FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 15/9 p. 13-18
  • Mitarika ny Vahoakany ny Fanahin’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitarika ny Vahoakany ny Fanahin’i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mangataha amin’Andriamanitra mba hahazoana ny fanahiny
  • Vonona ny hanampy i Jehovah
  • Ny fomba anampian’ny fanahy
  • “Amin’ny fitarainana tsy voatonona”
  • Aza mampalahelo ny fanahy na oviana na oviana
  • Aza mitsahatra ny mivavaka mba hahazo ny fanahy masina
  • Fanahy Masina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • ‘Amin’ny Anaran’ny Fanahy Masina’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Efa Nanokan-tena Ianao ka Mandehana Araka ny Fanahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Ny Fomba Fiasan’ny Fanahy Tamin’ny Taonjato Voalohany sy Ankehitriny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 15/9 p. 13-18

Mitarika ny Vahoakany ny Fanahin’i Jehovah

“Aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin’izay tany marina.” — SALAMO 143:10.

1, 2. Inona no mety hiteraka fahoriana ho an’ireo mpanompon’i Jehovah mahatoky?

‘KETRAKA mafy aho izany! Aiza no mety hahitako fampiononana? Moa ve Andriamanitra nandao ahy?’ Mba mahatsapa fihetseham-po toy izany ve ianao? Raha eny, dia tsy ianao irery no mahatsapa izany. Na dia monina ao amin’ilay paradisa ara-panahy miroborobo aza ny mpanompon’i Jehovah mahatoky, indraindray izy ireo dia miatrika zava-manahirana, fisedrana ary fakam-panahy mampahory fahitan’ny olombelona rehetra. — 1 Korintiana 10:13.

2 Angamba ianao tafihin’ny fisedrana maharitra ela na zavatra miteraka fihenjanana mafy. Mety halahelo ianao noho ny fahafatesan’olon-tiana iray ary mety hahatsiaro tena ho manirery aoka izany. Na, mety hitebiteby ny fonao noho ny aretina mahazo ny namana tsy foinao iray. Mety hanala aminao ny fifalianao sy ny fiadananao ny toe-javatra toy izany ary mety handrahona ny finoanao mihitsy aza. Inona no tokony hataonao?

Mangataha amin’Andriamanitra mba hahazoana ny fanahiny

3. Raha misy zavatra manala aminao ireo toetra tsara toy ny fiadanana sy ny fifaliana, inona moa no fahendrena ny hanaovana azy?

3 Raha misy zavatra manala aminao ny fiadananao, na ny fifalianao na ny toetra araka an’Andriamanitra hafa, dia ho fahendrena ny hivavahana mba hahazoana ny fanahy masin’Andriamanitra, na heriny miasa. Fa nahoana? Satria ny fanahin’i Jehovah dia mamokatra voa tsara izay manampy ny Kristiana iray hiatrika zava-manahirana, fisedrana ary fakam-panahy. Rehefa avy nampitandrina ny amin’ireo “asan’ny nofo” ny apostoly Paoly dia nanoratra toy izao: “Etsy an-danin’izany kosa, ny vokatry ny Fanahy dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaram-po, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena. Tsy misy lalàna manohitra ireo zavatra ireo.” — Galatiana 5:19-23, NW.

4. Rehefa miatrika fisedrana na fakam-panahy ny tena, nahoana no mety hety tsara ny hanaovana vavaka voafaritra tsara?

4 Noho ny karazana fisedrana atrehinao, dia mety hahatsapa ianao fa mitady hamoy ny fahalemem-panahinao, na ny fihetsikao malemy fanahy ianao. Amin’izay dia aoka ianao hanao vavaka voafaritra tsara amin’i Jehovah Andriamanitra ka hangataka io vokatry ny fanahy io indrindra, dia ny fahalemem-panahy. Raha miatrika fakam-panahy iray ianao, dia mila indrindra ny fifehezan-tena, izay vokatry ny fanahy hafa. Mazava ho azy fa hety koa ny hivavahana mba hahazoana ny fanampian’Andriamanitra hahafahana hanohitra ilay fakam-panahy, mba hahazoana fanafahana avy amin’i Satana, ary ny fahendrena ilaina mba hiaretana ilay fisedrana. — Matio 6:13; Jakoba 1:5, 6.

5. Raha mampahory aoka izany ny toe-javatra ka tsy fantatrao hoe vokatry ny fanahy inona no tokony hangatahina amin’ny vavaka, dia inona no azo atao?

5 Indraindray anefa dia mety hampahory na hahavery hevitra aoka izany ny toe-javatra ka tsy fantatrao hoe vokatry ny fanahy inona no ilainao. Raha ny marina, dia samy tandindomin-doza avokoa ny fifaliana, ny fiadanana, ny fahalemem-panahy ary ireo toetra araka an’Andriamanitra hafa. Ahoana amin’izay? Nahoana raha mangataka amin’Andriamanitra mba hahazoana ny fanahy masina mihitsy, ka hamela azy io hampiroborobo ao aminao ireo vokatra ilaina? Izany vokatra tena ilaina izany dia mety ho ny fitiavana, na ny fifaliana na ny fiadanana na ny fikambanan’ireo vokatry ny fanahy. Mivavaha koa mba hanampian’Andriamanitra anao hanaiky hanaraka ny fitarihan’ny fanahiny, satria mampiasa azy io mba hitarihana ny vahoakany izy.

Vonona ny hanampy i Jehovah

6. Ahoana no nanoritan’i Jesosy tao an-tsain’ireo mpanara-dia azy ny ilana hivavaka tsy an-kijanona?

6 Rehefa nitady toromarika momba ny vavaka ireo mpianatr’i Jesosy Kristy, ankoatra ny zavatra hafa, dia nampirisika azy ireo mba hivavaka izy mba hahazoana ny fanahin’Andriamanitra. Nampiasa fanoharana iray aloha i Jesosy mba hanosehana azy ireo hivavaka tsy an-kijanona. Hoy izy: “Iza moa aminareo no manana sakaiza, izay hankeo aminy mamatonalina ka hanao aminy hoe: Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho; fa ny sakaizako nandeha tamin’ny nalehany, dia tonga atsy amiko, ka tsy misy izay hafahako azy; ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: Aza manahirana ahy; fa efa mihidy ny varavarana izao, ary ny zanako mandry eto am-pandriana eto amiko; tsy afaka hifoha hanome anao aho? Hoy Izaho aminareo: Na dia tsy hiainga hanome azy noho ny fisakaizana aza izy, dia hifoha ihany izy noho ny fitarainany fatratra ka hanome azy izay ilainy.” — Lioka 11:5-8.

7. Inona no votoatin’ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Lioka 11:11-13, ary toky inona no omen’izany ho antsika raha ny amin’Andriamanitra sy ny fanahiny?

7 Vonona ny hanampy ny tsirairay amin’ireo mpanompony nanolo-tena mahatoky i Jehovah, ary mihaino ny fangatahana ataony. Kanefa, raha ‘tsy mitsahatra ny mangataka’ izany olona izany, araka ny nampirisihan’i Jesosy, izany dia mampiseho ny faniriany amim-pahatsorana, no sady fanehoana finoana. (Lioka 11:9, 10, NW ). Nanampy teny toy izao i Kristy: “Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan’ny zanany mofo, no hanome azy vato? ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon’ny hazandrano? ary raha angatahany atody, no hanome azy maingoka? Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?” (Lioka 11:11-13). Raha manome zavatra tsara ho an’ny zanany ny ray na reny eto an-tany iray, na dia manana ny maha-ratsy azy aza noho ny fetezana hanota nolovana, dia azo antoka fa ilay Raintsika any an-danitra dia hanohy hanome ny fanahiny masina ho an’iza na iza amin’ireo mpanompony mahatoky izay mangataka izany amim-panetren-tena.

8. Amin’ny ahoana ny Salamo 143:10 no mihatra amin’i Davida, amin’i Jesosy ary amin’ireo mpanompon’Andriamanitra amin’ny andro ankehitriny?

8 Mba handraisan-tsoa avy amin’ny fanahin’Andriamanitra, dia tsy maintsy vonona ny hanaraka ny fitarihany toa an’i Davida isika. Nivavaka toy izao izy: “Ampianaro hanao ny sitraponao aho; fa Hianao no Andriamanitro; aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin’izay tany marina.” (Salamo 143:10). I Davida, izay nataon’i Saoly, mpanjakan’ny Isiraely, ho mpandika lalàna tsy maintsy nenjehina, dia nila ny fanahin’Andriamanitra mba hitarika azy. Izany dia mba hahazoany antoka fa nanaraka lalana mahitsy izy. Tatỳ aoriana, dia tonga nitondra ny efodan’ny mpisorona izay nampiasaina mba hahazoana antoka ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra, i Abiatara. Tamin’ny naha-solontenan’Andriamanitra teo amin’ny fisoronana azy, dia nanoro an’i Davida izay lalana tokony harahina mba hanaovana izay hahafaly an’i Jehovah, i Abiatara. (1 Samoela 22:17–23:12; 30:6-8). Toa an’i Davida, i Jesosy dia notarihin’ny fanahin’i Jehovah, ary marina koa izany raha ny amin’ireo voahosotra mpanara-dia an’i Kristy amin’ny maha-kilasy azy ireo. Tamin’ny 1918-1919, dia noheverina ho toy ny olona nailiky ny mpiara-monina rehetra izy ireo, ary ireo fahavalony ara-pivavahana dia nihevitra fa afaka ny handringana azy. Nivavaka mba hisian’ny lalana hivoahana tamin’ny tsy fiasany ireo voahosotra, ary tamin’ny 1919, dia namaly ny vavaka nataony Andriamanitra, ka nanafaka azy ary nahatonga azy ireo hiasa indray teo amin’ny fanompoana azy. (Salamo 143:7-9). Tena nanampy sy nitarika ny vahoakany tokoa ny fanahin’i Jehovah tamin’izay, toy ny ataony koa hatramin’izao andro izao.

Ny fomba anampian’ny fanahy

9. a) Amin’ny ahoana ny fanahy masina no “mpanampy”? b) Ahoana no ahafantarantsika fa tsy persona akory ny fanahy masina? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

9 I Jesosy Kristy dia niantso ny fanahy masina hoe “mpanampy”. Nilaza toy izao tamin’ireo mpanara-dia azy izy, ohatra: “Izaho hangataka amin’ny Ray, ary Izy hanome anareo [Mpanampy, fanamarihana ambany pejy] hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny fahamarinana, Izay tsy azon’izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.” Ankoatra ny zavatra hafa, io “mpanampy” io dia ho mpampianatra, satria nampanantena toy izao i Kristy: “Ny [Mpanampy, fanamarihana ambany pejy], dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.” Ny fanahy koa dia hanao fanambarana momba an’i Kristy, izay nanome toky ny mpianany toy izao: “Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy atỳ aminareo ny [Mpanampy, fanamarihana ambany pejy]; fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho atỳ aminareo Izy.” — Jaona 14:16, 17, 26; 15:26; 16:7.a

10. Amin’ny fomba ahoana avy ny fanahy masina no niseho ho mpanampy?

10 Avy tany an-danitra i Jesosy dia nandatsaka teo amin’ny mpanara-dia azy ny fanahy masina nampanantenaina, tamin’ny andro Pentekosta taona 33 am.f.i. (Asan’ny Apostoly 1:4, 5; 2:1-11). Tamin’ny naha-mpanampy azy, ny fanahy dia nanome azy ireo fahatakarana nihanitombo momba ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fikasany ary nanazava ho azy ireo ny Teniny ara-paminaniana. (1 Korintiana 2:10-16; Kolosiana 1:9, 10; Hebreo 9:8-10). Io mpanampy io koa dia nanome hery ny mpianatr’i Jesosy mba ho vavolombelona tany amin’ny tany rehetra. (Lioka 24:49; Asan’ny Apostoly 1:8; Efesiana 3:5, 6). Amin’izao andro izao, ny fanahy masina dia afaka manampy ny Kristiana nanolo-tena iray mba hitombo amin’ny fahalalana raha manararaotra ireo fandaharana ara-panahy ataon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”, izy. (Matio 24:45-47, NW ). Afaka manome fanampiana ny fanahin’Andriamanitra amin’ny fanomezana ny herim-po sy tanjaka ilaina mba hanaovana fanambarana amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah antsika. (Matio 10:19, 20; Asan’ny Apostoly 4:29-31). Manampy ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny fomba hafa koa anefa ny fanahy masina.

“Amin’ny fitarainana tsy voatonona”

11. Raha toa hanafotra azy ny fisedrana iray, inona moa no tokony hataon’ny Kristiana iray?

11 Raha tafihin’ny fisedrana toa hanafotra azy ny Kristiana iray, inona no tokony hataony? Mivavaha mba hahazo ny fanahy masina, ary avelao hanao ny asany izy! “Toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika”, hoy i Paoly, “fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny fanahy no mifona amin’ny fitarainana tsy [voatonona, NW ]. Ary Izay mandinika ny fo no mahalala, izay hevitry ny Fanahy, satria araka an’Andriamanitra ny fifonany ho an’ny olona masina.” — Romana 8:26, 27.

12, 13. a) Amin’ny ahoana ny Romana 8:26, 27 no mihatra amin’ny vavaka atolotra amin’ny tarehin-javatra misedra indrindra? b) Inona no nataon’i Paoly sy ireo namany rehefa tao anatin’ny fihenjanana faran’izay mafy izy ireo tany amin’ny distrikan’i Azia?

12 Ireo olona masina izay ifonan’ny fanahin’Andriamanitra ireo dia ireo voahosotra mpanara-dia an’i Jesosy, manana ny fanantenana ho any an-danitra. Kanefa, na manana ny fiantsoana ho any an-danitra ianao na ny fanantenana ho eto an-tany, amin’ny maha-Kristiana anao, dia afaka mahazo ny fanampian’ny fanahy masin’Andriamanitra ianao. Indraindray i Jehovah dia manome valiny mivantana amin’ny vavaka voafaritra tsara iray. Misy fotoana anefa mety hampahory anao aoka izany ka tsy afaka milaza ireo fihetseham-ponao amin’ny teny ianao ary mety ho tsy afaka afa-tsy ny hitalaho amin’i Jehovah amin’ny fitarainana tsy voatonona. Raha ny marina, dia mety ho tsy fantatrao izay tokony ho tsara indrindra ho anao. Mety hangataka zavatra diso mihitsy aza ianao raha tsy mivavaka mba hahazoana ny fanahy masina. Andriamanitra dia mahafantatra fa tianao ny hanaovana ny sitrapony, ary fantany izay tena ilainao. Fanampin’izany, tamin’ny alalan’ny fanahiny masina, dia nanao izay handraketana an-tsoratra ao amin’ny Teniny ny vavaka maro izy. Ireo dia mifandray amin’ny tarehin-javatra misedra. (2 Timoty 3:16, 17; 2 Petera 1:21). Noho izany, dia afaka mandray ny sasany amin’ireo fihetseham-po voalaza amin’ireny vavaka azo tamin’ny tsindrimandry ireny ho toy ny fanehoana izay tianao holazaina amin’ny maha-mpanompony anao, i Jehovah, ary dia afaka mamaly izany ho anao izy.

13 Mety ho tsy nahalala izay tokony hangatahina tamin’ny vavaka i Paoly sy ireo namany fony niharan’ny fahoriana tany amin’ny distrikan’i Azia. ‘Tao anatin’ny fihenjanana faran’izay mafy nihoatra noho ny zakany izy ireo, hany ka tsy nanampo izay ho velona intsony.’ Kanefa nitady ny fivavahan’ny hafa izy ireo ary nitoky tamin’Andriamanitra, izay afaka manangana ny maty, ary dia nanafaka azy ireo izy. (2 Korintiana 1:8-11, NW ). Fampiononana toy inona moa ny mahafantatra fa mahare ny vavaka ataon’ireo mpanompony mahatoky i Jehovah Andriamanitra sady mamaly izany!

14. Zavatra tsara inona no mety ho vokatry ny famelan’i Jehovah ny fisedrana hitohy mandritra ny fotoana elaela?

14 Tafihin’ny fisedrana matetika amin’ny maha-fandaminana azy ny vahoakan’Andriamanitra. Araka ny nomarihina teo aloha, dia nenjehina izy ireo nandritra ny Ady Lehibe Voalohany. Na dia tsy nahatakatra mazava tsara ny toerana nisy ny tenany aza izy ireo, ka noho izany dia tsy nahalala tsara izay tokony hangatahina amin’ny vavaka, ny Tenin’i Jehovah dia nisy vavaka ara-paminaniana izay novaliany ho azy ireo. (Salamo 69, 102, 126; Isaia, toko faha-12). Ahoana anefa raha mamela ny fisedrana hitohy mandritra ny fotoana elaela i Jehovah? Izany dia mety hitarika ho amin’ny fanaovana fanambarana, mety hanosika ny sasany hanaiky ny fahamarinana, ary manome fahafahana ho an’ireo Kristiana mba haneho fifankatiavan’ny mpirahalahy amin’ny fivavahana ho an’ireo mpiray finoana aminy mijaly, na amin’ny fanampiana azy ireo amin’ny fomba hafa. (Jaona 13:34, 35; 2 Korintiana 1:11). Tadidio fa mitarika ny vahoakany amin’ny alalan’ny fanahiny masina i Jehovah, manao izay tsara indrindra ho azy ireo, ary mandamina ireo raharaha amin’ny fomba izay hanome voninahitra sy hanamasina ny anarany masina foana. — Eksodosy 9:16; Matio 6:9.

Aza mampalahelo ny fanahy na oviana na oviana

15. Afaka miantehitra amin’ny fanahin’i Jehovah mba hanao inona ho azy ireo ny Kristiana?

15 Raha mpanompon’i Jehovah àry ianao, dia mivavaha mba hahazo ny fanahy masina mandritra ny fisedrana sy amin’ny fotoana hafa. Avy eo dia ataovy azo antoka ny hanaraka ny fitarihany, satria nanoratra toy izao i Paoly: “Aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin’ny andro fanavotana.” (Efesiana 4:30). Ny fanahin’Andriamanitra dia tombo-kase, na ‘antoka ny amin’izay ho avy’, ho an’ireo Kristiana voahosotra mahatoky — izany hoe fiainana tsy mety maty any an-danitra — tamin’izay ary ankehitriny koa. (2 Korintiana 1:22, NW; Romana 8:15; 1 Korintiana 15:50-57; Apokalypsy 2:10). Ireo Kristiana voahosotra sy ireo izay manantena ny hiaina eto an-tany dia samy afaka miantehitra amin’ny fanahin’i Jehovah mba hanaovan’io zavatra be dia be ho azy ireo. Afaka mitarika azy ireo eo amin’ny fiainam-pahatokiana izy io sy manampy azy ireo hanalavitra ny fanaovan-javatra misy fahotana izay mitarika ho amin’ny tsy fahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra, ny famoizana ny fanahiny masina ary ny tsy fahazoana fiainana mandrakizay. — Galatiana 5:19-21.

16, 17. Ahoana no mety hanaovan’ny Kristiana iray izay hampalahelo ny fanahy?

16 Ahoana no mety hanaovan’ny Kristiana iray izay hampalahelo ny fanahy, na amim-pahalalana izany na tsia? Mampiasa ny fanahiny mba hampirisihana ny firaisan-tsaina sy mba hanendrena ireo lehilahy mitana andraikitra ao amin’ny kongregasiona, i Jehovah. Noho izany, raha misy mpikambana iray ao amin’ny kongregasiona mimonomonona momba ireo loholona voatendry, mampiely resadresaka feno fanendrikendrehana, sy zavatra hafa toy izany, dia tsy manaraka ny fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra ho amin’ny fihavanana sy ny firaisan-tsaina izy amin’izany. Amin’ny heviny ankapobeny, dia mampalahelo ny fanahy izy amin’ny fanaovana izany. — 1 Korintiana 1:10; 3:1-4, 16, 17; 1 Tesaloniana 5:12, 13; Joda 16.

17 Rehefa nanoratra ho an’ireo Kristiana tany Efesosy i Paoly dia nampitandrina azy ireo tamin’ireo fironana ho amin’ny lainga, ny fahatezerana maharitra, ny fangalarana, ny teny tsy mendrika, ny fahalianana feno fahataitairana amin’ny fijangajangana, ny fitondrantena mahamenatra ary ny voso-dratsy. Raha toa ka mamela ny tenany hirona ho amin’ny zavatra toy izany ny Kristiana iray, dia hanohitra ny torohevitra nomen’ny fanahy tamin’ny tsindrimandry ao amin’ny Baiboly. (Efesiana 4:17-29; 5:1-5, NW ). Eny, ary hampalahelo ny fanahin’Andriamanitra izy amin’izany.

18. Inona no mety hitranga amin’izay Kristiana rehetra manomboka tsy miraharaha ny torohevitra ao amin’ny Teny nomen’ny fanahin’i Jehovah tamin’ny tsindrimandry?

18 Raha ny tena izy, izay Kristiana rehetra manomboka tsy miraharaha ny torohevitra ao amin’ny Teny nomen’ny fanahin’i Jehovah tamin’ny tsindrimandry, dia mety hanomboka hamboly fihetsika na lafin-toetra izay mety hitarika ho amin’ny ota amim-piniavana sy ny famoizana ny fankasitrahan’Andriamanitra. Na dia mety tsy hanota aza izy izao, dia mety hirona ho amin’izany lalana izany. Ny Kristiana manohitra ny fitarihan’ny fanahy toy izany dia hampalahelo azy io. Hanohitra sy hampalahelo an’i Jehovah, ilay Loharanon’ny fanahy masina, koa izy amin’izany. Tsy haniry hanao izany na oviana na oviana ny olona iray tia an’Andriamanitra!

Aza mitsahatra ny mivavaka mba hahazo ny fanahy masina

19. Nahoana ny vahoakan’i Jehovah no mila indrindra ny fanahiny amin’izao andro izao?

19 Raha mpanompon’i Jehovah ianao, dia manohiza mivavaka mba hahazo ny fanahiny masina. Amin’izao “andro farany” izao, amin’izao fotoana sarotra, tsy mora setraina aoka izany izao, indrindra ny Kristiana no mila ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Miriotra mafy mamely ny fandaminan’i Jehovah ny Devoly sy ireo demoniany, izay noroahina avy tany an-danitra ka eo amin’ny manodidina ny tany izao. Noho izany, ankehitriny, mihoatra noho ny hatramin’izay, ny vahoakan’Andriamanitra dia mila ny fanahiny masina mba hitarika, na hitondra, azy ireo ary hanampy azy ireo hiaritra zava-tsarotra sy fanenjehana. — Apokalypsy 12:7-12.

20, 21. Nahoana isika no tokony hanaraka ny fitarihan’ny Tenin’Andriamanitra, ny fanahiny ary ny fandaminany?

20 Manehoa fankasitrahana foana noho ny fanampiana omen’i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanahiny masina. Araho ny fitarihan’ny Teniny nomen’ny fanahy tamin’ny tsindrimandry, dia ny Baiboly. Miaraha miasa amin’ny fomba feno amin’ny fandaminana tarihin’ny fanahin’Andriamanitra eto an-tany. Aza mamela na oviana na oviana ny tenanao hivily hiala amin’ny lalana araka ny Soratra Masina, izay ho fanaovana izay hampalahelo ny fanahy masina. Izany dia hitarika ho amin’ny fisindan’izy io amin’ny farany, ka noho izany dia ho amin’ny loza ara-panahy. — Salamo 51:11.

21 Ny fanekena hotarihin’ny fanahin’i Jehovah no hany fomba hanaovana izay hahafaly azy sy hananana fiainana miadana sy faly. Tadidio koa fa i Jesosy dia niantso ny fanahy masina hoe “mpanampy”, na “mpampahery”. (Jaona 14:16, fanamarihana ambany pejy). Amin’ny alalan’izy io, Andriamanitra dia mampahery ny Kristiana ary manatanjaka azy ireo mba hiatrika ireo fisedrana mahazo azy. (2 Korintiana 1:3, 4). Manome hery ny vahoakan’i Jehovah mba hitory ny vaovao tsara ny fanahy ary manampy azy ireo hitadidy ireo hevitra araka ny Soratra Masina ilainy mba hanaovana fanambarana tsara dia tsara. (Lioka 12:11, 12; Jaona 14:25, 26; Asan’ny Apostoly 1:4-8; 5:32). Amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitarihan’ny fanahy, ireo Kristiana dia afaka miatrika ireo fitsapana ny finoany noho ny fahendrena avy any an-danitra. Amin’ny toe-javatra rehetra eo amin’ny fiainana àry, dia tsy mitsahatra ny mivavaka mba hahazoana ny fanahy masin’Andriamanitra izy ireo. Ho vokatr’izany, ny fanahin’i Jehovah dia mitarika ny vahoakany.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Na dia aseho ho toy ny persona amin’ny teny hoe “mpanampy” aza ny fanahy masina, dia tsy persona akory, satria mpisolo anarana grika tsy milaza lahy na vavy (neutre) no ampiarahina amin’ny hoe fanahy. Toy izany koa fa mpisolo anarana hebreo milaza vavy no ampiarahina amin’ny fahendrena aseho ho toy ny persona. (Ohabolana 1:20-33; 8:1-36). Ankoatra izany, ny fanahy masina dia ‘alatsaka’, zavatra izay tsy azo atao amin’ny persona iray. — Asan’ny Apostoly 2:33.

Inona avy no Valin-teninao?

◻ Nahoana isika no tokony hivavaka mba hahazo ny fanahy masin’i Jehovah?

◻ Amin’ny ahoana ny fanahy masina no mpanampy?

◻ Inona no dikan’ny hoe mampalahelo ny fanahy, ary ahoana no azontsika analavirana ny fanaovana izany?

◻ Nahoana isika no tokony tsy hitsahatra ny hivavaka mba hahazo ny fanahy masina ary hanaraka ny fitarihany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Toy ny ray be fitiavana iray manome zavatra tsara ho an’ny zanany, toy izany koa, i Jehovah dia manome fanahy masina ho an’ireo mpanompony izay mivavaka mba hahazo azy io

[Sary, pejy 17]

Fantatrao ve ny fomba italahoan’ny fanahin’Andriamanitra ho an’ireo Kristiana mivavaka?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara