-
Mitarika ny Vahoakany ny Fanahin’i JehovahNy Tilikambo Fiambenana—1992 | 15 Septambra
-
-
Ny fomba anampian’ny fanahy
9. a) Amin’ny ahoana ny fanahy masina no “mpanampy”? b) Ahoana no ahafantarantsika fa tsy persona akory ny fanahy masina? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)
9 I Jesosy Kristy dia niantso ny fanahy masina hoe “mpanampy”. Nilaza toy izao tamin’ireo mpanara-dia azy izy, ohatra: “Izaho hangataka amin’ny Ray, ary Izy hanome anareo [Mpanampy, fanamarihana ambany pejy] hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny fahamarinana, Izay tsy azon’izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.” Ankoatra ny zavatra hafa, io “mpanampy” io dia ho mpampianatra, satria nampanantena toy izao i Kristy: “Ny [Mpanampy, fanamarihana ambany pejy], dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.” Ny fanahy koa dia hanao fanambarana momba an’i Kristy, izay nanome toky ny mpianany toy izao: “Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy atỳ aminareo ny [Mpanampy, fanamarihana ambany pejy]; fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho atỳ aminareo Izy.” — Jaona 14:16, 17, 26; 15:26; 16:7.a
10. Amin’ny fomba ahoana avy ny fanahy masina no niseho ho mpanampy?
10 Avy tany an-danitra i Jesosy dia nandatsaka teo amin’ny mpanara-dia azy ny fanahy masina nampanantenaina, tamin’ny andro Pentekosta taona 33 am.f.i. (Asan’ny Apostoly 1:4, 5; 2:1-11). Tamin’ny naha-mpanampy azy, ny fanahy dia nanome azy ireo fahatakarana nihanitombo momba ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fikasany ary nanazava ho azy ireo ny Teniny ara-paminaniana. (1 Korintiana 2:10-16; Kolosiana 1:9, 10; Hebreo 9:8-10). Io mpanampy io koa dia nanome hery ny mpianatr’i Jesosy mba ho vavolombelona tany amin’ny tany rehetra. (Lioka 24:49; Asan’ny Apostoly 1:8; Efesiana 3:5, 6). Amin’izao andro izao, ny fanahy masina dia afaka manampy ny Kristiana nanolo-tena iray mba hitombo amin’ny fahalalana raha manararaotra ireo fandaharana ara-panahy ataon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”, izy. (Matio 24:45-47, NW ). Afaka manome fanampiana ny fanahin’Andriamanitra amin’ny fanomezana ny herim-po sy tanjaka ilaina mba hanaovana fanambarana amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah antsika. (Matio 10:19, 20; Asan’ny Apostoly 4:29-31). Manampy ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny fomba hafa koa anefa ny fanahy masina.
-
-
Mitarika ny Vahoakany ny Fanahin’i JehovahNy Tilikambo Fiambenana—1992 | 15 Septambra
-
-
a Na dia aseho ho toy ny persona amin’ny teny hoe “mpanampy” aza ny fanahy masina, dia tsy persona akory, satria mpisolo anarana grika tsy milaza lahy na vavy (neutre) no ampiarahina amin’ny hoe fanahy. Toy izany koa fa mpisolo anarana hebreo milaza vavy no ampiarahina amin’ny fahendrena aseho ho toy ny persona. (Ohabolana 1:20-33; 8:1-36). Ankoatra izany, ny fanahy masina dia ‘alatsaka’, zavatra izay tsy azo atao amin’ny persona iray. — Asan’ny Apostoly 2:33.
-