mampidera ny lazainy fa fitiavam-pivavahany. ‘Raha manome fanomezana hianao, hoy izy, aza mampaneno trompetra eo anoloanao, toy ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy.’

“Ary raha mivavaka hianareo, hoy Jesosy nanohy ny teniny, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin’ny synagoga sy eo an-joron-dàlana hahitan’ny olona azy.” Izao kosa no nampianariny: “Fa hianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin’ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ny Rainao, Izay ao amin’ny mangingina.” Tsy nanameloka ny vavaka ampahibemaso akory i Jesosy, satria nanonona izany koa ny tenany. Ny nolazainy fa tsy nety dia ny vavaka atao mba hanaitra ny sain’ny mpihaino sy hahazoana dera avy amin’izy ireny.

Nanome izao torohevitra izao i Jesosy nanaraka izany: “Ary raha mivavaka hianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa.” Tsy te-hilaza akory izy hoe ny famerimberenana mihitsy no ratsy. Indray mandeha ny tenany dia nampiasa “izany teny izany ihany [teny mitovy, MN ]” imbetsaka tao amin’ireo vavaka nataony. Ny tsy nankasitrahany kosa dia ny “manao teny maro” amin’ny fehezanteny nianarana tsianjery, toy ny ataon’ireo izay mitanisa sapile amin’ny famerimberenana ataotao fotsiny ny vavaka fanaony.

Mba hanampiana ireo mpihaino azy hivavaka, dia nanome azy ireo vavaka faka tahaka misy hataka fito i Jesosy. Ireo telo voalohany, araka ny tokony ho izy, dia mampisongadina ny fanapahan’Andriamanitra sy ny fikasany. Izany dia hataka mba hanamasinana ny anaran’Andriamanitra, mba hahatongavan’ny Fanjakany sy hanaovana ny sitrapony. Ireo efatra hafa dia hataka amin’ny lafiny manokana: mba hahazoana ny sakafo isan’andro, ny famelana ny heloka, mba tsy ho voan’ny fakam-panahy mihoatra noho izay mety ho zaka ary mba hafahana amin’ny ratsy fanahy.

Avy eo dia noresahin’i Jesosy ny fandrika ny amin’ny fiheverana ho sarobidy loatra ny fananana ara-nofo. Nandefa izao fananarana izao izy: “Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamitrano sy mangalatra.” Tsy vitan’ny hoe mety simba ny harena toy izany, fa tsy manome fahamendrehana mihitsy eo imason’Andriamanitra.

Izany no antony anambaran’i Jesosy hoe: “Fa miharia harena ho anareo any an-danitra.” Ny ahavitana izany dia amin’ny fametrahana ny asan’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainan’ny tena. Tsy misy mihitsy olona afaka manaisotra ny fahamendrehana azo eo anatrehan’Andriamanitra toy izany, na ny valisoa lehibe entin’izany fahamendrehana izany. Manampy teny toy izao i Jesosy: “Fa izay itoeran’ny harenao, dia ho any koa ny fonao.”

Mbola niresaka ihany ny amin’ny fandriky ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo i Jesosy ka nilaza izao fanoharana izao: “Ny maso no jiron’ny tena; koa amin’izany, raha tsara [tsotra, MN ] ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra. Fa raha ratsy ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra.” Ny maso izay miasa tsara, ho an’ny tena dia toy ny jiro mirehitra ao amin’ny toerana maizina. Mba hahitana tsara anefa, dia tokony ho tsotra ny maso, izany hoe tokony hifantoka amin’ny zavatra iray ihany. Ny maso mivezivezy dia mitarika hanana fanombanan-javatra ratsy, hametraka ny faniriana ara-nofo alohan’ny asan’Andriamanitra, ka izany dia mahatonga ny “tena” manontolo ho maizina.

Nasehon’i Jesosy ny herin’io raharaha io tamin’ny alalan’ny fanoharana lehibe iray: “Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna [ny Harena, MN ] hianareo.”

Rehefa avy nanonona izany fahamarinana izany i Jesosy dia nanamafy tamin’ireo mpihaino azy fa tsy misy antony tokony hanahian’izy ireo mihitsy ny amin’izay ilainy ara-nofo raha omen’izy ireo toerana voalohany ny asan’Andriamanitra. “Tsinjovy ny voro-manidina, hoy izy, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy.” Napetrany nony avy eo izao fanontaniana izao: “Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va hianareo?”

Avy eo dia nanintona ny sain’i Jesosy ny voninkazo eny an-tsaha ka nasainy nomarihina fa “na dia Solomona tao amin’ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’ireny. Ary raha ny ahitra any an-tsaha (...) no ampitafin’Andriamanitra toy izany, tsy mainka va hianareo, ry kely finoana”?

Namarana ny teniny toy izao i Jesosy: “Dia aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na Inona no hotafinay? (...) fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” Matio 6:1-34; 26:36-45.

◆ Inona avy no toromarika nomen’i Jesosy momba ny vavaka?

◆ Nahoana moa no ambony ny harena any an-danitra, ary ahoana no hahazoana izany?

◆ Fanoharana inona no nomen’i Jesosy mba hanampiana ireo mpihaino azy hiaro tena amin’ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo?

◆ Nahoana moa no nanambara i Jesosy fa tsy misy antony tokony hanahiana mihitsy?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara