-
BatisaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Mazava kokoa ny hevitry ny batisan’i Jaona, rehefa ampitahaina ny fomba nandikan’ny Baiboly samihafa ny Lioka 3:3. “Nitory ny batisa izay mariky ny fibebahana hahazoana famelan-keloka” (TV); “batisan’ny fibebahana ho famelan-keloka” (Prot.); “batemim-pibebahana ho famelan-keloka” (Kat.) i Jaona; “Ialao ny toe-dratsy, meteza hatao batisa, dia havelan’Andriamanitra ny helokareo” (DIEM). Tsy ny batisan’i Jaona àry no nanala ny fahotan’ny olona, fa ny fibebahan’izy ireo sy ny fiovany, izay nasehony tamin’ny alalan’ny batisa.
-
-
HerodaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Fomba hafa azo amaritana ny taona nahafatesan’i Heroda koa ny taonany tamin’izy maty. Nilaza i Josèphe fa 70 taona teo ho eo izy tamin’izy maty, ary 15 taona izy tamin’izy voatendry ho governoran’i Galilia (eken’ny maro fa tamin’ny 47 T.K.). Nisy manam-pahaizana anefa nihevitra hoe diso izany, fa 25 taona no tiana holazaina. (Rakitry ny Ela Jiosy, XVII, 148 [vi, 1]; XIV, 158 [ix, 2]) Tamin’ny taona 2 na 1 T.K. àry i Heroda no maty, raha izany no izy. Mila tadidina anefa fa niovaova foana i Josèphe rehefa nanome daty, ka tsy azo antoka izay nolazainy. Ny Baiboly kosa no misy ny porofo azo antoka indrindra.
-