Famonjena ho ao Amin’ny Tontolo Vaovao Marina Iray
“Hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana [izy ireo].” — SALAMO 37:11.
1, 2. a) Ahoana no tsy hitovian’ny famonjen’i Jehovah amin’izao androntsika izao sy ireo famonjena tamin’ny andro fahiny? b) Ao anatin’ny karazana tontolo manao ahoana no hitondran’i Jehovah ny vahoakany?
ANDRIAMANITRY ny famonjena i Jehovah. Tamin’ny andro fahiny, dia namonjy ny vahoakany tamin’ny toe-javatra maro izy. Vonjy maika ireny famonjena ireny satria, na dia tamin’ny iray amin’izy ireny aza, dia tsy nampihatra ny didim-pitsarany tamin’ny fomba raikitra tamin’ny tontolon’i Satana manontolo, i Jehovah. Amin’ny androntsika anefa no hanaovan’i Jehovah tsy ho ela ny famonjena lehibe indrindra hatramin’izay ho an’ny mpanompony. Amin’itỳ indray mitoraka itỳ, dia handrava izay rehetra soritry ny fandehan-javatr’i Satana maneran-tany izy, ary hampiditra ny mpanompony ao amin’ny tontolo vaovao marina sy maharitra iray. — 2 Petera 2:9; 3:10-13.
2 Mampanantena toy izao i Jehovah: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy (...). Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” (Salamo 37:10, 11). Haharitra hafiriana? “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” (Salamo 37:29; Matio 5:5). Alohan’ny hitrangan’izany anefa, dia handalo ny fotoam-pikorontanana lehibe indrindra fantany, itỳ tontolo itỳ.
Ny “fahoriana lehibe”
3. Ahoana no nilazalazan’i Jesosy ny “fahoriana lehibe”?
3 Niditra tao amin’ny “andro farany” itỳ tontolo itỳ tamin’ny 1914. (2 Timoty 3:1-5, 13, NW ). Efa 83 taona izao no naha-tao anatin’izany fe-potoana izany antsika, ary efa manakaiky ny faran’izy io, rehefa hitranga izao manaraka izao, araka ny nambaran’i Jesosy mialoha: “Hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.” (Matio 24:21). Eny, mbola ratsy kokoa noho ny Ady Lehibe Faharoa, izay namoizana ain’olona 50 tapitrisa teo ho eo. Fotoana faran’izay lehibe mihamanatona haingana re izany!
4. Nahoana ny didim-pitsaran’Andriamanitra no ho tonga amin’i “Babylona Lehibe”?
4 Ho avy tampoka amin’ny fomba mahazendana ilay “fahoriana lehibe”, amin’ny “ora iray monja”. (Apokalypsy 18:10). Ny fipoahan’izy io dia ho voamariky ny fampiharan’Andriamanitra ny didim-pitsarany amin’ny fivavahan-diso rehetra, izay antsoin’ny Tenin’Andriamanitra hoe “Babylona Lehibe”. (Apokalypsy 17:1-6, 15). Lafiny nampiavaka indrindra an’i Babylona fahiny ny fivavahan-diso. I Babylona maoderina dia sahala amin’ilay nifanitsy taminy fahiny, ka mampiseho ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Nitondra tena toy ny vehivavy janga izy tamin’ny fanekeny lembenana an’ireo ankolafiny ara-politika. Nanohana ireo adiny izy, ary nitso-drano tafika tamin’ireo andaniny nifandrafy, ka nahatonga olona avy amin’ny fivavahana iray ihany hifandripaka. (Matio 26:51, 52; 1 Jaona 4:20, 21). Nanakimpy ny masony teo anatrehan’ireo fanao simba ara-pitondran-tenan’ireo mpikambana ao aminy izy, ary nanenjika ny Kristiana marina. — Apokalypsy 18:5, 24.
5. Ahoana no hiandohan’ny “fahoriana lehibe”?
5 Hanomboka ny “fahoriana lehibe” rehefa hamely tampoka an’i “Babylona Lehibe” ireo ankolafiny ara-politika. Izy ireo dia “hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka azy sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo”. (Apokalypsy 17:16). Aorian’izay, dia “hiteha-tratra sy hitomany azy”, ireo mpanohana azy taloha. (Apokalypsy 18:9-19). Ireo mpanompon’i Jehovah anefa dia efa nanampo izany hatramin’ny ela, ka hihiaka toy izao izy ireo: “Haleloia! (...) Fa nitsara ilay vehivavy janga lehibe Izy — dia ilay nandoto ny tany tamin’ny fijangajangany — ary namaly azy noho ny ran’ny mpanompony izay nalatsaky ny tànany.” — Apokalypsy 19:1, 2.
Tafihina ireo mpanompon’Andriamanitra
6, 7. Nahoana no afaka matoky ireo mpanompon’i Jehovah rehefa tafihina mandritra ny “fahoriana lehibe”?
6 Rehefa avy nandrava ny fivavahan-diso ireo ankolafiny ara-politika, dia hamely an’ireo mpanompon’i Jehovah. Niteny toy izao ara-paminaniana i Satana, dia i “Goga avy any amin’ny tany Magoga”: “Hankamin’izay mandry fahizay sy mitoetra tsy manana ahiahy aho”. Noho ny fiheverany azy ireo ho remby mora azo, dia hanafika azy ireo izy, miaraka amin’ny “miaramila betsaka (...) tahaka (...) ny rahona hanarona ny tany”. (Ezekiela 38:2, 10-16). Fantatry ny vahoakan’i Jehovah fa tsy hahomby io fanafihana io satria mitoky amin’i Jehovah izy ireo.
7 Rehefa nihevitra i Farao sy ny tafiny fa nanao izay hahatapi-dalan-kaleha ny mpanompon’Andriamanitra teo amin’ny Ranomasina Mena, dia namonjy ny vahoakany tamin’ny fomba nahagaga i Jehovah, ary nandringana ny tafik’i Egypta. (Eksodosy 14:26-28). Mandritra ny “fahoriana lehibe”, rehefa hihevitra ireo firenena fa nanao izay hahatapi-dalan-kaleha ny vahoakan’i Jehovah, dia ho avy amin’ny fomba mahagaga indray izy mba hanavotra: “Amin’izany andro izany, (...) dia hiefona eo am-bavoroko ny fahatezerako. Fa amin’ny fahasaro-piaroko sy ny afon’ny fahatezerako no nitenenako”. (Ezekiela 38:18, 19). Amin’izay dia ho efa antomotra ny fara tampony amin’ny “fahoriana lehibe”!
8. Fisehoan-javatra tsy araka ny mahazatra inona avy no hitranga alohan’ny handringanan’i Jehovah ny ratsy fanahy, ary inona no ho vokatr’izany?
8 Hisy fisehoan-javatra tsy araka ny mahazatra hitranga amin’ny fotoana tsy fantatra aorian’ny fiandohan’ilay “fahoriana lehibe”, saingy alohan’ny hampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany eo amin’ny sisa amin’itỳ tontolo itỳ. Mariho ny vokany hoentin’izany. “Hiseho eo amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona [i Kristy], ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy.” (Matio 24:29, 30). “Hisy famantarana eo amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, (...) ka ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany”. — Lioka 21:25, 26.
“Manakaiky ny fanavotana anareo”
9. Nahoana ireo mpanompon’i Jehovah no ho afaka ‘hanandratra ny lohany’ rehefa hitranga ireo fisehoan-javatra tsy araka ny mahazatra?
9 Amin’io fotoana manokana io, dia hihatra ny faminaniana ao amin’ny Lioka 21:28. Hoy i Jesosy: “Raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.” Hangovitra noho ny tahotra ireo fahavalon’Andriamanitra satria ho fantatr’izy ireo fa avy amin’i Jehovah ireo fisehoan-javatra tsy araka ny mahazatra izay hitranga. Hifaly anefa ireo mpanompon’i Jehovah satria ho fantany fa manakaiky ny fanavotana azy ireo.
10. Ahoana no ilazalazan’ny Tenin’Andriamanitra ny fara tampony amin’ny “fahoriana lehibe”?
10 Amin’izay i Jehovah dia hamely tanteraka farany ny fandehan-javatr’i Satana: “Hamaly azy [an’i Goga] amin’ny areti-mandringana sy ny ra sy ny ranonorana manafotra ary ny havandra vaventy Aho; ary koa, handatsaka afo sy solifara aminy sy amin’ny miaramilany (...) ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.” (Ezekiela 38:22, 23). Ho rava avokoa ireo soritra tavela rehetra tamin’ny fandehan-javatr’i Satana. Hofoanana ilay fitambaran’olona manontolo tsy miraharaha an’Andriamanitra. Io ilay Haramagedona, fara tampony amin’ny “fahoriana lehibe”. — Jeremia 25:31-33; 2 Tesaloniana 1:6-8; Apokalypsy 16:14, 16; 19:11-21.
11. Nahoana ny mpanompon’i Jehovah no hovonjena amin’ny “fahoriana lehibe”?
11 Ho voavonjy amin’ny “fahoriana lehibe” ireo mpivavaka amin’i Jehovah an-tapitrisany maro maneran-tany. Izy ireo dia mahaforona ny “olona betsaka” izay avy amin’ny “firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy olona ary ny samy hafa fiteny”. Nahoana izy ireo no voavonjy amin’ny fomba mahatahotra toy izany? Satria izy ireo ‘manompo an’i Jehovah andro aman-alina’. Koa ho tafita velona amin’ny faran’itỳ tontolo itỳ izy ireo ary hampidirina ao amin’ny tontolo vaovao marina iray. (Apokalypsy 7:9-15). Noho izany, izy ireo dia hanatri-maso ny fahatanterahan’ilay fampanantenan’i Jehovah hoe: “Miandrasa an’i Jehovah, ka tandremo ny làlany, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy hianao.” — Salamo 37:34.
Ilay tontolo vaovao
12. Afaka miandrandra inona ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona?
12 Ho fotoana hampientam-po toy inona moa izany — ny fanafoanana ny faharatsiana sy ny fiandohan’ilay vanim-potoana be voninahitra indrindra teo amin’ny tantaran’olombelona manontolo! (Apokalypsy 20:1-4). Ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah toy inona moa ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona, noho izy ireo ho tafiditra ao anatin’ny sivilizasiona iray nataon’Andriamanitra, dia sivilizasiona iray hamirapiratra sy hadio, tontolo vaovao iray, eo amin’ny tany izay ho voaova ho paradisa! (Lioka 23:43, NW ). Tsy voatery ho faty intsony mihitsy izy ireo! (Jaona 11:26). Tsy azo lavina fa hatreo izy ireo dia hanana fanantenana mahatalanjona sy mampitolagaga ny ho velona, raha mbola velona koa i Jehovah!
13. Ahoana no hanohizan’i Jesosy ilay asa fanasitranana natombony teto an-tany?
13 I Jesosy, izay notendren’i Jehovah ho Mpanjaka any an-danitra, dia hiandraikitra ireo fitahiana mahagaga hananan’ireo voavonjy. Fony izy teto an-tany, dia nanokatra ny mason’ny jamba sy ny sofin’ny marenina izy, ary nanasitrana “ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra”. (Matio 9:35; 15:30, 31). Ao amin’ilay tontolo vaovao, dia hanohy indray io asa fanasitranana lehibe io izy, saingy amin’ny ambaratonga maneran-tany. Amin’ny maha-Fiasan’Andriamanitra azy, dia hotanterahiny ilay fampanantenana hoe: “Hofafan[’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” (Apokalypsy 21:4). Tsy hisy ilana mpitsabo na mpikarakara fandevenana intsony! — Isaia 25:8; 33:24.
14. Famonjena inona no ho tonga amin’ireo mpanompon’i Jehovah izay efa nody mandry?
14 Ho voavonjy koa ireo mpanompon’Andriamanitra nahatoky rehetra izay efa nody mandry, tamin’ny lasa. Ao amin’ilay tontolo vaovao, dia havotana ho afaka amin’ny vahohon’ny fasana izy ireo. Manome antoka toy izao i Jehovah: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.” (Asan’ny Apostoly 24:15, NW ). Azo inoana fa hatsangana aloha kokoa ireo “marina”, ka handray anjara amin’ny fanitarana ny Paradisa. Ho an’ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona, dia hahasondriana toy inona moa ny handre ireo zavatra niainan’ireny maty nahatoky taloha ela be ireny, ka velona indray izao! — Jaona 5:28, 29.
15. Lazalazao ny toe-piainana sasany ho hita ao amin’ilay tontolo vaovao.
15 Izay rehetra velona amin’izay dia hahita izay nolazain’ny mpanao salamo momba an’i Jehovah hoe: “Manokatra ny tànanao Hianao ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.” (Salamo 145:16). Tsy hisy intsony ny hanoanana: Ho tafaverina amin’ny laoniny ny fifandanjan’ny tontolo iainana eto an-tany ka hamokatra amin’ny fomba tondraka izy io. (Salamo 72:16). Tsy hisy intsony ny olona tsy manan-kialofana: “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao”, ary ny tsirairay dia samy hipetraka “eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny (...), ary tsy hisy hanaitaitra azy”. (Isaia 65:21, 22; Mika 4:4). Tsy hisy intsony ny tahotra: Tsy hisy intsony ny ady, ny herisetra, na ny heloka bevava. (Salamo 46:8, 9; Ohabolana 2:22). “Miadana ka mandry fahizay ny tany rehetra; velominy ao ny hoby”. — Isaia 14:7.
16. Nahoana no hamonto ilay tontolo vaovao ny fahamarinana?
16 Ao amin’ilay tontolo vaovao, dia ho efa voaesotra ireo fampitam-baovao izay ampielezan’i Satana ny heviny. ‘Hianatra ny fahamarinana kosa ny mponina amin’izao tontolo izao’. (Isaia 26:9; 54:13). Noho ny fampianarana ara-panahy mahasoa isan-taona isan-taona, “ny tany [dia] ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina”. (Isaia 11:9). Ho vonton’ny eritreritra sy asa mampahery ny taranak’olombelona. (Filipiana 4:8). Alao sary an-tsaina ange e: Fitambaran’olona maneran-tany izay afaka amin’ny heloka bevava sy ny fizahozahoana ary ny fialonana — firahalahiana iraisam-pirenena, hamokaran’ny rehetra ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra. Marina tokoa fa na dia ankehitriny aza dia eo am-pambolena izany toetra izany ny olona betsaka. — Galatiana 5:22, 23, NW.
Nahoana no ela aoka izany
17. Nahoana i Jehovah no niandry ela aoka izany alohan’ny hamaranany ny faharatsiana?
17 Nahoana anefa i Jehovah no niandry ela aoka izany vao hanaisotra ny faharatsiana sy hamonjy ny vahoakany ho ao amin’ilay tontolo vaovao? Diniho izay tsy maintsy notontosaina. Ny zava-dehibe indrindra, dia ny fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah, ny zony hanapaka. Tamin’ny famelana fotoana ampy handeha, dia nasehony tsy misy isalasalana na dia kely aza, fa niafara tamin’ny tsy fahombiazana goavana ny fanapahan’olombelona ivelan’ny fiandrianany. (Jeremia 10:23). Koa izao i Jehovah dia azo hamarinina tanteraka raha manolo ny fanapahan’olombelona amin’ny fanapahan’ilay Fanjakany any an-danitra, hoentin’i Kristy. — Daniela 2:44; Matio 6:9, 10.
18. Oviana vao nandova ny tany Kanana ny taranak’i Abrahama?
18 Izay nitranga nandritra ireo taonjato rehetra ireo dia mitovy amin’izay nitranga tamin’ny andron’i Abrahama. Nilaza tamin’i Abrahama i Jehovah fa ny taranany dia handova ny tany Kanana — kanefa tsy maintsy niandry nandritra ny efajato taona aloha izy ireo “fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita”. (Genesisy 12:1-5; 15:13-16). Eto ny teny hoe “Amorita” (foko iray lehibe indrindra) dia azo inoana fa mampiseho ny vahoakan’i Kanana amin’ny fitambarany. Koa taonjato efatra eo ho eo àry no handalo alohan’ny hamelan’i Jehovah ny vahoakany hahazo an’i Kanana ho fananany. Nandritra izany fotoana izany, dia navelan’i Jehovah hampitombo ny fitambaran’olona nisy azy ireo firenena tao Kanana. Inona no vokatr’izany?
19, 20. Karazana fitambaran’olona nanao ahoana no nampitomboin’ireo Kananita?
19 Nomarihin’ilay boky hoe Bible Handbook, nataon’i Henry H. Halley, fa tao Megido, ireo arkeology dia nahita ny sisa tsy rava tamin’ny tempolin’i Astarta, andriamanibavy vadin’i Bala. Nanoratra toy izao izy: “Dingana vitsivitsy monja avy eo amin’io tempoly io dia nisy toeram-pandevenana nahitana vilany tany maro nirakitra fatin-jazakely natao sorona tao amin’io tempoly io (...) Ireo mpaminanin’i Bala sy Astarta no mpamono ofisialy an’ireo ankizy madinika.” “Fanao hafa iray maharikoriko [ilay] nantsoin’izy ireo hoe ‘sorona amin’ny fototra’. Rehefa haorina ny trano iray, dia natao sorona ny zaza iray, ary ny fatiny dia narafitra tao anatin’ny rindrina.”
20 Nanazava toy izao i Halley: “Ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala sy i Astarta ary ireo andriamanitra kananita hafa dia filibana izaitsizy; ireo tempoliny dia foiben’ny faharatsiam-pitondran-tena. (...) Nanao ny fanompoam-pivavahany, tamin’ny alalan’ny fanaranam-po tamin’ny fahalotoam-pitondran-tena (...) ireo Kananita; ary avy eo, tamin’ny famonoana ny zanany voalohany, ho sorona ho an’ireo andriamanitra ireo ihany. Tamin’ny lafiny lehibe, dia toa nanjary karazana Sodoma sy Gomora teo amin’ny lafiny ara-pirenena ny tany Kanana. (...) Moa ve nanana zo mbola hisy ihany ny sivilizasiona feno fahavetavetana sy fahasiahana maharikoriko toy izany? (...) Ireo arkeology izay mandavaka ireo sisa tavela amin’ny tanàna kananita dia manontany tena hoe nahoana Andriamanitra no tsy nandringana azy ireo taloha kokoa.” — Ampitahao amin’ny 1 Mpanjaka 21:25, 26.
21. Inona no itovian’ny tarehin-javatra nisy ny Kananita sy ny amin’izao androntsika izao?
21 “Tanteraka” ny faharatsian’ny Amorita. Koa izao i Jehovah dia azo nohamarinina tanteraka raha nandringana azy ireo. Marina koa izany amin’izao andro izao. Feno herisetra sy fahalotoam-pitondran-tena ary fanamavoana ny lalàn’Andriamanitra itỳ tontolo itỳ. Ary satria isika tsiravina ara-drariny amin’ireo sorona zaza mahatafintohina tany Kanana fahiny, ahoana ny amin’ilay sorona tanora am-polo tapitrisany maro tamin’ireo adin’itỳ tontolo itỳ, izay ratsy lavitra noho izay rehetra nisy tany Kanana? Azo antoka fa izao i Jehovah dia azo hamarinina tanteraka raha mamarana itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ.
Fanatontosana zavatra hafa
22. Inona no tontosa noho ny faharetan’i Jehovah amin’izao androntsika izao?
22 Manatontosa zavatra hafa koa ny faharetan’i Jehovah amin’izao andro farany izao. Mamela fotoana izy mba hanangonana sy hampianarana ny olona betsaka izay efa miisa dimy tapitrisa mahery. Mahaforona fandaminana mandroso iray izy ireo, eo ambany fitarihan’i Jehovah. Na lehilahy, na vehivavy, na tanora, dia samy ampiofanina mba hampianatra ireo fahamarinana ara-baiboly amin’ny hafa. Amin’ny alalan’ireo fivoriany sy ireo zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly no ianaran’izy ireo ny lalan’i Jehovah feno fitiavana. (Jaona 13:34, 35; Kolosiana 3:14; Hebreo 10:24, 25). Fanampin’izany, dia mampitombo fahaizana eo amin’ny fanorenana sy ny elektronika sy ny fanontam-pirinty ary eo amin’ny sahan’asa hafa izy ireo mba hanohanana ny fitoriana ny “vaovao tsara”. (Matio 24:14, NW ). Azo inoana fa ny fahaiza-mampianatra sy ny fahaiza-manorin-trano toy izany dia hampiasaina hatraiza hatraiza ao amin’ilay tontolo vaovao.
23. Nahoana no tombontsoa ny fahavelomana amin’izao andro izao?
23 Eny, amin’izao andro izao i Jehovah dia manomana ireo mpanompony mba hamakivaky ny “fahoriana lehibe” ka hankao amin’ny tontolo vaovao marina iray. Amin’izay dia tsy hisy an’i Satana sy ny tontolony ratsy mba hiadiana intsony, tsy hisy aretina sy alahelo ary fahafatesana intsony. Amin-kafanam-po sy hafaliana lehibe no hanombohan’ny vahoakan’Andriamanitra ilay asa mahafinaritra ho fanorenana paradisa, ka ny andro tsirairay amin’izay dia ‘haharavoravo’ avokoa. Manana tombontsoa toy inona moa isika miaina amin’izao fara tampony amin’ny vanim-potoana izao, mahafantatra sy manompo an’i Jehovah, ary mahatakatra fa kely sisa dia ‘hanandratra ny lohantsika isika, fa manakaiky ny fanavotana antsika’! — Lioka 21:28; Salamo 146:5.
Fanontaniana ho Famerenana
◻ Inona moa ny “fahoriana lehibe” ary ahoana no hiandohan’izy io?
◻ Nahoana no tsy hahomby ny fanafihan’i Goga an’ireo mpanompon’i Jehovah?
◻ Ahoana no hifaranan’ny “fahoriana lehibe”?
◻ Soa mahatalanjona inona avy no homen’ilay tontolo vaovao?
◻ Nahoana i Jehovah no niandry ela aoka izany vao hamarana itỳ fandehan-javatra itỳ?
[Sary, pejy 16]
Hovana ho paradisa ny tany manontolo