FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jy toko 15 p. 40-p. 41 feh. 6
  • Ny Fahagagana Voalohany Nataon’i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fahagagana Voalohany Nataon’i Jesosy
  • I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fahagagana voalohany nataon’i Jesosy
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Ny fahagagana voalohany nataon’i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Fahagagana Faharoa tao Kana
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Fahagagana faharoa tany Kana
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
Hijery Hafa
I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
jy toko 15 p. 40-p. 41 feh. 6
I Jesosy tao amin’ny fampakaram-bady iray tao Kana, mandidy an’ireo mpanompo mba hameno rano ny siny

TOKO 15

Ny Fahagagana Voalohany Nataon’i Jesosy

JAONA 2:1-12

  • ILAY FAMPAKARAM-BADY TANY KANA

  • NANOVA NY RANO HO DIVAY I JESOSY

Telo andro izay no naha mpianatr’i Jesosy an’i Natanaela. Niaraka tamin’ny sasany tamin’ireo mpianany voalohany i Jesosy, ary nianavaratra nankany Galilia, faritra niavian’izy ireo. Ho any Kana, tanàna nahaterahan’i Natanaela, izy ireo, satria voasa tamin’ny fampakaram-bady iray tao. Teo amin’ny havoana eo avaratr’i Nazareta, tanàna nahalehibe an’i Jesosy, i Kana.

Namonjy an’ilay fety koa i Maria, renin’i Jesosy. Toa nikarakara an’ireo vahiny maro tonga tao izy, satria naman’ny fianakavian’ny mpanambady. Tonga dia tsikariny àry fa nisy zavatra tsy ampy ka hoy izy tamin’i Jesosy: “Tsy manana divay ry zareo.”—Jaona 2:3.

Te hilaza i Maria hoe mila manao zavatra i Jesosy. Hoy anefa i Jesosy: “Misy zavatra iombonako aminao angaha moa, ravehivavy?” (Jaona 2:4) Nampiasa an’io fomba fiteny io i Jesosy mba handavana ny soso-kevitr’i Maria. Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra izy, ka ilay Rainy any an-danitra no tokony hibaiko azy amin’izay ataony, fa tsy ny fianakaviany na ny namany. Hendry i Maria ka nankininy tamin-janany ilay raharaha. Hoy fotsiny àry izy tamin’ireo mpanompo: “Ataovy izay rehetra lazainy aminareo.”—Jaona 2:5.

Nisy sinibe vato enina fitoeran-drano teo, ary nahalany rano 40 litatra mahery avy izy ireo. Hoy i Jesosy tamin’ireo mpanompo: “Fenoy rano ireo sinibe ireo.” Hoy izy avy eo: “Tovozy amin’izay, ka itondray ny mpiandraikitra an’ity fanasana ity.”—Jaona 2:7, 8.

Ilay mpiandraikitra ny fanasana nidera an’ilay mpampakatra satria tsara ny divay narosony

Gaga ilay mpiandraikitra hoe tsara be ilay divay. Tsy fantany fa fahagagana no nahazoana azy io. Niantso ny mpampakatra izy, ka nilaza hoe: “Ny an’ny olona rehetra, ny divay tsara aloha no avoaka, ary rehefa mamo ny olona vao avoaka ny ratsiratsy. Ny anao kosa, ny divay tsara no notehirizinao hatramin’izao.”—Jaona 2:10.

Io no fahagagana voalohany nataon’i Jesosy. Vao mainka nino azy ny mpianany vaovao rehefa nahita azy io. Nankany Kapernaomy, tanàna eo avaratrandrefan’ny Ranomasin’i Galilia, i Jesosy sy ny reniny ary ireo rahalahiny taorian’izay.

  • Oviana ilay fampakaram-bady tao Kana?

  • Inona no nolazain’i Jesosy rehefa nanome soso-kevitra momba ny divay ny reniny?

  • Inona no fahagagana nataon’i Jesosy, ary inona no vokatr’izany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara