FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 1/10 p. 7-12
  • “Misehoa ho mahay mankasitraka”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Misehoa ho mahay mankasitraka”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Antony maro tokony hahavelom-pankasitrahana
  • Mari-pankasitrahana
  • Fahalalahan-tanana avy amin’ny fo
  • Ny mifanitsy aminy amin’ny andro ankehitriny
  • Ny fomba hisehoana ho velom-pankasitrahana
  • Ny ohatra tsara nomen’ilay mpitondratena nahantra
  • Mahasoa ireo fampahatsiarovana mba hampiseho fankasitrahana
  • “Asehoy fa Mahay Misaotra Ianareo”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Antony hafa koa tokony hisehoana hahay hankasitraka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Nahoana no tokony hiseho hahay hankasitraka?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Asehoy fa Mahay Misaotra Ianao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 1/10 p. 7-12

“Misehoa ho mahay mankasitraka”

“Aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy (...). Ary misehoa ho mahay mankasitraka.” — KOLOSIANA 3:15, MN.

1. Eo amin’izao tontolo izao tsy mahay mankasitraka, tokony hiaro tena amin’ny loza inona moa ny kristiana?

AMIN’IZAO taonjato faha-20 izao, taonjato mikorontana, dia maro be no tsy mahalala intsony akory ny dikan’ny hoe mahay mankasitraka. Rehefa nandeha ireo taona, dia manjary mihamahalana no andrenesana teny toy ny hoe “aza fady” sy “misaotra”. Anisan’ny “rivotra” na toe-tsaina mampiseho fitiavan-tena manjaka eo amin’ny olon’izao tontolo izao ankehitriny ny tsy fahaiza-mankasitraka (Efesiana 2:1, 2). Na dia tsy “naman’izao tontolo izao” aza ny kristiana, dia tsy maintsy miaina eo anivony raha mbola misy koa ny fandehan-javatra ankehitriny (Jaona 17:11, 16). Tokony hitandrina àry izy ireny mba tsy hifindra aminy izany toe-tsaina tsy mahay mankasitraka izany ka hitarika azy ireny hampihena ny fahaizany misaotra.

2. a) Amin’ny fomba inona avy moa no azon’ireo mpanompon’i Jehovah isehoana ho velom-pankasitrahana an’Andriamanitra? b) Inona moa no tokony hataon’izy ireo ambonin’ny fanehoana am-bava ny fankasitrahany?

2 Matetika ny kristiana no manana fahafahana haneho ny fankasitrahany noho ny hatsaram-pon’Andriamanitra, amin’ny resaka ataony. Tsy isalasalana fa mivavaka manokana imbetsaka isan’andro amin’ny Rainy any an-danitra, Jehovah, ny ankamaroany, mba hisaorana azy noho ny hatsaram-pony. Maneho ny fankasitrahany koa izy ireny amin’ireo fivoriana kristiana amin’ny fiarahana amin’ireo vavaka atao ho an’ny kongregasiona sy amin’ny fanaovana ny hiran’ilay Fanjakana. Miharihary fa moramora ihany ny maneho ny fankasitrahan’ny tena am-bava. Namporisika ireo rahalahiny kristiana tany Kolosia anefa ny apostoly Paoly mba hampiseho ny fankasitrahany, tsy amin’ny teny ihany, fa amin’ny atao koa, eo amin’ny fiainany isan’andro. Izao no nosoratany: “Aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy, satria ho amin’izany no niantsoana anareo ho tena iray ihany. Ary misehoa ho mahay mankasitraka.” — Kolosiana 3:15, MN.

Antony maro tokony hahavelom-pankasitrahana

3. Nahoana moa isika rehetra no tokony ho velom-pankasitrahana an’Andriamanitra?

3 Ny olona velona rehetra dia manana antony maro tokony hahavelom-pankasitrahana. Ny lehibe indrindra dia ny fandraisany soa amin’ny fiainana mihitsy, satria izay rehetra ananantsika na kasaintsika atao dia hanjary tsy hisy vidiny tampotampoka raha mamoy ny aina isika. Nananatra ny olombelona rehetra i Davida mpanao salamo mba hahatsiaro izao hevitra izao: “Fa ao aminao [Jehovah Andriamanitra] no misy loharanon’aina.” (Salamo 36:9). Nampahatsiahy an’io fahamarinana mandrakizay io tamin’ny Ateniana ny apostoly Paoly rehefa nilaza hevitra teo anoloan’ny Areopago (Asa. 17:28). Eny, ny maha-velona fotsiny dia efa antony lehibe tokony hahavelom-pankasitrahana. Afa-tsy izany koa, dia mitombo ny fankasitrahantsika rehefa mieritreritra ireo fahaizana nomen’Andriamanitra antsika isika — ny fandrenesana tsiron-javatra, ny fitsapana, ny fanimboloana, ny fahitana sy ny fandrenesana — mba hahafahantsika mifaly amin’ny fiainana sy ireo zava-mahatalanjona amin’ny famoronana manodidina antsika.

4. Inona no hiaro antsika tsy hihevitra ireo fifaliana eo amin’ny fiainana ho tsy misy mahagaga?

4 Be dia be anefa no mihevitra fa zavatra mandeha ho azy ny fananana ireny fanomezan-tsoa ireny. Rehefa tsy manana fahafahana hahita na handre ny olona maro vao mahatsapa ny soa izay tsy nankamaminy ny hasarobidiny fony izy mbola salama. Ny kristiana marina dia tokony hitandrina mandrakariva mba tsy hanaiky ho voatariky ny tsy fahampiam-pankasitrahana toy izany. Tokony hanao fiezahana mafy izy ireny mba hisehoana hahay hankasitraka hatrany, ka hanaraka amin’izany ny ohatra nomen’ny mpanao salamo izay nilaza toy izao: “Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitro ô — tsy misy azo ampitahaina aminao — Raha tiako hambara sy holazaina ireny, dia, indro, maro loatra izy ka tsy tambo isaina. — Salamo 40:5.

5. Na dia tao aza ireo soa ambonin’ny noraisiny avy amin’i Jehovah, fihetsika mahamenatra nanao ahoana moa no nasehon’ny Isiraelita?

5 Ny Salamo faha-106 dia mamintina amin’ny teny poetika ny asa lehibe nataon’i Jehovah ho an’ireo mpanompony, ny Isiraelita. Ny fomba fiasan’Andriamanitra ho azy ireo dia nanampy ny hatsaram-po nasehony ny olombelona amin’ny ankapobeny sy ireo fifaliana ara-dalàna eo amin’ny fiainana omeny azy ireo. Nomarihin’ilay mpanao salamo anefa fa na dia tao aza izany soa izany, dia tsy nanohy niseho ho nahay nankasitraka noho ny fitahiana tsy nanam-paharoa nananany ny Isiraelita. Izao no vakintsika eo amin’ny andininy faha-13: “Nalaky nanadino ny asany izy ka tsy niandry ny saina hatolony.” Tsy ny fotoana no nikaoka miandalana ny fankasitrahany, ka hoe nitarika azy am-polony taona maro tatỳ aoriana tsy hahatsiaro intsony izay nataon’Andriamanitra ho azy ireo. Tsia, vetivety dia hadinony izany zavatra izany — tao anatin’ireo herinandro nanaraka ireo fahagagana niavaka nataon’i Jehovah ho azy ireo fony izy nita ny ranomasina Mena (Eksodosy 16:1-3). Mampalahelo anefa fa araka ny noporofoin’ireo fisehoan-javatra tatỳ aoriana, dia nanjary fahazaran-dratsy teo amin’izy ireo ny tsy fahaiza-mankasitraka.

Mari-pankasitrahana

6. Nahoana moa no tsy zavatra notakina be loatra ny fahafolon-karena?

6 Nasehon’i Jehovah ny Isiraelita ny anton-javatra hentitra telo tokony hampisehoana fa velom-pankasitrahana azy amim-pahatsorana izy ireo noho ny hatsaram-pony. Ny anankiray tamin’izany dia ny fandrotsahana ny ampahafolon-karena notakina taminy, tamin’ny fanomezana ho an’i Jehovah ny ampahafolon’ny vokany sy ny biby fiompiny rehetra. (Levitikosy 27:30-32). Tsy tafahoatra akory izany zavatra notakina izany: moa ve tsy Andriamanitra no Mpanao ny masoandro, ny tany lonaka, ny ranonorana sy ny fahagagana amin’ny fitomboana? Tamin’ny fanomezana ny ampahafolony ho an’ireo mpisorona nanao raharaha tao amin’ny fitoerana masina, raha ny marina dia Jehovah mihitsy no nampisehoan’izy ireo fankasitrahana.

7. a) Inona moa no tsy fitoviana lehibe nisy teo amin’ny fahafolon-karena sy ny fanomezana natao ho an’i Jehovah? b) Inona no nahariharin’ireny fanomezana ireny raha ny amin’ny Isiraelita?

7 Notakina tamin’ny Isiraelita tsirairay avy koa ny hanolorany ho an’Andriamanitra fanomezana izay ny tontaliny dia niankina tamin’ny fihetseham-pony lalina. Na dia tsy nolazaina mazava mihitsy aza ny tokom-bidiny, ireny fanomezana ireny dia tokony ho voaloham-bokatra amin’ny voa sy ny divay ary ny volon’ondry (Nomery 15:17-21; Deoteronomia 18:4). Afa-tsy izany koa, dia nasehon’i Jehovah mazava fa ireo mpanompony dia ‘tsy tokony hanome amim-pisalasalana’ ary tokony hanome “ny tsara indrindra amin’ny voaloham-bokatry ny taniny”. (Eksodosy 22:29, MN; 23:19.) Tamin’izany ny Isiraelita dia nanana fahafahana hampiseho tamin’ny fomba azo tsapain-tanana ny fankasitrahany an’i Jehovah. Afaka nampiharihary ny halalin’ny fankasitrahany izy ireo tamin’ny habetsahan’ny fanomezana nataony. Tsy hanolotra afa-tsy salohim-boaloboka iray ve izy sa ny fo tia manome be hanosika azy hanome iray harona amin’izany? Ny olona rehetra na ny fianakaviana rehetra àry dia afaka nampiseho ny fankasitrahany tamin’ny fomba tena an-tsitrapo.

8. a) Inona moa ireo soa roa nentin’ny fandaharana momba ny fitsimponana? b) Tamin’ny fomba ahoana no azon’ny olona rehetra voakasika tamin’ireo fandaharana momba ny fitsimponana nampisehoana ny fahalalahan-tanany sy ny fankasitrahany?

8 Ny fomba fahatelo fampisehoana ny fankasitrahany dia nahakasika ny fandaharan’Andriamanitra momba ny fitsimponam-bary. Nandritra ny fijinjana, ny tapany sasany tamin’ny tany dia tokony havela tsy ho voajinja mba ho an’ny mahantra. Izany fandaharana izany dia tsy vitan’ny hoe nampianatra hanana fangoraham-po sy fiheverana ny mahantra fotsiny, fa nanome antoka koa ny tsy hiainan’ireo amin’ny maha-mpangataka tsy manao fiezahana izay hanimba azy (Levitikosy 19:9, 10). Tsy nolazaina mazava ny hoe velaran-tany manao ahoana no tokony havela ho an’ny mahantra. Kanefa, raha maneho fahalalahan-tanana ireo mpamboly isiraelita amin’ny famelana tsy ho voajinja, silany antonony eo an-tsisin’ny sahany ka haneho fanohanana ny mahantra amin’izany, dia hanome voninahitra an’Andriamanitra izy ireo (Ohabolana 14:31). Anjaran’izy ireo ny manapa-kevitra na ho lehibe na ho kely izany sila-tany izany. Nefa namporisika mafy halala-tanana Andriamanitra tamin’ny fandidiana ny hamelana ny amboara hadino any an-tsaha rehetra sy ny voankazo tavela eo amin’ny fotony na ny hazom-boaloboka rehetra ho an’ny mpitsimpona (Deoteronomia 24:19-22). Ho valiny, ireo kosa dia afaka nampiseho ny fankasitrahany an’i Jehovah noho ireny fandaharana ireny tamin’ny fandehanana hanolotra ao amin’ny toerana fanaovana fanompoam-pivavahana ho azy, ny ampahafolon’izay notsimponiny.

Fahalalahan-tanana avy amin’ny fo

9. Raha ny marina, nahoana moa izay rehetra nampiseho fihetsika feno fitiavan-tena no nanimba tena?

9 Raha toa ny Isiraelita ka nalala-tanana tamin’ny fanomezana nataony, dia hitoetra ao an-tranon’izy ireo ny fitahian’i Jehovah (jereo Ezekiela 44:30; Malakia 3:10). Kanefa, na dia tao aza ny habetsahan’ny vokatra, dia matetika izy ireny no tsy nanolotra fanomezana. Tamin’izany no nandefasan’Andriamanitra fampahatsiahivana azy ireny tamin’ny alalan’ireo mpanjaka na mpaminany mba hamelomana indray ny fankasitrahany. Raha ny marina, dia nanimba tena ny Isiraelita tia tena, satria Jehovah tsy afaka nitahy izay tsy nety nanolotra fanomezana ho an’ny fanompoam-pivavahana taminy na ho an’ny mahantra.

10. a) Inona moa ireo vokatra tsara azo avy amin’ny fampahatsiahivana nataon’i Hezekia mpanjaka raha ny amin’ny fankasitrahana? b) Naharitra ve izany vokatra tsara izany?

10 Indray mandeha, ireo fampahatsiahivan’i Hezekia mpanjaka dia niafara tamin’ny andro firavoravoana be naharitra 14 andro tao Jerosalema. Ireo Isiraelita novelombelomina indray teo amin’ny lafiny ara-panahy, dia nanomboka nandrava ny zavatra rehetra natokana ho amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ny sampy, rehefa avy eo dia ‘nataony niavosa nitokotoko maro ireny. Ary nony avy Hezekia sy ny mpanapaka ka nahita ireo niavosa ireo, dia nisaotra an’i Jehovah sy ny Isiraely olony izy’. (2 Tantara 30:1, 21-23; 31:1, 6-8.) Mampalahelo anefa fa taorian’izany fiverenana ara-potoana ho amin’ny fanompoam-pivavahana marina izany, dia latsaka tao anatin’ny tsy fahaiza-mankasitraka indray ny Isiraelita. Tamin’ny farany, dia nisy fetrany ny faharetan’Andriamanitra, ka navelany hoentina ho babo tany Babylona ny olony. Rava Jerosalema sy ny tempoliny kanto (2 Tantara 36:17-21). Tatỳ aoriana, taorian’ny fiverenana, dia nanjary ratsy aoka izany indray ny tarehin-javatra, hany ka nanambara tamin’ny Jiosy Jehovah fa ny fahihiran’izy ireo dia toy ny fangalarana taminy, fandrobana azy. — Malakia 3:8.

11. Fotopoto-pitsipika inona no nahariharin’ny tantaran’ny Isiraely moa no mety hahasoa ny kristiana amin’izao androntsika izao?

11 Inona no fianarana azontsika tsoahina avy amin’ny fivadibadihan’ny Isiraelita? Izao: Raha mbola safononoky ny fankasitrahana an’i Jehovah ny fony, dia nasehony tamim-pifaliana izany tamin’ny fanomezana ‘niavosa nitokotoko’ ho an’i Jehovah. Nefa kosa rehefa lasa ny fankasitrahany na nihamatimaty, dia azo lazaina hoe tsy nanolotra fanomezana ara-nofo tamim-pifaliana intsony izy. Mety hisy kristiana vita fanoloran-tena manaraka fihetsika ratsy toy izany ve amin’izao androntsika izao? Eny, satria raikitra amintsika foana ny tsy fahatanterahan’olombelona. Soa ihany fa nampanoratin’Andriamanitra ny fomba fanaony tamin’ny Isiraely mba hahafahantsika, dia isika izay velona amin’ny andro faran’ny fandehan-javatra ankehitriny, handray fianarana sy soa avy amin’izany. — Romana 15:4; 1 Korintiana 10:11.

12. a) Amin’ny ahoana moa ny toeran’ireo mpanompon’i Jehovah amin’izao androntsika izao no sahala amin’ny an’ny Isiraelita taloha? b) Inona avy moa no fanontaniana tokony hapetratsika amin’ny tenantsika?

12 Sahala amin’ny Isiraelita, ireo mpanompon’Andriamanitra amin’izao androntsika izao dia manana antony maro tokony hisehoana hahay hankasitraka. Mandray soa bebe kokoa noho ny mpiara-belona amintsika tokoa isika. Raha ny marina, dia betsaka lavitra noho ny an’ny firenen’Isiraely fahizay ny fantatsika momba ny fikasan’i Jehovah. Nianarantsika fa nanao sorona an-tsitrapo ny Zanany Andriamanitra, ary fantatsika ny fitahiana rehetra hoentin’io sorona io ho an’izay manana ny Fankasitrahany. Afa-tsy izany koa, dia manana tombontsoa isika miaina ao anatin’ny paradisa ara-panahy; nanomboka tamin’ny 1919 tokoa, dia nampiditra ny olony tao anatin’ny toe-piainana ara-panahy mahafinaritra Jehovah. Eny, manana antony amboniny maro tokony hisehoana hahay hankasitraka ny Vavolombelon’i Jehovah. Aoka àry isika hanontany tena toy izao: Manao ahoana ny halalin’ny fankasitrahantsika an’Andriamanitra? Ahoana no azontsika isehoana hahay hankasitraka amin’izao taonjato faha-20 izao?

Ny mifanitsy aminy amin’ny andro ankehitriny

13, 14. Na dia tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy aza ny kristiana, azo atao ve ny mampitaha ny adidin’izy ireo amin’i Jehovah sy ny lalàna momba ny fahafolon-karena?

13 Ny kristiana dia tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy, izay nampiseho ny fomba hanehoana ny fankasitrahan’ny tena an’Andriamanitra (Galatiana 3:24, 25). Ny “fanati-piderana” atolotsika ho an’i Jehovah, dia ny “vokatry ny molotra izay manao fanambarana ampahibemaso ho an’ny anarany”. (Hebreo 13:15, MN.) Amin’io fomba io indrindra àry no azon’ny kristiana isehoana ho velom-pankasitrahana an’Andriamanitra. Azo atao foana ny manao fampitahana ahitana fianarana ny adidin’izy ireo amin’i Jehovah sy ireo lalàna mahakasika ny fahafolon-karena, ny fanomezana ary ny fitsimponana.

14 Ny hoe mandrotsaka ny fahafolon-karena dia nilaza mazava fanomezana ampahafolony — ary tsy maintsy natao izany. Toy izany koa, amin’izao androntsika izao, ny mpanompon’i Jehovah rehetra dia tokony hanaraka didy hentitra sasany tsy azony ialana. Tokony hiara-hivory tsy tapaka isika, hitory ampahibemaso ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’i Jehovah ary hanampy ny mpiara-belona amintsika ho tonga mpianatr’i Kristy. — Hebreo 10:24, 25; Matio 24:14; 28:19, 20.

15. Amin’izao androntsika izao, inona avy no famantarana ny halalin’ny fahalalahan-tanantsika mifanitsy amin’ireo izay nahariharin’ny fandaharana momba ny fanomezana sy ny fitsimponana teo amin’ny Isiraely fahizay?

15 Aoka horesahintsika koa ireo fandaharana momba ny fanomezana sy ny fitsimponana. Tsy nisy tokom-bidiny na latsakemboka noferana mihitsy tamin’io lafiny io. Toy izany koa, tsy lazain’ny Soratra Masina hoe fotoana toy inona no tokony hatokan’ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay avy amin’ny asa masina. Ny fotoana lany ianarana ny Tenin’Andriamanitra sy anambarana ny vaovao tsara amin’ny hafa dia avela ho araka ny sitrapon’ny fo malalaka sy tsy mihevitra ny tombontsoan’ny tenany. Anjaran’ny mpanompon’Andriamanitra tsirairay avy koa ny mamela ny fony hiteny rehefa hoe hametra ny tokom-bidin’ny fanomezana ara-nofo ataony mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Arakaraka ny halalin’ny fankasitrahany, dia hitondra ‘miavosa mitokotoko’ izy na, mifanohitra amin’izany, izay ilaina ihany (2 Tantara 31:6). Kanefa, tahaka ny teo amin’ny Isiraely fahizay, arakaraka ny hampisehoany ny fankasitrahany, no hitahian’Andriamanitra azy.

Ny fomba hisehoana ho velom-pankasitrahana

16-18. Amin’ny fomba manokana ahoana moa no azon’ny kristiana marina isehoana hahay hankasitraka?

16 Ny anankiray amin’ny fomba miharihary indrindra hisehoana ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah dia ny fanaovana ny fanompoana manontolo andro. Ampy ve ny halalin’ny fankasitrahanao mba hahatonga ny fonao haniry fatratra izany? Voadinika imbetsaka fa mba hahombiazana amin’ny maha-mpitory maharitra, alohan’ny zavatra rehetra dia ilaina ny manana faniriana ny hanompo an’Andriamanitra toy izany, ary, etsy an-daniny koa, mitady toerana mahatonga ho afaka hanao toy izany. Rehefa velom-pankasitrahana lalina an’Andriamanitra ny olona iray, dia miboiboika avy ao amin’ny fony safononoky ny fankasitrahana ny faniriana mafy ny hanompo azy amin’ny fomba feno kokoa. Mahatsapa izany faniriana izany ve ianao? Na dia tsy mamela anao handray anjara amin’ny fanompoana manontolo andro aza ankehitriny ny toeranao, dia tsy tokony hamono ao aminao ny fitiavana ny asan’ny mpitory maharitra izany. Aza misalasala manohana sy mamporisika amin’ny fo rehetra ireo mpitory maharitra.

17 Raha tsy afaka ny ho mpitory maharitra ianao amin’izao fotoana izao, ho afaka hanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy ve ianao indraindray? Isan-taona, amin’ny vanim-potoana sasany, ny kongregasiona kristiana dia mamporisika ny mpikambana ao aminy hanao fiezahana manokana eo amin’ny asa fitoriana. Ireo volana amin’ny lohataona, ohatra, dia mety amin’ny rehetra, ary amin’ny volana oktobra dia omanina ny fanaovana fiezahana manokana hampanao famandrihana amin’ny gazety, ka mitarika fitomboan’ny asa izany. Raha ny amin’ny fotoana atokantsika amin’ny asa masina, dia voamarina izao fotopoto-pitsipika manaraka izao: manosika hanao fanomezana amim-pahalalahan-tanana ny fankasitrahana.

18 Ny fomba hafa iray koa hisehoana hahay hankasitraka dia ny fanohanana ny fandaharam-panorenana natsangan’ireo mpanompon’Andriamanitra maneran-tany. Any amin’ny tany maro, dia aorina ny Efitrano Fanjakana vaovao ary halehibeazina ireo izay manjary kely loatra. Aorina ny Efitrano fanaovana fivoriambe vaovao ary ampitomboina ny velaran’ny trano fonenana sy ny fanontam-pirinty ao amin’ny Betela sasany. Toy inona moa ny fahafahantsika hampiseho ny fankasitrahantsika an’i Jehovah amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanatanterahana ireny volavolan-kevitra momba ny fanorenana ireny amin’ny alalan’ny asantsika na ny fanohanantsika ara-bola!

Ny ohatra tsara nomen’ilay mpitondratena nahantra

19. Inona moa no hitanao ho miavaka indrindra tamin’ny fanomezana nataon’ilay mpitondrantena nahantra?

19 Ny ohatra malaza ao amin’ny Baiboly momba ny fanehoam-pankasitrahana amin’ny fanomezana zavatra ara-nofo amim-pahalalahan-tanana dia ny an’ilay mpitondratena noresahin’i Jesosy (Lioka 21:1-4). Tsy isalasalana fa takatr’io vehivavy io fa ireo volany madinika roa kely vidy tokoa dia tsy handray anjara afa-tsy kely dia kely amin’ny fikarakarana ny tempoly sy ireo nanompo tao. Nefa rehefa nahita an’io toerana io sy ireo mpisorona niasa tao izy dia tsy niteny anakampo hoe: ‘Tsara kokoa noho ny ahy ny fiainan’izy ireo, ao amin’ny trano iray tsara tarehy lavitra noho ny fonenana keliko.’ Marina fa narevaka sy kanto ny tempoly. “Voaravaka vato tsara sy fanatitra izy.” (Lioka 21:5). Tsy nisakana an’io mpitondratena io tsy hanao fanomezana anefa izany. Jehovah no tiany hisehoana hahay hankasitraka, fa tsy ireo olona nanompo tao amin’ny tempoly.

20. Ahoana moa no azontsika ampisehoana fihetsika mendrika hoderaina tahaka an’ilay mpitondrantena nahantra?

20 Amin’izao androntsika izao, dia maka fianarana avy amin’io ohatra io ireo mpanompon’Andriamanitra. Sahala amin’ilay mpitondratena nahantra, dia fantany fa ny fanomezany, lehibe na kely, dia natao ho an’Andriamanitra. Ary matoky izy ireo fa ny fandaminan’Andriamanitra eto an-tany dia natao mba tsy hisian’olona na iza na iza ho afaka handray tombontsoa ara-bola avy amin’izany. Ireo tranon’ny Fikambanana dia naorina sy natao mba hanomezana fitaovana ireo izay mandany hery tsy misy toy izany ao, mba hahatonga ny asany ho afaka hamoaka Baiboly sy boky momba ny Baiboly maro be indrindra sy tsara, ka hiasany tsara araka izay azo atao ho an’ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Endrey ny fifanoheran’izany amin’ny fanodinkodinana fanomezana naharikoriko nataon’ny mpitory ny filazantsara ao amin’ny televisiona sasany ka noresahin’ny fampahalalam-baovao vao haingana!

Mahasoa ireo fampahatsiarovana mba hampiseho fankasitrahana

21, 22. Inona moa no tokony ho akon’ny fampahatsiarovana natao hamporisihana antsika hahay hankasitraka ao amin’ireo fo mahatsapa ny fahalalahan-tanan’Andriamanitra?

21 Nilain’ny Isiraelita ny hampahatsiarovana azy ireny mandrakariva ny adidiny teo anatrehan’i Jehovah, indrindra fa ny ilàna hiseho ho velom-pankasitrahana. Mandrakariva, rehefa nampahafantarina azy ireny raharaha ireny, dia velona indray tao am-pony ny fankasitrahana, ka nasehony izany, tsy tamin’ny teny fotsiny, fa tamin’ny atao koa. Tamin’izany izy ireo dia nanana faniriana ny hanome ho an’i Jehovah zavatra be dia be, ‘niavosa nitokotoko’, mba hanomezana izay nilain’ny trano fanaovana fanompoam-pivavahana ho azy.

22 Enga anie ireo anisan’ny “Isiraelin’Andriamanitra” amin’izao androntsika izao sy ny “olona betsaka” namany hitovy fihetseham-po amin’izany foana (Galatiana 6:16; Apokalypsy 7:9)! Enga anie ny fon’ireny velom-pankasitrahana hanosika azy hanao fiderana ‘miavosa mitokotoko’ ho an’i Jehovah! Amin’izay dia ho afaka hilaza toy izao amim-pahatsorana tokoa izy ireo: “Miseho ho velom-pankasitrahana ny Andriamanitray malala-tanana sy feno fitiavana, Jehovah, izahay.”

Tadidinao ve?

◻ Nahoana moa ny kristiana no tokony hitsapa mandrakariva ny halalin’ny fankasitrahany?

◻ Nahoana moa ireo mpanompon’i Jehovah no nanana antony manokana tokony hahavelom-pankasitrahana foana?

◻ Tamin’ny lafiny manokana inona avy moa ny Isiraelita no afaka niseho ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah?

◻ Sahala amin’ireo Isiraelita, zavatra hentitra inona avy moa no azontsika atao mba hanehoana ny fankasitrahantsika?

◻ Inona moa no fianarana azontsika tsoahina avy amin’ny ohatra nomen’ilay mpitondrantena nahantra nanolotra fanatitra tao amin’ny tempoly?

[Sary, pejy 7]

Niseho ho nahay nankasitraka ny Isiraelita tamin’ny fanomezana ny fahafolon-karena sy ny voaloham-bokany, ary tamin’ny famelana izay ho azon’ny mahantra tsimponina tao amin’ny sahany.

[Sary, pejy 8]

Nisaotra an’i Jehovah ny mpanao salamo noho ireo asa mahagaga notanterahiny ho an’ireo mpanompony.

[Sary, pejy 10]

Amin’izao androntsika izao, dia miseho ho mahay mankasitraka ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fandraisana anjara amin’ny asa fitoriana, amin’ny fiasana ho amin’ny fanatanterahana ny volavolan-kevitra momba ny fanorenana sy amin’ny fanolorana fanomezana ara-nofo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara