Ny famantarana — Tsy tantara tranainy fotsiny
JEROSALEMA, any Atsinanana Afovoany, dia ahitana toerana ara-tantara mahavariana, manaitra ny sain’ny olona mieritreritra. Araka ny filazan’i Tacite, mpanoratra tantara romana tamin’ny taonjato I, teo amin’ny toerana avo tany, dia nisy “tempoly iray sarobidy tsy nisy toy izany”. Ankehitriny anefa, dia tsy misy sisa tavela avy amin’io trano io afa-tsy ny tany lemaka. Porofo izany fa tena tanteraka tokoa ny famantarana ara-paminaniana iray, ary mahakasika anao izany famantarana izany.
Nahita zavatra maro ireo arkeology tao amin’ny faritra ao atsimon’ny tany lemaka nisy ny tempoly. ‘Anisan’ireo nahaliana indrindra, hoy ny nosoratan’i J. Thompson ao amin’ny bokiny hoe Ny Baiboly araka ny fanazavan’ny arkeolojia, dia tao ny famongarana vato fanorenana makadiry maromaro nisy tamin’ny andron’i Heroda, vato toa natsipy avy eny ambonin’ny tempoly tamin’ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny 70 amin’ny fanisan-taona iraisana.’
Ny fandravana an’i Jerosalema sy ny tempoliny dia nambara 37 taona nialoha. Tsy latsaka ny telo ny mpanoratra tantara nilaza izao tenin’i Jesosy Kristy izao: “Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.” (Lioka 21:6; Matio 24:1, 2; Marka 13:1, 2). Mahaliana an’izay rehetra velona ankehitriny ny resaka natao taorian’io fanambarana io. Mahakasika anao manokana izany.
“Mpampianatra ô, hoy ny fanontanian’ireo mpianany, (...) inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany?” Araka ny filazan’i Jesosy, ny vanim-potoana hialoha ny fandravana an’io tempoly io dia hiavaka amin’ny ady, horohorontany, mosary sy areti-mandringana. “Lazaiko aminareo marina tokoa, hoy ny teny nanampin’i Jesosy, fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany.” — Lioka 21:7, 10, 11, 32.
Moa ve ny taranaka notondroin’i Jesosy nahita ny fahatanterahan’ny “famantarana”? Eny; ny Baiboly dia manamarika “mosary be” sy horohorontany telo izay ny anankiroa taminy dia nolazaina ho “horohorontany mafy”. (Asa. 11:28; 16:26; Matio 27:51; 28:1, 2.) Lazain’ny tantara tsy ara-pivavahana fa nisy horohorontany hafa sy mosary hafa nitranga koa. Io vanim-potoana io koa dia voamariky ny ady sahala amin’ireo nampifanohitra ny tafika romana sy ny mponina tany Jerosalema. Ny fanaovana fahirano an’i Jerosalema fanindroany dia niteraka mosary sy areti-mandringana nahatsiravina, ka nitarika fandravana ny tanàna sy ny tempoliny tamin’ny taona 70. Ny toerana nisy an’io tempoly io fahiny, amin’izao andro izao dia mbola vavolombelona mangina ny amin’ny fisehoan-javatra nampangitakitaka tamin’ny taonjato I.
‘Mahaliana izany, hoy angamba ny sasany, nefa amin’ny ahoana izany rehetra izany no mahakasika ahy?’ Izay indrindra, tsy tantara tranainy fotsiny io famantarana io. Raha ny marina, ireo fisehoan-javatra nitranga tamin’ny taonjato I dia tapany iray monja amin’ny fahatanterahany. Araka izany, dia nambaran’i Jesosy koa ny fotoana hiainan’ny olombelona ao anatin’ny tahotra ny “famantarana eo amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana” mbamin’ny “firohondrohon’ny ranomasina”. Io lafiny amin’ny famantarana io dia hampiseho fa ho tonga tsy ho ela ny “fanjakan’Andriamanitra”, dia fitondram-panjakana izay hanafoana tanteraka ny fahoriana maneran-tany. — Lioka 21:25-31.
Tsy nitranga tamin’ny taonjato I izany. Amin’izao fotoana izao, 1 900 taona eo ho eo atỳ aoriana, dia tsy mbola afaka amin’ny ady, ny horohorontany, ny mosary sy ny areti-mandringana ihany ny olombelona. Tokony hisy fahatanterahany faharoa feno àry ilay famantarana. Manamarina izany ny bokin’ny Apokalypsy izay, na dia tatỳ aorian’ny nandravana an’i Jerosalema aza no nanoratana azy, dia mirakitra sary ara-paminaniana izay mifanitsy amin’io famantarana io (Apokalypsy 6:1-8). Mipetraka àry ny fanontaniana lehibe iray: hita ve ilay famantarana amin’izao andro izao?