Handresy ny Ratsy ve ny Tsara Indray Andro Any?
EFA ho roa arivo taona lasa izay, dia nandalo fitsarana hamonoana azy i Jesosy Kristy, lehilahy tsy nanan-tsiny iray. Nisy lehilahy ratsy fanahy nitetika ny hahafaty azy noho izy nilaza ny fahamarinana. Nampangaina lainga ho nanao fikomiana izy, ary niantsoantso ny hamonoana azy ny vahoaka. Ny governora romana iray, izay nihevitra ny lazany ara-politika ho sarobidy kokoa noho ny ain’ny mpandrafitra tsotra iray, dia nanameloka an’i Jesosy ho faty tamin’ny fomba tsy nifaditra ovana. Raha jerena etỳ ivelany, dia toa nandresy ny ratsy.
Tamin’ilay alina nialoha ny hamonoana azy anefa, dia nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy hoe: “Izaho efa naharesy izao tontolo izao”. (Jaona 16:33). Inona no tiany holazaina? Tamin’ny lafiny sasany, dia tsy nahatonga azy ho sosotra na nahatonga azy hamaly faty toy izany koa, ny ratsy teo amin’izao tontolo izao. Tsy nahavita nanisika azy tao anatin’ny lasitra ratsy izao tontolo izao. (Ampitahao amin’ny Romana 12:2, DIEM.) Na dia teo am-pahafatesany aza, dia nivavaka ho an’ireo mpamono azy toy izao izy: “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony”. — Lioka 23:34.
Nasehon’i Jesosy — hatramin’ny fara fofon’ainy — fa azo resena ny ratsy. Nampirisika ny mpanara-dia azy izy mba hanao ny adin’izy ireo manokana amin’ny ratsy. Ahoana no ahafahan’izy ireo manao izany? Amin’ny fanarahana ny torohevitry ny Soratra Masina mba ‘tsy hamaly ratsy ny ratsy na amin’iza na amin’iza’ sy ‘tsy hitsahatra handresy ny ratsy amin’ny tsara’, toy ny nataon’i Jesosy. (Romana 12:17, 21, NW ). Mandaitra tokoa ve anefa ny fihetsika toy izany?
Fiadiana amin’ny ratsy tao Dachau
Vehivavy alemanina nigadra tao Dachau i Else. Nanome fanomezana sarobidy ny zazavavy rosiana iray 14 taona izy, dia ny fanomezana finoana sy fanantenana.
I Dachau dia toby fitanana iray nalaza ratsy, izay namonoana olona an’arivony maro tamin’ny gaza, ary nanaovana fanandramana ara-pitsaboana nahatsiravina tamin’olona an-jatony maro, anisan’izany io zazavavy rosiana io. Toa sary velona nampiseho ny ratsy i Dachau. Kanefa na dia tao amin’ny tany toa ngazana toy izany aza, dia nitsimoka ny tsara, ary nitombo isa mihitsy aza.
I Else dia nalahelo mafy an’io zazavavy io izay noterena koa hijery ireo mpiambina SS nisavika tamin-kabibiana ny reniny. Nitady fahafahana i Else mba hiresahana tamin’ilay zazavavy ny amin’ny tsara sy ny ratsy, sy ny amin’ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty omen’ny Soratra Masina, na dia nahatandindomin-doza ny ainy aza izany. Nampianatra ilay tanora namany izy mba ho tia fa tsy hankahala. Ary tafita velona tamin’ireo horohoro tao Dachau ilay zazavavy rosiana noho i Else.
Nanao izany i Else satria naniry hanaraka ny ohatra tsy nisy fitiavan-tena nasehon’i Kristy izy. Tamin’ny naha-Vavolombelon’i Jehovah azy, dia nianatra ny tsy hamaly ratsy ny ratsy izy, ary ny finoany dia nanosika azy hanampy ny hafa mba hanao toy izany koa. Na dia nijaly aza izy tao Dachau, dia nahazo fandresena ara-pitondran-tena teo amin’ny fitondrana ratsy iray. Ary tsy izy irery ihany no nanao toy izany.
Tao amin’ilay bokiny hoe A History of Christianity, dia nomarihin’i Paul Johnson fa “[ny Vavolombelon’i Jehovah] dia nanda izay mety ho fiaraha-miasa tamin’ny fanjakana nazia izay nampangain’izy ireo ho ratsy tanteraka. (...) Ny 97 isan-jato taminy dia nizaka fanenjehana tamin’ny endriny iray na tamin’ny endriny hafa”. Ady mafy tsy nisy fanantenana ve izany? Ao amin’ilay bokiny hoe Values and Violence in Auschwitz, dia izao no nambaran’ilay sosiology poloney atao hoe Anna Pawelczynska, momba ny Vavolombelon’i Jehovah: “Io antokona mpigadra vitsivitsy io dia hery nanana firehan-kevitra matanjaka, ary nandresy ny adiny tamin’ny Nazisma izy ireo.”
Ho an’ny ankamaroantsika anefa, ny ady lehibe indrindra dia atao amin’ilay fironan-dratsintsika anaty fa tsy amin’ireo fitaoman-dratsy ivelany. Izany dia ady mafy ao anatintsika.
Fandresena ny ratsy ao anatintsika
Nilazalaza ny amin’io ady io tamin’izao fomba manaraka izao ny apostoly Paoly: “Tsy ny tsara izay iriko hatao no tena ataoko tokoa; fa ny ratsy izay tsy iriko hatao no mbola ataoko foana.” (Romana 7:19, The New Testament, nataon’i William Barclay). Fantatr’i Paoly tsara fa tsy mandeha ho azy foana akory ny fanaovana ny tsara.
Lehilahy tanora espaniola iray i Eugenio.a Nandritra ny roa taona ngarangidina izy dia niady tamin’ny fironan-dratsiny. “Tsy maintsy hentitra mafy tamin’ny tenako aho”, hoy ny fanazavany. “Hatramin’ny fahakeliko aho dia nanana fironana haloto fitondran-tena. Fony aho zatovo, dia nandray anjara an-tsitrapo tamin’ny filibana nanaovana sodomia aho, ary aoka hotsorina fa nankafy izany fomba fiaina izany aho.” Inona no nahatonga azy haniry hiova tamin’ny farany?
“Naniry ny hampifaly an’Andriamanitra aho, ary nianarako tao amin’ny Baiboly fa tsy nankasitraka ny fomba niainako izy”, hoy i Eugenio. “Koa nanapa-kevitra ny ho tonga olona karazany hafa aho, hanaiky ny fitarihana avy amin’Andriamanitra. Isan’andro aho dia tsy maintsy niady tamin’ireo eritreritra tsy manorina sy tsy mendrika izay mbola tonga nanenika ny saiko ihany. Tapa-kevitra ny handresy tamin’io ady io aho, ary nangataka tamim-bavaka tsy an-kijanona ny fanampian’Andriamanitra. Rehefa afaka roa taona dia vita ny mafy indrindra, na dia mbola hentitra amin’ny tenako ihany aza aho. Mendrika ny hatao anefa ilay ady mafy. Izao aho dia manana fanajana ny tenako, fanambadiana tsara, ary, ambonin’ny zava-drehetra, fifandraisana tsara amin’Andriamanitra. Fantatro avy amin’ny fanandraman-javatra manokana hitako fa azo roahina ny eritreritra ratsy, alohan’ny hitondrany vokatra — raha tena manao fiezahana tokoa ianao.”
Mandresy ny ratsy ny tsara isaky ny misy eritreritra ratsy voailika, isaky ny mandà tsy hamaly ratsy ny ratsy isika. Kanefa ny fandresena toy izany, na dia zava-dehibe aza, dia tsy manafoana ny loharanon’ny ratsy roa lehibe indrindra. Na dia miezaka mafy toy inona aza isika, dia tsy afaka mandresy tanteraka ny fahalemena nolovantsika, ary mbola mampihatra fitaoman-dratsy amin’ny olombelona ihany i Satana. Koa mbola hiova ve io tarehin-javatra io indray andro any?
Fanafoanana ny Devoly
Ny fahatokian’i Jesosy mandra-pahafatiny dia faharesena lehibe ho an’i Satana. Tsy nahomby ny Devoly teo amin’ny fanandramany handrava tsy fivadihan’i Jesosy. Ary izany tsy fahombiazana izany dia nanamarika ny fiandohan’ny farany ho an’i Satana. Araka ny anazavan’ny Baiboly azy, i Jesosy dia nanandrana fahafatesana mba “handringanany amin’ny fahafatesana (...) ny devoly”. (Hebreo 2:14). Taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany”. (Matio 28:18). Ary io fahefana io dia hampiasaina mba hanafoanana ireo asan’i Satana.
Milazalaza ny amin’ny andro handroahan’i Jesosy an’i Satana avy any an-danitra ny bokin’ny Apokalypsy. Io mpanao ratsy raindahiny io, mbamin’ireo demoniany, dia hotanana eo amin’ny faritra manodidina ny tany. Ho vokatr’izany, dia hiroborobo ny ratsy, hoy ny fampitandreman’ny Baiboly: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny”. — Apokalypsy 12:7-9, 12.
Asehon’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly fa efa nitranga io fisehoan-javatra ara-tantara io — tany amin’ny manodidina ny fotoan’ny Ady Lehibe Voalohany.b Izany dia manazava ny fitomboana miavaka eo amin’ny ratsy izay atrehintsika amin’izao androntsika izao. Tsy ho ela anefa i Satana dia hofehezina tanteraka mba tsy hahafahany hitaona na iza na iza intsony. — Jereo Apokalypsy 20:1-3.
Inona no dikan’izany rehetra izany ho an’ny taranak’olombelona?
“Tsy hanao ratsy izy ireo”
Amin’ny maha-Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra azy, i Jesosy dia hampiasa tsy ho ela ny ‘fahefany eto an-tany’ mba handaminana fandaharam-panarenana ara-panahy amin’ny alalan’ny fampianarana. “Mianatra fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao”. (Isaia 26:9). Hiharihary amin’ny rehetra ny soa avy amin’izany. Manome toky antsika toy izao ny Baiboly: “Tsy handratra [“tsy hanao ratsy”, Interlinear Hebrew/Greek English Bible nataon’i Green] na hanimba (...) izy; fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” — Isaia 11:9.
Na dia amin’izao fotoana izao aza, dia maro amin’ireo fironantsika ratsy no azo resena. Rehefa tsy ho eo intsony ny hery fitaoman’ireo demonia, dia azo antoka fa ho tena mora dia mora kokoa ny “hiala amin’ny ratsy ka hanao soa”. — 1 Petera 3:11.
Manana ny antony rehetra isika mba hatokiana fa handresy ny ratsy ny tsara, satria Andriamanitra dia tsara, ary noho ny fanampiany, ireo izay maniry hanao ny tsara dia afaka mandresy ny ratsy, araka izay noporofoin’i Jesosy tamin’ny ohatry ny tenany. (Salamo 119:68). Ireo izay vonona ny hiady amin’ny ratsy amin’izao fotoana izao, dia afaka manantena ny hiaina eo amin’ny tany iray voadio izay hotapahin’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia fitondram-panjakana iray nahazo andraikitra hanafoana ny ratsy amin’ny fotoana rehetra. Nilazalaza ny vokatr’izany toy izao ny mpanao salamo: “Mihaona ny famindrampo sy ny fahamarinana; mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana. Ny fahamarinana mitsimoka amin’ny tany; ary ny rariny mitsinjo eny an-danitra.” — Salamo 85:10, 11.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy tena anarany.
b Mba hahazoana fanazavana amin’ny andinindininy, dia jereo ny pejy faha-20-22 amin’ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.