FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bt toko 4 p. 28-35
  • “Tsy Nahita Fianarana ... Sady Olon-tsotra”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Tsy Nahita Fianarana ... Sady Olon-tsotra”
  • ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy noho ny “herinay” (Asa. 3:11-26)
  • “Tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony” (Asa. 4:1-22)
  • “Nanandra-peo nivavaka tamin’Andriamanitra” izy ireo (Asa. 4:23-31)
  • ‘Tsy olona fa Andriamanitra’ no hanao ampamoaka (Asa. 4:32–5:11)
  • Nampianarin’i Jesosy Hamela Heloka Izy
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
  • Nampianarin’ny Tompo Hamela Heloka Izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Niezaka Izy mba Tsy Hatahotra na Hisalasala
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
  • Tsy Nivadika Mihitsy Izy
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
Hijery Hafa
‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
bt toko 4 p. 28-35

TOKO 4

“Tsy Nahita Fianarana ... Sady Olon-tsotra”

Sahy ny apostoly, ary notahin’i Jehovah

Miorina amin’ny Asan’ny Apostoly 3:1–5:11

1, 2. Inona no fahagagana nataon’i Petera sy Jaona teo akaikin’ny vavahadin’ny tempoly?

NIANTEFA teny amin’ireo vahoaka nisomebiseby ny tara-masoandro folakandro. Indreny fa mitanjozotra ho ao amin’ny tempoly ireo Jiosy tia fivavahana sy ny mpianatr’i Kristy. Efa ho tonga ny “ora fivavahana.”a (Asa. 2:46; 3:1) Tao anatin’ireo vahoaka ireo i Petera sy Jaona, ary nizotra nankany amin’ilay vavahadin’ny tempoly atao hoe Vavahady Kanto. Re ny fitabataban’ny vahoaka sy ny fikasaosaokan’ny tongony. Mbola mafy noho izany anefa ny antsoantson’ny mpangataka iray efa zokinjokiny, izay kilemaina hatrany an-kibon-dreniny.​—Asa. 3:2; 4:22.

2 Tamy i Petera sy Jaona ka naverin’ilay rangahy ilay teny fampiasany rehefa mangata-bola. Nijanona izy roa lahy ka nanantena hahazo zavatra ilay rangahy. Hoy anefa i Petera: “Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao. Amin’ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mandehana!” Gaga be ny vahoaka rehefa noraisin’i Petera ny tanan’ilay kilemaina, ka afaka nijoro izy! Sambany izy vao nitsangana! (Asa. 3:6, 7) Nibanjina ny tongony sitrana ilay rangahy, ary nanandrana nandeha. Tsy mahagaga raha nitsambikimbikina izy ary nidera an’Andriamanitra!

3. Inona no fanomezana tsy manam-paharoa azon’ilay rangahy sy ny vahoaka?

3 Nihazakazaka nankeo amin’i Petera sy Jaona teo amin’ny Lala-mitafon’i Solomona ny vahoaka, sady gaga. Efa nijoro sy nampianatra teo i Jesosy taloha, ary teo koa i Petera no nanazava ny tena dikan’ilay zava-nitranga. (Jaona 10:23) Sarobidy lavitra noho ny volafotsy sy volamena ny fanomezana nomen’i Petera an’ilay rangahy sy ny vahoaka. Tsy fanasitranana fotsiny ilay izy, fa nampiany koa izy ireo mba ho afaka hibebaka sy ho voavela heloka ary ho tonga mpanara-dia an’i Kristy, ilay notendren’i Jehovah ho “Mpitarika Lehibe Indrindra manome fiainana.”​—Asa. 3:15.

4. a) Nampifanandrina an’iza ilay fanasitranana mahagaga? b) Inona avy no fanontaniana hovaliantsika?

4 Niavaka tokoa iny andro iny! Sitrana ny olona iray ka afaka nandeha. Olona an’arivony koa no afaka nahazo fanasitranana ara-panahy ka nanome voninahitra an’Andriamanitra. (Kol. 1:9, 10) Noho iny zava-nitranga iny, dia nifanandrina tamin’ny mpanara-dia an’i Kristy ny manam-pahefana, izay niezaka nisakana azy ireo tsy hankatò an’ilay baikon’i Jesosy hitory. (Asa. 1:8) ‘Tsy nahita fianarana sady olon-tsotra’ i Petera sy Jaona, nefa inona no ianarantsika avy amin’izy roa lahy rehefa nitory tamin’ny vahoaka izy ireo?b (Asa. 4:13) Ahoana no nataon’izy ireo sy ny mpianatra hafa rehefa nisy fanoherana, ary ahoana no azontsika anahafana azy?

Tsy noho ny “herinay” (Asa. 3:11-26)

5. Inona no ianarantsika avy amin’ny fomba niresahan’i Petera tamin’ny vahoaka?

5 Nijoro teo anoloan’ny vahoaka i Petera sy Jaona. Fantany fa tsy ela izay dia niantsoantso ny hamantsihana an’i Jesosy teo amin’ny tsato-kazo ny sasany tamin’ireo. (Mar. 15:8-15; Asa. 3:13-15) Eritrereto ange ny herim-pon’i Petera e! Sahy nilaza izy hoe ny anaran’i Jesosy no nanasitranana an’ilay kilemaina. Tsy natahotra nilaza ny marina izy, fa notsoriny hoe anisan’ny tompon’andraikitra tamin’ny namonoana an’i Kristy ilay vahoaka. Tsy nanana lolompo tamin’izy ireo anefa i Petera, satria ‘noho ny tsy fahalalany no nanaovan’izy ireo’ izany. (Asa. 3:17) Nantsoiny hoe rahalahy izy ireo, ary ny fitahiana hoentin’ilay Fanjakana no tena noresahiny. Ho tonga ny “fotoana mamelombelona” avy amin’i Jehovah raha mibebaka izy ireo ary mino an’i Kristy. (Asa. 3:19) Tsy tokony hisalasala koa isika fa ho sahy hanambara ny didim-pitsaran’Andriamanitra ho avy. Tsy hivantambantam-piteny na hasiaka na hitsaratsara olona anefa isika. Hihevitra kosa isika fa mety ho lasa rahalahintsika ny olona itoriantsika. Toa an’i Petera, dia ny fitahiana hoentin’ilay Fanjakana no tena resahintsika.

6. Inona no nampiseho fa nanetry tena i Petera sy Jaona?

6 Nanetry tena izy roa lahy, ka tsy nilaza hoe izy no nahavita an’ilay fahagagana. Hoy kosa i Petera: “Maninona ianareo no mandinika be anay, hoatran’ny hoe ny herinay na hoe noho izahay nahafoy tena ho an’Andriamanitra no nahavitanay nampandeha azy?” (Asa. 3:12) Fantatr’i Petera sy ny apostoly hafa fa tsy ny fahaizany no nahavitany an’izay zavatra tsara vitany teo amin’ny fanompoana, fa ny herin’Andriamanitra. Nanetry tena izy ireo ka i Jehovah sy Jesosy no nomeny ny voninahitra rehetra tamin’ny zava-bitany.

7, 8. a) Inona no fanomezana azontsika omena ny olona? b) Ahoana no ahatanterahan’ilay hoe ‘haverina amin’ny laoniny ny zava-drehetra’ ankehitriny?

7 Tokony hanetry tena koa isika rehefa mitory. Tsy manome hery antsika hanaovana fanasitranana mahagaga ny fanahy masina ankehitriny. Azontsika ampiana hino an’Andriamanitra sy Kristy anefa ny olona, ka hahazo an’ilay fanomezana nomen’i Petera, izany hoe ho afaka ny ho voavela heloka sy hahazo famelombelomana avy amin’i Jehovah. Olona ana hetsiny isan-taona no mandray an’io fanomezana io ka lasa Kristianina vita batisa.

8 Ao anatin’ilay fotoana antsoin’i Petera hoe ‘famerenana ny zava-drehetra amin’ny laoniny’ isika ankehitriny. Tanteraka ny teny “nasain’Andriamanitra nolazain’ny mpaminaniny masina taloha”, rehefa niorina tany an-danitra ilay Fanjakana tamin’ny 1914. (Asa. 3:21; Sal. 110:1-3; Dan. 4:16, 17) Taoriana kelin’izay i Kristy no nanomboka namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana marina eto an-tany. Olona an-tapitrisany àry no ao anatin’ny paradisa ara-panahy, ka lasa vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Niala tamin’ny toetra ratsiny taloha izy ireo, ary ‘nitafy ny toetra vaovao izay noforonina mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.’ (Efes. 4:22-24) Tsy herin’olombelona no ahavitana izany asa mahatalanjona izany, fa ny fanahin’Andriamanitra, toy ny nanasitranana an’ilay kilemaina. Tokony ho sahy hampiasa tsara ny Tenin’Andriamanitra toa an’i Petera isika rehefa mampianatra. Tsy ny fahaizantsika no ahavitantsika manampy olona ho tonga mpianatr’i Kristy, fa ny herin’Andriamanitra.

“Tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony” (Asa. 4:1-22)

9-11. a) Inona no nataon’ireo lohandohany teo amin’ny Jiosy, noho ny fitorian’i Petera sy Jaona? b) Tapa-kevitra ny hanao inona izy roa lahy?

9 Nisahotaka kely ny olona noho ilay lahatenin’i Petera, sy noho ilay rangahy nitsambikimbikina sy niantsoantso satria sitrana. Nijery haingana ny zava-nisy àry ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly, izay nitandro ny filaminana tao, mbamin’ireo lehiben’ny mpisorona. Azo inoana fa Sadoseo ireo lehilahy ireo. Sekta manankarena sy to teny teo amin’ny firenena ny Sadoseo, ary nitandro fihavanana tamin’ny Romanina. Nolavin’izy ireo ny lalàna am-bava, izay tena tian’ny Fariseo, ary tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty izy ireo.c Sosotra izy ireo satria hitany tao amin’ny tempoly i Petera sy Jaona, ary sahy nilaza hoe natsangana tamin’ny maty i Jesosy!

10 Tezitra ny mpanohitra ka nataony am-ponja i Petera sy Jaona, ary notereny hankeo anoloan’ny Fitsarana Avo Jiosy, ny ampitson’iny. Nieritreritra ireo mpitondra nihevi-tena ho ambony ireo fa “tsy dia nahita fianarana izy roa lahy sady olon-tsotra”, ka tsy nanan-jo hampianatra tao amin’ny tempoly. Tsy nianatra tany amin’ny sekoly ara-pivavahana izy roa lahy, nefa sahy niteny sady natoky an’izay nolazainy, ka gaga ny fitsarana. Nahoana i Petera sy Jaona no nahavita izany? Satria efa “niaraka tamin’i Jesosy izy roa lahy.” (Asa. 4:13) Toy ny manana fahefana ny Tompony rehefa nampianatra, fa tsy toy ny mpanora-dalàna.​—Mat. 7:28, 29.

11 Nandidy azy roa lahy tsy hitory intsony ilay fitsarana, izay tompon’ny teny farany teo amin’ny Jiosy. Izao no nolazain’ireo anisan’io fitsarana io rehefa niseho teo anatrehany i Jesosy, vao herinandro vitsivitsy talohan’izay: “Mendrika ny ho faty izy.” (Mat. 26:59-66) Tsy natahotra i Petera sy Jaona, na dia olona ambony sy nanan-karena ary nahita fianarana aza no teo anoloany. Niteny tamim-panajana kosa izy ireo hoe: “Ianareo no aoka hitsara raha mety eo imason’Andriamanitra na tsia ny hoe hihaino anareo, fa tsy hihaino an’Andriamanitra. Fa raha izahay kosa, dia tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony momba an’izay efa hitanay sy henonay.”​—Asa. 4:19, 20.

MPISORONABE SY LEHIBEN’NY MPISORONA

Misolo tena ny vahoaka eo anatrehan’Andriamanitra ny mpisoronabe. Filohan’ny Fitsarana Avo Jiosy koa izy, tamin’ny taonjato voalohany. Samy lohandohany teo amin’ny Jiosy izy sy ireo lehiben’ny mpisorona, izay niara-niasa akaiky taminy. Ireto kosa no anisan’ny lehiben’ny mpisorona: Ny mpisoronabe teo aloha, toa an’i Anasy, sy ny lehilahy hafa avy amin’ireo fianakaviana nifidianana ny mpisoronabe. Fianakaviana efatra na dimy monja angamba izany. Hoy ilay teolojianina atao hoe Emil Schürer: “Raha vao anisan’ireo fianakaviana ambony ireo fotsiny ny olona iray, dia efa niavaka” noho ny mpisorona hafa.

Asehon’ny Soratra Masina fa manompo mandra-pahafatiny ny mpisoronabe. (Nom. 35:25) Tamin’ny fotoana nitrangan’ireo zavatra tantarain’ny Asan’ny Apostoly anefa, dia ny governora romanina sy ny mpanjaka teo ambany fahefany no nanendry sy nanala mpisoronabe, araka izay tiany. Toa mpisorona avy amin’ny taranak’i Arona ihany anefa no notendren’ireny mpitondra mpanompo sampy ireny.

12. Inona no hanampy antsika ho be herim-po sy hatoky an’izay lazaintsika?

12 Hanana herim-po toy izany ve ianao? Inona no tsapanao rehefa mitory amin’ny olona ambony, mpanankarena, na nahita fianarana? Ahoana raha maneso ny finoanao ny havana, mpiara-mianatra, na mpiara-miasa? Matahotra ve ianao? Azonao resena izany. Nampianarin’i Jesosy hiaro ny finoany ny apostoly, ka ho sahy sy hanaja olona rehefa manao izany. (Mat. 10:11-18) Nampanantena i Jesosy, rehefa natsangana tamin’ny maty, fa homba ny mpianany foana izy “mandra-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.” (Mat. 28:20) Mampianatra antsika hahay hiaro ny finoantsika ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”, izay tarihin’i Jesosy. (Mat. 24:45-47; 1 Pet. 3:15) Mianatra an’izany isika any am-pivoriana, toy ny amin’ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana. Eo koa ireo lahatsoratra ara-baiboly, toa an’ilay andian-dahatsoratra ao amin’ny tranonkala jw.org hoe “Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly.” Mahay manararaotra an’izany ve ianao? Ho be herim-po sy hatoky an’izay lazainao ianao raha manao izany. Tahafo ny apostoly ka aza avela hisy na inona na inona hanakana anao tsy hiresaka an’ireo fahamarinana mahatalanjona hitanao sy renao.

Anabavy iray mitory amin’ny mpiara-miasa aminy mandritra ny fiatoana.

Aza mamela na inona na inona hanakana anao tsy hiresaka an’ireo fahamarinana mahatalanjona nianaranao

“Nanandra-peo nivavaka tamin’Andriamanitra” izy ireo (Asa. 4:23-31)

13, 14. Inona no tokony hataontsika rehefa tojo fanoherana? Nahoana?

13 Niara-nivory tamin’ny fiangonana i Petera sy Jaona raha vao nivoaka ny fonja. “Nanandra-peo nivavaka tamin’Andriamanitra” izy rehetra, ka nangataka herim-po hitoriana foana. (Asa. 4:24) Fantatr’i Petera tsara fa hadalana ny miantehitra amin’ny herin’ny tena, eo am-piezahana hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Natoky tena mantsy izy herinandro vitsivitsy talohan’io, ka niteny tamin’i Jesosy hoe: “Na hahafoy anao daholo aza izy rehetra noho izay hanjo anao, dia izaho tsy hahafoy anao izany mihitsy!” Resin’ny tahotr’olona anefa izy avy eo, araka ny efa nolazain’i Jesosy, ka nanda an’ilay namany sy mpampianatra azy. Naka lesona tamin’iny fahadisoany iny i Petera.​—Mat. 26:33, 34, 69-75.

14 Nirahina ho vavolombelon’i Kristy isika. Tsy ampy anaovana izany anefa raha fahavononana fotsiny. Tahafo i Petera sy Jaona raha misy mpanohitra mitady hanala anao amin’ny finoana, na hanakana anao tsy hitory. Mivavaha mba homen’i Jehovah hery. Mitadiava fanampiana amin’ny fiangonana, ka lazao amin’ny anti-panahy sy ny olona matotra hafa ny manjo anao. Tena misy heriny ny vavaka ataon’ny hafa.​—Efes. 6:18; Jak. 5:16.

15. Nahoana ianao no tsy tokony ho kivy raha efa nisy fotoana tsy nitorianao intsony taloha?

15 Raha efa nisy fotoana tsy nitorianao intsony taloha, dia aza kivy! Tadidio fa tsy nitory nandritra ny fotoana kelikely koa ny apostoly rehetra, taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Tsy ela anefa dia nitory indray izy ireo. (Mat. 26:56; 28:10, 16-20) Aza avela hanakivy anao ireo fahadisoanao. Makà kosa lesona avy amin’ireny, ka ampiasao hampaherezana ny hafa izany.

16, 17. Inona no ianarantsika avy amin’ny vavak’ireo mpianatra tao Jerosalema?

16 Inona no tokony hangatahina amin’ny vavaka rehefa mampahory antsika ny manam-pahefana? Mariho fa tsy nangataka ny hanafoanana ny fitsapana ny mpianatra. Tsaroan’izy ireo tsara mantsy ilay tenin’i Jesosy hoe: “Raha nanenjika ahy izy, dia hanenjika anareo koa.” (Jaona 15:20) Nangatahin’izy ireo kosa i Jehovah mba ‘hihaino’ ny fandrahonan’ny mpanohitra. (Asa. 4:29) Takatr’izy ireo fa tanteraka ny faminaniana rehefa enjehina izy ireo. Fantany avy tamin’ilay vavaka nampianarin’i Jesosy fa “hatao etỳ an-tany” ny sitrapon’Andriamanitra, na inona na inona lazain’ny mpitondra olombelona.​—Mat. 6:9, 10.

17 Te hanao ny sitrapon’i Jehovah ireo mpianatra, ka nivavaka toy izao: “Ataovy izay hahatonga anay mpanomponao hanana fahasahiana be hitory ny teninao.” Nanao zavatra avy hatrany i Jehovah, ka “nihovotrovotra ilay toerana nivoriany, ary feno fanahy masina izy rehetra, ka sahy nitory ny tenin’Andriamanitra.” (Asa. 4:29-31) Tsy misy mahasakana ny sitrapon’Andriamanitra tsy ho tanteraka. (Isaia 55:11) Na toa tsy mahita lalan-kivoahana aza isika, ary tena mahery ny mpanohitra, dia afaka matoky isika fa homen’Andriamanitra hery hitoriana ny Teniny amim-pahasahiana foana, raha manandra-peo mivavaka aminy.

‘Tsy olona fa Andriamanitra’ no hanao ampamoaka (Asa. 4:32–5:11)

18. Inona no nataon’ireo anisan’ny fiangonana tao Jerosalema ho an’ny mpiray finoana taminy?

18 Vetivety dia nitombo ilay fiangonana vao niforona tao Jerosalema, ka lasa 5000 mahery ny olona anisan’izy io.d Samy hafa fiaviana izy ireo nefa “iray fo sy iray saina.” (Asa. 4:32; 1 Kor. 1:10) Nivavaka ny mpianatra mba hitahian’i Jehovah ny ezaka nataony. Tsy vitan’izany fa nifanohana teo amin’ny lafiny ara-panahy koa izy ireo, ary nifanampy rehefa nilaina izany. (1 Jaona 3:16-18) Nivarotra ny taniny, ohatra, i Josefa, ilay mpianatra nantsoin’ny apostoly hoe Barnabasy. Foiny daholo ny vidin’ilay tany, mba hanampiana an’ireo avy lavitra ho afaka hijanona ela kokoa tao Jerosalema. Ho afaka handalina an’ilay finoany vaovao izy ireo amin’izay.

19. Nahoana no novonoin’i Jehovah i Ananiasy sy Safira?

19 Nivarotra ny taniny koa i Ananiasy sy Safira, ary nanao fanomezana. Nilaza izy mivady fa nanome ny vola rehetra. “Nisy notazoniny mangingina anefa ny vidiny.” (Asa. 5:2) Novonoin’i Jehovah izy mivady. Tsy hoe satria tsy ampy ny vola nomeny, fa satria antony ratsy no nanaovany fanomezana, sady namitaka izy mivady. ‘Tsy olona no nandaingany, fa Andriamanitra.’ (Asa. 5:4) Nitovy tamin’ireo mpihatsaravelatsihy nomelohin’i Jesosy i Ananiasy sy Safira. Voninahitra avy amin’olombelona no zava-dehibe taminy, fa tsy ny fankasitrahan’Andriamanitra.​—Mat. 6:1-3.

20. Inona no tokony hotadidintsika rehefa manao fanomezana ho an’i Jehovah?

20 Nalala-tanana ireo mpianatra tao Jerosalema. Manahaka azy ireo ny Vavolombelona an-tapitrisany ankehitriny, ka manao fanomezana an-tsitrapo mba hanohanana ny asa fitoriana maneran-tany. Tsy misy terena hanokana fotoana na hanome vola ho amin’io asa io. Tsy tian’i Jehovah hanompo azy amin’alahelo na an-tery isika. (2 Kor. 9:7) Tsy ny habetsahan’ny vola omentsika no mahaliana an’i Jehovah, fa ny antony anomezantsika izany. (Mar. 12:41-44) Tsy irintsika mihitsy ny hitovy amin’i Ananiasy sy Safira. Mitandrina isika mba tsy hanompo an’Andriamanitra noho ny fitadiavana tombontsoa na voninahitra. Aoka kosa isika hanahaka an’i Petera sy Jaona ary Barnabasy, ka ny tena fitiavana an’i Jehovah sy ny mpiara-belona no anompoantsika an’Andriamanitra.​—Mat. 22:37-40.

PETERA: MPANARATO LASA APOSTOLY NAFANA FO

Anarana dimy no iantsoana an’i Petera, ao amin’ny Soratra Masina. Simeona no anarany hebreo, fa Simona kosa no anarany grika, ary mitovy ny hevitr’ireo. Anarany koa ny hoe Petera, ary Kefasy no anarany mitovy hevitra amin’io amin’ny teny semitika. Iantsoana azy koa ny hoe Simona Petera, izay fitambaran’ireo anarana roa ireo.​—Mat. 10:2; 16:16; Jaona 1:42; Asa. 15:14.

Ny apostoly Petera mitazona sobika feno trondro.

Nanambady i Petera, ary niara-nipetraka tamin’ny rafozambaviny sy ny rahalahiny. (Mar. 1:29-31) Mpanarato izy, ary avy any Betsaida, tanàna eo avaratry ny Ranomasin’i Galilia. (Jaona 1:44) Nipetraka tao Kapernaomy, tsy lavitra an’i Betsaida, izy tatỳ aoriana. (Lioka 4:31, 38) Tao anaty sambon’i Petera i Jesosy no nipetraka, rehefa nampianatra vahoaka be teo amoron’ny Ranomasin’i Galilia. Taorian’izay, dia nahazo trondro tamin’ny fomba mahagaga i Petera, rehefa narahiny ny tenin’i Jesosy. Nandohalika teo anoloan’i Jesosy izy sady natahotra, nefa hoy i Jesosy: “Gaga be koa i Jakoba sy Jaona, zanak’i Zebedio, izay niara-niasa tamin’i Simona. Hoy anefa i Jesosy tamin’i Simona: “Aza matahotra, fa manomboka izao dia olona velona no ho azonao.” (Lioka 5:1-11) Niara-nanarato tamin’i Andrea rahalahiny i Petera, ary koa tamin’i Jakoba sy Jaona. Nialan’izy efa-dahy ny asa fanaratoana, rehefa nanaiky ny fanasan’i Jesosy hanaraka azy izy ireo. (Mat. 4:18-22; Mar. 1:16-18) Herintaona teo ho eo tatỳ aoriana, dia anisan’ireo 12 nofidin’i Jesosy ho “apostoly” na “iraka”, i Petera.​—Mar. 3:13-16.

Nofidin’i Jesosy hiaraka taminy i Petera sy Jakoba ary Jaona, rehefa nisy zavatra manokana. Hitan’izy ireo ny niovan’i Jesosy tarehy sy ny nananganany tamin’ny maty ny zanakavavin’i Jairo. Niara-niory tamin’i Jesosy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane koa izy ireo. (Mat. 17:1, 2; 26:36-46; Mar. 5:22-24, 35-42; Lioka 22:39-46) Izy telo lahy, sy Andrea, no nanontany an’i Jesosy momba ny famantarana ny fanatrehany.​—Mar. 13:1-4.

Nivantambantana sy nafana fo i Petera, ary taitaitra indraindray. Toa niteny talohan’ireo namany izy matetika. Be lavitra noho ny tenin’ireo apostoly 11 mitambatra, ny tenin’i Petera voarakitra ao amin’ny Filazantsara. Nametraka fanontaniana izy, fa ny hafa kosa nangina. (Mat. 15:15; 18:21; 19:27-29; Lioka 12:41; Jaona 13:36-38) Izy ilay tsy nety hosasan’i Jesosy tongotra, nefa avy eo nangataka ny hosasana tanana sy loha, rehefa nanarin’i Jesosy.​—Jaona 13:5-10.

Nentanin’ny fihetseham-po i Petera, ka niezaka nandresy lahatra an’i Jesosy hoe tsy voatery hijaly sy ho faty izy. Hentitra i Jesosy nanitsy azy, satria tsy nisaina tsara izy teo. (Mat. 16:21-23) Nilaza i Petera ny alina farany niainan’i Jesosy teto an-tany fa tsy handao an’i Jesosy mihitsy izy, na dia handao azy aza ny apostoly hafa rehetra. Rehefa nisambotra an’i Jesosy ny fahavalony, dia be herim-po i Petera ka niaro an’i Jesosy tamin’ny sabatra, ary nanaraka azy hatrany an-tokotanin’ny mpisoronabe. Nanda ny Tompony intelo anefa izy taoriana kelin’izay, ary nitomany tamin’alahelo be rehefa tonga saina.​—Mat. 26:31-35, 51, 52, 69-75.

Niseho tamin’ny apostoly i Jesosy rehefa natsangana tamin’ny maty. Taloha kelin’ny nisehoany voalohany tamin’izy ireo tao Galilia, dia nilaza i Petera fa handeha hanarato, ary niaraka taminy ny apostoly hafa. Raha vao fantany fa i Jesosy no teny amin’ny torapasika, dia nitsoraka tao anaty rano i Petera, ka nilomano nankeny amorony. Nitono trondro hataon’ny apostoly sakafo maraina i Jesosy. Nanontaniany i Petera raha tia azy mihoatra noho ‘iretsy’, izany hoe ireo trondro vao azon’ny mpianatra. Nampirisihiny i Petera mba hifidy ny hanara-dia azy manontolo andro, fa tsy ho variana amin’ny asa, toy ny fanaratoana.​—Jaona 21:1-22.

Nitory ny vaovao tsara tany Babylona, any Irak ankehitriny, i Petera, tamin’ny taona 62 ka hatramin’ny 64 tany ho any. Nisy Jiosy maro be tany, tamin’izany. (1 Pet. 5:13) Tany no nanoratany ny bokin’ny Petera Voalohany ao amin’ny Baiboly, ary angamba koa ny Petera Faharoa. “Nanome fahefana an’i Petera ho lasa apostolin’ny voafora” i Jesosy. (Gal. 2:8, 9) Nangoraka sy nafana fo izy teo am-pamitana ny asa nanirahana azy.

JAONA: ILAY MPIANATRA TIAN’I JESOSY

Zanak’i Zebedio ny apostoly Jaona, ary rahalahin’ny apostoly Jakoba. Salome angamba no anaran-dreniny, ary mety ho rahavavin’i Maria renin’i Jesosy izy io. (Mat. 10:2; 27:55, 56; Mar. 15:40; Lioka 5:9, 10) Mety ho havan’i Jesosy àry i Jaona. Toa nanan-karena ny fianakaviany. Toy ny orinasa kely ny asa fanaratoan’i Zebedio matoa nanakarama olona izy. (Mar. 1:20) Nanaraka an’i Jesosy i Salome ary nikarakara azy tamin’i Jesosy tany Galilia. Nitondra zavamaniry mani-pofoana hikarakarana ny fatin’i Jesosy izy, tatỳ aoriana. (Mar. 16:1; Jaona 19:40) Nanana trano angamba i Jaona.​—Jaona 19:26, 27.

Ny apostoly Jaona mitazona horonam-boky.

Mety ho i Jaona ilay mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa niara-nijoro tamin’i Andrea, tamin’i Jaona Mpanao Batisa nahita an’i Jesosy ka nanao hoe: “Iny ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra!” (Jaona 1:35, 36, 40) Azo inoana fa niaraka tamin’i Jesosy tany Kana i Jaona zanak’i Zebedio, taoriana kelin’izay, ka nanatri-maso an’ilay fahagagana voalohany nataon’i Jesosy. (Jaona 2:1-11) Mazava tsara sy be tsipiriany ny fitantaran’i Jaona ny zavatra nataon’i Jesosy tany Jerosalema sy Samaria ary Galilia. Midika izany fa mety ho nanatri-maso azy ireny i Jaona. Nandao avy hatrany ny haratony sy ny sambony ary ny asa fivelomany izy, toa an-dry Jakoba sy Petera ary Andrea, rehefa nantsoin’i Jesosy hanara-dia azy. Porofo izany fa nanam-pinoana i Jaona.​—Mat. 4:18-22.

Vitsy kokoa ny resaka momba an’i Jaona ao amin’ny Filazantsara, raha oharina amin’ny an’i Petera. Naherihery fihetsika koa anefa izy, matoa izy sy Jakoba rahalahiny nomen’i Jesosy anarana hoe Boanerjesy, izay midika hoe “Zanaky ny Kotroka.” (Mar. 3:17) Nitady laza i Jaona tamin’ny voalohany, ka vitan’izy sy ny rahalahiny mihitsy ny nitaona an-dreniny ho any amin’i Jesosy, mba hangataka toerana ambony ho azy roa lahy, ao amin’ny Fanjakany. Faniriana feno fitiavan-tena izany, nefa hita amin’izany koa fa nino izy ireo hoe tena misy ilay Fanjakana. Naniry laza izy roa lahy, ka nanararaotra izany i Jesosy mba hananarana ny apostoly rehetra hanetry tena.​—Mat. 20:20-28.

Hita fa olona nafanafana fo i Jaona, rehefa notadiaviny hosakanana tsy hamoaka demonia amin’ny anaran’i Jesosy ny lehilahy iray tsy mpanara-dia an’i Jesosy. Vonona hangataka afo hilatsaka avy any an-danitra koa izy, indray mandeha, mba handringanana ny mponina tao amin’ny tanàna samaritanina iray. Nandefa iraka tao mantsy i Jesosy mba hanomana ny fahatongavany, nefa tsy niraharaha an’ireny ny mponina tao. Niteny mafy an’i Jaona àry i Jesosy noho izany fihetsiny izany. Azo inoana fa nanjary nahay nandanjalanja sy namindra fo i Jaona. (Lioka 9:49-56) “Mpianatra tian’i Jesosy” izy, na dia teo aza ny fahadisoany. Rehefa ho faty i Jesosy, dia nankininy tamin’i Jaona ny fikarakarana an’i Maria reniny.​—Jaona 19:26, 27; 21:7, 20, 24.

Ela velona kokoa noho ny apostoly hafa i Jaona, araka ny efa nolazain’i Jesosy. (Jaona 21:20-22) Tsy nivadika i Jaona fa nanompo an’i Jehovah foana, nandritra ny 70 taona teo ho eo. Natao sesitany tany amin’ny Nosy Patmo izy, tamin’ny faramparan’ny fiainany, izany hoe nandritra ny fitondran’i Domitien, mpanjaka romanina. Fa nahoana? Satria izy “niresaka momba an’Andriamanitra sady vavolombelona momba an’i Jesosy.” Tany no nahazoany an’ireo fahitana nosoratany ao amin’ny Apokalypsy, tamin’ny 96 tany ho any. (Apok. 1:1, 2, 9) Araka ny lovantsofina, dia nankany Efesosy i Jaona rehefa nafahana. Tany izy no nanoratra an’ilay Filazantsara mitondra ny anarany, sy ny 1 Jaona sy 2 Jaona ary 3 Jaona. Voalaza fa maty tany Efesosy izy tamin’ny taona 100 tany ho any.

a Nisy vavaka natao tao amin’ny tempoly, tamin’ny fotoan’ny fanatitra maraina sy hariva. Tamin’ny “ora fahasivy” ny fanatitra hariva, izany hoe tamin’ny telo tolakandro.

b Jereo ireto efajoro ireto: “Petera: Mpanarato Lasa Apostoly Nafana Fo”, pejy 30, sy “Jaona: Ilay Mpianatra Tian’i Jesosy”, pejy 33.

c Jereo ilay efajoro hoe “Mpisoronabe sy Lehiben’ny Mpisorona”, pejy 34.

d Angamba tsy nisy afa-tsy Fariseo 6000 teo ho eo, sy Sadoseo 6000 latsaka kely, tao Jerosalema, tamin’ny taona 33. Izany koa angamba no vao mainka nampahatahotra azy ireo rehefa niely ny fampianaran’i Jesosy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara