FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/11 p. 4-7
  • Aiza no Misy ny Maty?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aiza no Misy ny Maty?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Iza no mankany an-danitra?
  • Ireo izay tsy mankany an-danitra
  • Fatoriana ao amin’ny fahafatesana
  • Fiainam-baovao ho An’ireo Razambentsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Iza no mankany an-danitra, ary nahoana?
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Inona no Manjo An’ireo Olo-malalantsika Nody Mandry?
    Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Ireo Olon-tianao Nody Mandry — Hahita Azy Ireo Indray ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/11 p. 4-7

Aiza no Misy ny Maty?

“NY TANY dia tsena iray; ny lanitra no fonenantsika”, hoy ny fitenenan’ny Yorobà atsy Afrika Andrefana. Manako any amin’ny fivavahana maro io hevitra io. Izy io dia mampita ny fiheverana fa tahaka ny tsena iray izay tsidihintsika mandritra ny fotoana fohy ny tany ary avy eo dia lasa isika. Araka io finoana io, eo amin’ny fahafatesana, isika dia mankany an-danitra, izay tena fonenantsika.

Tena mampianatra ny Baiboly fa mankany an-danitra ny olona sasany. Nilaza toy izao tamin’ireo apostoliny nahatoky i Jesosy Kristy: “Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro; (...) handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.” — Jaona 14:2, 3.

Tsy midika ireo tenin’i Jesosy fa mankany an-danitra ny olona tsara rehetra na ny lanitra no fonenan’ny olombelona. Ny sasany dia akarina ho any an-danitra mifandray amin’ny fanapahana ny tany. Fantatr’i Jehovah Andriamanitra fa ireo fitondram-panjakan’olombelona dia tsy hahatantana amim-pahombiazana na oviana na oviana ireo raharaha eto an-tany. Noho izany, izy dia nandamina ny hisian’ny fitondram-panjakana, na Fanjakana, iray any an-danitra, izay hifehy ny tany amin’ny farany ka hanova azy io ho tonga ilay Paradisa izay nikasany azy tany am-boalohany. (Matio 6:9, 10). I Jesosy no ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Daniela 7:13, 14). Hofidina avy amin’ny taranak’olombelona ny hafa mba hiara-manapaka aminy. Nilaza mialoha ny Baiboly fa ireo izay akarina mankany an-danitra dia ho “fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika” ary ‘hanjaka ambonin’ny tany’. — Apokalypsy 5:10.

Iza no mankany an-danitra?

Amin’ny fandinihana ny andraikitra lehibe hananan’ireny mpanapaka any an-danitra ireny, dia tsy mahagaga raha tsy maintsy mahafeno fepetra hentitra izy ireo. Ireo izay mankany an-danitra dia tsy maintsy manana fahalalana araka ny marina momba an’i Jehovah ary tsy maintsy mankato azy. (Jaona 17:3; Romana 6:17, 18). Takina amin’izy ireo ny hanehoany finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. (Jaona 3:16). Kanefa, mihoatra noho izany no voafaoka. Tsy maintsy antsoin’Andriamanitra sy fidiny amin’ny alalan’ny Zanany izy ireo. (2 Timoty 1:9, 10; 1 Petera 2:9). Ankoatra izany, dia tsy maintsy Kristiana vita batisa izay “ateraka indray”, ateraky ny fanahy masin’Andriamanitra, izy ireo. (Jaona 1:12, 13; 3:3-6). Ilain’izy ireo koa ny mihazona tsy fivadihana eo anatrehan’Andriamanitra mandra-pahafatiny. — 2 Timoty 2:11-13; Apokalypsy 2:10.

Olona an-tapitrisany maro tsy tambo isaina izay efa niaina sy efa maty no tsy nahafeno ireo fepetra ireo. Maro no tsy nanana afa-tsy fahafahana kely nianatra momba ilay Andriamanitra marina. Ireo hafa dia tsy namaky mihitsy ny Baiboly ary tsy mahafantatra afa-tsy zavatra kely na tsy mahafantatra na inona na inona momba an’i Jesosy Kristy. Na dia eo amin’ireo tena Kristiana eto an-tany amin’izao andro izao aza, dia vitsy no nofidin’Andriamanitra ho amin’ny fiainana any an-danitra.

Vokatr’izany, ny isan’ireo izay hankany an-danitra dia somary ho vitsy ihany. Nanisy firesahana azy ireny ho “ondry vitsy” i Jesosy. (Lioka 12:32). Tatỳ aoriana, dia naharihary tamin’ny apostoly Jaona fa ireo izay “navotana niala tamin’ny tany” mba hiara-manapaka amin’i Kristy any an-danitra dia tsy hisy afa-tsy 144 000 ny tontaliny. (Apokalyspy 14:1, 3; 20:6). Rehefa ampitahaina amin’ireo olona an’arivo tapitrisany maro izay niaina teto an-tany izany dia tena isa vitsy tokoa.

Ireo izay tsy mankany an-danitra

Inona no mitranga amin’ireo izay tsy mankany an-danitra? Mijaly ao amin’ny toeram-pijaliana mandrakizay iray ve izy ireo, araka ny ampianarin’ny fivavahana sasany? Mazava ho azy fa tsia, satria i Jehovah dia Andriamanitry ny fitiavana. Tsy manipy ireo zanany ho ao anaty afo ny ray aman-dreny be fitiavana, ary tsy mampijaly ny olona amin’ny fomba toy izany i Jehovah. — 1 Jaona 4:8.

Ny fahatsinjovan-javatra ho an’ny ankamaroan’ireo izay efa maty dia ny fananganana amin’ny maty ho amin’ny paradisa eto an-tany. Milaza ny Baiboly fa i Jehovah dia namorona ny tany mba ‘honenana’. (Isaia 45:18). Izao no nambaran’ny mpanao salamo: “Ny lanitra dia an’i Jehovah; fa ny tany nomeny ho an’ny zanak’olombelona.” (Salamo 115:16). Ny tany, fa tsy ny lanitra, no ho fonenan’olombelona maharitra.

Nilaza mialoha toy izao i Jesosy: “Avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any [am-pasam-pahatsiarovana, NW ] ny feony [ny an’i Jesosy, ilay “Zanak’olona”]; dia hivoaka izy”. (Jaona 5:27-29). Nanamafy toy izao i Paoly apostoly kristiana: “Manantena amin’Andriamanitra aho (...) fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny [tsy marina, NW ].” (Asan’ny Apostoly 24:15). Teo amin’ny hazo fijaliana, i Jesosy dia nampanantena ny mpanao ratsy nibebaka iray, fiainana amin’ny alalan’ny fananganana amin’ny maty ho ao amin’ny paradisa eto an-tany. — Lioka 23:43, NW.

Manao ahoana anefa ny toetran’ny maty ankehitriny izay hatsangana ho amin’ny fiainana eto an-tany? Manampy amin’ny famaliana io fanontaniana io ny fisehoan-javatra iray teo amin’ny fanompoan’i Jesosy. Maty i Lazarosy sakaizany. Talohan’ny nandehanan’i Jesosy hanangana azy, dia nilaza toy izao tamin’ireo mpianany Izy: “Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho.” (Jaona 11:11). Araka izany, i Jesosy dia nampitovy ny fahafatesana tamin’ny torimaso, torimaso lalina iray tsy misy nofy.

Fatoriana ao amin’ny fahafatesana

Mifanaraka amin’io fiheverana ny amin’ny fatoriana ao amin’ny fahafatesana io ireo andinin-teny hafa. Tsy mampianatra izy ireny fa ny olombelona dia manana fanahy (âme) tsy mety maty izay mankany amin’ny faritra misy an’ireo fanahy eo amin’ny fahafatesana. Milaza toy izao kosa ny Baiboly: “Ny maty (...) tsy mba mahalala na inona na inona (...). Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela (...) Tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita [ny fasana] izay alehanao.” (Mpitoriteny 9:5, 6, 10). Ambonin’izany, ny mpanao salamo dia nanambara fa ny olona dia “miverina ho amin’ny taniny (...); ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany”. — Salamo 146:4.

Mampiseho mazava ireo andininy ireo fa tsy afaka mahita antsika na mandre antsika ireo izay matory ao amin’ny fahafatesana. Tsy afaka mitondra, na fitahiana na loza, izy ireo. Tsy any an-danitra izy ireo, na koa mipetraka ao amin’ny fiaraha-monina iray voaforon’ireo razana. Tsy manana aina, tsy misy, izy ireo.

Amin’ny fotoana mety amin’Andriamanitra, ireo izay matory ankehitriny ao amin’ny fahafatesana sady ao amin’ny fitadidiany dia hofohazina ho amin’ny fiainana ao amin’ny tany tonga paradisa. Ho tany voadio amin’ny fandotoana sy ny fikorontanana ary ireo zava-manahirana diavin’olombelona ankehitriny izany. Ho fotoana hahafaly re izany! Ao amin’io Paradisa io dia hanana ny fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay izy ireo, satria manome toky antsika toy izao ny Salamo 37:29: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.”

[Efajoro, pejy 6, 7]

NITSAHATRA TSY NIVAVAKA TAMIN’NY MATY AHO

“Fony aho mbola zaza, dia nanampy ny raiko nandritra ireo fanaovany fanatitra tsy tapaka ho an’ny rainy efa maty aho. Indray mandeha, rehefa sitrana tamin’ny aretina mafy iray ny raiko, dia nilaza taminy ilay lehilahy manao azy ho tsindrian-javatra fa tokony hanolotra fanatitra iray izy, dia osy iray, ovy fantaka, kôla sy toaka ho an’ny rainy efa maty, mba ho fankasitrahana noho ny fahasitranany. Notoroana hevitra koa ny raiko mba hitalaho amin’ireo razany efa maty mba hampivily ny aretina sy ny loza fanampiny.

“Nividy izay nilaina ho amin’ilay fanatitra, izay tokony hatao teo am-pasan’ny raibeko, ny reniko. Teo anilan’ny tranonay avy hatrany ilay fasana, nifanaraka tamin’ny fanao eo an-toerana.

“Nasaina mba hijery ilay fanaovana fanatitra ireo namana sy havana ary mpiara-monina. Ny raiko, izay nianjaika tsara mba hifanaraka tamin’ilay fotoan-dehibe, dia nipetraka teo amin’ny seza iray nanatrika ny fasana izay nandaharana ny karandohan’osy vitsivitsy nampiasaina tamin’ny fanaovana fanatitra teo aloha. Ny asako dia ny nandraraka divay avy tamin’ny tavoahangy iray ho ao anaty kôpy kely iray, izay natolotro an-draiko. Avy eo, dia nandraraka izany tamin’ny tany izy mba hatao fanatitra. Niantso ny anaran-drainy intelo ny raiko ary nivavaka taminy mba hanafaka amin’ny loza ho avy.

“Natolotra ireo kôla, ary novonoina ny ondrilahy iray sady nandrahoina ary nohanin’ny olona rehetra nanatrika teo. Nandray anjara tamin’ny fihinanana aho sady nandihy niaraka tamin’ny hira sy ny fivelezana amponga. Nandihy tamin’ny fomba nahafinaritra sy mafy ny raiko na dia hita aza fa efa zokiolona izy. Teny anelanelan’ireo dihy dia nivavaka tamin’ireo razany izy mba hitahy an’izay rehetra nanatrika teo, raha mbola namaly hoe Ise, izay midika hoe ‘Ho tanteraka anie izany’ ny olona, anisan’izany aho. Nibanjina ny raiko tamim-pahalianana sy fahatalanjonana lalina aho ary naniry fatratra ny hahatongavan’ny andro izay hahampy taona ahy mba hanao fanatitra ho an’ireo razana efa maty.

“Na dia teo aza ireo fanatitra maro natolotra, dia mbola nandositra ny fianakaviana ihany ny fiadanana. Raha nisy zanakalahy telo sisa velona tamin’ny an-dreniko, dia tsy nisy tamin’ireo zazavavy telo naterany, velona tena naharitra; maty teo amin’ny fahazazany avokoa izy ireo. Rehefa nanjary bevohoka indray ny reniko, dia nanao fanatitra be kojakojany ny raiko mba hahateraka soa aman-tsara an’ilay zaza.

“Niteraka zazavavy hafa iray ny reniko. Roa taona tatỳ aoriana, dia nanjary narary ilay zaza ary maty. Ny raiko dia naka hevitra tany amin’ilay lehilahy manao azy ho tsindrian-javatra, izay nilaza fa fahavalo iray no tompon’andraikitra tamin’ilay fahafatesana. Nilaza ilay lehilahy manao azy ho tsindrian-javatra fa mba hanaovan’ny ‘fanahin’ilay’ zaza valy faty, dia nilaina hatao fanatitra ny tapa-kazo mirehitra iray sy ny toaka iray tavoahangy ary ny alika kely iray. Ilay hazo nirehitra dia tokony hapetraka teo ambonin’ny fasana, ilay toaka dia tokony hafafy teo ambonin’ny fasana, ary ilay alika kely dia tokony halevina velona teo akaikin’ny fasana. Noheverina fa hamoha ny fanahin’ilay zazavavy maty izany mba hamaliana faty noho ny nahafatesany.

“Nitondra ilay tavoahangy nisy toaka sy ilay hazo nirehitra nankany am-pasana aho, ary ny raiko dia nitondra ilay alika kely, izay naleviny araka ny toromarik’ilay lehilahy manao azy ho tsindrian-javatra. Nino izahay rehetra fa, ao anatin’ny herinandro, ny fanahin’ilay zazavavy maty dia handringana ilay olona izay nahatonga ny fahafatesany aloha be. Lasa ny roa volana ary tsy nisy olona maty nanaovana filazana teny amin’ny manodidina. Nanjary diso fanantenana aho.

“Valo ambin’ny folo taona aho tamin’izay fotoana izay. Fotoana fohy taorian’izay aho dia nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay nampiseho tamiko avy tao amin’ny Soratra Masina fa tsy afaka manisy soa na manisy ratsy ny velona ny maty. Rehefa niorim-paka tao am-poko ny fahalalana ny Tenin’Andriamanitra, dia nilazako ny raiko fa tsy afaka niaraka taminy intsony aho mba hanao fanatitra ho an’ny maty. Tamin’ny voalohany dia tezitra tamiko izy noho ny fandaozako azy, araka ny filazany azy. Kanefa rehefa tsikariny fa tsy vonona ny hiala tamin’ny finoako hitako vao haingana aho, dia tsy nanohitra ny fanompoam-pivavahana natolotro ho an’i Jehovah izy.

“Nampiseho ny fanoloran-tenako tamin’ny batisa tao anaty rano aho ny 18 Aprily 1948. Hatramin’izay, dia manohy manompo an’i Jehovah amim-pifaliana sy fahafaham-po be dia be aho, manampy ny hafa hanafa-tena amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ny razana efa maty, izay tsy afaka manampy antsika na manisy ratsy antsika.” — Avy amin’i J. B. Omiegbe, any Benin City, Nizeria.

[Sary, pejy 7]

Hisy fifaliana lehibe rehefa hatsangana ao amin’ny tany tonga paradisa ny maty

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara