-
DekapolisyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Tantarany tatỳ aoriana. Nilaza i Eusèbe fa nandositra tany Pela, tanànan’i Dekapolisy, tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Gileada, ny Kristianina tany Jodia, talohan’ny haharavan’i Jerosalema tamin’ny taona 70. Nankatò ny fampitandremana nolazain’i Jesosy mialoha izy ireo tamin’izay.—Lk 21:20, 21; Ny Tantaran’ny Eglizy, III, V, 3.
-
-
IsraelyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nodoran’i Gallus i Bezeta, teo avaratry ny tempoly, ary nitoby tandrifin’ny lapan’ny mpanjaka teo atsimoandrefan’ny tempoly izy. Nitantara i Josèphe fa azon’i Gallus natao mora foana ny niditra an-keriny tao an-tanàna. Niandriandry anefa i Gallus ka nahazo vahana ireo mpikomy. Nisy miaramila romanina avy eo nandavaka ny fototry ny manda. Nataon’izy ireo fiarovana avy teo ambony toy ny lamosin’ny sokatra ny ampingany. Efa ho voagorobany tanteraka ilay manda no niala tampoka izy ireo, tamin’ny faramparan’ny taona 66. Hoy i Josèphe: “Nasain’i Cestius niala tampoka ny miaramilany ... Nanary toky izy nefa tsy resy akory, ary tsy nampoizina mihitsy ny fialany tao amin’ilay tanàna.” (Ny Adin’ny Jiosy, II, 540 [xix, 7]) Ilay fanafihana sy ny fialan’ny Romanina tampoka no famantarana nandrasan’ny Kristianina. ‘Nandositra tany an-tendrombohitra’ àry izy ireo, araka ny toromarik’i Jesosy.—Lk 21:20-22.
-