Ny “mofon’aina” ho an’ny olona rehetra
“Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.” — JAONA 6:51.
1. Ao anatin’ny tarehin-javatra mampangitakitaka inona moa ny olombelona amin’izao androntsika izao?
HATRAMIN’NY ela be tokoa ny olombelona no mihina-mofo. Ny mofo tokoa no sakafo ampiasaina be dia be indrindra maneran-tany. Tena mety àry ny nilazana azy hoe “tohan’aina”. Amin’izao androntsika izao anefa, dia misy olona tsy ampy mofo amin’ny fomba mampahonena. Ankehitriny, dia ampahefatry ny mponina maneran-tany no mijaly noho ny hanoanana na ny mosary. Nanantitrantitra vao haingana ny gazety kanadiana iray, ny Globe and Mail any Toronto, fa “tsy mahalala sisin-tany sahala amin’ny ady ny mosary”. Io gazety io dia nanonona ny tenin’ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny Firenena mikambana momba ny famonjena ilaina maika dia maika any Afrika, izay nanamafy fa ilay kontinanta dia madiva hisetra “ny anankiray amin’ireo loza mahatsiravina indrindra hitan’ny olombelona, ny anankiray amin’ireo zava-tsarotra indrindra tsy maintsy nosetrain’ny olona”.
2, 3. a) Anisan’ny famantarana inona moa ny mosary? b) Ahoana no handaminana ireo zava-manahirana momba ny sakafo? d) Mila inona koa isika, ary inona no toky mahafaly hitantsika ao amin’ny Isaia 25:8?
2 Nampiomana antsika i Jesosy fa ny mosary dia anankiray amin’ny zavatra mahaforona ny famantarana ny fanatrehany ao amin’ny herin’ny Fanjakana (Matio 24:3, 7, 32, 33; 25:31, 32; Luc Lk 21:11). Afaka mifaly isika satria akaiky ny Fanjakany. Tsy ho ela, ilay Mpanjaka be voninahitra dia handresy ny fahavalon’ny olombelona rehetra; hatsahany ny tsy rariny ara-politika sy ara-toe-karena izay niteraka fahoriana mafy be dia be toy izao. Amin’izay dia hifaly ny olona rehetra hahazo ny mofony isan’andro. — Matio 6:10, 11; 24:21, 22; Daniela 2:44; Ohabolana 29:2.
3 Eo ambanin’ny fitondram-panjakana marina iray, ny tany soantsika haharitra dia ho afaka hamokatra sakafo “betsaka”, ho ampy hanomezana fahafahampo mponina maro lavitra noho ny an’izao tontolo izao ankehitriny (Salamo 72:12-14, 16, 18). Hanomana “fanasana” amin’ny zavatra tsara ho an’ny olony Jehovah (Isaia 25:6). Hilaina anefa ny zavatra mihoatra noho izany. Arakaraka ny fandehan’ireo taona tokoa, mbola harary sy ho faty ihany ve ny olona? Soa ihany fa ny Isaia 25:8 dia manampy izao manaraka izao ny amin’Andriamanitra: “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra.” Fa ahoana no hahatanterahan’izany?
Fandaharana feno fitiavana
4. Inona moa no fandaharana feno fitiavana nataon’i Jehovah tany Egypta?
4 Tamin’ny fotoana niandraiketan’i Josefa ny sakafo tany Egypta, dia be dia be ny voa fihinana. Rehefa notendren’i Farao tokoa Josefa dia nanao fiomanana tamim-pahendrena ho fitsinjovana ireo fito taona hisian’ny mosary voambara, ary nanampy ny fitahiany tamim-pitiavana Jehovah (Genesisy 41:49). Betsaka kokoa noho izay nilaina ny vokatra. Rehefa nanaraka an’i Josefa nankany Egypta i Jakoba rainy mbamin’ireo rahalahiny sy ny fianakavian’ireo, dia nandray soa lehibe avy tamin’izany fitondran’Andriamanitra izany izy ireo. Ambonin’izany, ireny Isiraelita ireny dia tsy isalasalana fa nanjary zatra tamin’ny koban’ny mofo misy masirasira namboarina tamin’ny varimbazaha, izay toa teraka tany Egypta.
5. a) Sakafo inona moa no nomen’i Jehovah tany an’efitra? b) Iza no nandray izany soa izany koa niaraka tamin’ny Isiraelita, ary nahoana?
5 Taty aoriana Jehovah dia nanao fandaharana feno fitiavana koa ho an’ny olony. Izany dia tamin’ny andro nandaozan’ny Isiraelita an-tapitrisany maromaro an’i Egypta mba hamakivaky ny efitr’i Sinay. Ahoana no hahazoan’izany vahoaka izany sakafo any amin’io faritra foana sy tsy tsara honenana io? Na dia nahatezitra an’i Jehovah aza ny tsy fahampiam-pinoan’ny Isiraelita, dia ‘novohany ny varavaran’ny lanitra ka nandatsaka mana teny aminy hohaniny Izy, ary varin’ny lanitra no nomeny azy’. (Salamo 78:22-24; 105:40; Eksodosy 16:4, 5, 31, 35.) Aoka tsy hohadinointsika koa fa tsy ny Isiraelita ihany akory no nihinana ny mana. Nisy “olona maro samy hafa firenena” tsy Isiraelita naneho finoana an’i Jehovah ka niaraka tamin’ny olony rehefa nifindra monina izy ireo. Nomen’Andriamanitra mana koa ireo. — Eksodosy 12:38.
6. a) Zava-dehibe kokoa inona no ilain’ny olombelona, ary nahoana? b) Inona no nosoritan’ny sorona naterin’ny Isiraelita, ary tandindon’ny inona izany?
6 Tamin’ny fotoana rehetra anefa ny olombelona dia nila zavatra mbola nahasoa kokoa noho ny “mofo avy any an-danitra” ara-bakiteny. Na dia ireo izay nihinana ny mana mahagaga aza dia nihantitra sy maty ihany tamin’ny farany, satria ny olombelona nandova toetoetry ny mpanota izay mahatonga ny fahafatesana tsy ho azo sorohina, na inona na inona haniny (Romana 5:12). Ny Isiraelita dia nanolotra ho an’Andriamanitra sorona izay nahatonga azy ireo ho afaka hitana fifandraisana tsara aminy, kanefa izany dia nanipika koa ny naha-mpanota azy. ‘Tsy nahaisotra tanteraka ny fahotana mihitsy’ ireny fanatitra ireny. Ambonin’izany, izy ireny dia tandindon’ny ‘soron’i Jesosy’ ikosehana ny fahotana “mandrakizay”. Avy any an-danitra izay ananany voninahitra izao, Jesosy dia afaka mampihatra ny vidin’ny sorony. — Hebreo 10:1-4, 11-13.
“Ny tena mofo avy any an-danitra”
7. a) Tao anatin’ny teny manodidina vaovao inona moa no notononina ireo tenin’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Jaona toko faha-6? b) Nahoana moa i Jesosy no niteny ny vahoaka?
7 Aoka isika izao hitodika any amin’ny toko faha-6 amin’ny Filazantsaran’i Jaona. Ny resak’i Jesosy tantaraina ao dia tsy tohin’ny voatantara ao amin’ny Jn toko faha-5; hafa ny teny manodidina satria herintaona no efa lasa. Amin’ny taona 32 isika izao. Tsy tany Jerosalema, teo afovoan’ny Jiosy nihevi-tena ho marina intsony i Jesosy, fa niaraka tamin’ny sarambabem-bahoaka tany Galilia. Vao avy namahana tamin’ny fomba mahagaga, olona 5 000 izy, tamin’ny fampitomboana mofo vary hordea dimy sy hazandrano kely roa. Nanaraka azy anefa ny vahoaka ny ampitso noho ny fanantenana ny handray soa indray amin’ny sakafo maimaimpoana. Koa nilaza toy izao tamin’ny Jiosy i Jesosy: “Mitady Ahy hianareo, nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky. Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay.” Nirahin’ny Rainy Jesosy mba hizara izany sakafo izany ho an’izay rehetra haneho finoana azy. Izany no ho “tena mofo avy any an-danitra” misy vokany maharitra kokoa noho ny mana ara-bakiteny nohanin’ny Isiraelita fahiny. — Jaona 6:26-32.
