FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jy toko 55 p. 134-p. 135 feh. 10
  • Nanafintohina Olona Maro ny Tenin’i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanafintohina Olona Maro ny Tenin’i Jesosy
  • I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mitovitovy Aminy
  • Nitsahatra tsy nanaraka an’i Jesosy ny mpianatra maro
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Nisy mpianatra betsaka nitsahatra tsy nanaraka an’i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Ny “mofon’aina” ho an’ny olona rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Ahoana no Hahazoanao Fiainana Mandrakizay?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
Hijery Hafa
I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
jy toko 55 p. 134-p. 135 feh. 10
Miresaka amin’ireo apostoliny 12 i Jesosy. I Jodasy kosa misalasala sady mitodika any an-kafa. Misy mpianatra hafa mimenomenona sy lasa

TOKO 55

Nanafintohina Olona Maro ny Tenin’i Jesosy

JAONA 6:48-71

  • MIHINANA NY NOFON’I JESOSY SY MISOTRO NY RANY

  • MARO NO TAFINTOHINA KA TSY NANARAKA AZY INTSONY

Nampianatra tao amin’ny synagoga iray tany Kapernaomy i Jesosy hoe izy no tena mofo avy any an-danitra. Toa tohin’ny zavatra efa nolazainy tany aloha izany, tamin’izy nampianatra an’ilay vahoaka nizarany mofo sy trondro, teny amin’ny faritra atsinanan’ny Reniranon’i Jordana.

Hoy ihany i Jesosy tao amin’ilay synagoga: “Nihinana ny mana ny razanareo tany an-tany efitra, nefa maty ihany.” Hoy koa anefa izy: “Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra. Raha misy mihinana an’ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy, ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.”—Jaona 6:48-51.

Tamin’i Jesosy sy Nikodemosy nifampiresaka tamin’ny lohataonan’ny taona 30, dia nilaza i Jesosy fa tena tia ny olombelona Andriamanitra ka nanome ny Zanany ho Mpamonjy. Nilaza izy izao fa tena ilaina ny mihinana ny nofony, izany hoe maneho finoana ny sorona hataony. Hiaina mandrakizay izay manao izany.

Nahasorena ny olona anefa ny tenin’i Jesosy, ka hoy izy ireo: “Hataon’io lehilahy io ahoana ny hanome ny nofony hohanintsika?” (Jaona 6:52) Tian’i Jesosy ho azon’izy ireo fa tsy ara-bakiteny ny teniny, ka hoy izy:

“Raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny rany ianareo, dia tsy manana fiainana ao anatinareo. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako dia manana fiainana mandrakizay. ... Fa tena sakafo ny nofoko, ary tena fisotro ny rako. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako dia tafaray foana amiko.”—Jaona 6:53-56.

Azo antoka fa nahatsiravina ny Jiosy izany. Nihevitra angamba izy ireo hoe nampirisihin’i Jesosy hihinan’olona na handika ilay lalàn’Andriamanitra mandrara ny fihinanana ra. (Genesisy 9:4; Levitikosy 17:10, 11) Tsy ara-bakiteny anefa ilay tenin’i Jesosy. Te hilaza kosa izy fa tsy maintsy maneho finoana ny sorona hataony izay rehetra te hiaina mandrakizay. Hanolotra ny vatany lavorary sy handatsaka ny rany mantsy izy. Maro tamin’ny mpianany koa no tsy nahazo an’io fampianarana io. Hoy ny sasany: “Manafintohina izany teny izany. Iza no mahahaino izany?”—Jaona 6:60.

Fantatr’i Jesosy fa nimenomenona ny mpianany sasany, ka hoy izy: “Manafintohina anareo ve izany? Koa hanao ahoana re raha mahita ny Zanak’olona miakatra ho any amin’izay nisy azy teo aloha ianareo e? ... Ny teny nolazaiko taminareo dia avy amin’ny fanahy ary manome fiainana. Misy aminareo anefa tsy mino.” Maro àry ny mpianany niala teo ary tsy nanaraka azy intsony.—Jaona 6:61-64.

Nanontany an’ireo apostoliny 12 i Jesosy hoe: “Ianareo koa ve mba te hiala?” Hoy i Petera: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Ary izahay efa mino sy mahalala fa ianao Ilay Masin’Andriamanitra.” (Jaona 6:67-69) Hita tamin’izany fa tsy nivadika i Petera sy ny apostoly hafa, na dia mbola tsy azony tsara aza ny tian’i Jesosy holazaina.

Nahafaly an’i Jesosy ny tenin’i Petera, nefa hoy izy: “Nifidy anareo roa ambin’ny folo lahy tokoa aho, nefa ny anankiray aminareo dia mpanendrikendrika.” (Jaona 6:70) I Jodasy Iskariota no tiany holazaina. Nety ho efa tsikariny fa nanomboka nanao zavatra araka ny fanirian-dratsiny i Jodasy.

Azo antoka anefa fa faly i Jesosy hoe tsy nandao azy i Petera sy ny apostoly hafa, fa niaraka taminy foana nanao an’ilay asa mamonjy aina.

  • Ahoana no nanomezan’i Jesosy ny nofony, ary ahoana no ahafahan’ny olona iray “mihinana” an’izany?

  • Nahoana ny olona no tezitra tamin’ny tenin’i Jesosy momba ny nofony sy ny rany? Inona anefa no tiany holazaina?

  • Ahoana no fihetsik’i Petera rehefa nandao an’i Jesosy ny olona maro?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara