FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 1/2 p. 16-21
  • Fanjakan’Andriamanitra — Takatrao ve ny Hevitr’izany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanjakan’Andriamanitra — Takatrao ve ny Hevitr’izany?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Fahatakarana ny hevitr’ilay’ hoe Fanjakana
  • Miaraka amin’ny fahazoana hevi-javatra ny andraikitra
  • Fandinihana ny tenantsika mifandray amin’ilay Fanjakana
  • “Ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra”
  • Inona no Nampianarin’i Jesosy Momba ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Ireo fanoharana momba ilay Fanjakana
    “Ho Tonga Anie ny Fanjakanao”
  • Ny Marina Momba ny Fanjakan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2020
  • Manapaka ny Fanjakan’Andriamanitra
    Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 1/2 p. 16-21

Fanjakan’Andriamanitra — Takatrao ve ny Hevitr’izany?

“Fa ilay nafafy teny amin’ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka [mahatakatra ny hevitr’izany, NW ]”. — MATIO 13:23.

1. Inona avy no sasany amin’ireo zavatra inoana mahazatra momba ‘ny fanjakan’ny lanitra’?

‘TAKATRAO ve ny hevitr’izay’ atao hoe Fanjakan’Andriamanitra? Samy hafa be ireo hevitra momba ‘ny fanjakan’ny lanitra’, nandritra ireo taonjato. Ny zavatra inoana mazàna eo anivon’ireo mpiangona sasany amin’izao andro izao, dia hoe ilay Fanjakana dia zavatra apetrak’Andriamanitra ao anatin’ny fon’ny olona iray eo am-piovany finoana. Ny hafa dia mihevitra azy io ho toerana iray alehan’ny olona tsara fanahy aorian’ny fahafatesana, mba hifaliany amin’ny fahatretrehana mandrakizay. Ny hafa indray dia milaza fa navelan’Andriamanitra ho an’ny olombelona ny hahatonga ilay Fanjakana eto an-tany, amin’ny fanaovana izay hampidirana tsikelikely ireo fampianarana sy fanao kristiana ao anatin’ireo raharaha ara-tsosialy sy ara-pitondram-panjakana.

2. Ahoana no anazavan’ny Baiboly ny Fanjakan’Andriamanitra, ary inona no hotanterahin’izy io?

2 Kanefa, ny Baiboly dia mampiseho mazava tsara fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia tsy zavatra iray haorina eto an-tany akory. Sady tsy toe-po izy io, no tsy ny fanovana ny fitambaran’olombelona ho amin’ny Kristianisma. Marina fa mitarika ho amin’ny fiovana lehibe eo amin’ny fiainan’ireo maneho finoana azy ny fahazoana araka ny marina ny hoe inona io Fanjakana io. Ilay Fanjakana mihitsy anefa dia fitondram-panjakana iray any an-danitra, naorin’Andriamanitra mba hanatanteraka ny sitrapony amin’ny fanafoanana ny vokatry ny fahotana sy ny fahafatesana, ary amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny toe-piainana marina eto an-tany. Efa nandray fahefana tany an-danitra io Fanjakana io, ary tsy ho ela ‘ireo fanjakana [an’olombelona] rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay’. — Daniela 2:44; Apokalypsy 11:15; 12:10.

3. Rehefa nanomboka ny fanompoany i Jesosy, inona no nisokatra ho an’ny olombelona?

3 Hoy ny nosoratan’i H. G. Wells, mpanoratra tantara: “Io foto-pampianarana ny amin’ny Fanjakan’ny Lanitra io, izay fampianarana fototra nomen’i Jesosy, ary mitana toerana kely aoka izany ao amin’ny finoana kristiana, dia azo antoka fa iray tamin’ireo foto-pampianarana nitondra fiovana goavana indrindra izay nanohina sy nanova aoka izany ny fisainan’olombelona.” Efa hatrany am-piandohana mihitsy, dia izao no foto-kevitry ny fanompoan’i Jesosy: “Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 4:17). Teto an-tany izy tamin’ny naha-Mpanjaka voahosotra, ary iray tamin’ireo fifaliana lehibe indrindra dia ny hoe nivoha izao ny lalana ho an’ny olombelona, tsy vitan’ny hoe mba handraisany ny fitahiana hoentin’izany Fanjakana izany fotsiny, fa mba ho mpiara-manapaka amin’i Jesosy sady ho mpisorona miaraka aminy koa ao amin’izany Fanjakana izany! — Lioka 22:28-30; Apokalypsy 1:6; 5:10.

4. Tamin’ny taonjato voalohany, ahoana no nandraisan’ireo vahoaka sesehena ny “filazantsaran’ny fanjakana”, ka nitarika ho amin’ny didim-pitsarana inona?

4 Na dia vahoaka sesehena aza no nandre ilay “filazantsaran’ny fanjakana” nampientana, dia vitsy monja no nino. Izany no izy satria tamin’ny ampahany sasany, dia ‘narindrin’ireo filoham-pivavahana teo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra’. ‘Nalain’izy ireo ny fanalahidin’ny fahalalana’, tamin’ny alalan’ny fampianaran-disony. Noho ny nandavan’ny ankamaroan’ny olona an’i Jesosy tsy ho ilay Mesia sady Mpanjaka voahosotra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany.” — Matio 4:23; 21:43; 23:13; Lioka 11:52.

5. Ahoana no nampisehoan’ny ankamaroan’ireo izay nandre ireo fanoharana nataon’i Jesosy fa tsy nandre tamim-pahazoana hevi-javatra izy ireo?

5 Rehefa nampianatra vahoaka betsaka i Jesosy indray mandeha, araka ny fanaony, dia nampiasa fitohitohizam-panoharana izy mba hitsapana ilay vahoaka, ka hanesorana ireo izay tsy nanana afa-tsy fahalianana ivelany fotsiny ihany ny amin’ilay Fanjakana. Nahatafiditra mpamafy iray izay namafy voa teo amin’ny karazan-tany efatra ilay fanoharana voalohany. Ratsy ho an’ny fambolena ireo karazan-tany telo voalohany, fa ilay farany kosa dia “tany tsara” ka namoa voa tsara. Nifarana tamin’izao fampirisihana mafy izao ilay fanoharana fohy: “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino”. (Matio 13:1-9). Nandre azy ny ankamaroan’ireo nanatrika teo, saingy tsy ‘nihaino’. Tsy nanana antony nanosika izy ireo, sady tsy nanana tena fahalianana hahafantatra hoe tamin’ny ahoana ilay voa nafafy tao anatin’ny toe-javatra samihafa no sahala amin’ny Fanjakan’ny lanitra. Niverina tany aminy ho amin’ny fiainana andavanandro izy ireo, azo ninoana fa nieritreritra hoe ireo fanoharana nataon’i Jesosy dia tsy inona fa tantara mahafinaritra nanana foto-kevitra momba ny fari-pitondran-tena fotsiny ihany. Fahazoana hevi-javatra tondraka toy inona moa, ary tombontsoa sy fahafahana hanao zavatra lehibe toy inona moa no nafoin’izy ireo noho ny fony tsy nandray tsara!

6. Nahoana ny fahazoana ny hevitry ‘ny zava-miafina ny amin’ny fanjakana’ no tsy nomena afa-tsy ho an’ireo mpianatr’i Jesosy ihany?

6 Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela.” Tamin’ny fanononana ny tenin’i Isaia dia hoy ny nanampiny: “ ‘Efa adala ny fon’izao olona izao. Ary efa lalodalovana ny sofiny, ary efa nakimpiny ny masony, fandrao hahita ny masony, sy handre ny sofiny, ka [hahatakatra ny hevitr’izany ny fony, NW ] dia hibebaka izy ka hahasitrana azy Aho’. Fa sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre.” — Matio 13:10-16; Marka 4:11-13.

‘Fahatakarana ny hevitr’ilay’ hoe Fanjakana

7. Nahoana no zava-dehibe ny ‘hahatakarana ny hevitr’ilay’ hoe Fanjakana?

7 I Jesosy dia nampiseho tsara ilay zava-nanahirana. Nifandray tamin’ny ‘fahatakarana ny hevitr’ilay’ hoe Fanjakana izy io. Tamin’ny mpianany no nitenenany manokana hoe: “Koa amin’izany dia henoinareo ny fanoharana ny amin’ny mpamafy: Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakana, fa [tsy mahatakatra ny hevitr’izany, NW ], dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony.” Nanohy ny teniny izy tamin’ny fanazavana fa ireo karazan-tany efatra dia nampiseho toe-po samihafa izay namafazana “ny tenin’ny fanjakana”. — Matio 13:18-23; Lioka 8:9-15.

8. Inona no nisakana ireo “voa” nafafy teo amin’ireo karazan-tany telo voalohany tsy hamoa?

8 Tamin’ny toe-javatra tsirairay dia tsara ilay “voa”, fa ny vokatra no niankina tamin’ny toetran’ny tany. Raha sahala amin’ny lalana iray nivezivezen’ny olona maro ka voahitsakitsaka ny tanin’ny fo iray, ka nanjary mafy noho ireo asa tsy ara-panahy maro be natao, dia ho mora amin’ilay olona nandre ny hafatra momba ilay Fanjakana ny hanala tsiny ny tenany amin’ny filazana fa tsy nisy fotoana ho an’ilay Fanjakana. Ilay voa natao tsinontsinona dia nety ho voaesotra mora foana talohan’ny nananany faka. Fa ahoana kosa raha nafafy tao amin’ny fo iray mitovy amin’ny tany marivo ambony vatolampy ilay voa? Mety hitsiry ilay voa, saingy ho sahirana izy io handentika ny fakany any amin’ny lalina, mba hahazoana sakafo mahavelona sy tsy hihilangilanana. Ny fahatsinjovana ny ho tonga mpanompon’Andriamanitra mankato, indrindra fa ao anatin’ny fanenjehana mivaivay, dia ho fihaikana hanafotra, ka ho tafintohina ilay olona. Ankoatra izany, raha feno fanahiana, na faniriana harena mampiseho fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo izay toy ny tsilo, ny tanin’ny fo iray, dia ho voageja ilay voly marefon’ilay Fanjakana. Eo amin’ireo tarehin-javatra telo miavaka tsara eo amin’ny fiainana ireo, dia tsy hisy voan’ilay Fanjakana hovokarina.

9. Nahoana ilay voa nafafy teo amin’ny tany tsara no afaka namoa voa tsara?

9 Kanefa, ahoana ny amin’ny voan’ilay Fanjakana nafafy teny amin’ny tany tsara? Hoy ny navalin’i Jesosy: “Fa ilay nafafy teny amin’ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka [mahatakatra ny hevitr’izany, NW ]; dia izy no mamoa ka vokatra: ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.” (Matio 13:23). Amin’ny ‘fahatakarana ny hevitr’ilay’ hoe Fanjakana, dia hamoa voa tsara izy arakaraka ny toe-javatra hisy ny tsirairay.

Miaraka amin’ny fahazoana hevi-javatra ny andraikitra

10. a) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa mitondra fitahiana sy andraikitra koa ny ‘fahatakarana ny hevitr’ilay’ hoe Fanjakana? b) Moa ve ny fanirahan’i Jesosy mba handeha ary hanao mpianatra tsy nihatra afa-tsy tamin’ireo mpianatra tamin’ny taonjato voalohany ihany?

10 Taorian’ny nanomezany fanoharana enina fanampiny mba hanazavana lafin-javatra samihafa momba ilay Fanjakana, dia nanontany toy izao ny mpianany i Jesosy: “Takatrareo va ny hevitr’izany rehetra izany?” Rehefa namaly izy ireo hoe “eny”, dia hoy i Jesosy: “Koa amin’izany ary ny mpanora-dalàna rehetra izay nampianarina ho amin’ny fanjakan’ny lanitra dia samy tahaka ny tompon-trano, izay mamoaka avy amin’ny firaketany ny zava-baovao sy ela.” Ny fampianarana sy ny fampiofanana nomen’i Jesosy dia nampiorina ny mpianany ka nahatonga azy ireo ho Kristiana matotra, izay ho afaka hamoaka avy ao amin’ny “firaketany”, tahirin-tsakafo ara-panahy tondraka tsy mety ritra. Nifandray tamin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny ampahany lehibe amin’izy io. Nohazavain’i Jesosy tsara fa hitondra, tsy vitan’ny hoe fitahiana fotsiny “ny fahatakarana ny hevitr’ilay” hoe Fanjakana, fa hitondra andraikitra koa. Nandidy toy izao izy: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, (...) sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny [fifaranan’ny fandehan-javatra, NW ].” — Matio 13:51, 52; 28:19, 20.

11. Rehefa tonga ny 1914, fisehoan-javatra inona avy nifandray tamin’ilay Fanjakana no nitranga?

11 Toy ny efa nampanantenainy, i Jesosy dia nanohy nomba ireo tena mpianany marina nandritra ireo taonjato ka mandraka androany. Amin’izao andro farany izao, dia nomeny azy ireo miandalana ny fahazoana hevi-javatra, ary nampiandraiketiny koa ny fampiasana ny fahazavan’ny fahamarinana mitombo, izy ireo. (Lioka 19:11-15, 26). Tamin’ny 1914, dia nanomboka niharihary haingana sy tamin’ny fomba nanaitra ny saina ireo fisehoan-javatra nifandray tamin’ilay Fanjakana. Tamin’io taona io, dia tsy vitan’ny hoe ny “fahaterahan’ilay” Fanjakana nantenaina hatramin’ny ela fotsiny no nitranga, fa nanomboka koa ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. (Apokalypsy 11:15; 12:5, 10; Daniela 7:13, 14, 27). Nitarika ilay asa lehibe indrindra teo amin’ny tantara, dia ny fitoriana sy ny fampianarana momba ilay Fanjakana, ireo Kristiana marina izay nahay nanavaka ny hevitr’ireo fisehoan-javatra ankehitriny. Nilaza mialoha ny amin’izany i Jesosy, ka hoy izy: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” — Matio 24:14.

12. a) Inona no vokatry ny fanaovana fanambarana niitatra ny amin’ilay Fanjakana amin’ny andro maoderina? b) Eto amin’itỳ tontolo be fisalasalana itỳ, zavatra inona no atahorana ho an’ny Kristiana?

12 Io asa fanambarana ilay Fanjakana goavana io dia nahatratra tany maherin’ny 230. Efa mpianatra marina dimy tapitrisa eo ho eo sahady izao no mandray anjara amin’io asa io, ary mbola misy hafa angonina. Raha ampitahaintsika amin’ny mponina amin’ny tany 5,6 arivo tapitrisa anefa ny isan’ny mpianatra, dia miharihary fa toy ny tamin’ny andron’i Jesosy, ny ankamaroan’ny olombelona dia tsy “mahatakatra ny hevitr’ilay” hoe Fanjakana. Maro, araka ny voambara mialoha, no maniratsira, ka milaza hoe: “Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fihaviany?” (2 Petera 3:3, 4). Ny zavatra atahorana ho antsika amin’ny maha-Kristiana, dia ny hoe ny fihetsik’izy ireny mampiseho fahafaham-po be loatra amin’ny tenany, sy be fisalasalana, ary tia fatratra ny zavatra ara-nofo, dia mety hisy fiantraikany tsikelikely eo amin’ny fomba fiheverantsika ireo tombontsoantsika mifandray amin’ilay Fanjakana. Noho isika voahodidin’ireo olon’itỳ tontolo itỳ, dia mety hanomboka mora foana hanaraka ny sasany amin’ireo fihetsiny sy fanaony isika. Iankinan’ny aina toy inona moa ho antsika ny ‘hahatakarana ny hevitry’ ny hoe Fanjakan’Andriamanitra sy ny hifikirana amin’izany!

Fandinihana ny tenantsika mifandray amin’ilay Fanjakana

13. Raha ny amin’ny fanirahana hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, ahoana no azontsika itsapana raha manohy ‘mandre’ amim-pahaiza-manavaka isika na tsia?

13 Hoy i Jesosy momba ny fe-potoam-pijinjana izay misy antsika: “Ny Zanak’olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin’ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin’izay manao meloka (...). Ary amin’izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino.” (Matio 13:41, 43). Moa ve ianao manohy ‘mandre’ amin’ny fandraisana amim-pankatoavana ilay didy mba hitory ilay Fanjakana sy hanao mpianatra? Tadidio fa “ilay nafafy teny amin’ny tany tsara” dia ‘nandre ny teny ka [nahatakatra ny hevitr’izany, NW ]’, ary namoa voa tsara. — Matio 13:23.

14. Rehefa omena ny toromarika, ahoana no ampisehoantsika fa “mahatakatra ny hevitr’ilay” torohevitra nomena isika?

14 Rehefa manao fianarana manokana sy manatrika ireo fivoriana kristiana isika, dia tokony ‘hanongilana ny fontsika ho amin’ny fahaiza-manavaka’. (Ohabolana 2:1-4, NW ). Rehefa misy torohevitra omena mahakasika ny fitondran-tena, ny fitafiana, ny mozika sy ny fialam-boly, isika dia tsy maintsy mamela izany hilentika ao am-pontsika sy hanosika antsika hanao izay fanitsiana ilaina rehetra. Aza manamarin-tena na mitady fialan-tsiny mihitsy, na tsy handray tsara amin’ny fomba hafa koa. Raha tena misy eo amin’ny fiainantsika ilay Fanjakana, dia hiaina mifanaraka amin’ny fari-pitsipiny isika, ary hanambara amin-jotom-po azy io amin’ny hafa. Hoy i Jesosy: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra.” — Matio 7:21-23.

15. Nahoana no zava-dehibe ny ‘hikatsahana ny fanjakana sy ny fahamarinan’Andriamanitra’ aloha?

15 Fironana eo amin’ny olombelona ny ho be fanahiana momba ny sakafo sy ny fitafiana ary ny fialofana ilaina, kanefa hoy Jesosy: “Fa katsaho aloha ny fanjakany [ny an’Andriamanitra] sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” (Matio 6:33, 34). Eo am-pameranao izay zavatra homena laharam-pahamehana, dia apetraho eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainanao ilay Fanjakana. Hazony ho tsotra ny fiainanao, amin’ny fianinana amin’ireo zavatra tena ilaina. Ho fahadalana ny hamenoana ny fiainantsika amin’ny asa sy ny fahazoan-javatra tsy tena ilaina, angamba amin’ny fanjohiana hevitra fa azo ekena ny fanaovan-javatra toy izany, satria hoe tsy voatery ho ratsy amin’ny maha-izany azy, ireo zavatra ireo. Na dia mety ho marina aza izany, inona moa no hateraky ny fanaovana izay hahazoana sy hampiasana zavatra toy ireny eo amin’ny fandaharantsika ny fotoanantsika ho amin’ny fianarana manokana, sy ny fanatrehana fivoriana kristiana, ary ny fandraisana anjara amin’ny asa fitoriana? Nilaza i Jesosy fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia tahaka ny mpandranto iray izay nahita ‘vato soa iray saro-bidy dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy’. (Matio 13:45, 46). Toy izany no tokony ho tsapantsika momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Tokony hanahaka an’i Paoly isika fa tsy an’i Demasy, izay namela ny fanompoana “satria tia izao fiainana izao”. — 2 Timoty 4:10, 18; Matio 19:23, 24; Filipiana 3:7, 8, 13, 14; 1 Timoty 6:9, 10, 17-19.

“Ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra”

16. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny ‘fahatakarana ny hevitry’ ny hoe Fanjakan’Andriamanitra antsika hanalavitra ny fitondran-tena ratsy?

16 Rehefa nandefitra tamin’ny fahalotoam-pitondran-tena ny kongregasiona tao Korinto, dia niteny tamim-pahatsorana toy izao i Paoly: “Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra? Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.” (1 Korintiana 6:9, 10). Raha ‘takatsika ny hevitry’ ny hoe Fanjakan’Andriamanitra, dia tsy hamitaka ny tenantsika isika amin’ny fiheverana fa handefitra amin’ny endrika fahalotoam-pitondran-tena sasany i Jehovah, raha mbola mahita antsika koa ho be atao eo amin’ny fanompoana kristiana izy. Tsy tokony hotononina eo amintsika akory aza ny fahalotoana. (Efesiana 5:3-5). Moa ve ianao mahatsikaritra fisainana na fanao maloto sasany an’itỳ tontolo itỳ manomboka misoko ao amin’ny fiainanao? Esory hiala avy hatrany amin’ny fiainanao izy ireny! Sarobidy loatra ilay Fanjakana ka tsy tokony hafoy noho ny zavatra toy ireny. — Marka 9:47.

17. Amin’ny lafiny inona avy ny fankasitrahana ny Fanjakan’Andriamanitra no hampandroso ny fanetren-tena ka hanesotra ireo antony mahatonga fanafintohinana?

17 Hoy ny fanontanian’ireo mpianatr’i Jesosy: “Iza moa no lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra?” Namaly i Jesosy tamin’ny fametrahana zazakely iray teo afovoan’izy ireo ka hoy izy: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova hianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy hianareo. Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 18:1-6). Ny mpieboebo sy ny mpitaky zavatra be loatra sy ny tsy miraharaha ary ny tsy mpankato lalàna dia tsy mba handova ny Fanjakan’Andriamanitra, ary tsy ho olom-pehezin’ilay Fanjakana koa izy ireny. Moa ve ny fitiavanao ny rahalahinao, ny fanetren-tenanao sy ny tahotra araka an’Andriamanitra ao aminao, manosika anao hanalavitra ny fanafintohinana ny hafa amin’ny fitondran-tenanao? Sa kosa ianao manantitrantitra ny “zonao”, ka tsy mampaninona izay mety ho fiantraikan’izany fihetsika sy fitondran-tena izany eo amin’ny hafa? — Romana 14:13, 17.

18. Inona amin’ny farany no ho azon’ny olombelona mankato rehefa hahatonga izay hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra “etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra” ilay Fanjakany?

18 Ilay Raintsika any an-danitra, i Jehovah, dia hamaly tsy ho ela amin’ny fomba feno ilay vavaka mafana manao hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” Tsy ho ela, ilay Mpanjaka efa manapaka, i Jesosy Kristy, dia ho tonga amin’ny heviny hoe hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany izy mba hitsara, ka hanavaka ny “ondry” amin’ny “osy”. Amin’io fotoana voatendry io, “ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo amin’ny ankavanany hoe: Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao”. Ny osy dia “hiala ho any amin’ny [fanafoanana, NW ] mandrakizay; fa ny marina ho any amin’ny fiainana mandrakizay”. (Matio 6:10; 25:31-34, 46). Ny “fahoriana lehibe” dia hampanjavona ny fandehan-javatra tonta mbamin’ireo rehetra mandà tsy “hahatakatra ny hevitr’ilay” hoe Fanjakana. Ireo ho tafita velona an-tapitrisany maro amin’ny “fahoriana lehibe”, sy ireo an’arivo tapitrisany maro hatsangana amin’ny maty kosa anefa, dia handova ireo fitahiana tsy misy farany hoentin’ilay Fanjakana ao amin’ny Paradisa an-tany ho tafaverina amin’ny laoniny. (Apokalypsy 7:14). Ilay Fanjakana dia fitondram-panjakana vaovaon’ny tany, izay hanapaka avy any an-danitra. Hanatanteraka hatramin’ny farany ny fikasan’i Jehovah momba ny tany sy ny taranak’olombelona izy io, ka izany rehetra izany dia ho fanamasinana ilay anarany masina indrindra. Moa ve izany tsy lova iray mendrika ny hiasana, sy hanehoana fahafoizan-tena, ary handrasana aoka izany? Izany no tokony ho dikan’ny “fahatakarana ny hevitr’ilay” hoe Fanjakana ho antsika!

Ahoana no Havalinao?

◻ Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?

◻ Nahoana ny ankamaroan’ireo izay nandre an’i Jesosy no tsy ‘nahatakatra ny hevitr’ilay’ hoe Fanjakana?

◻ Amin’ny ahoana ny ‘fahatakarana ny hevitr’ilay’ hoe Fanjakana no mitondra fitahiana sy andraikitra koa?

◻ Raha ny amin’ny fitoriana, inona no manaporofo raha ‘nahatakatra ny hevitr’ilay’ hoe Fanjakana isika na tsia?

◻ Ahoana no ampisehoantsika amin’ny alalan’ny fitondran-tenantsika fa ‘nahatakatra ny hevitr’ilay’ torohevitra nomena isika?

[Sary, pejy 17]

‘Nahatakatra ny hevitr’ilay’ hoe Fanjakana ny mpianatr’i Jesosy ka namoa voa tsara

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara