-
“Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana”“Andao Hanara-dia Ahy”
-
-
TOKO 2
“Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana”
“Andao hanara-dia ahy”
1, 2. Nahoana no tsy vitantsika samirery ny manatona an’i Jehovah, ary ahoana no anampian’i Jesosy Kristy antsika amin’io lafiny io?
EFA very lalana ve ianao? Tamin’ny ianao handeha hitsidika namana na havana angamba no nitrangan’izany. Niato kely ve ianao rehefa teo amin’ny lalana iray tsy nahazatra anao, ary nanontany olona? Ahoana raha tamin’izay no nisy olona tsara fanahy, ka tsy vitan’ny hoe nanoro anao ny lalana, fa niteny mihitsy hoe: “Araho fotsiny aho, fa hoentiko any ianao”? Azo antoka fa ho faly erỳ ianao!
2 Mitovitovy amin’izany ny zavatra ataon’i Jesosy Kristy ho antsika. Tsy vitantsika samirery ny manatona an’Andriamanitra. Nandova ota sy tsy fahalavorariana mantsy ny olombelona, ka toy ny hoe very, satria “tsy hahazo an’ilay fiainana ampanantenain’Andriamanitra.” (Efesianina 4:17, 18) Mila ampiana isika mba hahita ny lalan-kizorana. Tsara fanahy i Jesosy, ilay Modelintsika, ka tsy vitan’ny hoe manome torohevitra sy tari-dalana izy, fa miteny amintsika mihitsy hoe: “Andao hanara-dia ahy”, araka ny hitantsika tao amin’ny Toko 1. (Marka 10:21) Milaza antony mampiaiky koa anefa izy, mba hanekentsika hanara-dia azy. Hoy izy: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:6) Hodinihintsika izao ny antony vitsivitsy manaporofo fa amin’ny alalan’ny Zanaka ihany no ahafahana manatona ny Ray. Izany koa no hanampy antsika hamantatra ny dikan’ilay hoe i Jesosy no “lalana sy fahamarinana ary fiainana.”
Anjara asany lehibe eo amin’ny fikasan’i Jehovah
3. Nahoana no amin’ny alalan’i Jesosy no ahafahana manatona an’Andriamanitra?
3 Nomen’i Jehovah anjara asa faran’izay mavesa-danja i Jesosy Zanany.a Izany no antony lehibe indrindra ilazana fa amin’ny alalany no ahafahana manatona an’Andriamanitra. Izy no nomen’ny Ray anjara asa lehibe indrindra amin’ny fanatanterahana ny fikasany rehetra. (2 Korintianina 1:20; Kolosianina 1:18-20) Handinika izay nitranga tany Edena isika, mba hahazoantsika tsara an’io andraikitra lehibe tanan’i Jesosy io. Nikomy tamin’i Jehovah niaraka tamin’i Satana ny mpivady voalohany tamin’izay.—Genesisy 2:16, 17; 3:1-6.
4. Inona no adihevitra nipoitra vokatr’ilay fikomiana tany Edena, ary nanapa-kevitra ny hanao inona i Jehovah mba handaminana an’izany?
4 Niteraka adihevitra lehibe mahakasika ny zavaboary rehetra, ilay fikomiana tany Edena. Niadian-kevitra hoe tena masina, tsara fanahy, manao ny rariny, ary be fitiavana tokoa ve i Jehovah amin’izay rehetra ataony. Mba handaminana an’izany, dia nanapa-kevitra ny handefa ny iray tamin’ireo zanany lavorary tetỳ an-tany i Jehovah. Faran’izay mavesa-danja ilay iraka hampanaovina azy, satria tsy maintsy hamoy ny ainy izy mba hanamasinana ny anaran’ny Rainy, sy hanavotana ny olombelona. Ho voavaha ny olana rehetra vokatry ny fikomian’i Satana, raha tsy mivadika mandra-pahafatiny io zanaka io. (Hebreo 2:14, 15; 1 Jaona 3:8) Manana zanaka lavorary an’alinalina anefa i Jehovah any an-danitra. (Daniela 7:9, 10) Iza amin’ireo àry no nofidiny hiantsoroka io andraikitra faran’izay lehibe io? Ny “Zanany lahitokana”, dia i Jesosy Kristy.—Jaona 3:16.
5, 6. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa natoky ny Zanany izy, ary inona no fototr’izany fatokisana izany?
5 Tsy mahagaga mihitsy raha i Jesosy no nofidin’i Jehovah! Natoky tanteraka an’io Zanany lahitokana io mantsy izy. An-jatony taona talohan’ny nahatongavan’ny Zanany tetỳ an-tany, dia efa nilaza i Jehovah fa tsy hivadika izy io, na dia hiharan’ny fijaliana isan-karazany aza. (Isaia 53:3-7, 10-12; Asan’ny Apostoly 8:32-35) Inona no dikan’izany? Marina fa nanana safidy malalaka toy ny zavaboary manan-tsaina hafa rehetra i Jesosy, ka afaka nifidy izay tiany hatao. Tena natoky azy anefa i Jehovah, ka nilaza mialoha fa tsy hivadika izy. Inona no fototr’izany fatokisana izany? Raha tsorina, dia ny fahalalana. Mahalala tsara ny Zanany i Jehovah, ary fantany fa tena maniry hampifaly Azy izy. (Jaona 8:29; 14:31) Tia ny Rainy koa i Jesosy, ary tia azy i Jehovah ho setrin’izany. (Jaona 3:35) Tena mifankatia izy mianaka, ka lasa miray saina sy mifampatoky, ary toy ny fatorana tsy mety tapaka izany fifandraisany izany.—Kolosianina 3:14.
6 Tsy mahagaga àry raha amin’ny alalan’i Jesosy ihany no ahafahana manatona an’Andriamanitra, rehefa jerena ny anjara asa lehibe tanan’io Zanany io, sy ny fatokisan’ny Rainy azy, ary ny fifankatiavan’izy mianaka. Misy antony hafa koa manaporofo fa i Jesosy ihany no afaka manampy antsika hifandray amin’ny Ray.
Ny Zanaka ihany no tena mahafantatra ny Ray
7, 8. Nahoana no tsy diso i Jesosy, rehefa nilaza fa tsy misy tena mahafantatra ny Ray “afa-tsy ny Zanaka”?
7 Misy fepetra tsy maintsy fenointsika, mba hanatonana an’i Jehovah. (Salamo 15:1-5) Iza moa, ankoatra ny Zanaka, no tena mahalala ny fomba hanarahana ny fitsipik’Andriamanitra sy izay tokony hatao mba hahazoana sitraka aminy? Hoy i Jesosy: “Efa nomen’ny Raiko ahy daholo ny zava-drehetra. Tsy misy tena mahafantatra tsara ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary tsy misy tena mahafantatra tsara ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hampahafantarina ny momba ny Ray.” (Matio 11:27) Andeha hojerentsika ny porofo fa nilaza ny marina sady tsy nanitatra i Jesosy, rehefa niteny hoe tsy misy tena mahafantatra ny Ray “afa-tsy ny Zanaka.”
8 “Lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra” i Jesosy, hany ka tsy nisy nifandray akaiky tamin’i Jehovah toa azy. (Kolosianina 1:15) Izy mianaka irery no teo amin’izao rehetra izao, nanomboka tamin’ny fotoana niandohan’ny famoronana, ka hatramin’ny fotoana nahariana ny anjely hafa. Tena nampifandray akaiky azy mianaka izany fotoana ela be niarahany izany. (Jaona 1:3; Kolosianina 1:16, 17) Eritrereto ange ny zavatra nianaran’i Jesosy teo anilan’ny Rainy e! Nanjary nahalala ny fomba fiheviny izy, sady nianatra momba ny sitrapony sy ny fitsipiny ary ny fomba fanaovany zavatra. Tsy nanitatra mihitsy àry i Jesosy, rehefa nilaza fa mahalala tsara ny Rainy mihoatra noho ny olona sy ny anjely rehetra izy. Koa satria nifandray akaiky toy izany izy mianaka, dia azo antoka fa tsy misy mahita fomba tsara kokoa noho i Jesosy mba hampahafantarana ny momba ny Rainy.
9, 10. a) Tamin’ny fomba ahoana avy no nampahafantaran’i Jesosy ny momba ny Rainy? b) Inona no tsy maintsy ataontsika, mba hahazoana sitraka amin’i Jehovah?
9 Hita tamin’ny fampianaran’i Jesosy, fa hainy tsara ny fomba fihevitr’i Jehovah sy ny fihetseham-pony, ary izay takiny amin’ny mpanompony.b Mbola nampahafantatra ny momba ny Rainy tamin’ny fomba lehibe hafa anefa izy. Hoy izy: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.” (Jaona 14:9) Nanahaka tanteraka ny Rainy i Jesosy tamin’izay rehetra nolazainy sy nataony. Rehefa mamaky Baiboly àry isika ka mahita ny zavatra nataon’i Jesosy sy nolazainy, dia toy ny mahita an’i Jehovah manao sy milaza an’izany zavatra izany mihitsy. Anisan’izany ny hoe nampiasa teny mafonja sy mahafinaritra i Jesosy rehefa nampianatra, nangoraka ny olona izy ka nanasitrana azy ireny, ary nahay niara-niory tamin’ny hafa ka latsa-dranomaso. (Matio 7:28, 29; Marka 1:40-42; Jaona 11:32-36) Hita taratra tanteraka tamin’izay nolazain’i Jesosy sy nataony, ny sitrapon’ny Rainy sy ny fomba fanaovany zavatra. (Jaona 5:19; 8:28; 12:49, 50) Mila manaraka ny fampianaran’i Jesosy sy ny modely nomeny àry isika, mba hahazoana sitraka amin’i Jehovah.—Jaona 14:23.