8. Ahoana no mety hahazoana ny fiainana mandrakizay?
8 Nohazavain’i Jesosy tamin’ny antsipiriany kokoa ireo soa horaisina avy amin’izany “sakafo” izany. Izao no nambarany: “Izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. (...) Fa izao no sitrapon’ny Raiko, dia ny hahazoan’izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.” — Jaona 6:35-40.
9, 10. a) Tamin’ny ahoana moa “ny mofon’aina” no hafa noho ny mana? b) Araka ny Jaona 6:42-51, ho an’iza moa no nanoloran’i Jesosy ny nofony? d) Amin’ny heviny ahoana moa ireo no ‘mihinana ny nofony’?
9 Rehefa nandre izany teny izany ireo Jiosy fatra-pitia ny zavatra ara-nofo izay nihaino an’i Jesosy dia nampiseho taminy ny faneken’izy ireo ny heviny. Tsy nihevitra azy afa-tsy ho ny zanak’i Josefa sy Maria izy ireo. Nandefa ho azy ireo izao fampitandremana izao i Jesosy: “Aza mimonomonona hianareo. Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.” Avy eo, dia izao indray no nolazainy: “Izaho no mofon’aina. Ny razanareo nihinana ny mana tany an’efitra, nefa maty ihany. Ity no mofo izay midina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay [na iza na iza, MN ] mihinana azy. Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.” — Jaona 6:42-51.
10 “Ho fiainan’izao tontolo izao” raha lazaina amin’ny teny hafa dia ny fitambaran’ny olona azo avotana, àry no nanomezan’i Jesosy ny nofony. “Na iza na iza” anisan’ny olona izay mihinana ara-panoharana an’io “mofo” io amin’ny fanehoana finoana ny hery fanavotan’ny soron’i Jesosy dia afaka miditra eo amin’ny lalan’ny fiainana mandrakizay. Eto, “ny olona maro samy hafa firenena” izay nihinana ny mana niaraka tamin’ny Isiraelita tany an’efitra dia mampiseho ny olona betsaka anisan’ny ‘ondry hafan’i’ Jesosy izay, eo anilan’ny sisa voahosotra amin’ny “Isiraelin’Andriamanitra”, dia mihinana amin’izao andro izao ny nofon’i Jesosy amin’ny heviny ara-panoharana. Izany no ataon’izy ireo amin’ny fanehoana ny sorony. — Galatiana 6:16; Romana 10:9, 10.
11. Fanambarana vaovao inona nataon’i Jesosy moa no nahatafintohina ny Jiosy, ary nahoana?
11 Aoka anefa isika hiverina any Galilia, tamin’ny fotoana nisian’ny mpihaino an’i Jesosy maro be tafintohina noho ny teniny. Mbola noho ny amin’ny nofony ihany, dia lasa lavitra kokoa ihany i Jesosy rehefa nanambara hoe: “Raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny rany hianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany. Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro.” (Jaona 6:53-55). Fitenenana mahatafintohina re izany! Tsy vitan’ny hoe naharikoriko an’ireny Jiosy ireny ny fieritreretana ny hihinana olona, fa ao amin’ny Levitikosy 17:14 (MN) koa ny Lalàna dia nandrara tamin’ny fomba hentitra ny fihinanana “ny ran’ny karaza-nofo rehetra”.
12. a) Inona no nosoritan’i Jesosy tamin’izay fotoana izay? b) Teny inona avy ao amin’ny Soratra masina no mampiseho fa izany teny izany dia tsy nahakasika fotsiny ireo mpiray lova amin’i Jesosy?
12 Mazava ho azy fa ny nosoritan’i Jesosy tamin’io toe-javatra io, dia ny hoe izay rehetra naniry hahazo ny fiainana mandrakizay dia tokony haneho finoana ny sorona hatolony atỳ aoriana rehefa hanome ny tenan’olombelona tanteraka nananany izy ka handatsaka ny rany (Hebreo 10:5, 10; I Petera 1:18, 19; 2:24). Izany fandaharana izany dia tsy mahakasika fotsiny ireo mpiray lova amin’i Jesosy. Izany dia mihatra koa amin’ireo anisan’ny “olona betsaka” ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe”, satria izy ireo ‘nanasa ny akanjony sy namotsy azy tamin’ny ran’ny Zanak’ondry’. Noho izy ireo maneho finoana ny soron’i Jesosy, araka ny porofoin’ny fanompoany an’Andriamanitra amin’ny “fanompoana” masina koa, dia harovana izy ireny mandritra ny vanim-potoam-pahoriana ho hitan’ny tany. Toy izany koa, Rahaba dia nambara fa marina sy narovana rehefa nitarika ny fandravana an’i Jeriko i Josoa. — Apokalypsy 7:9, 10, 14, 15; Josoa 6:16, 17; Jakoba 2:25.
Ny “fiainana ao aminareo”
13. a) Inona no tsapantsika rehefa ampitahaintsika ny Jaona 5:26 sy ny Jaona 6:53? b) Inona no rafitra ara-pitsipi-pitenenana grika manampy antsika hahatakatra ny hevitry ny teny ao amin’ny Jaona 6:53? d) Noho izany, inona no dikan’ny hoe ‘manana fiainana ao amin’ny tena’, ary mihatra amin’iza io fitenenana io?
13 Ao amin’ny Jaona 6:53, 54 i Jesosy dia mampitaha ny “fiainana mandrakizay” amin’ny fananana ny ‘fiainana ao amin’ny tena’. Ao anatin’ny teny manodidina azy àry, ny fitenenana hoe “fiainana ao aminareo” dia manana heviny hafa noho izay fonosiny ao amin’ny Jaona 5:26. Hita ao amin’ny Soratra grika koa ny fitenenana mitovy rafitra ara-pitsipi-pitenenana amin’ny hoe “fiainana ao aminareo”. Ohatra: “Aoka hisy sira ao anatinareo” (Marka 9:50) na: “Nandray tao amin’ny tenany ny valiny.” (Romana 1:27a). Ao amin’ireo toe-javatra roa voatonona eo aloha, dia tsy misy firesahana ny amin’ny fahefana hizara sira na hanome valiny ho an’olon-kafa. Asiana fitenenana kosa ny amin’ny fahafenoan’ny zavatra iray ao amin’ny tena. Noho izany, araka ny fanazavan’ny teny manodidina ny Jaona 6:53, ny hoe manana ‘fiainana ao amin’ny tena’ dia hilaza fandraisana amin’ny farany ny fiainana ao anatin’ny fahafenoany rehetra. Ireo mpandova ilay Fanjakana mahaforona ny “ondry vitsy” dia mandray izany fiainana izany amin’ny fitsanganany ho any an-danitra; fa raha ny amin’ny “ondry hafa”, izy ireny dia handray izany aorian’ny fahataperan’ny arivo taona, rehefa ho avy nosedraina sy nambara fa marina ka mendrika ny handova ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny Paradisa eto an-tany izy ireny. — I Jaona 3:2; Apokalypsy 20:4, 5.
14. Iza no handray soa koa amin’ny “mofo avy any an-danitra”, ary amin’ny fomba ahoana?
14 Hisy olon-kafa koa handray soa amin’ilay “mofo avy any an-danitra”. Ny amin’izay ‘mihinana ny nofony sy misotro ny rany’, kanefa maty, dia izao no nambaran’i Jesosy: “Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.” Fantatsika fa ireo kristiana voahosotra izay matory ao amin’ny fahafatesana dia atsangana rehefa maneno ny “trompetra farany”, dia fitrangan-javatra miseho mandritra ny ‘fisehoan’i Jesosy Kristy’ ao amin’ny voninahitry ny Fanjakany (I Korintiana 15:52; II Timoty 4:1, 8). Fa ahoana ny amin’ny kristiana iray izay ho anisan’ny “ondry hafa” ka hatory ao amin’ny fahafatesana? Manintona ny saintsika eto ny teny nataon’i Marta fony Lazarosy maty, satria tamin’izany fotoana izany ireo Jiosy natahotra an’Andriamanitra dia tsy nanana fanantenana afa-tsy ny an’ny fananganana ho eto an-tany. Naneho ny finoany tamin’izao teny izao i Marta: “Fantatro ihany fa hitsangana izy [Lazarosy] amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany.” (Jaona 11:24). Isika izay velona amin’ny fotoana fanatrehan’i Kristy àry, dia afaka manantena isika fa ireo anisan’ny “olona betsaka” izay maty tsy nivadika dia ho anisan’ireo voalohany hatsangana eto. Amin’izany izy ireo dia ho afaka hihinana indray amin’ny “mofo avy any an-danitra”, eo am-piandrasana ny handraisana ny fiainana mandrakizay. Fanantenana mahatalanjona re izany! Ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty dia manome antoka antsika fa ho tanteraka izany. — I Korintiana 15:3-8.
‘Ao amin’i Kristy’
15. Iza moa ireo ‘ao amin’i Kristy’? Hamarino ny valinteninao.
15 Izao no nolazain’i Jesosy nanaraka izany: “Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy.” (Jaona 6:56). Noho izany, dia zavatra marina izany ho ‘an’izay rehetra’ maneho toy izany finoana ny soron’i Jesosy, amin’ny fanantenana hanana ny ‘fiainana ao aminy’ indray andro any. Izay rehetra maneho finoana amin’izany fomba izany dia afaka ny ho ‘ao amin’i Jesosy’. Kanefa satria ireo anisan’ny “olona betsaka” manantena ny hiaina eto an-tany, ny maha-‘ao amin’i Kristy’ azy ireo dia miharihary fa tsy milaza hoe mpiray lova amin’i Kristy izy ireny na anisan’ny ampakariny, satria ireto voalaza farany manana anjara, sahala amin’i Jesosy, amin’ny fitsanganana ho any an-danitra (Romana 8:1, 10; I Korintiana 1:2; II Korintiana 5:17; 11:2; Galatiana 3:28, 29; Efesiana 1:1, 4, 11; Filipiana 3:8-11). Na dia izany aza, izay rehetra mamelona fanantenana ny hiaina eto an-tany dia afaka sy tokony hifanaraka tanteraka amin’ny Ray sy ny Zanaka. Izy ireo dia tokony hahalala sy hanao ny ‘sitrapon’Andriamanitra marina’, sahala amin’ireo anisan’ny “ondry hafa”. — Romana 12:2; jereo Jaona 17:21.
16. a) Amin’ny fomba tena lehibe inona avy moa izay rehetra maneho finoana ny soron’i Jesosy no ‘ao aminy’? b) Inona avy no porofon’ny fiombonany zava-kendrena sy ny firaisan’ny asany azontsika tononina?
16 Araka izany àry, ny vidim-panavotan’ny nofo sy ny ran’i Jesosy dia mitondra soa ho an’izay rehetra maneho finoana amin’izao androntsika izao, ary izay rehetra mandray soa amin’izany dia afaka ny ho ‘ao amin’i Jesosy’ amin’ny fomba samihafa lehibe tokoa. Izy rehetra dia ho tonga anisan’ny fianakavian’i Jehovah Andriamanitra eo amin’izao rehetra izao. Amin’izao “andro farany” sarotra izao, izy ireo dia afaka ‘manao asa lehibe kokoa’, izany hoe amin’ny ambaratonga mitatra kokoa, noho ny nataon’ny Tompony tetỳ. Aoka homarihintsika koa fa ireo kristiana an-tapitrisany maro mahaforona ny “olona betsaka” dia 99,7 isan-jaton’izay rehetra mandray anjara ankehitriny amin’ny asan’i Jehovah (Jaona 14:12; Romana 10:18). Ny fiombonan’ny zava-kendreny sy ny firaisan’ny asany dia hita amin’ny fanambarana miavaka ataon’izy ireo maneran-tany sy amin’ny fomba mahatalanjona anohanan’izy ireo ny fandaharam-panorenan’ny Fikambanana Watch Tower (Salamo 110:3). Mbola tokony hiandry isika mba hahafantarana hoe firy ny olona mbola haneho finoana sy handray soa amin’izany firaisan-tsaina sarobidy izany. Ny rapaoro vao haingana dia milaza fa 3 024 131 ny Vavolombelona miasa.
17. Inona moa no tena tokony hotadidian’izay rehetra manatrika ny Fahatsiarovana?
17 Manantena isika fa amin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana 1987, dia olona maro tsara fikasa no ho tonga hiaraka amintsika. An-tapitrisany maro ny “ondry hafa” hanatrika io fankalazana io ka hiaraka amin’ny kristiana an’arivony vitsivitsy anisan’ny “ondry vitsy” izay tsy mitsahatra ny mihena ny isany. Ny rehetra dia ho feno fankasitrahana noho ireo fandaharana feno fitiavana nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’ny Zanany ary hekeny ny anjara iankinan’ny aina raisin’ny nofo sy ny ran’i Jesosy. Ny rehetra anefa dia tokony hahatsapa tsara ny toeran’izy ireo. Ny fandraisana ny marika amin’ny Fahatsiarovana dia tsy manome ny fiainana mandrakizay akory. Ny mofo sy ny divay dia mariky ny soron’i Jesosy, dia sorona izay ny soa avy aminy dia ampiharina voalohany indrindra ao anatin’ny faritry ny “fanekena vaovao”. Ireo kristiana voahosotra voaray ao anatin’io fanekena io, ary izy ireo ihany, no manana zo handray ny marika. Na voaray ao anatin’io fanekena io ny kristiana iray na tsy toy izany (I Korintiana 11:20, 23-26). Ireo izay tsy voaray ao anatin’ny fanekena vaovao ary tsy nampidirin’i Jesosy ho ao anatin’ny fanekena ho amin’ny fanjakana dia tsy mandray ny marika, nefa tsy maintsy manaiky foana izy ireo fa mifono heviny tena lehibe ho azy ireo ny nofo sy ny ra natolotr’i Jesosy ho sorona (Lioka 22:14-20, 28-30). Noho io sorona io no mety hahazoany ny fiainana mandrakizay eto an-tany.
18. Soa inona avy no raisintsika raha azontsika tsara izay rehetra voafaoka amin’ny soron’i Jesosy?
18 Rehefa manatona ny fankalazana ny Fahatsiarovana, enga anie isika hahatsapa tsara foana izay rehetra asehon’ny soron’i Jesosy ho an’ny olombelona! Enga anie ireo anisan’ny “ondry vitsy” hihevitra ho sarobidy tokoa ny fiantsoana azy ireo ary enga anie ireo anisan’ny “olona betsaka” mihamaro hatrany hifaly amin’ny fahatsinjovana ny hanana ‘ao amin’izy ireo ny fiainana’ tonga lafatra eto an-tany sady mankamamy faran’izay betsaka ny maha-tafaray dieny izao amin’ny Ray sy ny Zanaka ary ny sisa mihavitsy hatrany amin’ny kristiana voahosotra! Endrey ny fahasambarantsika satria atolotra ny olona rehetra “ny mofon’aina” amin’izao andro izao!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo koa Matio 3:9; 9:3; 13:21; Marka 5:30; 6:51; Lioka 7:39, 49; 12:17; 18:4; Jaona 5:42; 11:38; Asan’ny apostoly 10:17; II Korintiana 1:9.
Fanontaniana ho amin’ny famerenana
◻ Inona avy moa ireo karazana mana roa noresahin’i Jesosy tamin’ny taona 32, ary natao ho an’iza izany?
◻ Olona iza avy moa no asain’i Jesosy ‘hihinana ny nofony sy hisotro ny rany’, ary ahoana no azon’izy ireo anaovana izany?
◻ Inona moa no dikan’ny fitenenana hoe manana ny ‘fiainana ao amin’ny tena’? Amin’ny fomba ahoana ary amin’ny fotoana toy inona no tratra izany zava-kendrena izany?
◻ Fahasambarana inona no azontsika rehetra andramana dieny izao raha ny amin’izay mahakasika “ny mofon’aina”?