Aoka isika hahafantatra tsara ny antony tsy maintsy nahatongavan’ny Mesia
“Efa nahita ny Mesia izahay.” — JAONA 1:41.
1. Fanambarana manaitra inona no voatantara ao amin’ny Baiboly, ary oviana no nanaovana izany?
ILAY Jiosy nantsoina hoe Andrea no nanao io fanambarana manaitra io tamin’ny rahalahiny, efa ho maherin’ny 1 950 taona lasa izay. Tsapanao ve ny fahataitairana tao amin’ny teniny nosoratan’ilay apostoly kristiana atao hoe Jaona? Io taona tsy hay hadinoana io dia nomarihin’i Lioka, mpanoratra tantara kristiana, mazava tsara ho ny “taona fahadimy ambin’ny folo nanjakan’i Tiberio Kaisara”. Ny taona fahadimy ambin’ny folon’i Tiberio nisaina nanomboka tamin’ny nanambarana azy ho emperora romana, dia nanomboka tamin’ny septambra taona 28 am.fan.ir. ary nifarana tamin’ny septambra taona 29 am.fan.ir. — Lioka 3:1-3, 21, 22; Jaona 1:32-35, 41.
2. Tamin’ny ahoana ny faminanian’i Daniela no nifantoka tamin’ny taona 29 am.fan.ir.?
2 Efa nambara tamim-pahamarinana mialoha ny taona hisehoan’ny Mesia. Nisy 483 taona katroka no lasa hatramin’ny nanomezan’ny mpanjaka persiana, Artaksersesy, ny didy hanorenana indray an’i Jerosalema, izay nitranga tamin’ny taona faha-20 nanjakany, taona 455 al.fan.ir.a (Nehemia 2:1-8) Nanambara mialoha i Daniela mpaminany fa “hatramin’ny hivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema ka hatramin’ny Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro.” (Daniela 9:25). Araka izany, dia hisy fe-potoana 7 + 62 = 69 herinandro ara-paminaniana hampisaraka ireo fisehoan-javatra lehibe roa ireo. Ny sivy amby enimpolo herinandro ara-bakiteny dia mira 384 andro. Mifanaraka amin’ilay fitsipika amin’ny faminaniana hoe ‘ny indray andro solon’ny herintaona’, dia hiseho 483 taona atỳ aoriana, amin’ny taona 29 am.fan.ir., ny Mesia. — Ezekiela 4:6.
3. (a) Inona no hevitry ny anaram-boninahitra hoe “Mesia”? (b) Faminaniana inona avy no tsy maintsy notanterahin’ny Mesia?
3 Nisy antony tsara matoa ‘niandry ny Mesia ny olona’ tamin’ny taona 29 am.fan.ir. . (Lioka 3:1, 15) Ny anaram-boninahitra hoe “Mesia” dia mitovy hevitra amin’ny hoe “Kristy” amin’ny fiteny grika; samy midika hoe “Ilay Voahosotra” ireo teny roa ireo. (Jaona 1:41.) Ny fanontaniana nanitikitika ny Jiosy maro dia hoe: ‘Iza no hohosoran’i Jehovah Andriamanitra ho mpanjaka hanapaka, tsy ny Isiraely ihany, fa ny taranak’olombelona manontolo?’ Tamin’ny alalan’ny faminaniana, ny fifidianana dia efa noferana ho teo amin’ny taranak’i Joda, zafiafin’i Abrahama. Ankoatra izany, ny Mesia dia tokony ho mpandova ny seza fiandrianan’i Davida, ilay mpanjaka jodiana, ary tokony ho teraka tany Betlehema, tanàna niavian’i Davida. — Genesisy 17:5, 6; 49:10; Salamo 132:11; Daniela 7:13, 14; Mika 5:1; Jaona 7:42.
Fomba famantarana azo antoka
4, 5. (a) Inona no nitranga tamin’ny taona fototra 29 am.fan.ir.? (b) Tamin’ny fomba azo antoka ahoana no namantarana ilay voafidy ho Mesia?
4 Tamin’io taona fototra io, ny 29 am.fan.ir., dia izao no nitranga: “Dia tonga tamin’i Jaona, zanak’i Zakaria, tany an-efitra ny tenin’Andriamanitra. Ary nankany amin’ny tany rehetra any amoron’i Jordana izy nitory ny batisan’ny fibebahana ho famelan-keloka.” (Lioka 3:2, 3) Nanomana ny Jiosy nibebaka hanaiky ny fahatongavan’ny Mesia efa antomotra ny fanompoana nataon’i Jaona. Ankoatra izany, i Jehovah dia nanome famantarana an’i Jaona. Tokony hijery izay “idinan’ny Fanahy sy itoerany” izy. — Jaona 1:33.
5 Rehefa avy nanao batisa an’i Jesosy avy any Nazareta i Jaona, dia nahita io fanosorana azo antoka io. Tsy nohosorana tamina diloilo, toy ny natao tamin’i Davida razambeny teto an-tany i Jesosy, fa tamin’ny fanahy masin’i Jehovah Andriamanitra. (1 Samoela 16:13; Asan’ny apostoly 10:38) Tamin’io fotoana io koa, dia hoy ny feon’Andriamanitra mihitsy hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” (Matio 3:16, 17) Nohamarinin’i Jaona tatỳ aoriana toy izao izany: “Izaho nahita ny Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voro-mailala ka nitoetra teo amboniny. Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak’Andriamanitra.” — Jaona 1:32, 34.
6. Ohatra tsara dia tsara inona no navelan-dry Andrea sy Jaona ho antsika?
6 Tamin’ny teny toy izany no nampidiran’i Jaona mpanao batisa tamim-pahatokiana ny mpianany ho amin’i Jesosy, ary koa niantsoany azy hoe “ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao”. (Jaona 1:29) Mailaka namaly izany ny mpianatra roa. Rehefa avy nandany andro iray niarahana tamin’i Jesosy izy ireo, dia resy lahatra tanteraka. Andrea no anaran’ny iray, izay nitady tamin-kafanam-po an’i Simona Petera rahalahiny. Ilay mpianatra faharoa dia fantatra fa i Jaona zanak’i Zebedio izay tonga apostoly tian’i Jesosy. Taorian’ny nanaovana fanambarana ny amin’ny Mesia efa ho nandritra ny 70 taona, io Jaona io dia voatosika hanoratra ilay filazana etsy ambony ho tombontsoantsika. Moa ve ny ohatra navelany sy ny an’i Andrea manohina ny fonao? Moa ve ianao mazoto toa azy ireo sy ireo ‘apostolin’ny Zanak’ondry’ manambara ny fahamarinana mampientana ny fo momba ny Mesia? — Apokalypsy 1:9; 21:14; Jaona 1:35-41; Asan’ny apostoly 5:40-42.
Voahosotra ho Mpanjaka sady Mpisoronabe
7. Nahoana i Jesosy no tsy afaka nanao ny asan’ny mpisorona tao amin’ny tempolin’i Jerosalema?
7 Noho izy teraka tao amin’ny firenena jiosy, dia “nateraka teo ambanin’ny lalàna” i Jesosy. (Galatiana 4:4) Noho izany, tamin’ny naha-avy tamin’ny fokon’i Joda azy, dia tsy azony natao ny nanao ny asan’ny mpisorona tao amin’ny tempolin’i Jehovah tandindona, izay taranak’i Arona avy amin’ny fokon’i Levy ny mpisorona tao. “Avy tamin’ny Joda no nisehoan’ny Tompontsika, ary izany firenena izany dia tsy nisy nolazain’i Mosesy akory ny amin’izay ho mpisorona”, hoy ny fampahatsiarovana nataon’ny apostoly Paoly tamin’ireo kristiana namany. — Hebreo 7:14.
8. Tandindon’ny inona moa ny tempolin’i Jehovah teto an-tany?
8 Nanoratra toy izao ny apostoly Jaona: “Ny tena fahazavana izay manome hazavana ny karazan’olona rehetra dia efa ho tonga eo amin’izao tontolo izao”. (Jaona 1:6-9, MN). Tamin’ny batisan’i Jesosy, dia toy ny hoe nanjary nisy ny tempoly ara-panahy lehibe iray, satria izao dia nisy mpisoronabe ara-panahy izay afaka nanavotra ny olombelona tamin’ny fatoran’ny tontolon’i Satana feno fahamaizinana ara-panahy. — Hebreo 8:1-5; 9:24.
9, 10. (a) Inona no hevitry ny tenin’i Jesosy hoe: “Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao” sy ny hoe: “Fa tena no namboarinao ho Ahy”? (b) Ahoana ny fahatsapan’i Jesosy manokana ny amin’izany?
9 Nivavaka i Jesosy tamin’ny fotoan’ny batisany. Mitana an-tsoratra ny sasany amin’ny teniny mifono hevi-dehibe ny Baiboly, araka ny nanononan’ny apostoly Paoly azy tatỳ aoriana hoe: “ ‘Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, fa tena no namboarinao ho Ahy; ny fanatitra odorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao’; dia hoy Izaho: Inty Aho tonga — ao amin’ny horonam-boky no nanoratana Ahy — hanao ny sitraponao Andriamanitra ô’ ”. — Hebreo 10:5-7; Lioka 3:21.
10 Araka izany, dia nampiharin’i Jesosy tamin’ny tenany ny faminaniana ao amin’ny Salamo 40:6-8, izay nilaza mialoha ny fikasan’Andriamanitra hamarana ny sorona biby naterin’ireo mpisorona taranak’i Arona tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Tsy ‘sitrak’i Jehovah’ ireny fanatitra ireny, satria izy ireo dia tandindona fotsiny sady tsy afaka nanafaka tanteraka ny fahotan’olombelona. Noho izany, i Jehovah dia nanomana vatan’olombelona tanteraka iray mba hataon’i Jesosy sorona. Nafindran’Andriamanitra tao an-kibon’ny virijina jiosy iray ny ain’ny Zanany tany an-danitra. Tamin’izany, dia teraka tsy voaloton’ny otan’i Adama i Jesosy. Izy dia Zanak’Andriamanitra olombelona tanteraka, izay nanana fiainana afaka nanafaka ny fahotan’olombelona. (Lioka 1:30-35) Araka ny nambaran’ny Salamo 40:8 mialoha, dia fanirian’i Jesosy tamim-pahatsorana ny hanao ny sitrapon’ny Rainy. “Amin’izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin’ny nanaterana ny tenan’i Jesosy Kristy indray mandeha.” — Hebreo 10:10, 11.
11. Faminaniana inona no notanterahin’ny fahafatesan’ny Mesia, ary tamin’ny ahoana izany no nahatonga ‘ny fanatitra nalatsa-dra hatsahatra’?
11 Ny fanaovana sorona indray mandeha tsy miverina ny fiainan’olombelona nananan’i Jesosy, dia nanaisotra ny ilàna fanatitra fanampiny tao amin’ny tempoly tandindona tao Jerosalema. Ankoatra izany, ny fahafatesany dia nitranga tamin’ny andro fankalazana ny Paska taona 33 am.fan.ir. Izany dia teo amin’ny telo taona sy tapany teo ho eo taorian’ny batisany. Ho nitovy tamin’ny antsasaky ny herinandro ara-paminaniana ny telo taona sy tapany. (Nomery 14:34) Koa ny fisehoan-javatra dia nitranga nitovy tsy nisy diso tamin’izay nambaran’i Daniela mialoha mikasika ny famonoana ny Mesia hoe: “Ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hafa hatramin’ny antsasaky ny herinandro [izy]”. (Daniela 9:26, 27) Na dia mbola niasa hatramin’ny nandravana ny tempoly tamin’ny taona 70 am.fan.ir. aza ny fisoronana tandindona tao Jerosalema, ny sorona izay naterin’ny mpisorona nandritra ireo taona ireo dia tsy nisy vidiny intsony noho izy nosoloana ny sorona ambony kokoa nataon’i Jesosy. — Matio 23:37, 38.
12. Amin’ny heviny ahoana ny fisoronan’i Jesosy no lehibe noho ny an’i Arona?
12 Arona no voalohany teo amin’ny fifandimbiasana mpisoronabe isiraelita maro be. Taorian’ny nanosorana azy tamina diloilo masina, dia tsy maintsy niandry tao amin’ny tabernakely hafitoana izy talohan’ny nanomezana azy fahefana hanao ny asan’ny mpisoronabe. (Levitikosy 8:12, 33) Toy izany koa, i Jesosy dia nanana fe-potoana fiandrasana talohan’ny nanomezana azy fahefana hifona ho an’ny olombelona. Izany dia nanomboka tamin’ny fotoana nanosorana azy ho Mpisoronabe ka hatramin’ny nananganana azy tamin’ny maty. Mifanohitra amin’i Arona, ilay Zanak’Andriamanitra tsy mety maty dia tsy mila mpandimby, ary manao ny asan’ny Mpisoronabe sady Mpanjaka “araka ny fanaon’i Melkizedeka”. — Salamo 110:1-4; Genesisy 14:18-20; Hebreo 6:20; 7:1-3, 11-17, 23-25.
13. (a) Andraikitra mavesatra inona no nianjera teo amin’ny mpisoronaben’ny Isiraely? (b) Tamin’ny ahoana i Jesosy no niantsoroka andraikitra lehibe lavitra?
13 Teo amin’ny Isiraely fahizay, dia nianjera teo amin’ny mpisoronabe ny andraikitra lehibe indrindra hanome ny fampianarana marina ara-pivavahana. (Levitikosy 10:8-11; Malakia 2:7) Nifanaraka tamin’izany, dia nataon’i Jesosy izay hampahafantarana ireo fepetra marina takin’i Jehovah amin’izay rehetra maniry handova ny Fanjakana sy fiainana mandrakizay. (Matio 6:9, 10, 33; 7:28, 29; 11:12, MN; 25:34, 46) Fony izy tao amin’ny synagoga iray tany Nazareta, dia novakin’i Jesosy sady nampihariny tamin’ny tenany ilay faminaniana hoe: “Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly (...) Izy”. Avy eo, rehefa avy nandany fotoana tao Kapernaomy izy, dia nilaza hoe: “Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy”. (Lioka 4:18, 19, 43; Isaia 61:1, 2) Nampiofana 70 tamin’ireo mpanara-dia azy koa i Jesosy mba hanitarana an’io asa fitoriana ny Fanjakana io, ary nambarany mialoha fa hanao asa lehibe kokoa noho izay nataon’ny tenany izy ireo. (Lioka 10:1-9; Jaona 14:12) Izany dia nametraka ny fototra ho an’ny fandaharam-pampianarana Baiboly maneran-tany izay hotarihin’i Jesosy amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky”, voaforon’ny mpanara-dia azy voahosotra. — Mat 24:45-47; 28:19, 20.
Mpanamarina Lehibe indrindra ny Fiandrianan’i Jehovah
14. (a) Nahoana ny mpisoronaben’ny Isiraely no niditra tao amin’ny Masina Indrindra tamin’ny Andro Fanavotana? (b) Inona no nasehon’ny ditin-kazo mani-pofona?
14 Ny antony lehibe indrindra nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra teto an-tany, dia tsy ny hamonjy ny olombelona akory. Izany kosa dia ny mba handamina ireo fanendrikendrehana napoitran’i Satana nifandray tamin’ny fiandrianan’i Jehovah. Afaka mahazo fahatakarana ny amin’izany isika amin’ny fisaintsainana ny Andro Fanavotana isan-taonan’ny Isiraely, rehefa tsy maintsy niditra imbetsaka tao amin’ny Masina Indrindra ny mpisoronabe tandindona. Ny fidirana voalohany dia natao tamin’ny fitondrana ditin-kazo mani-pofona izay nararaka teo amin’ny fitondrana afo nisy vainafo. (Levitikosy 16:12-16) Izany dia mampiseho tsara izay tsy maintsy nataon’ilay tena Mpisoronabe talohan’ny niakarany ho any an-danitra mba hiseho teo anatrehan’i Jehovah niaraka tamin’ny vidin’ny sorona olombelona nataony.b (Hebreo 9:24) Araka ny nasehon’ny fampiasana ditin-kazo manitra, ny fiainana feno fahatokiana narahin’i Jesosy dia voamariky ny vavaka tamim-pahatsorana sy zotom-po nirehitra tamin’ny fanompoam-pivavahana madio ary fitiavana lalina an’i Jehovah. (Salamo 141:2; Marka 1:35; Jaona 2:13-17; 12:27, 28; 14:30, 31; Hebreo 5:7) Nahavita nitazona tsy fivadihana tanteraka i Jesosy na dia teo aza ny fakam-panahy feno hafetsena, ny teny fanesoana, ary ny fanenjehana feno fahasiahana rehetra natototr’i Satana sy ny irany azy. — Ohabolana 27:11; Matio 22:15-18; Marka 14:60-65; 15:16-32; Lioka 4:13, 29; Jaona 8:44, 59.
15. Ahoana no azontsika anehoana ny fankasitrahantsika an’i Jehovah noho ny nanomezany mpisoronabe tsara dia tsara toy izany? (Hebreo 10:21-26)
15 Noho ny nanamarinany ny fiandrianan’i Jehovah, dia novalian-tsoa i Jesosy tamin’ny fananganana tamin’ny maty ho amin’ny fiainana tsy mety maty any an-danitra. Toy inona moa ny tokony ho fankasitrahantsika an’i Jehovah noho ny nanomezany antsika Mpisoronabe tsara dia tsara toy izany! “Koa satria isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesosy, Zanak’Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay efa nekentsika.” (Hebreo 4:14) Moa ve fanirianao fatratra ny hanaraka ny ohatra momba ny tsy fivadihan’i Jesosy, na inona no inona mety hataon’ny Devoly? Raha izany no izy, dia afaka matoky fa hahazo fanampiana ianao, ary afaka hahomby. Izany dia satria azo atao ny mahazo fanampiana tsara indrindra. “Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory [amin’ny fotoana mety, MN].” — Hebreo 4:15, 16; 5:7-10; Filipiana 4:13; 1 Jaona 2:1, 2.
Ny ilàna fanitsiana
16. Fanantenan-javatra inona mikasika ny fanapahan’ilay Fanjakana no nananan’ireo mpianatry ny Mesia voalohany?
16 Mailaka namantatra ny Mesia marina ry Andrea sy Jaona, nefa mbola nanan-javatra maro hianarana izy ireo sy ny mpianatra voalohany hafa. (Jaona 16:12, 13) Sahala amin’ny Jiosy tia fivavahana maro tamin’izany fotoana izany, izy ireo dia nanantena fa hanomboka hanapaka tamin’izay ny Fanjakana mesianika ka hanafaka ny firenen’Isiraely sy Jerosalema renivohiny tamin’ny fanapahan’ny Jentilisa. (Lioka 2:38; 3:15; 19:11; 23:51; 24:21) Kanefa, soa maharitra inona no ho nentin’izany ho an’ny taranak’olombelona mpanota?
17, 18. Nahoana i Jesosy no nanome ilay fanoharana ny amin’ny “andriandahy anankiray”?
17 Mba hanafoanana ny fahotana sy ny fahafatesana eo amin’ireo ho vahoakan’ny Fanjakany, dia zava-dehibe ny hamonoana ny Mesia toy ny zanak’ondry atao sorona aloha. (Jaona 1:29; Isaia 53:7, 12) Rehefa nanambara mialoha ny fomba hitrangan’izany sy ny fomba hananganana azy amin’ny maty i Jesosy, dia namaly toy izao i Petera: “Sanatria aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany!” (Matio 16:21, 22) Fantatr’i Jesosy anefa, fa “tsy nahafantatra izany teny izany” ny mpianany. — Marka 9:31, 32; ampitahao amin’ny Matio 17:22, 23.
18 Tamin’ny dia farany nataony nankany Jerosalema, dia nanjary niteny nazava kokoa i Jesosy. (Matio 20:18, 19) Nasehony koa ny soa lehibe hoentin’ny fahafatesany tamin’ny fitenenana hoe: “Ny Zanak’olona (...) [tonga] hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro”. (Matio 20:28) Nanakana ny mpianatra tsy hahatakatra izany ny fanantenan-javatra tsy araka ny izy. Mitantara i Lioka hoe: “Satria efa akaiky an’i Jerosalema Izy, ka nataon’ny olona fa hiseho faingana ny fanjakan’Andriamanitra”. Mba hanitsiana ny fisainan’izy ireo, i Jesosy dia nanome fanoharana izay nampitoviany ny tenany tamin’ny “andriandahy anankiray” izay tsy maintsy nanao dia “nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka” aloha. (Lioka 19:11, 12) Nanondro ny lanitra izay niakaran’i Jesosy taorian’ny nahafatesany sy nitsanganany io “tany” io.
19. (a) Fanantenan-javatra tsy araka ny izy inona no nambaran’ireo mpianatr’i Jesosy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty? (b) Fiovana inona teo amin’ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny olombelona no nitranga tamin’ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir.? (Hebreo 8:7-9, 13)
19 Kanefa, taloha kelin’ny niakaran’i Jesosy ho any an-danitra, dia nanontany ny mpianany hoe: “Tompoko, amin’izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin’ny Isiraely?” (Asan’ny apostoly 1:6) Moa ve nanda azy ireo i Jesosy noho ny nanontaniany izany? Tsia, nohazavainy fa tsy mbola tonga izany fotoana izany ary tokony handany ny fotoanany hanaovana asa lehibe dia lehibe amin’ny fanambarana ny Mesia marina izy ireo. (Asan’ny apostoly 1:7, 8) Tokony hitsahatra tsy ho ela ny fifandraisam-panekena nifanaovan’Andriamanitra tamin’ny Isiraely ara-nofo. Noho izany, dia tsy haverina amin’io firenena nivadika io ny Fanjakana mesianika ho avy. Izao no nambaran’i Jesosy tamin’ireo mpanohitra azy jiosy: “Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany”. (Matio 21:43) Folo andro taorian’ny niakaran’i Jesosy ho any an-danitra, dia teraka izany firenena izany. Nalatsaka teo amin’ny mpianatr’i Jesosy 120 ny fanahy masina, ary tamin’izany izy ireo dia voahosotra ho “olo-masin’Andriamanitra” ary ho “mpiray lova amin’i Kristy” ao amin’ilay Fanjakana mesianika ho avy. — Daniela 7:13, 14, 18; Romana 1:7; 8:1, 16, 17; Asan’ny apostoly 2:1-4; Galatiana 6:15, 16.
20. Na dia teo aza ny fanantenan-javatra tsy araka ny izy, inona no nataon’ny kristiana tsy nivadika tamin’ny taonjato voalohany?
20 Na dia taorian’ny nanosorana azy aza, dia mbola nanana fanantenan-javatra tsy araka ny izy ihany ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany. (2 Tesaloniana 2:1, 2) Nefa, tsy lasa olona sosotra mora nandositra andraikitra izy ireo fa nanaiky fananarana tamim-panetren-tena. Rehefa nomen’ny fanahy masin’Andriamanitra hery izy ireo dia nanaiky tamim-pifaliana ny fanendrena azy hanao fanambarana sy ‘hanao mpianatra ny firenena rehetra’. — Matio 28:19, 20; Asan’ny apostoly 1:8; Kolosiana 1:23.
21. Fanontaniana inona avy no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
21 Ahoana ny amin’ny taonjato faha-20 iainantsika? Moa ve ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny miandry amim-piambenana ny fiorenan’ny Fanjakana mesianikan’i Jehovah? Ary sahala amin’ireo nifanitsy taminy tamin’ny taonjato voalohany, nilain’izy ireo nahitsy tamin’ny lafiny sasany ve ny fanantenan-javatra nananany?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Samy manaiky na Ny Firaketana Amerikana na ny Firaketana Lehibe Sovietika fa nifarana tamin’ny taona 424 al.fan.ir. ny nanjakan’i Artaksersesy. Oviana no nanombohany? Tamin’ny taona 474 al.fan.ir. Ho fanohanana izany, ny soratra nofongarina avy tany ambanin’ny tany iray dia manondro ny faha-50 taona nanjakan’i Artaksersesy ho ny daty nanaovana azy; ny iray hafa dia manondro fa nodimbiasana izy tamin’ny faha-51 taona nanjakany. Raha manisa 50 taona feno miverina avy eo amin’ny taona 424 al.fan.ir. isika, dia tonga eo amin’ny taona 474 al.fan.ir. ho fanombohan’ny nanjakany. Noho izany, ny faha-20 taona nanjakan’i Artaksersesy, rehefa nomena ilay didy, dia ho 19 taona feno tao anatin’ny fotoana nanjakany, izany hoe ny taona 455 al.fan.ir. Raha mila antsipiriany fanampiny, dia jereo ny Insight on the Scriptures, Boky faha-2, pejy faha-616, natontan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
b Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 oktobra 1974, pejy 604.
Ahoana no havalinao?
◻ Inona no hevitry ny anaram-boninahitra hoe: “Mesia”?
◻ Fisehoan-javatra lehibe inona no nitranga tamin’ny taona 29 am.fan.ir.?
◻ Tamin’ny ahoana ny Mesia no ‘nampitsahatra ny fanatitra nalatsa-dra sy ny fanatitra hafa hatramin’ny antsasaky ny herinandro’?
◻ Hatramin’ny nanosorana azy, andraiki- tra inona no niantsorohan’i Jesosy?
◻ Inona no zava-nokendrena lehibe indrindra tamin’ny fahatongavan’ny Mesia voalohany, ary amin’ny ahoana izany no tokony hanan-kery eo amintsika?
[Sary, pejy 13]
Ny fidiran’ny mpisoronabe voalohany tao amin’ny Masina Indrindra dia tandindon’ny zavatra lehibe lavitra noho ny famonjena ny taranak’olombelona