10 Koa satria mahafantatra tsara ny Ray sy manahaka azy tanteraka i Jesosy, dia tsy mahagaga raha nanapa-kevitra i Jehovah fa amin’ny alalan’io Zanany io no ahafahana manatona azy. Azontsika izao ny fanazavana fototra momba ny hoe nahoana no amin’ny alalan’i Jesosy ihany no ahafahana manatona an’i Jehovah. Io fanazavana io koa no manampy antsika hahazo ny dikan’ilay tenin’i Jesosy hoe: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.”—Jaona 14:6.
“Izaho no lalana”
11. a) Nahoana no tsy maintsy ho amin’ny alalan’i Jesosy ihany no ahafahantsika mifandray tsara amin’Andriamanitra? b) Ahoana no anantitranteran’ny Jaona 14:6 fa miavaka ny toerana tanan’i Jesosy? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)
11 Hitantsika teo fa tsy afaka manatona an’Andriamanitra isika, raha tsy amin’ny alalan’i Jesosy. Andeha isika hamakafaka ny hevitr’izany ho antsika. I Jesosy no “lalana”, satria amin’ny alalany ihany no ahafahantsika mifandray tsara amin’Andriamanitra. Nahoana? Satria nanome ny ainy ho sorom-panavotana i Jesosy, rehefa tsy nivadika mandra-pahafatiny. (Matio 20:28) Tsy ho afaka hifandray amin’Andriamanitra isika, raha tsy nisy io sorom-panavotana io. Toy ny sakana mampisaraka ny olombelona amin’Andriamanitra ny fahotana. Masina mantsy izy, ka tsy hankasitraka ny fahotana mihitsy. (Isaia 6:3; 59:2) Manala an’io sakana io anefa ny soron’i Jesosy, satria manafaka antsika amin’ny fahotana. (Hebreo 10:12; 1 Jaona 1:7) Afaka mahazo sitraka amin’i Jehovah isika, raha manaiky ilay sorona nomeny tamin’ny alalan’i Kristy sy maneho finoana azy io. Io ihany no fomba ahafahantsika ‘mihavana amin’Andriamanitra.’c—Romanina 5:6-11.
12. Inona avy no antony ilazana fa i Jesosy no “lalana”?
12 I Jesosy ihany koa no “lalana” ahafahana manatona an’i Jehovah amin’ny vavaka. Amin’ny alalany irery no ahafahantsika mivavaka, sady matoky fa hihaino sy hamaly ny fitalahoana vokatry ny fontsika i Jehovah. (1 Jaona 5:13, 14) Hoy i Jesosy: “Na inona na inona angatahinareo amin’ny Ray, dia homeny anareo amin’ny anarako izany. ... Mangataha dia hahazo ianareo, mba ho feno ny fifalianareo.” (Jaona 16:23, 24) Amin’ny anaran’i Jesosy àry no ahafahantsika mivavaka amin’i Jehovah sy miantso azy hoe ‘Ray.’ (Matio 6:9) Mbola i Jesosy koa no “lalana”, satria modely ho antsika izy. Nanahaka tanteraka ny Rainy izy, araka ny efa nasongadina teo aloha. Noho izany, dia hitantsika amin’ny modely nomeny izay tokony hatao mba hampifaliana an’i Jehovah. Tsy maintsy manara-dia an’i Jesosy àry isika, raha te hanatona an’i Jehovah.—1 Petera 2:21.
“Izaho no ... fahamarinana”
13, 14. a) Tamin’ny lafiny inona avy i Jesosy no nilaza ny marina? b) Inona no tsy maintsy nataon’i Jesosy mba hanaporofoana fa izy tokoa no “fahamarinana”, ary nahoana izy no tsy maintsy nanao izany?
13 Nilaza ny marina momba ny teny faminanian’ny Rainy foana i Jesosy. (Jaona 8:40, 45, 46) Tsy nisy fitaka mihitsy teo am-bavany. (1 Petera 2:22) Na ny mpanohitra azy aza niaiky fa ‘marina ny fampianarany momba an’Andriamanitra.’ (Marka 12:13, 14) Rehefa niteny anefa i Jesosy hoe: “Izaho no ... fahamarinana”, dia tsy ny fampahafantarany ny marina tamin’ny resaka nataony sy ny fitoriany ary ny fampianarany ihany no tiany holazaina. Mahafaoka zavatra maro kokoa ireo teniny ireo.
14 Tadidio fa taonjato maro talohan’ny nahatongavan’ny Mesia na Kristy, dia efa nampanoratin’i Jehovah faminaniana maro momba azy, ireo mpanoratra Baiboly. Nahitana tsipiriany momba ny fiainany sy ny fanompoany ary ny fahafatesany tao amin’izy ireny. Ankoatra izany, ny ampahany tamin’ny Lalàn’i Mosesy, izay toy ny aloky ny hoavy, dia nampiseho mialoha ny zavatra hataon’i Jesosy. (Hebreo 10:1) Nipetraka àry ny fanontaniana hoe: Tsy hivadika mandra-pahafatiny ve i Jesosy, ka hanatanteraka izay rehetra voalazan’ny faminaniana momba azy? Raha tsy mivadika ihany izy vao ho voaporofo fa Andriamanitra mahay maminany tokoa i Jehovah. Izany andraikitra goavana izany no niantsorohan’i Jesosy. Noporofoiny tamin’izay rehetra nolazainy sy nataony, izany hoe tamin’ny fomba fiainany manontolo, fa marina ireo faminaniana. (2 Korintianina 1:20) I Jesosy tokoa àry no “fahamarinana”, satria tanteraka taminy ny teny faminanian’i Jehovah.—Jaona 1:17; Kolosianina 2:16, 17.
“Izaho no ... fiainana”
15. Inona no dikan’ny hoe maneho finoana ny Zanaka, ary inona no soa azo avy amin’izany?
15 I Jesosy no “fiainana”, satria amin’ny alalany irery no ahazoantsika ny fiainana, izany hoe “ny tena fiainana.” (1 Timoty 6:19) Hoy ny Baiboly: “Izay maneho finoana ny Zanaka dia hahazo fiainana mandrakizay. Izay tsy mankatò ny Zanaka kosa tsy hahazo fiainana, fa ho tezitra aminy foana Andriamanitra.” (Jaona 3:36) Maneho finoana ny Zanak’Andriamanitra isika, rehefa mino fa noho izy ihany no ahafahantsika mahazo fiainana. Tsy izay ihany, fa mila asehontsika amin’ny asa ny finoantsika. Mila mianatra momba an’i Jesosy foana koa isika, ary manao izay tratry ny herintsika mba hanarahana ny fampianarany sy ny modely nomeny. (Jakoba 2:26) Ny fanehoana finoana ny Zanak’Andriamanitra àry no ahazoana ny fiainana mandrakizay. Any an-danitra izany ho an’ny “ondry vitsy”, na ny Kristianina voahosotra izay ho lasa zavaboary ara-panahy tsy mety maty. Eto an-tany lasa paradisa kosa izany ho an’ny “vahoaka be” anisan’ny “ondry hafa”, izay ho lasa olombelona lavorary indray.—Lioka 12:32; 23:43; Apokalypsy 7:9-17; Jaona 10:16.
16, 17. a) Nahoana no lazaina fa i Jesosy no “fiainana” ho an’ireo olona efa maty? b) Inona no toky ananantsika?
16 Ahoana kosa ny amin’ny olona efa maty? I Jesosy koa no “fiainana” ho azy ireo. Nilaza toy izao tamin’i Marta anabavin’i Lazarosy i Jesosy, taloha kelin’ny nananganany an’i Lazarosy namany: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana. Izay maneho finoana ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.” (Jaona 11:25) Nankinin’i Jehovah tamin’ny Zanany ny “lakilen’ny fahafatesana sy ny Fasana”, izany hoe nomeny hery hananganana ny maty izy. (Apokalypsy 1:17, 18) Hampiasa an’ireo lakile ireo i Jesosy nomem-boninahitra mba hamahana ny varavaran’ny fasana, izany hoe hananganana an’izay rehetra nindaosin’ny fahafatesana.—Jaona 5:28, 29.
17 “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana.” Nofintinin’i Jesosy tamin’ireo teny tsotra ireo ny antony niainany sy nanompoany teto an-tany. Misy heviny lalina ho antsika ireo teny ireo. Tadidio fa nilaza koa i Jesosy avy eo hoe: “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:6) Mbola marina foana ireo teniny ireo ankehitriny, toy ny tamin’ny androny ihany. Afaka matoky tanteraka àry isika, fa tsy ho very mihitsy raha manara-dia an’i Jesosy. Izy, ary izy irery ihany, no afaka manoro antsika ny lalana “mankany amin’ny Ray.”
-
-
“Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana”“Andao Hanara-dia Ahy”
-
-
c Enti-misolo olona tokana sy manavaka azy amin’ny hafa ny teny hoe “izaho” sy “no” ao amin’ny Jaona 14:6. Antitranterin’ireo teny ireo fa miavaka ny toerana tanan’i Jesosy. Izy no lalana, izany hoe amin’ny alalany irery ihany, no ahafahantsika manatona ny Ray.
-