Ny famantarana — Hitanao ve izany?
“VONONA ny sambo mpisitrika lava manangasanga sofina any ambany be, tsy mihetsika na dia ao aza ny onja mahery vaika mampisamboaravoara ny ranomasina tsy voafehy. Tsitapitapitr’izay dia mivoha ny varavarana fandefasana ary dia niakatra ny bala afomanga enti-miady iray 9 metatra mahery ny halavany ary efa ho 1,50 metatra ny savaivony ka niantoraka nankeny ambony ranomasina. Nanomboka ny diany ilay bala afomanga natosiky ny rivotra voatsindry, avy eo, tamin’ny fotoana nahatongavany teny amin’ny rivotra, dia nisy afo nivoaka. Nirohondrohona ilay fitaovam-piadiana rehefa nivoaka avy ao anaty rano.”
Izany filazalazana ny amin’ny fandefasan’ny sambo mpisitrika bala afomanga atoraka izany, nalaina avy ao amin’ilay boky hoe Fioze, bala afomanga sy sambondanitra (anglisy) nataon’i Martin Keen, dia mahatonga hisy heviny tanteraka ny faminaniana tranainy iray manambara fotoam-pahoriana maneran-tany noho ny “firohondrohon’ny ranomasina”. (Lioka 21:25.) Manao ahoana ny halehiben’ny fandrahonan’ireny sambo mpisitrika mpandefa fitaovam-piadiana ireny?
Araka ny filazan’ny diary iray mpilazalaza ny amin’ny tafika an-dranomasina (Jane’s Fighting Ships 1986-87), Shina, Etazonia, Frantsa, Grande-Bretagne sy ny Firaisana sovietika dia manana sambo mpisitrika mpandefa fitaovam-piadiana miasa 131 amin’ny fitambarany. Izy ireny dia afaka mahatratra izay rehetra mety ho tanàna eto amin’ny bolantany, ka amin’ny antsalany ny tsy fisian’ny fifandisoana aminy dia eo amin’ny iray kilaometatra sy sasany. Araka ny filazan’ilay boky hoe Le livre Guinness des records, ny sambo mpisitrika sasany dia manana fasiana fioze ampy “handravana izay rehetra mety ho tany any amin’ny 8000 kilaometatra manodidina”. Ny mbola ratsiratsy kokoa ihany dia ny filazana fa ny fasiana fioze amin’ny sambo mpisitrika iray monja dia ho ampy hamoronana ririnina noklehera hahatandindomin-doza izay rehetra mety ho karazam-piainana eto an-tany! Afa-tsy izany koa, dia sarotra ny mifehy hatrany ny sambo mpisitrika miasa any amin’ny faritra lavitra ary atahorana fa ny fanaovan-javatra tsy voafehy iray monja dia mety hanapoaka ady noklehera mpandrava indray andro any.
Maro be no nampifandray izany fahatsinjovan-javatra manjombona izany tamin’ny famantarana ara-paminaniana nomen’i Jesosy. Mety ho vavolombelon’izany ve ny taranaka misy antsika? Eny, manamarina izany ny zava-misy, ary milaza koa izany fa tsy ho ela dia ho foana ny ady noklehera (Lioka 21:28, 32). Manasa anao izahay hamantatra izany fahatsinjovan-javatra mahafaly izany amin’ny fandinihana ny fomba ahatanterahan’izany famantarana izany. Ho hitanao eto aoriana ny sasany amin’ny endriny miavaka, miaraka amin’ny fahatanterahany amin’ny andro ankehitriny.
“Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana.” (Lioka 21:10)
Nanomboka tamin’ny 1914, dia niteraka fahafatesan’olona 100 tapitrisa mahery ny ady. Ny Ady Lehibe Voalohany izay nipoaka tamin’io taona io dia nampifanandrina tany 28, tsy resahina ireo zanatany nananan’ny firenena eoropeana tamin’izany fotoana izany. Vitsy ny tany nialanalana. Nifaoka ain’olona 13 tapitrisa mahery io ady lehibe io ary 21 tapitrisa mahery no naratra teo amin’ny miaramila. Nanaraka izany ny Ady Lehibe Faharoa vao mainka nandripaka kokoa. Ary hatramin’izay? Tao amin’ny lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe “Ireo ady eo amin’izao tontolo izao”, dia noraisin’ny The Star, gazety atsy Afrika Atsimo, izao filazan’ny Sunday Times any Londres izao: “Miady ny ampahefatr’ireo firenena eo amin’izao tontolo izao.”
“Hisy horohorontany lehibe.” (Lioka 21:11).
Ao amin’ny bokiny hoe Terra Non Firma, ny profesora Gere sy Shah, ao amin’ny oniversiten’i Stanford, dia nanisa ‘horohorontany 164 niavaka naneran-tany’ tao anatin’ny telo arivo taona lasa. Sivy amby valopolo tamin’ireny horohorontany ireny no nitranga taorian’ny 1914, ary araka ny fiheverana, dia nahafaty olona 1 047 944. Ireo horohorontany lehibe fotsiny no voatonona amin’io lisitra io. Nanomboka tamin’ny namoahana an’io boky io tamin’ny 1984, dia nisy horohorontany nandrava hafa koa nitranga tany Chili, tany amin’ny Firaisana Sovietika sy tany Meksika, ka nahafaty olona an’arivony maro indray.
“Hisy (...) areti-mandringana.” (Lioka 21:11).
Tamin’ny 1918, ny olombelona dia voan’ny areti-mandringana fantatra tamin’ny anarana hoe gripa espaniola. Io aretina io, izay niely tany amin’ny toerana rehetra nonenan’ny olombelona afa-tsy ny nosin’ny Sainte-Hélène, dia nahafaty olona maro kokoa noho ny tao anatin’ny efa-taona nisian’ny ady. Na dia tao aza ny fandrosoana maro vita hatramin’izay teo amin’ny lafiny ara-pitsaboana, dia nitombo ny tarehin-javatra nifanohitra tamin’izany. Araka ny filazan’ny The Lancet, revio ara-pitsaboana britanika, dia “fifanoheran-javatra amin’ny fitsaboana amin’ny andro ankehitriny ny hoe ireo aretina mifindra amin’ny alalan’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy (MST) no mitana ny lohalaharana amin’ireo aretina tsy maintsy anaovana fanambarana. (...) Nisy fotoana niheveranay ho afaka hanafoana ireo aretina mifindra amin’ny alalan’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, kanefa tsy ela dia resy izahay tato anatin’izao taona faramparany izao”.
Tsy vitan’ny fitsaboana koa ny nisakana “areti-mandringana” hafa, toy ny homamiadana sy ny aretin’ny lalandra mankany amin’ny fo izay, araka ny filazan’ny revio iray (S[outh] A[frica] Family Practice), “dia fisehoan-javatra vao haingana (...) avy amin’ny fomba fiaina narahina hatramin’ny Ady Lehibe Voalohany”. Ny boky ara-pitsaboana iray (Cardiovascular Update — Insight Into Heart Disease) dia milaza ny aretim-po sy ny tosidra mahery loatra ho “antony lehibe indrindra mahatonga fahafatesana”any Grande-Bretagne. Hoy ny teny nanampiny: “Kely dia kely hatramin’izao ny fandrosoana vita tamin’io lafiny io.”
Any amin’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana, dia olona an-tapitrisany maro no voan’ny tazo, ny areti-torimaso, ny bilarziôzy, sy ny aretina hafa koa. Ny aretin-kibo no anankiray amin’ireo mahafaty indrindra. Araka ny filazan’ny revio Medicine International, dia “tombanana fa isan-taona dia ankizy sy zaza vao teraka 500 tapitrisa any Azia, Afrika sy Amerika latina no voan’ny aretin-kibo ary 5 ka hatramin’ny 18 tapitrisa tamin’izy ireo no maty noho izany”.
“Ary hisy (...) mosary.” (Lioka 21:11).
Matetika ny mosary no miaraka amin’ny ady, ary tsy naningana akory ny Ady Lehibe Voalohany fa narahin’ny mosary nahatsiravina. Inona no nitranga hatramin’izay? Izao no azo novakina tao amin’ny tatitra manokana iray nitondra ny lohateny hoe Ny zava-tsarotra setraina amin’ny firaisam-pirenena — Efapolo taona niainan’ny Firenena mikambana (1945-1985) (anglisy): “Nitombo 600 tapitrisa ny isan’ny olona mijaly noho ny tsy fahampian-tsakafo, satria ny 1,65 lavitrisa tamin’ny 1950 dia tafakatra ho 2,25 lavitrisa tamin’ny 1983, ka mampiseho fitomboana 36% izany.” Niteraka mosary nandripaka ny haintany namely an’i Afrika tato anatin’izao taona faramparany izao. “Tao anatin’ny herintaona, hoy ny fanantitranteran’ny revio Newsweek, dia iray tapitrisa ny tantsaha etiopiana ary 500 000 ny ankizy sodane maty.” Any amin’ny tany hafa, dia olona an’arivony maro koa no namoy aina.
“Ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra. Ary hisy famantarana eo amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin’ny tany dia hisy fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ny ranomasina sy ny fanonjany, ka ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany.” (Lioka 21:11, 25, 26).
Nanamarika fisehoan’ny fiadiana mahatahotra ny Ady Lehibe Voalohany. Nitifitra na nandatsaka baomba avy eny amin’ny lanitra ny fiaramanidina sy ny “dirigeable”. Tao anatin’ny Ady Lehibe Faharoa, dia nisy fitaovam-piadiana avy eny amin’ny lanitra nanan-kery fandringanana mbola naharaiki-tahotra kokoa ihany — hita izany tamin’ireo baomba ataomika roa — namafy fahafatesana teo amin’ireo sivily tsy nanan-kery.
Nisehoan-java-doza vaovao koa ny ranomasina. Teo am-piandohan’ny Ady Lehibe Voalohany, dia noheverina ho fiadiana madinika tanteraka ny sambo mpisitrika. Teo am-pifaranan’ny ady lehibe faharoa anefa izy ireny dia nanosika avy any ambany, sambo maherin’ny iray alina. “Ny fanaovana izay haharendrika sambo mpitatitra entambarotra na olona dia toa tafiditra ao anatin’ny faritry ny fanao vaovao sy tsy azo sakanana: ‘ny ady lehibe’ ”, hoy ny nosoratan’i Norman Friedman ao amin’ny bokiny hoe Fiforonana sy fivoaran’ny sambo mpisitrika (anglisy).
Amin’izao andro izao, dia maro be no mihevitra ny sambo mpisitrika mpandefa fitaovam-piadiana atoraka ho ny tapany lehibe indrindra amin’ny fitaovam-piadiana iraisam-pirenena. Mitondra fiadiana mahafaty koa anefa ny sambo mpisitrika mpandefa bala afomanga mitsikilo, ny mpitondra fiaramanidina mbamin’ny sambo mpiady hafa. Araka ny filazan’ilay diary voatonona tetsy aloha (Jane’s Fighting Ships 1986-87), dia firenena 52 no manana, amin’ny fitambarany, sambo mpisitrika 929, mpitondra fiaramanidina 30, mpitsikilo 84, mpiambina 367, mpiady lehibe 675, sambo mpiady salasala 276, sambokely mpanafika haingana 2 024, ary sambo mpiady an’arivony maro hafa koa. Tokony hanampy izany koa ny fandrika any ambany rano, mahafaty na dia kely aza. Mbola tsy ‘nampanonja’ tamin’ny fomba mampidi-doza ny ranomasina toy izao mihitsy ny olombelona.
Nikasika ny faritry ny “masoandro sy ny volana ary ny kintana” koa ny olombelona. Alohan’ny hitsatohana amin’izay kendreny dia mitsofoka eny amin’ny habakabaka ivelan’ny atimôsifera ny bala afomanga atoraka. Nisy sambondanitra nisetra loza nankany amin’ny fitambara-masoandro sy tany ankoatr’izany mihitsy aza. Mifamatotra akaiky amin’ny zanabolana vitan’olombelona alefa manodidina ny bolantany ny fiainan’ireo firenena. Ny zanabolana fandehanana na famantarana ny toetr’andro dia mahatonga azy ireny ho afaka hanome ho an’ny bala afomanga fiadiana, fikendrena tsy misy diso mahatahotra. Ampiasaina be dia be koa ny zanabolana fifandraisana sy ny zanabolana mpitsikilo. “Ankehitriny ny zanabolana, hoy ny nosoratan’i Michael ao amin’ny bokiny hoe Ny fifaninanana manao fitaovam-piadiana (anglisy), dia maso sy sofina ary feon’ny tafik’ireo fanjakana mahery.”
Manazava izany ny fitsofohana haingana ana habakabaka natao hamelezana an’i Lybia. Araka ny revio momba ny tafika ana habakabaka iray (Aviation Week & Space Technology), dia “nisy sary nalaina zanabolana (...) amerikana nampiasaina mba hanomanana fanafihana sy hanombanana ny ho vokany. Zanabolana fiarovana no nanome filazana toetr’andro ary nisy mpifanolo toerana ara-tafika ana habakabaka nampiasaina mba hitarika ny ady”. Noho ny anjara tena lehibe tanan’ny zanabolana ara-tafika, dia nanao fiadiana fanoherana ny zanabolana ireo Lehibe roa. Ny zava-kendrena voambaran’ny anankiray amin’ireo fanjakana mahery dia ny hampijanona fitaovam-piadiana eny amin’ny habakabaka. Antsoina mandrakariva hoe “adin’ny kintana” izany fandaharana izany. Ny hoavy ihany no hilaza amintsika na hanapoaka ady eny amin’ny habakabaka na tsia ireo fanjakana mahery dia mahery anankiroa.
Eo am-piandrasana izany anefa, araka ny nambara, dia “reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany”. Ny heloka bevava, ny fampihorohoroana, ny fahasahiranana ara-toe-karena, ny fandotoana na ny taratra avy amin’ny foibe ataomika dia miteraka ‘fahatahorana’ ampian’ny tahotra ady noklehera mihamangeja hatrany. Araka ny filazan’ny revio britanika iray (New Statesmen), ny “antsasany mahery” amin’ny zatovo any amin’ny Fanjakana Tafaray dia “manombana fa hitranga amin’ny andro ahaveloman’izy ireo ny ady noklehera iray, ary 70% aminy no mino fa tsy azo sorohina izany ady izany”.
[Efajoro, pejy 7]
Ny famantarana — Milaza inona izany?
Rehefa avy nandinika tamin’ny fahazavan’ireo fisehoan-javatra ara-tantara amin’ny taonjato faha-20 ny olona maro be dia nanjary niaiky fa eo am-pahatanterahany ny famantarana. (Jereo koa Matio toko faha-24 sy Marka toko faha-13.) Tena manokana ny taranaka nandia ny 1914. Izy io no hahita ny fahatanterahan’ireto tenin’i Jesosy ireto fanindroany: “Tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany.” Ny teny hoe “izany rehetra izany” dia milaza koa fa hafahana amin’ny zava-manahirana tsy azony ialana na dia ao aza ny fiezahany, ny olombelona.
Nanome toky ny mpianany toy izao i Jesosy: “Ary raha vao miandoha izany zavatra izany, dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo. (...) Raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.” Ny Fanjakan’Andriamanitra dia fitondram-panjakana iraisam-pirenena ambony noho ny an’ny olombelona izay hanova ny tany manontolo ho paradisa. Hitranga amin’ny fomba azo antoka toy ny fahatanterahan’ny famantarana izany fanafahana izany. — Lioka 21:28, 31; Salamo 72:1-8.
Angamba ianao hatramin’izao tsy mbola nandinika mihitsy an’izany famantarana ara-paminaniana izany. Raha izany no izy, dia manasa anao izahay hanohy ny fandinihanao ny Tenin’Andriamanitra. Ho azonao atao amin’izany ny handalina ny fahalalanao ireo fikasan’Andriamanitra ny amin’ny olombelona. Ho hitanao amin’izany ireo fepetra tokony hofenoin’izay ‘hafahan’i’ Jehovah Andriamanitra mba hiaina eo amin’ny tany tonga paradisa. — Salamo 37:10,11; Zefania 2:2,3; Apokalypsy 21:3-5.