FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/5 p. 10-15
  • “Aza malahelo ny fonareo”!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Aza malahelo ny fonareo”!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no handresena ny fitebitebena?
  • Ireo torohevitra nomen’i Jesosy
  • Aoka isika hitalaho amin’i Jehovah
  • Mihaino vavaka Jehovah
  • “Ampahafantaro An’Andriamanitra ny Fangatahanareo”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Ny Fomba Ahafahanao Manatona Akaiky An’Andriamanitra
    Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Ny fomba fivavaka mba hovalian’Andriamanitra
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • “Aoka ho Mailo ka Tsy Hanao Tsirambina ny Vavaka”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/5 p. 10-15

“Aza malahelo ny fonareo”!

“Aza malahelo ny fonareo; minoa an’Andriamanitra, ary minoa Ahy koa.” — JAONA 14:1.

1. Nahoana moa ireo tenin’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Jaona 14:1 no nety tanteraka?

EO amin’ny 14 Nisana taona 33 isika, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Tafavory tao amin’ny efitrano ambony iray tany Jerosalema ny antokon’olom-bitsy. Talohan’ny handaozana azy ireo, dia nanome azy torohevitra sy fampaherezana ny Mpitarika ireo lehilahy ireo. Izao indrindra no nolazainy tamin’izy ireny: “Aza malahelo ny fonareo!” (Jaona 14:1). Nety tanteraka ireo teny ireo, satria nisy fisehoan-javatra nandreraka hitranga tsy ho ela. Tamin’io alina io ihany, dia hosamborina izy, hotsaraina ary hohelohina ho faty.

2. Nahoana moa no zava-dehibe tokoa io andro io, ary ahoana no nanampiana ireo mpianatra?

2 Noho ny heriny eo amin’ny ho avin’ny taranak’olombelona manontolo, dia azo atao ara-drariny ny mihevitra io andro io ho ny lehibe indrindra teo amin’ny Tantara. Ny fahafatesan’ilay Mpitarika, Jesosy, dia fahatanterahan’ny faminaniana maro taloha ary nanokatra ny lalana ho amin’ny fiainana mandrakizay ho an’ireo izay nino azy (Isaia 53:5-7; Jaona 3:16). Very hevitra sy raiki-tahotra nandritra ny fotoana kelikely anefa ireo apostoly taitra sy vaka noho ny fisehoan-javatra niainany tamin’io alina io. Lasa hatramin’ny fandavana an’i Jesosy i Petera (Matio 26:69-75). Kanefa, rehefa avy nandray ny mpanampy nampanantenaina, izany hoe ny fanahy masina, ireo apostoly nahatoky, dia feno fahasahiana ka nisava ny fahaverezan-keviny (Jaona 14:16, 17). Araka izany, tatỳ aoriana, rehefa niharan’ny fanoherana mafy Petera sy Jaona ka nampidirina an-tranomaizina, dia nivavaka tamin’Andriamanitra izy mba hanampy azy ireo hitory ny teny “amin’ny fahasahiana rehetra”; ary nohenoina ny vavaka nataony. — Asa. 4:1-3, 29-31.

3. Nahoana moa no be dia be toy izao ny olona very hevitra mafy ankehitriny?

3 Ankehitriny isika dia miaina ao anatin’izao tontolo izao mikorontana lalina. Manatona manao dingan-dava ny faran’ny fandehan-javatra tranainy ankehitriny (2 Timoty 3:1-5). Olona an-tapitrisany maro no voakasika mivantana na tsia amin’ny famelezana mahery vaika mihatra amin’ny fiainam-pianakaviana sy ny fitondran-tena tsara, mbamin’ny fitomboan’ny aretina hafahafa mampanahy, ny fivadibadihana ara-politika, ny tsy fananana asa, ny mosary, ny fampihorohoroana sy ny fandrahonan’ny ady noklehera. Saina maro no azon’ny tahotra ny ho avy mankarary. Araka ny nolazain’i Jesosy mialoha, isika dia miaina ao anatin’ny ‘fahorian’ny firenena, raha mbola reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany’. — Lioka 21:25, 26.

4. Toe-javatra inona avy moa no mahatonga ny kristiana hahita fihenjanana sasany?

4 Ny kristiana koa aza dia mety hiharam-pahavoazana noho ireny toe-javatra sarotra ireny ka ho ketraka noho izany. Mety hiharan’ny fihenjanana izy noho ny fitompoan-teny fantatra ara-pivavahana na ny fanoherana avy amin’ny fianakaviany, ny manodidina azy, ny mpiara-miasa aminy, ny mpiara-mianatra na ny manam-pahefana (Matio 24:9). Noho izany, ahoana no azontsika itanana ny fahatoniantsika sy ny fiadanan-tsaina ao anatin’ny fotoana misamboaravoara iharatsian’ny zavatra rehetra hatrany? Ahoana no azontsika isetrana ny ho avy amin-toky? Inona no hanampy antsika handresy ny fitebitebena lehibe hita hatraiza hatraiza? Ny fotoana iainantsika dia sahala amin’izay nitarika an’i Jesosy hanome ny torohevitra voarakitra ao amin’ny Jaona 14:1; aoka àry hodinihintsika amim-pitandremana io torohevitra io.

Ahoana no handresena ny fitebitebena?

5. Fananarana inona avy moa no omen’ny Soratra Masina antsika?

5 Rehefa avy nanome an’ireo apostoliny fampaherezana feno fitiavana hoe: “Aza malahelo ny fonareo”, i Jesosy, dia hoy izy tamin’ireo: “Minoa an’Andriamanitra, ary minoa Ahy koa.” (Jaona 14:1). Imbetsaka ny Soratra Masina ara-tsindrimandry no manome antsika fananarana sahala amin’izany: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao.” “Ankino amin’i Jehovah ny làlanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.” (Salamo 55:22; 37:5). Nomen’i Paoly ho an’ny Filipiana koa izao torohevitra lehibe dia lehibe izao: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo.” — Filipiana 4:6, 7.

6, 7. a) Tonòny ny fomba iray hampihenana ny fihenjanan-kozatra. b) Ahoana no azo ampifamatorana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah?

6 Indraindray ny fitebitebena na ny fanahiana ateraky ny fahasahiranana na ny andraikitra mavesatra dia mety hanimba ny fahasalamantsika na ny toe-tsaintsika. Kanefa, ao amin’ny bokiny hoe “Tsy misy fikorontanan-tsaina (anglisy), ny manam-pahaizana manokana iray amin’ny raharaha ara-pitsaboana dia nanoratra toy izao: “Raha afaka miresaka ny amin’ny fahasahiranany eo anatrehan’olona hajainy ny olona (...) dia mihena be dia be ny fihenjanan’izy ireo.” Raha hita fa marina izany fomba izany, rehefa miresaka amin’olombelona, dia vao mainka hahazo fanampiana isika raha Andriamanitra no amborahantsika ny ao am-pontsika. Iza no mety hohajaintsika kokoa noho Jehovah?

7 Noho izany antony izany dia zava-dehibe amin’izao andro izao ny hitanan’ireo mpanompon’Andriamanitra fifandraisana akaiky amin’ny Mpamorona azy. Fantatry ny kristiana matotra tsara izany; maneho fahamalinana àry izy ireny amin’ny tsy fifaneraserana amin’ny olon’izao tontolo izao sy amin’ny tsy fanaranam-po amin’ny fanalana andro mety hampahalefaka izany fifandraisana izany (1 Korintiana 15:33). Takany koa fa zava-dehibe tokoa ny hivavahana amin’i Jehovah, tsy indray mandeha na indroa isan’andro, fa matetika. Ny tanora sy ny kristiana vaovao indrindra no mila ny hampifamatotra fifandraisana akaiky amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny fianarana sy ny fisaintsainana tsy tapaka ny Teniny, ny fivoriana kristiana sy ny fitoriana. Izao no fampaherezana omena antsika: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy.” — Jakoba 4:8.

Ireo torohevitra nomen’i Jesosy

8, 9. Inona moa no torohevitra mampahery azontsika arahina momba ny raharaha ara-nofo?

8 Any amin’ny tany maro, dia mahavelom-panahiana ny tsy fananana asa sy ny fiadanan’ny raharaha ara-toe-karena. Nanome izao torohevitra mampahery izao anefa i Jesosy: “Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana?” (Matio 6:25). Ny fanahy sy ny tena tokoa, izany hoe ny olona manontolo, dia lehibe lavitra noho ny sakafo sy ny fitafiana. Afaka matoky ireo mpanompon’Andriamanitra fa hanampy azy ireny hahazo fahafahampo amin’izay ilainy tsotra indrindra Jehovah. Nanome izao ohatra izao i Jesosy: “Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va hianareo?” (Matio 6:26). Tsy azo heverina izany hoe manome izay ilain’ny biby Andriamanitra ary tsy miraharaha ireo mpanompony olombelona izay sarobidy aminy tokoa ary nanomezan’i Kristy ny ainy.

9 Nanamafy io torohevitra io Jesosy tamin’ny fampahatsiahivana fa, na dia tsy miasa na mamoly aza ny lilia any an-tsaha, “na dia Solomona tao amin’ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’ireny”; ny andro nanjakan’i Solomona anefa dia niavaka tamin’ny hakantony. Nampahery an’ireo mpianany àry Jesosy tamin’ny fanontaniana azy hoe: “Tsy mainka va hianareo”? — Matio 6:28-32; Tonon-kiran’i Solomona 3:9, 10.

10. a) Iza moa no nilazan’i Jesosy ireo teny mampahery ireo? b) Torohevitra inona moa no nomeny raha ny amin’izay anisan’ny ho avy?

10 Nanohy ny teniny anefa i Jesosy tamin’ny fampisehoana fa ireo izay ‘mikatsaka ny fanjakany sy ny fahamarinany aloha’ ihany no handray izany fitahiana izany. Maneran-tany, ny kristiana marina dia mahatakatra ny tena atao hoe Fanjakan’Andriamanitra ary manome azy ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany. Arahiny ny torohevitr’i Jesosy manao hoe: “Aza manahy ny amin’ny ampitso hianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an’ny andro ny ratsy miseho ao aminy.” (Matio 6:33, 34). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia alamino ny zava-manahirana tsirairay avy arakaraka ny isehoany, ary aza manahy be loatra ny amin’ny ho avy.

11, 12. Tao anatin’ny toe-javatra nanao ahoana moa ny kristiana sasany no nahatsapa fa nihaino ny vavaka nataon’izy ireo Jehovah?

11 Ny ankamaroan’ny olona anefa dia mirona hanahy ny amin’ny ho avy, indrindra fa rehefa ratsy ny fandehan-javatra. Ny kristiana kosa anefa dia afaka — sy tokony — hitodika any amin’i Jehovah amim-pinoana. Aoka hoheverintsika izay nitranga tamin’i Eléonore. Narary mafy ny vadiny, ary tsy afaka niasa nandritra ny herintaona. Noho izy tsy maintsy nikarakara ireo zanany roa mbola kely sy ny rainy be taona, dia tsy afaka nanao asa manontolo andro koa Eléonore. Nivavaka tamin’i Jehovah ireo kristiana ireo mba hanampy azy. Tsy ela taorian’izany, indray maraina, dia hitan’izy ireo tao ambany varavarana ny valopy iray nirakitra vola bebe ihany mba hahafahan’izy ireo mivelona mandra-piasan’ilay lehilahy indray. Nameno fankasitrahana azy ireo izany fanampiana tena tamin’ny nilana azy izany. Tsy mampanantena antsika akory ny Soratra Masina fa hoe ho voavonjy amin’izany fomba izany daholo ny kristiana rehetra, nefa mahazo matoky isika fa handre ny antso ataontsika Jehovah ary manana fahefana izy hanampy antsika amin’ny fomba samihafa.

12 Ny vehivavy kristiana iray atsy Afrika atsimo izay maty vady dia voatery nitady asa mba hamelomana ireo zanany roa kely. Niriny mafy ny hahazo asa tapak’andro, mba hahafahana manokana fotoana ho azy ireo. Nahita asa izy, nefa voatery niala tamin’izany satria, ny mpampiasa azy nanapa-kevitra fa nila mpitantsoratra hiasa manontolo andro. Tsy nanana asa indray izy ka nivavaka mafy tamin’i Jehovah mba hanampy azy. Roantokom-bolana taty aoriana, dia nangataka azy mba hiverina hiasa tapak’andro ny lehibeny. Toy inona moa ny fahasambarany! Tsapany fa nihaino ny vavaka nataony Jehovah.

Aoka isika hitalaho amin’i Jehovah

13. a) Inona moa no dikan’ny teny hoe “fitalahoana”? b) Ohatra inona avy amin’ny fitalahoana moa no omen’ny Soratra Masina antsika?

13 Rehefa avy nanoro hevitra ny kristiana mba ‘tsy hanahy na inona na inona’ i Paoly dia nilaza tamin’izy ireo hoe: “Fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana [fitalahoana, MN ] mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.” (Filipiana 4:6). Miresaka ny amin’ny “fitalahoana” i Paoly eo. Ny dikan’io teny io dia hoe “vavaka atao amim-piangaviana”; izany dia mahafaoka fangatahana mafy amin’Andriamanitra ao anatin’ny fotoam-pihenjanana lehibe na ny loza. Fony nigadra i Paoly dia nangataka tamin’ireo namany kristiana mba hitalaho ho azy mba hahafahany hitory tsy amin-tahotra “ny vaovao tsara (...) amin’ny maha-iraka migadra” azy. (Efesiana 6:18-20, MN.) Ilay manamboninahitra romana atao hoe Kornelio koa dia “nivavaka tamin’Andriamanitra mandrakariva”. Toy inona moa ny fihetseham-po tsy maintsy ho tsapany rehefa nilaza taminy toy izao ny anjely iray: “Ny fivavakao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan’Andriamanitra”, ary toy inona moa ny tombontsoany anisan’ireo Jentilisa voalohany nohosorana tamin’ny fanahy masina! — Asa. 10:1-4, 24, 44-48.

14. Ahoana no hahafantarana raha tokony hotononina indray mandeha monja na mihoatra noho izany ny vavaka iray?

14 Azo atao ny manamarika fa amin’ny ankapobeny dia tsy indray mandeha monja no ampiasana io karazam-bavaka mafy io. Tamin’ny Toriteniny nalaza teo an-tendrombohitra, dia izao no nolazain’i Jesosy: “Mangataha hatrany, dia homena ianareo; mitadiava hatrany, dia hahita ianareo; dondòny hatrany, dia hovohana ianareo.” (Matio 7:7, MN ). Fandikan-teny maro no mandika hoe: “Mangataha (...); mitadiava (...); dondòny”, kanefa ny teny grika tany am-boalohany dia manisy fitenenana ny amin’ny fanaovan-javatra mitohya.

15. a) Nahoana moa no nanjonitra i Nehemia indray andro rehefa nandroso divay ho an’i Artaksersesy mpanjaka? b) Nahoana moa no azo atao ny milaza fa tsy vitan’ny hoe nanonona vavaka fohy iray fotsiny i Nehemia?

15 Indray andro, ny mpanjakan’i Persia, Artaksersesy, dia nanontany ny mpitondra kapoakany, Nehemia, izay antony nahatonga azy halahelo endrika. Ren’i Nehemia fa rava Jerosalema. Nilaza izany tamin’ny mpanjaka izay nanontany azy toy izao izy: “Inona ary no angatahinao?” Avy hatrany dia nivavaka tamin’i Jehovah i Nehemia — tsy isalasalana fa haingana sy mangina — mba hanampy azy. Avy eo, dia nangata-dalana tamin’i Artaksersesy izy mba ho any Jerosalema hanorina indray ilay tanàna mamin’ireo razambeny. Nohenoina ny hataka nataony (Nehemia 2:1-6). Kanefa, talohan’io fihaonana nanapahan-javatra io, dia nandany andro manontolo maro i Nehemia nivavahana tamin’i Jehovah, nitalahoana taminy mba hanampy azy (Nehemia 1:4-11). Hitanao ve ny fianarana azonao tsoahina avy amin’io fitantarana io?

Mihaino vavaka Jehovah

16. a) Tombotsoa inona moa no noraisin’i Abrahama? b) Fanampiana lehibe inona avy moa no ananantsika mba hahitana valin’ireo vavaka ataontsika?

16 Nisy fotoana nifampiresahan’i Abrahama tamin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny anjely (Genesisy 22:11-18; 18:1-33). Na dia tsy afaka mahazo izany tombontsoa izany intsony aza ireo mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro izao, dia manana fanampiana lehibe tsy nananan’i Abrahama izy ireo. Ny voalohany dia ny Baiboly manontolo: loharanon-torohevitra sy fampiononana tsy mety ritra izy io (Salamo 119:105; Romana 15:4). Matetika tokoa ny Baiboly dia manome antsika ny fitarihana na ny fampaherezana ilaintsika, ka manampy antsika Jehovah hahatsiaro ireo andinin-teny irina. Mety hanome antsika ny valiny koa ny konkordansa iray na ny anankiray amin’ireo boky momba ny Baiboly maro omen’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fandaminany. Fanampiana sarobidy koa ny fizaham-pejy misy andinindininy sy ahitam-boka-tsoa amin’ny fikarohana ataontsika.

17. Amin’ny fomba hafa inona koa moa no mety hamalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika, ary fanampiana inona no azon’ny kristiana be hatsaram-po sy mahatakatra ny fihevitry ny hafa entina?

17 Raha mitana ny saintsika ny fahasahiranana iray, na malahelo sy kivy isika, dia mety hohenoina amin’ny fomba hafa koa ny vavaka ataontsika. Ohatra, ny famelabelarana momba ny Baiboly re amin’ny fivoriana iray na ny fivoriambe iray alamin’ny Vavolombelon’i Jehovah dia mety hirakitra ny “fanafody” izay ilaintsika indrindra. Indraindray koa, ny fiaraha-midinika amin’ny namana kristiana iray dia mety hitondra ny fanafodiny ho antsika. Matetika ireo loholona no manana fahafahana hanome fampaherezana sy torohevitra. Ny fanokafana ny fontsika fotsiny amin’ny kristiana matotra iray, manana hatsaram-po sy mahatakatra ny fihevitry ny hafa ary mahay mihaino dia mety hitondra fampaherezana ho antsika, indrindra fa raha toa io namana io ka manampy antsika hieritreritra hevitra araka ny Baiboly. Ny fifanakalozan-kevitra toy izany dia mety hanamaivamaivana tokoa ny saintsika sy ny fontsika. — Ohabolana 12:25; 1 Tesaloniana 5:14.

18. Asa manokana inona moa no mety hanampy ny kristiana hisetra fotoam-pahaketrahana, ary ahoana no nanampian’io asa io zazavavy mpitory maharitra iray?

18 Ao anatin’ny “andro mahory” iainantsika, dia tsy mahalana no ketraka ny olona (2 Timoty 3:1). Antony samihafa no mety hiteraka fahakiviana sy fahaketrahana. Tsy voaro amin’ny zavatra tsy mahafinaritra toy izany na dia ny kristiana aza. Maro be amin’izy ireny anefa no nahita fa ny fitoriana ny vaovao tsara dia mampisava fotoam-pahaketrahanab. Nanandrana an’io fomba io ve ianao? Raha somary ketraka ianao, dia mandraisa anjara amin’ny karazana asan’i Jehovah iray. Ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny hafa dia matetika no hanampy anao hatanja-tsaina indray. Amin’ny firesahana ny amin’i Jehovah sy amin’ny fampiasana ny Teniny, dia mety hahita fifaliana izay vokatry ny fanahiny ianao ka hahatsiaro ho tsaratsara kokoa (Galatiana 5:22). Rehefa voatana foana tamin’ny asa fitoriana ny zazavavy mpitory maharitra iray dia nahatsikaritra fa “raha oharina amin’ny fahasahiranan’ny hafa dia tsinontsinona sy mihelina [ny an’ny tenany]”.

19. Ahoana no ahafahan’ny kristiana iray tsy salama nanaisotra hevitra mampiseho fahaketrahana?

19 Indraindray ny faharatsian’ny fahasalamana, angamba hamafisin’ny fanahiana na ny fahasahiranana, dia fototry ny fahaketrahana. Mety hifoha amin’ny alina ny olona iray, azon’ny fikorontanan-tsaina sasany. Izany no nitranga indraindray tamin’ny kristiana iray efa zokinjokiny nanana fahasalamana tsy netinety; nahita tena fanampiana anefa izy tamin’ireo vavaka nataony tamin-kafanam-po. Isaky ny taitra izy ka ketraka, dia nivavaka tamim-pahatoniana tamin’i Jehovah: avy hatrany dia nahatsiaro ho nihatsara izy. Naverimberiny an-tsaina koa ny andinin-teny mampahery ao amin’ny Soratra Masina, toy ny Salamo 23, ka izany dia nisy asany nampitony teo aminy. Ny fanahin’i Jehovah, niasa ho valin’ny vavaka na tamin’ny alalan’ny Teniny dia nanampy tamin’ny fanoloana ny fahaketrahany ho teo-tsaina falifaly kokoa. Rehefa nahita indray ny fijoroany sy ny fahatoniany io lehilahy io tatỳ aoriana, dia afaka nieritreritra ireo fahasahiranany, na naharesy izany izy, na nanan-kery hizakana izany.

