FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w12 1/10 p. 15
  • Fantatrao Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fantatrao Ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Elisa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-12 — 2 Mpanjaka
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Iza no ho Tafita Velona Amin’ny “Andron’i Jehovah”?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
w12 1/10 p. 15

Fantatrao Ve?

Nandositra niala tany Jodia ve ny Kristianina talohan’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70?

Miaramila romanina nandrava an’i Jerosalema fahiny

Hoy ny Lioka 21:20, 21: “Rehefa hitanareo fa misy miaramila mitoby manodidina an’i Jerosalema, dia fantaro fa manakaiky ny fandravana azy. Koa izay any Jodia, aoka handositra any an-tendrombohitra, ary izay ao Jerosalema aoka hiala ao.” Izany no toromarika nomen’i Jesosy ny mpianany talohan’ny handravana an’i Jerosalema. Inona no porofo fa nankatò an’izany izy ireo?

Nikomy tamin’ny Fanjakana Romanina ny Jiosy tany Palestina fahiny. Tonga nanafika azy ireo àry ny miaramila romanina notarihin’i Cestius Gallus, taona maromaro taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Tena nisy izany satria na i Josèphe, mpahay tantara jiosy tamin’izany, aza niresaka an’io fanafihana io. Nihodidina an’i Jerosalema ny miaramila romanina ary natoky be hoe handresy. Nanome baiko tampoka anefa i Gallus fa tsy hanafika indray. Nilaza i Eusèbe, mpahay tantara, fa nanararaotra an’izany ny Kristianina tany Jodia mba handosirana tany Pela, tanàna iray any amin’ny faritra be tendrombohitra any Dekapolisy.

Nohodidinin’ny miaramila romanina indray i Jerosalema, taona vitsivitsy tatỳ aoriana tamin’ny taona 70, ary ny Jeneraly Titus no nitarika azy ireo. Noravan’izy ireo tanteraka i Jerosalema tamin’io. Ana hetsiny no tsy afa-nandositra ka maty tao.

Iza moa “ireo zanaky ny mpaminany”?

Misy resaka hoe “zanaky ny mpaminany” ao amin’ny tantaran’i Samoela sy Elia ary Elisa mpaminany. “Ny iray tamin’ireo zanaky ny mpaminany”, ohatra, no nirahin’i Elisa hanendry an’i Jeho ho mpanjakan’ny Israely.—2 Mpanjaka 9:1-4.

Milaza ny manam-pahaizana fa tsy zanaka mpaminany ara-bakiteny no tiana holazaina amin’ny hoe “zanaky ny mpaminany”, fa olona maromaro miara-mipetraka sy miara-miasa na miara-mianatra. Milaza koa ny Gazetin’ny Haisoratra Ara-baiboly (anglisy) fa mety ho “nanokan-tena hanompo an’i Yahveh [Jehovah]” ireo olona ireo, ka “mpaminany iray no toy ny hoe rain’izy ireo ara-panahy, sady niandraikitra azy ireo.” (Ampitahao amin’ny 2 Mpanjaka 2:12.) “Mpanompon’ilay mpaminany”, ohatra, no niantsoana an’ilay olona nirahin’i Elisa hanendry an’i Jeho ho mpanjaka.—2 Mpanjaka 9:4.

Toa tso-piaina ny “zanaky ny mpaminany.” Nanamboatra ny tranony samirery, ohatra, ny sasany tamin’ny andron’i Elisa ary nampiasa famaky nindramina. (2 Mpanjaka 6:1-5) Miresaka momba ny “vadin’ny zanaky ny mpaminany” iray koa ny 2 Mpanjaka 4:1. Midika izany fa nanambady ny sasany tamin’izy ireo. Tena tian’ny Israelita tsy nivadika ireny zanaky ny mpaminany ireny, ka nisy fotoana nitondran’izy ireo sakafo izy ireny.—2 Mpanjaka 4:38, 42.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara