Fanontanian’ny Mpamaky
Fihetsika manao ahoana no tokony haseho amin’ny fanaovana batisa kristiana?
Izany dia fanontaniana mahaliana, satria na dia efa vita batisa aza ny maro amin’ireo mpamaky anay, dia mahafaoka azy ireo, toy ny maha-toy izany koa an’ireo izay hatao batisa izy io. Aoka aloha isika hanome fanazavana momba ireo izay hatao batisa, amin’ny fandrobohana tanteraka. Manao ahoana ny tokony ho fihetsiny?
Ao amin’ny Matio 28:19, 20, i Jesosy dia nilaza tamin’ny mpanara-dia azy mba handeha ka hanao mpianatra, amin’ny fampianarana sy fanaovana batisa azy ireo. Tsy nampiseho ny batisa ho toy ny fanandraman-javatra feno fientanam-po fatratra, ho toy ny zavatra atao mipoitra avy amin’ny fahataitairana mihelina, izy. Dingana lehibe izy io, araka ny hitantsika avy amin’ny ohatr’i Jesosy. Hoy ny Lioka 3:21: “Ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra”. Eny, ilay Modelintsika dia nihevitra ny batisa ho zava-dehibe. Tsy azontsika alaina sary an-tsaina izy hoe nanao ny mariky ny fandresena tamin’ny tanana, taorian’ny nivoahany avy tao anaty rano, na nanifikifika ireo sandriny teo ambony lohany, na nanonona hiakam-pandresena, na dia nisy olona sasany nanao zavatra toy izany aza vao haingana. Tsia, tsy nisy afa-tsy i Jaona Mpanao Batisa teo, ary dia nitodika tany amin-dRainy tamim-bavaka i Jesosy.
Ny Baiboly anefa tsy manondro fa ny batisa dia tsy maintsy ho fisehoan-javatra manjombona na mampalahelo, mitaky ny hananana fijoro na fipetraka manokana na fanononana teny tsianjery, toy ny takin’ny fiangonana sasany ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana amin’izao andro izao. Eritrereto ny tamin’ny andro Pentekosta, fony natao batisa kristiana ny Jiosy sy ny proselyta an’arivony maro. Efa nianatra ny Lalàn’Andriamanitra izy ireo ary nifandray taminy. Koa nilain’izy ireo fotsiny ny nianatra sy ny nanaiky an’i Jesosy, ilay Mesia. Azo natao batisa izy ireo rehefa nanao izany.
Hoy ny tatitra ataon’ny Asan’ny Apostoly 2:41: “Izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa”. Ny dikan-tenin’i Weymouth dia manao hoe: “Noho izany, ireo izay nandray tamim-pifaliana ny teniny dia natao batisa.” Nahita fifaliana izy ireo tamin’ilay vaovao nampientana momba ny Mesia, ary azo antoka fa tonga hatrany amin’ny fanaovana batisa mihitsy izany fifaliana feno fahatsoram-po izany, dia batisa izay natao teo anatrehan’ny mpitazana faly an-jatony maro. Na dia ny anjely tany an-danitra aza dia nitazana sy nifaly. Tadidio ny tenin’i Jesosy nanao hoe: “Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany [eo anivon’ireo anjelin’Andriamanitra, NW ] ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka.” — Lioka 15:10.
Misy fomba samihafa ahafahan’ny tsirairay amintsika manome taratry ny maha-zava-dehibe sy ny maha-zava-mahafaly ny batisa. Ao amin’ny fiangonana sasany, ireo atao batisa dia manao akanjo lava fotsy na mainty. Tena tsy misy fototra araka ny Soratra Masina manohana izany zavatra takin’izy ireo izany. Na dia izany aza, ny akanjo fitondra milomano izay zara fa misy takon-kenatra na tsy manakona tsara ny vatana dia tsy hifanentana velively, na ho an’ny lehilahy na ho an’ny vehivavy. Ary araka ny efa nomarihina, rehefa mivoaka ny rano ilay Kristiana vaovao, dia tsy tokony hanao fihetsehana manokana, toy ny hoe nahazo fandresena lehibe izy. Faly ny sisa amin’ny fianakavian’ny mpirahalahy kristiana fa natao batisa izy. Tokony ho tsapany fa io fanehoana finoana io dia tsy inona fa dingana voalohany ihany eo amin’ny lalana lavitra ezaky ny tsy fivadihana hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra. — Matio 16:24.
Isika mpitazana ny batisa ampahibemaso dia miara-mifaly noho ilay toe-javatra, indrindra fa raha havana na olona nampianarintsika Baiboly ilay hatao batisa. Mba hiaraha-mifaly amin’ny fomba feno anefa, dia tokony hiara-mihaino ilay lahateny manontolo miaraka amin’ireo mpilatsaka hatao batisa isika, hihaino azy ireo mamaly ampahibemaso ireo fanontaniana atao aminy ary hiara-mihaino ilay vavaka aminy. Ny fanaovana izany dia hanampy antsika hihevitra ilay fanaovana batisa ho araka ny tena izy; hanana ny fomba fihevitr’Andriamanitra momba azy io isika. Aorian’ilay fanaovana batisa, ny fifaliantsika dia tsy mitaky ny hanaovantsika filaharam-pandresena, ny hanolorantsika fehezam-boninkazo na ny hanaovantsika lanonana ho an’ilay natao batisa. Afaka manatona ilay rahalahintsika na anabavintsika vaovao kosa isika mba hanehoana ny hafaliantsika noho ilay dingana mahatalanjona nataony sy mba hampitana fiarahabana tena mafana tonga soa ao amin’ny fianakavian’ny mpirahalahy kristiana.
Ho famintinana àry, isika rehetra, anisan’izany ireo izay aroboka, dia tokony hihevitra ny batisa ho zava-dehibe, araka ny tokony ho izy. Tsy fotoana hipoahan’ny fientanam-po be tabataba, hanaovana lanonana, na hikanikaniana mafy, amin’izay. Tsy fotoana manjombona na mampalahelo koa anefa amin’izay. Afaka ny ho faly ara-drariny isika fa misy vaovao tonga hiaraka amintsika eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Ary afaka miarahaba tonga soa amim-pifaliana an’ireo rahalahintsika sy anabavintsika vaovao isika.