-
Mandraisa Fianarana avy Amin’i NikodemosyNy Tilikambo Fiambenana—2002 | 1 Febroary
-
-
Vao nanomboka enim-bolana ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany, dia efa niaiky i Nikodemosy fa “mpampianatra avy amin’Andriamanitra” izy. Nampiaiky azy ny fahagagana nataon’i Jesosy vao haingana tany Jerosalema, tamin’ny Paska taona 30 am.f.i. Tonga àry izy, tamin’ny alina, mba hampiseho ny finoany an’i Jesosy sy hianatra bebe kokoa momba an’io mpampianatra io. Tamin’izay i Jesosy no nilaza taminy fahamarinana sarotra, momba ny hoe tsy maintsy “ateraka indray” ny olona vao mahazo miditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nilaza koa i Jesosy hoe: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”—Jaona 3:1-16.
Tombontsoa mahatalanjona no nivelatra teo anatrehan’i Nikodemosy! Ho afaka niara-niasa akaiky tamin’i Jesosy sy nahita tsara ny fomba fiainan’i Jesosy teto an-tany izy. Mpitondra jiosy i Nikodemosy sady mpampianatra teo amin’ny Isiraely, ka fantany tsara ny Tenin’Andriamanitra. Hita koa fa tena kinga saina izy, satria fantany avy hatrany fa mpampianatra nirahin’Andriamanitra i Jesosy. Tia zavatra ara-panahy koa i Nikodemosy, ary vitsy ny olona nanetry tena toa azy. Sarotra tamin’ny mpikambana tao amin’ny fitsarana tampony jiosy tokoa ny hanaiky hoe izay zanaka mpandrafitra iny ve dia nirahin’Andriamanitra. Tena ilaina daholo izany toetra tsara rehetra izany mba hahatongavana ho mpianatr’i Jesosy.
-
-
Mandraisa Fianarana avy Amin’i NikodemosyNy Tilikambo Fiambenana—2002 | 1 Febroary
-
-
Noresahin’i Jaona aloha, voalohany indrindra, fa ‘tonga tao [amin’i Jesosy] tamin’ny alina’ io mpitondra jiosy io. (Jaona 3:2) Misy manam-pahaizana momba ny Baiboly milaza hoe: “Tonga tamin’ny alina i Nikodemosy, tsy noho ny tahotra akory, fa mba tsy hahatonga ny vahoaka hanelingelina azy rehefa manontany an’i Jesosy izy.” Rehefa niresaka momba an’i Nikodemosy anefa i Jaona, dia nolazainy hoe “ilay nankao amin’i [Jesosy] nony alina tamin’ny voalohany”, ary eo ambony kely fotsiny izy dia niresaka momba an’i Josefa avy any Arimatia, ka nilaza azy hoe ‘mpianatr’i Jesosy, nefa, tamin’ny mangingina ihany noho ny fahatahorany ny Jiosy.’ (Jaona 19:38, 39) Mety ho noho ny “fahatahorany ny Jiosy” àry no nahatonga an’i Nikodemosy hankany amin’i Jesosy tamin’ny alina; toy ny olon-kafa koa izay natahotra nifandray tamin’i Jesosy, tamin’ny androny.—Jaona 7:13.
-