20. Nahoana moa indraindray no toa miandry ela Jehovah vao mamaly ny vavaka ataontsika?

20 Io ohatra io dia mampiseho amintsika ny anankiray amin’ireo fomba mety hamaliana ny vavaka ataontsika. Amin’ny toe-javatra sasany anefa dia toa ela vao azo ny fanafodiny. Nahoana? Angamba satria ilaina ny hiandrasana ny fotoana voatendrin’Andriamanitra. Hita fa avelan’i Jehovah indraindray ireo izay mivavaka aminy, hanana fotoana hampisehoana ny halalin’ny zavatra mitana ny sainy, ny hamafin’ny faniriany, ny fahatsoran’ny fifikirany; nahatsapa izany ny anankiray tamin’ireo mpanao salamo. — Salamo 88:13, 14; jereo 2 Korintiana 12:7-10.

21. Nahoana moa no tombontsoa lehibe ny maha-Vavolombelon’i Jehovah amin’izao androntsika izao, ary ahoana no azontsika ampisehoana fa mankamamy izany tombontsoa izany isika?

21 Na ahoana na ahoana, rehefa mitodika any amin’ilay Andriamanitra Tsitoha ao amin’ny vavaka isika, dia matanjaka noho izany ny finoantsika ary afaka miala amin’ny famoizam-po ho amin’ny toky isika. Mampahery tokoa ny mahafantatra fa mihaino ny vavaka ataontsika Andriamanitra ka mamaly izany. Araka ny nosoratan’i Paoly ho an’ny kongregasiona tany Filipy anefa, dia tokony hanolotra ny vavaka sy ny fitalahoana ataontsika miaraka amin’ny “fisaorana” isika. (Filipiana 4:6.) Eny, isan’andro isika dia tokony hanokatra ny fontsika ho an’i Jehovah amim-pankasitrahana sy ‘hisaotra amin’ny zavatra rehetra’. (1 Tesaloniana 5:18.) Izany fahazarana izany dia hanampy antsika hampifamatotra fifandraisana akaiky sy mafana amin’Andriamanitsika, ka hitondra fiadanana ho antsika. Asehon’ny lahatsoratra manaraka fa zava-dehibe tokoa, ao anatin’izao tontolo izao mikorontana sy mampidi-doza misy antsika, ny hanarahan’ireo mpanompon’i Jehovah ireo torohevitra ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mifanaraka amin’io filazana hentitra ataon’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao io, Alfred Kuen dia mandika an’io andininy io toy izao: “Manohiza mangataka (...), mahareta amin’ny fitadiavanareo (...); dondòny, ataovy ihany, dia hovohana ho anareo ny varavarana.” — Teny velona.

b Ny fotoam-pahakiviana mihelina dia hafa noho ny fahaketrahana maharitra, izay fikorontanana ara-toe-tsaina na ara-tsaina sarotra lavitra sy mafy lavitra. Jereo Réveillez-vous! tamin’ny 22 oktobra 1987, pejy faha-3 ka hatramin’ny faha-16.

Ahoana no havalinao?

◻ Inona avy moa no antony mety hahavery hevitra ny kristiana?

◻ Inona no mety hanampy antsika handresy ny fitebitebena?

◻ Nahoana moa ny kristiana no afaka matoky fa hanampy azy ireny hahita fahafahampo amin’izay ilainy tsotra indrindra Andriamanitra?

◻ Inona moa no dikan’ny teny hoe “fitalahoana”, ary ahoana, araka ny ohatra taloha, no amalian’i Jehovah ny fitalahoana?

◻ Amin’ny fomba samy hafa ahoana no mety amalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika?

[Sary, pejy 12]

‘Mamelona ny voro-manidina ny Rainareo Izay any an-danitra. Moa tsy mihoatra noho ireny va hianareo?’

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara