FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 1/11 p. 30-31
  • Nandany Fotoana Niarahana Tamin’ny Ankizy i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nandany Fotoana Niarahana Tamin’ny Ankizy i Jesosy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nandray tsara ireo ankizy i Jesosy
  • Fianarana ho antsika
  • Manana “ny Sain’i Kristy” ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Lova Sarobidy ny Zanatsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Manana ny hevitr’i Kristy ve ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Ireo Izay Tonga Mpianatr’i Jesosy
    Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 1/11 p. 30-31

Nanao ny Sitrapon’i Jehovah Izy Ireo

Nandany Fotoana Niarahana Tamin’ny Ankizy i Jesosy

EFA nadiva hifarana ny telo taona sy tapany nanompoan’i Jesosy. Hiditra tsy ho ela ao Jerosalema izy ary hiaritra fijaliana mandra-pahafatiny. Fantany tsara izay niandry azy, satria hoy izy tamin’ny mpianany: “Ny Zanak’olona dia hatolotra eo an-tànan’ny olona ka hovonoiny”. — Marka 9:31.

Azo antoka fa naniry hampiasa tamin’ny fomba tsara indrindra ny andro tsirairay, sy ny ora tsirairay, ary ny fotoana tsirairay sisa tavela i Jesosy. Mbola nila fanehoam-piheverana ireo mpianany. Hitan’i Jesosy fa mbola nila fananarana mafy izy ireo, raha ny amin’ny ilana fanetren-tena, sy ny loza ateraky ny fanafintohinana izay nisy foana. (Marka 9:35-37, 42-48). Nila toromarika momba ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana ary ny fitoerana ho mpitovo, izy ireo. (Matio 19:3-12). Tsy isalasalana fa niresaka tamin’ny mpianany tamin’ny fomba voafintina tsara sy tamin’ny fahatsapana fahadodonana i Jesosy, noho ny fahafantarany fa tsy ho ela izy dia ho faty. Tena fotoan-dehibe izany, hany ka nahatonga izay nataon’i Jesosy nanaraka ho mbola niavaka kokoa ihany.

Nandray tsara ireo ankizy i Jesosy

Hoy ny fitantaran’ny Baiboly: “Nisy nitondra zazakely ho eo aminy mba hametrahany tànana”. Nilaza ny tsy fankasitrahany avy hatrany ireo mpianatra, rehefa nahita izany. Angamba nihevitra izy ireo fa ambony loatra na sahirana loatra i Jesosy ka tsy afaka ny hiahy ireo ankizy. Alao sary an-tsaina anefa ny fahagagan’ireo mpianatra, rehefa tezitra taminy i Jesosy! “Avelao ny zaza hanatona Ahy”, hoy izy tamin’izy ireo. “Aza rarana; fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra.” Avy eo dia nanampy teny toy izao i Jesosy: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.” — Marka 10:13-15.

Nahita toetra mahate hidera teo amin’ny ankizy i Jesosy. Matetika izy ireo no be fanontaniana sy mora matoky olona. Hanaiky ny tenin’ny ray aman-dreniny izy ireo, ary hiaro azy ireo mihitsy aza eo anoloan’ny ankizy hafa. Mendrika ny hotahafin’ireo rehetra maniry hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny toetrany mora mandray sy azo ampianarina. Araka ny nolazain’i Jesosy dia “an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra”. — Ampitahao amin’ny Matio 18:1-5.

Tsy hoe mba hanaovana fanoharana fotsiny anefa no nampiasan’i Jesosy an’ireny ankizy ireny. Lazain’ilay fitantarana mazava fa tena tiany ny niaraka tamin’izy ireny. Nitantara i Marka fa ‘nitrotro ireo zaza i Jesosy, dia nametra-tanana taminy ka nitso-drano azy’. (Marka 10:16). Ny fitantaran’i Marka ihany no nampiditra ilay tsipiriany nampiseho fitiavana hoe: ‘Nitrotro ireo zaza’ i Jesosy.a Tamin’izay izy dia nanao nihoatra noho ny zavatra nampoizin’ireo olon-dehibe izay nitondra ireny ankizy ireny ho eny aminy mba “hametrahany tànana” fotsiny.

Nidika ho inona ny ‘nametrahan’i Jesosy ny tanany’ tamin’ireo ankizy? Tsy misy filazana ny amin’ny fombafomba ara-pivavahana toy ny batisa eto. Raha nidika ho fanendrena ny fametrahan-tanana tamin’ny fotoana sasany, dia nidika ho fitsofan-drano fotsiny kosa izany tamin’ny fotoana hafa. (Genesisy 48:14; Asan’ny Apostoly 6:6). Koa nety ho nitso-drano ireo ankizy fotsiny àry i Jesosy.

Na ahoana na ahoana, i Marka dia nampiasa teny mahery kokoa ho an’ny hoe “tso-drano” (ka·teu·lo·geʹo) izay mafonja kokoa. Toa manondro izany fa nitso-drano ireo ankizy tamin-kafanam-po, sy tamim-piraiketam-po, ary tamim-pitiavana i Jesosy. Mazava fa tsy nihevitra ny ankizy ho nandreraka sy nandany fotoana be izy.

Fianarana ho antsika

Sady tsy nampahatahotra no tsy nanambany ny fomba nifampiraharahan’i Jesosy tamin’ny ankizy sy ny olon-dehibe. “Tsy maintsy ho mora nitsiky sy nihomehy izy”, hoy ny loharanon-kevitra iray. Tsy nahagaga raha tsy nihafahafa ny olona samy hafa taona fony niaraka taminy. Rehefa misaintsaina ny ohatr’i Jesosy isika, dia afaka manontany tena hoe: ‘Mahita ahy ho mora hatonina ve ny hafa?’ ‘Toa sahirana loatra ve aho ka tsy azo helingelenina amin’izay asa sy fiahiana ny hafa?’ Ny fambolena fiahiana amim-pahatsorana ny olona dia hanosika antsika hanome avy amin’ny tenantsika, toy ny nataon’i Jesosy. Hahatsapa ny tena fiahiantsika ny hafa ary ho voasintona ho amintsika. — Ohabolana 11:25.

Nankafizin’i Jesosy ny fiarahana tamin’ny ankizy, araka ny asehon’ny fitantaran’i Marka. Azo inoana fa naka fotoana izy mba handinihana azy ireo nilalao, satria nasiany firesahana ny kilalaon’izy ireo tao amin’ny iray tamin’ny fanoharany. (Matio 11:16-19). Angamba mbola kely loatra ny sasany tamin’ireo ankizy izay notsofin’i Jesosy rano, ka tsy nahatakatra hoe iza izy sy hoe inona no nampianariny. Izany anefa tsy nahatonga azy hihevitra fa nandanilany foana ny fotoanany izy. Nandany fotoana niarahana tamin’ny ankizy izy, satria tiany izy ireo. Azo inoana fa maro tamin’ireo ankizy izay nifanena tamin’i Jesosy nandritra ny fanompoany no voatosika hamaly ny fitiavany tatỳ aoriana tamin’ny fahatongavana ho mpianany.

Raha nandany fotoana niarahana tamin’ny ankizy i Jesosy, nandritra ireo herinandro farany tena lehibe teo amin’ny fiainany, dia azo antoka fa afaka manokana fotoana ho azy ireo koa isika ao amin’ny fandaharam-potoanantsika feno zavatra atao. Tokony hahatsiaro indrindra ireo izay manan-javatra ilaina manokana toy ireo kamboty isika. Raha ny tena izy, dia miroborobo ny ankizy rehetra, rehefa anehoana fiheverana, ary irin’i Jehovah ny hanaovantsika izay rehetra azontsika atao mba hanehoana fitiavana amin’izy ireny sy hanomezana fanampiana azy. — Salamo 10:14.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Milaza ny fandikan-teny iray fa “namihina azy ireo” i Jesosy. Ny hafa iray kosa dia milaza fa “nisakambina azy ireo” izy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara