-
SatanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Notandindomin-doza foana i Jesosy nandritra ny fanompoany. Nisy olona nampiasain’i Satana hanohitra azy mantsy, izany hoe hitaona azy hivadika na hamono azy. Nitady hanao azy ho mpanjaka ny vahoaka, indray mandeha. Nanda anefa izy satria tiany ny hahazo fahefana avy amin’Andriamanitra amin’ny fotoana voatondrony. (Jn 6:15) Nitady hamono azy koa ny olona tao amin’ny tanàna niaviany. (Lk 4:22-30) Nitady fomba hamandrihana azy foana ny olona nampiasain’i Satana. (Mt 22:15) Tsy vitan’i Satana mihitsy anefa ny nitaona an’i Jesosy hanota na tamin’izay noeritreretiny na tamin’izay nataony. Noporofoiny fa laingan’i Satana fotsiny ny hoe tsy manan-jo hitondra Andriamanitra sy ny hoe hivadika daholo ny mpanompony. Hoy àry i Jesosy, talohan’ny nahafatesany: “Tsaraina ankehitriny izao tontolo izao. Ary horoahina ankehitriny ilay mpitondra an’izao tontolo izao”, satria voaporofo tanteraka fa mpandainga izy. (Jn 12:31) Nofehezin’i Satana ny olona mpanota rehetra. Fantatr’i Jesosy fa ho faty tsy ho ela izy noho ny ataon’i Satana. Afaka nilaza toy izao anefa izy rehefa avy nankalaza ny Paska farany niaraka tamin’ny mpianany: “Avy ilay mpitondra an’izao tontolo izao. Tsy manana fahefana amiko anefa izy.”—Jn 14:30.
-
-
Fahefana Fara TamponyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ireo tafiditra amin’ilay adihevitra. Tsy olombelona ihany no nanota fa nisy anjely koa. Voakasik’ilay adihevitra koa àry ny zavaboary any an-danitra, anisan’izany ilay Zanak’Andriamanitra lahitokana, izay akaiky azy indrindra. Nanao izay sitraky ny Rainy foana io Zanany io, ka naniry mafy hanamarina ny zon’i Jehovah hitondra. (Jn 8:29; He 1:9) Nofidin’Andriamanitra àry izy, ka nirahiny tetỳ an-tany. Nateraky ny virjiny atao hoe Maria izy. (Lk 1:35) Lavorary sy tsy nanan-tsiny foana izy mandra-pahafatiny. (He 7:26) Hoy izy talohan’ny nahafatesany: “Tsaraina ankehitriny izao tontolo izao. Ary horoahina ankehitriny ilay mpitondra an’izao tontolo izao.” Hoy koa izy: “Avy ilay mpitondra an’izao tontolo izao. Tsy manana fahefana amiko anefa izy.” (Jn 12:31; 14:30) Tsy nahavita nampivadika an’i Kristy i Satana, ka horoahina. “Naharesy an’izao tontolo izao” àry i Jesosy.—Jn 16:33.
-
-
Izao Tontolo IzaoFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ny olona rehetra tsy Kristianina koa, na inona na inona firazanany, no matetika antsoina hoe kôsmôs. Nankahala an’i Jesosy sy ny mpianany io tontolo io, satria tsy anisan’izy io izy ireo sady nanaporofo fa nanao ny tsy marina izy io. Nankahala an’i Jehovah Andriamanitra sady tsy nahalala azy àry izy io. (Jn 7:7; 15:17-25; 16:19, 20; 17:14, 25; 1Jn 3:1, 13) I Satana Devoly Fahavalon’Andriamanitra no mifehy an’io tontolo tsy marina io sy ireo fanjakana eo aminy. Nanao ny tenany ho ‘andriamanitr’io’ tontolo io izy. (Mt 4:8, 9; Jn 12:31; 14:30; 16:11; ampit. 2Ko 4:4.) Tsy avy amin’Andriamanitra izy io fa avy amin’ilay mpanohitra azy lehibe indrindra, izay manana fahefana amin’izao “tontolo izao manontolo.” (1Jn 4:4, 5; 5:18, 19) I Satana sy “ireo fanahy ratsy any amin’ny faritry ny lanitra” no ‘mpanjakan’ilay tontolo [gr.: kôsmôkratôs]’ tafasaraka amin’Andriamanitra.—Ef 6:11, 12.
Tsy ny olombelona fotsiny ilay “tontolo” resahin’ireo andininy ireo, fa ny fiaraha-monina ivelan’ny fiangonana kristianina koa. Olombelona koa mantsy ny Kristianina, ka tsy maintsy hoe maty sy tsy nofo aman-dra intsony izy ireo vao afaka ny tsy ho “anisan’izao tontolo izao.” (Jn 17:6; 15:19) Izy ireo dia miara-miaina amin’ny olona eto amin’ity tontolo ity, anisan’izany ny mpijangajanga, mpanompo sampy, mpanao an-keriny, sy ny toy izany. (1Ko 5:9-13) Tsy maintsy miezaka ny hadio foana anefa izy ireo, sy tsy ho voapentimpentin’ny fahalotoan’ilay tontolo ary tsy hinamana aminy, sao ho voaheloka miaraka aminy. (1Ko 11:32; Jk 1:27; 4:4; 2Pe 1:4; 2:20; ampit. 1Pe 4:3-6.) Tsy tokony hanaiky hotarihin’ny fahendren’ity tontolo ity, izay hadalana amin’Andriamanitra, izy ireo. Tsy tokony hotahafiny koa “ny fanahin’izao tontolo izao”, izany hoe ny toe-tsainy tia tena sy tia manao ratsy. (1Ko 1:21; 2:12; 3:19; 2Ko 1:12; Tit 2:12; ampit. Jn 14:16, 17; Ef 2:1, 2; 1Jn 2:15-17; jereo FANAHY [Toe-tsaina sy fihetseham-po].) ‘Mandresy an’ity tontolo’ tsy marina ity àry ny Kristianina satria manam-pinoana, toa an’ilay Zanak’Andriamanitra ihany. (Jn 16:33; 1Jn 4:4; 5:4, 5) Handalo ity tontolo ity satria horavan’Andriamanitra (1Jn 2:17), toy ny nandravany tamin’ny alalan’ny Safodrano an’ilay tontolo tsy natahotra azy fahiny.—2Pe 3:6.
-