-
Inona no Atao hoe Batisa?Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
-
-
Mpanara-dia an’i Jesosy vitsivitsy ihany no atao batisa amin’ny fanahy masina. Voahosotra tamin’ny fanahy masina ireo olona ireo satria voantso hiaraka amin’i Kristy any an-danitra mba ho mpanjaka sy mpisorona hitondra ny tany.e (1 Petera 1:3, 4; Apokalypsy 5:9, 10) Iza no hofehezin’izy ireo rehefa ho lasa mpitondra izy? Ny mpanara-dia an’i Jesosy an-tapitrisany manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany.—Matio 5:5; Lioka 23:43.
Batisa ao amin’i Kristy Jesosy sy ao amin’ny fahafatesany. ‘Atao batisa ao amin’i Kristy Jesosy’ koa ny olona sasany natao batisa tamin’ny fanahy masina. (Romanina 6:3) Ny mpianatr’i Jesosy voahosotra ihany àry no atao an’io batisa io, izany hoe ny mpianany hiara-hanjaka aminy any an-danitra. Lasa anisan’ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra ry zareo rehefa atao batisa ao amin’i Jesosy. Izy no Lohany, dia ry zareo no vatana.—1 Korintianina 12:12, 13, 27; Kolosianina 1:18.
-
-
Inona no Atao hoe Batisa?Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
-
-
Izay mihaino an’i Jesosy sy mankatò azy no asehon’ny vary. Azo atao batisa amin’ny fanahy masina ireo olona ireo. Izay tsy mihaino an’i Jesosy kosa no asehon’ny akofa sy ny mololo. Atao batisa amin’ny afo ireny olona ireny amin’ny farany, izany hoe horinganina mandrakizay.—Matio 3:7-12; Lioka 3:16, 17.
-