Fanontanian’ny mpamaky
◼ Nahoana moa Jesosy no nampanantena an’ireo nino azy fa “tsy ho faty mandrakizay” izy ireo, kanefa maty marina tokoa izy ireo? — Jaona 11:25, 26.
Rehefa niresaka ny amin’ny fetezana tsy ho faty, na ny fiainana mandrakizay, i Jesosy, dia miharihary fa tsy te-hilaza izy hoe tsy hahita na oviana na oviana ny fahafatesana ireo niresaka taminy tamin’izay. Ny hevitra fototra nambarany dia ny hoe raha maneho finoana azy, dia azo atao ny mahazo ny fiainana mandrakizay.
Indray andro, dia Jesosy mihitsy no nilaza ny tenany hoe “ny mofon’aina”, avy eo dia nanampy izy hoe: “Ity no mofo izay midina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy. Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy”. — Jaona 6:48-51.
Raha ireo teny ireo ihany no heverina, dia mety hieritreritra ny tena fa nilaza tamin’ny mpihaino azy i Jesosy hoe mety tsy hahita fahafatesana izy ireo. Nefa tsy manamafy izany fanatsoahan-kevitra izany ny teny manodidina. Vao avy niteny tokoa mantsy i Jesosy hoe: “Ary izao no sitrapon’izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin’ny andro farany izy. (...) dia ny hahazoan’izay rehetra mijery ny zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay, ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany. (...) Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.” Ary tatỳ aoriana, dia nanampy izy hoe: “Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.” (Jaona 6:54). Noho izany, dia tsy misy na inona na inona mamela antsika hieritreritra fa raha nampanantena ny “fiainana mandrakizay” an’ireo mpihaino azy i Jesosy dia hoe te-hilaza fa tsy hahita fahafatesana na oviana na oviana izy ireo.
Toy izany koa ny amin’ny fampanantenana fantatra tsara nataon’i Jesosy tamin’i Marta hoe: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino ahy dia tsy ho faty mandrakizay.” (Jaona 11:25, 26). Mazava ho azy fa tsy te-hilaza akory i Jesosy tamin’izany fa ireo apostoly nahatoky, ohatra, dia tsy ho faty mihitsy tahaka ny olombelona hafa. Amin’ny taona izay hanaraka dia ho voahosotry ny fanahy masina izy ary hotolorana ny fanantenana hanjaka any an-danitra. Mba hahazoana io valisoa io, dia tsy maintsy maty izy ireo, mamoy ny fiainany amin’ny maha-olombelona (Romana 8:14-23; 1 Korintiana 15:36-50). Ary aoka homarihintsika fa niteny i Jesosy hoe: “Izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.”
Ny fampanantenan’i Jesosy dia ho tanteraka amin’ireo mpanompon’Andriamanitra be fandavan-tena izay niaina sy maty talohan’ny fotoana nanolorana ny fahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay. Miandry ny fitsanganana mbola ho avy ireny olo-mahatoky ireny. Raha mitoetra ho mahatoky izy ireny aorian’ny hananganana azy amin’ny maty, dia tsy hahita mihitsy “ny fahafatesana faharoa”, dia ny fahafatesana mandrakizay. — Apokalypsy 20:15; 21:8; Jaona 8:51.
Kanefa dia asehon’ireo faminanian’ny Baiboly fa misy fahafahana manokana atolotra antsika amin’izao androntsika izao. Isika izay velona amin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra, dia afaka ny ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” ka hiditra mivantana ao amin’izao tontolo izao vaovao. Amin’izay, raha manantena ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany paradisa iray isika ary mitoetra ho mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra, dia tsy hahita fahafatesana na oviana na oviana. Rehefa ho avy tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” isika, dia hotarihina “ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina”. — Apokalypsy 7:9-17.
[Sary, pejy 31]
Manome antsika fanantenana ny fiainana mandrakizay ny fampanantenana nomen’i Jesosy an’i Marta.