FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g92 8/10 p. 31
  • “Mba Tsy Hisy ho Very”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Mba Tsy Hisy ho Very”
  • Mifohaza!—1992
  • Mitovitovy Aminy
  • Fantsika
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1999
  • Nahafoy Tena Izy Ireo: Ghana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Nanao ahoana ny fipetrak’ireo tongony?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Hijery Hafa
Mifohaza!—1992
g92 8/10 p. 31

“Mba Tsy Hisy ho Very”

Avy tany amin’ny masoivohon’ny Mifohaza! any Ghana

Hitako tao amin’ny trano kely fiasany any Labadi, any ivelan’i Accra, izy, nanatsofa sy namankona hazo tamin’ny tanana tamin’ny fanehoana tanjaka mahatalanjona. Adams Akuetteh no anarany. Fitopolo taona izy ary nanao ny asan’ny mpandrafitra nandritra ireo 50 taona lasa.

Rehefa nanontany azy aho hoe inona no noheveriny fa niavaka indrindra teo amin’ny asa fandrafetana nataony, dia namaly haingana izy hoe ireo efa-taona nolaniny teo amin’ny toeram-panorenana ny sampana vaovao ho an’ny Watch Tower Society any Nungua, any Ghana. Izany dia teo anelanelan’ny 1984 sy 1988.

“Inona no nataonao tany amin’io toeram-panorenana io?”, hoy aho nanontany azy.

“Niasa teo amin’ny fanaovana hazo ho an’ny lasitra simenitra aho ary nanampy ireo mpanao tafontrano.”

“Toa misy zavatra hafa koa ahatsiarovana anao”, hoy aho nampiteny azy, “mifandray amin’ireo fantsika nilaina teo amin’ilay toeram-panorenana.”

“Ah, iah, fantsika. Lafo be moa ny fantsika eto Ghana. Roa na telo dolara [fitonjato na arivo ariary] izao ny antsasa-kilao amin’ny fantsika. Dia hoy aho anakampo hoe: ‘Tsy azo havaozina ve ny sasany amin’ireo fantsika ireo? Handeha hoe handramako.’

“Nanomboka nanao izany araka ny fanapahan-kevitro samirery sy tamin’ny fotoanako manokana àry aho. Rehefa nahita ahy ilay mpiandraikitra ny fanorenana, dia faly erỳ. Notendreny hanao io asa io tamin’ny fomba maharitra aho. Nandritra ny efa-taona àry aho, isa-maraina, dia nikaroka sy nanangona ireo fantsika nariana teo amin’ilay toeram-panorenana. Nanala tamim-pitandremana izay fantsika rehetra hitako tamin’ireo hazo ho an’ny lasitra simenitra efa noravana koa aho.”

“Narianao ve ireo fantsika dombo sy ireo bilaka?”

“An, an. Nampiasaina indray teo amin’ny hazo malemy ireo dombo, na nahitsy tamin’ny alalan’ny fiasana iray mba ho azo ampiasaina indray teo amin’ny hazo mafy. Ireo meloka kosa nahitsiko tamim-pitandremana tamin’ny alalan’ny marotoa.”

“Tsy hitanao ho dridralava sy nanorisory ve io asa io?”

“Tamin’ny tanora iray angamba dia nety ho marina izany, fa tsy tamiko. Nilaza tamiko ilay mpiandraikitra ny fanorenana fa nampitsisy vola ny Fikambanana, izany hoe an’i Jehovah, ny asako, hany ka faly erỳ aho. Fifaliana manokana ho ahy ny nahita fa nihanitombo ireo antontam-pantsika samy hafa habe izay voavotra. Ary niteny anakampo aho hoe: ‘Ha, ha! Nihoarako ireo mpanao tafontrano izao!’ Kanefa dia nanjavona indray ireo antontam-pantsika. Nikiakiaka avy teny an-tampon-trano ry zareo nangataka fantsika fanampiny! Dia lasa indray aho, nikapoka mafy sy haingana tamin’ny marotoako.”

“Inona no ataonao amin’izao asa fanorenana efa vita izao?”

“Ao amin’ny fanompoana manontolo andro indray aho, miandry ny hiverenanareo indray hanorina ny fanitarana ny toerana misy ny sampan’i Ghana. Amin’izay aho dia ho eo koa, hanavotra ireo fantsika simba sy hampitsitsy vola — amim-pifaliana.”

Nandritra ny efa-taona izy dia nanao asa iray izay mety hoheverin’ny sasany ho ambany. Kanefa tsy noheverin’i Adams Akuetteh, “ilay mpanitsy fantsika ao amin’ny sampan’i Ghana”, ho toy izany na oviana na oviana ilay izy. Nanavao ireo fantsika tamim-pifaliana izy mba hitsitsiana vola ho an’i Jehovah!

Toy izany koa ny fomba fisainan’i Jesosy. Na dia nanana fahefana tsy nisy fetrany hanao fahagagana ka hampitombo ireo mofo aza izy, dia nilaza toy izao taorian’ny sakafo: “Angony ny sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very.” — Jaona 6:12.

[Sary, pejy 31]

I Adams Akuetteh, “ilay mpanitsy fantsika ao amin’ny sampan’i Ghana”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara