FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Heroda
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Nifindra tany Roma i Heroda Agripa sy Berenika anabaviny, taorian’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70. Voatendry ho lehiben’ny mpitsara i Agripa tany. Maty tsy niteraka izy tamin’ny taona 100 tany ho any.

      5. Heroda Filipo: Zanakalahin’i Heroda Lehibe tamin’i Mariamne II, izay zanakavavin’i Simona Mpisoronabe. I Filipo no vadin’i Herodiasy tamin’ny voalohany. Nisaraka taminy anefa i Herodiasy mba hanambadiany an’i Heroda Antipasy rahalahin’i Filipo saingy hafa reny. Voaresaka ao amin’ny Matio 14:3, Marka 6:17, 18, ary Lioka 3:19 i Heroda Filipo.

  • Herodiasy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Rariny àry raha nilaza i Jaona Mpanao Batisa fa tsy mety ny nanambadian’i Herodiasy an’i Heroda Antipasy. Tsy azo atao mantsy ilay izy sady mamoafady, raha jerena ny lalàna jiosy. Nampidirina am-ponja i Jaona ary notapahin-doha tatỳ aoriana, noho ny nitenenany azy ireo. Lasa halan’i Herodiasy i Jaona satria sahy nanameloka azy, ka raha vao nahita hirika nahafahany namono azy izy, dia notanterahiny izany.​—Mt 14:1-11; Mr 6:16-28; Lk 3:19, 20; 9:9.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara