FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Fitahiana avy Amin’Andriamanitra ve ny Harena?
    Mifohaza!—2003 | 8 Septambra
    • Ny fomba itahian’Andriamanitra antsika

      Nampianatra ny mpianany tsy hihevitra ny vola ho zava-dehibe loatra i Jesosy, rehefa nilaza tamin’izy ireo mba ‘tsy hanahy’ ny amin’ny harena. Nohazavainy fa na i Solomona tamin’ny voninahiny rehetra aza tsy nitafy toy ny voninkazo any an-tsaha. Hoy koa izy: “Raha ny zavamaniry any an-tsaha, . . . no ampitafin’Andriamanitra toy izany, tsy mainka ve ianareo, ry kely finoana?” Nanome toky ny Kristianina i Jesosy, fa hahazo sakafo sy fitafiana ary fialofana izy ireo, raha manao ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany ho loha laharana eo amin’ny fiainany. (Matio 6:25, 28-33) Ahoana no ahatanterahan’izany fampanantenana izany?

      Fitahiana ara-panahy no tena ho azon’izay manaraka ny torohevitry ny Baiboly. (Ohabolana 10:22) Mitondra fitahiana hafa koa anefa izy io. Mampirisika ny Kristianina, ohatra, ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Aoka ny mpangalatra tsy hangalatra intsony, fa aoka kosa izy hiasa mafy.” (Efesianina 4:28) Lazainy koa fa “ho tonga malahelo ny miraviravy tànana amin’ny asany; fa mampanan-karena ny tànan’ny mazoto.” (Ohabolana 10:4) Ny Kristianina manaraka izany torohevitra izany matetika no fidin’ny mpampiasa hiasa ao aminy, satria manao ny marina sy miasa mafy. Efa fitahiana izany.

      Mampianatra ny Kristianina koa ny Baiboly mba tsy hiloka, satria fialam-boly mampirisika ny olona ho tia vola izany. Toroany hevitra koa izy ireo mba tsy hifoka sigara, satria mandoto ny vatana izany, ary tsy himamo, satria manimba ny fahasalamana izany. (1 Korintianina 6:9, 10; 2 Korintianina 7:1; Efesianina 5:5) Hitan’ireo manaraka an’io torohevitra io fa mihena ny vola laniny, ary mihatsara ny fahasalamany.

  • Fitahiana avy Amin’Andriamanitra ve ny Harena?
    Mifohaza!—2003 | 8 Septambra
    • Mitahy an’ireo miezaka manao ny sitrapony i Jehovah Andriamanitra. (Salamo 1:2, 3) Omeny hery sy fanampiana izy ireo hahafahany hiatrika fisedrana sy hamelona ny fianakaviany ary hanao ilay Fanjakana ho loha laharana eo amin’ny fiainany. (Salamo 37:25; Matio 6:31-33; Filipianina 4:12, 13) Tsy tokony hieritreritra àry ny Kristianina marina hoe ny harena no tena fitahiana avy amin’Andriamanitra. Hiezaka kosa izy ireo mba “hanankarena amin’ny asa tsara.” Raha miezaka mifandray akaiky amin’Andriamanitra ny Kristianina, dia “hanana harena tsara tahiry ho an’ny tenany, izany hoe fototra tsara ho amin’ny hoavy.”—1 Timoty 6:17-19; Marka 12:42-44.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara