FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
    • 2. Hoatran’ny ahoana ny fiainana eran-tany sy ny toetran’ny olona, nanomboka tamin’ny 1914?

      Nanontany an’i Jesosy ny mpianany hoe: “Inona no ho famantarana hoe efa manatrika ianao ary efa akaiky ny faran’izao tontolo izao?” (Matio 24:3) Ahoana no navalin’i Jesosy? Nolazainy ny zavatra hitranga rehefa hanomboka hanjaka any an-danitra izy. Anisan’izany ny ady, mosary, ary horohoron-tany. (Vakio ny Matio 24:7.) Efa nilaza koa ny Baiboly fa ho ratsy toetra ny olona amin’ny “andro farany”, ka ho lasa “tsy mora atrehina” ny fiainana. (2 Timoty 3:1-5) Hita hoe tena niharatsy ny fiainana sy ny toetran’ny olona, nanomboka tamin’ny 1914.

      3. Nahoana no lasa ratsy be ny fiainana rehefa nanomboka nitondra ny Fanjakan’Andriamanitra?

      Niady tamin’i Satana sy ny demonia i Jesosy, raha vao lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Resy i Satana tamin’io ady io. Milaza ny Baiboly hoe “natsipy mafy tetỳ an-tany izy, ary ny anjeliny koa niara-natsipy taminy.” (Apokalypsy 12:9, 10, 12) Tezitra be i Satana satria fantany hoe horinganina izy. Izany no mahatonga azy hampijaly ny olona maneran-tany. Tsy mahagaga àry raha ratsy be ny fiainana amin’izao. Hamaha ny olana rehetra mahazo antsika anefa ny Fanjakan’Andriamanitra.

  • Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
    • 5. Niova ny fiainana nanomboka tamin’ny 1914

      Alefaso ilay VIDEO.

      VIDEO: Niova ny Fiainana Nanomboka Tamin’ny 1914 (1:10)

      Efa nolazain’i Jesosy mialoha hoe hanao ahoana ny fiainana rehefa lasa Mpanjaka izy. Vakio ny Lioka 21:9-11, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

      • Iza amin’ireo no efa hitanao na henonao?

      Hanao ahoana ny toetran’ny olona mandritra ny andro farany amin’ny fitondran’olombelona? Niresaka momba an’izany ny apostoly Paoly. Vakio ny 2 Timoty 3:1-5, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

      • Iza amin’ireo toetra ireo no efa hitanao amin’izao?

      Sary: Sary mampiseho ny fiainana amin’ny andro farany. 1. Mpitari-tafika iray miteny mafy eo amin’ny sehatra ary manandratra ny tanany. 2. Trano ravarava taorian’ny horohoron-tany iray. 3. Fiaramanidina ampiasaina amin’ny ady. 4. Olona maromaro manao arovava mandeha eny an-dalana. 5. Ilay Trano Kambana tany New York, may noho ny asa fampihorohoroana. 6. Lehilahy mampiasa zava-mahadomelina. 7. Lehilahy iray mivazavaza amin’ny vadiny ary mamono azy. 8. Zava-mahadomelina sy toaka isan-karazany. 9. Vehivavy roa miara-maka sary. Manao akanjo manara-damaody sy firavaka ry zareo. 10. Lehilahy iray mampandihy olona mandritra ny fampisehoana iray. 11. Mpitokona iray manipy zavatra mirehitra.
Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara